Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nampirisihina Hanahaka An’i Jeremia Ireo Misionera

Nampirisihina Hanahaka An’i Jeremia Ireo Misionera

Fizarana Diplaoman’i Gileada, Kilasy Faha-125

Nampirisihina Hanahaka An’i Jeremia Ireo Misionera

“TENA miavaka eo amin’ny tantaran’ny Sekolin’i Gileada ity kilasy ity”, hoy i Geoffrey Jackson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Maherin’ny 8 000 izao ny misioneran’i Gileada nalefa “any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany”, rehefa niampy an’ireo mpianatra 56 vao nahazo diplaoma. (Asa. 1:8) Izany no nolazainy tamin’ireo olona 6 156 nanatrika ny fizarana diplaoma, tamin’ny 13 Septambra 2008.

Hoy ny Rahalahy Jackson, mpitari-draharaha: “Hahita vokatra kokoa ve ianareo raha mendri-pitokisana?” Nitanisa lafin-javatra efatra mahatonga ny olona ho mendri-pitokisana izy: manana toe-tsaina mety, manome ohatra tsara, mampifanaraka ny zavatra ampianarina amin’ny Tenin’Andriamanitra, ary mifantoka amin’ny fampahafantarana ny anaran’i Jehovah.

I David Schafer avy ao amin’ny Komitin’ny Fampianarana kosa niresaka an’ilay loha hevitra hoe: “Hahalala ny Zava-drehetra ve Ianareo?” Nomeny toky ireo mpianatra fa afaka “mahalala ny zava-drehetra”, izany hoe hahita fahombiazana eo amin’ny asa misionera, raha mitady ny fanampian’i Jehovah foana, sy manetry tena ka manaiky ny tari-dalan’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.”—Ohab. 28:5; Mat. 24:45.

Taorian’izay i John Barr, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, dia niresaka an’ilay loha hevitra hoe: “Aza Avela Hisy Hampisaraka Anareo Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra.” Toy ny torohevitry ny ray ny lahateniny, ka nampisinda ny fanahian’ireo mpianatra sy ny an’ny ray aman-dreniny, momba ny zavatra mety hatrehin’ireo misionera vaovao any amin’ny tany anendrena azy. Hoy izy: “Tena voaro isika rehefa ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, ary tsy misy fialofana tsara noho izany.” Tsy hisy hahasaraka an’ireo misionera amin’ny fitiavan’Andriamanitra, raha tsy izy ireo angaha no miala amin’Andriamanitra.

Nampirisika ny mpanatrika hanao an’ilay “akanjo tsara indrindra” i Sam Roberson, avy ao amin’ny sampan-draharahan’ireo sekoly ara-baiboly any Patterson. Afaka ‘mitafy ny toetran’i Jesosy Kristy’ ireo mpianatra, rehefa mianatra momba ny zavatra nataon’i Jesosy sy mampihatra izany. (Rom. 13:14) I William Samuelson, mpiandraikitra an’io sampan-draharaha io, no nandaha-teny avy eo. Nasongadiny fa ny fomba fijerin’Andriamanitra fa tsy ny an’ny olona no amaritana raha mendri-kaja ny olona iray.

Nanasa mpianatra vitsivitsy hitantara ny zavatra hitany teny am-pitoriana i Michael Burnett, anisan’ny mpampianatra. Voatendry hiasa teny amin’ny faritany voasa matetika ny ankamaroan’ireo mpianatra, nandritra ny fotoam-pianarany. Nahita olona liana ihany anefa izy ireo. I Gerald Grizzle, avy ao amin’ny Biraon’ny Fivoriambe, kosa nanadinadina rahalahy telo nanatrika ny Sekolin’ireo Anisan’ny Komitin’ny Sampana. Fantatr’ireo mpianatra avy tamin’ny valin-tenin’izy ireo ny zavatra miandry azy any amin’ny tany anendrena azy.

I David Splane, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana sady nahazo diplaoma tamin’ny kilasy faha-42, no nanao ilay lahateny hoe: “Manahafa An’i Jeremia.” Natahotra ny hanatontosa ny asa nanendrena azy i Jeremia, nefa nampahery azy i Jehovah. (Jer. 1:7, 8) Hampahery an’ireo misionera vaovao koa Andriamanitra. Hoy ny Rahalahy Splane: “Raha sosotra amin’ny olona iray ianao, dia mipetraha kely ary soraty ny toetra tsara folo ananany. Mbola tsy tena mahafantatra azy ianao, raha tsy ampy folo ny toetra tsarany hitanao.”

Nahafoy tena i Jeremia. Nivavaka izy rehefa nitady hilavo lefona, ary nanohana azy i Jehovah. (Jer. 20:11) Hoy ny Rahalahy Splane: “Raha kivikivy ianareo, dia resaho amin’i Jehovah izany. Ho gaga ianareo hahita ny fanampiany.”

Nilaza ny mpitari-draharaha teo am-pifaranan’ny fandaharana, fa maro ny zavatra nianaran’ireo mpianatra mba hahatonga azy ireo ho mendri-pitokisana. Hanan-kery kokoa ny hafatra toriny rehefa hitan’ny olona fa mendri-pitokisana izy ireo.—Isaia 43:8-12.

[Efajoro, pejy 22]

ANTONTAN’ISA MOMBA ILAY KILASY

Tany nanana solontena: 6

Tany nanendrena: 21

Mpianatra: 56

Salanisan-taona: 32,9

Salanisan’ny taona naha tao amin’ny fahamarinana: 17,4

Salanisan’ny taona nanompoana manontolo andro: 13

[Sary, pejy 23]

Ny Kilasy Faha-125 Nahazo Diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada

Amin’ilay lisitra eto ambany, ireo laharana dia asiana nomerao avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana dia tononina avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana.

1) Hodgson, A.; Wall, A.; Beerens, K.; Hortelano, M.; Newman, L.; De Caso, A. 2) Jenkins, J.; Jarzemski, T.; Méndez, N.; Corona, V.; Canalita, L. 3) Fryer, H.; Savage, M.; Tidwell, K.; Erickson, N.; Dyck, E.; McBeath, R. 4) Perez, L.; Puse, L.; Skidmore, A.; Young, B.; McBride, N.; Rondón, P.; Goodman, E. 5) Beerens, M.; Ferguson, J.; Pearson, N.; Chapman, L.; Wardle, J.; Canalita, M. 6) Perez, P.; De Caso, D.; Young, T.; Rondón, D.; Goodman, G.; Jenkins, M.; Dyck, G. 7) Corona, M.; Wall, R.; Puse, S.; Méndez, F.; Jarzemski, S.; Savage, T. 8) Newman, C.; Ferguson, D.; Skidmore, D.; Erickson, T.; McBride, J.; Pearson, M.; Chapman, M. 9) Hodgson, K.; Wardle, A.; McBeath, A.; Tidwell, T.; Fryer, J.; Hortelano, J.