Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Manadino An’i Jehovah

Aza Manadino An’i Jehovah

Aza Manadino An’i Jehovah

SAMBANY ny ankamaroan’ny Israelita vao hiampita renirano nefa tsy ho lena, ary tamin’izay koa no farany nanaovany izany. Nisy tamin’izy ireo anefa efa nandia zavatra toy izany. Nataon’i Jehovah nijanona tsy nikoriana ny Reniranon’i Jordana. Afaka niampita teo àry ireo Israelita an-tapitrisany mba hidirany tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Niampita ny Ranomasina Mena koa ny razamben’izy ireo, 40 taona talohan’io. Azo antoka fa nieritreritra toy ny razambeny izy ireo hoe: ‘Tsy hohadinoiko mihitsy izao zavatra ataon’i Jehovah izao.’—Josoa 3:13-17.

Fantatr’i Jehovah anefa fa ‘vetivety dia hanadino izay nataony’ ny Israelita sasany. (Sal. 106:13) Nasainy naka vato 12 avy teo afovoan’ilay renirano àry i Josoa, mpitarika ny Israelita, ka hametraka izany amin’ny toerana hilasian’izy ireo manaraka. Hoy i Josoa: “Ireo vato ireo no fahatsiarovana ho an’ny zanak’Israely.” (Josoa 4:1-8) Hampahatsiahy an’ilay firenena ny asa lehibe nataon’i Jehovah ireo vato ireo, ary hampahatsiahy azy fa tokony hanompo an’i Jehovah foana izy ireo sady tsy hivadika aminy.

Mbola ilaintsika amin’izao andro izao ve io tantara io? Eny. Tsy tokony hanadino an’i Jehovah koa isika ary tokony hanompo azy foana. Nomena fampitandremana hafa koa ny firenen’ny Israely ary mbola azontsika ampiharina izany. Hoy i Mosesy: “Tandremo ... sao hadinoinao i Jehovah Andriamanitrao, ka tsy ankatoavinao ny didiny sy ny didim-pitsarany ary ny lalàny.” (Deot. 8:11) Mety hinia tsy hankatò an’i Jehovah àry ny olona iray rehefa manadino azy. Mety hitranga amintsika koa izany. Nampitandrina ny Kristianina momba ny ‘tsy fankatoavana mitovy amin’izay’ nasehon’ny Israelita tany an-tany efitra, ny apostoly Paoly.—Heb. 4:8-11.

Andeha isika handinika zava-niseho teo amin’ny Israelita, izay mampiseho fa tsy tokony hanadino an’Andriamanitra isika. Hanampy antsika hiaritra sy hankasitraka an’i Jehovah koa ny fandinihana ny tantaran’ny Israelita roa izay tsy nivadika.

Antony hahatsiarovana an’i Jehovah

Tsy nanadino an’ireo Israelita tany Ejipta mihitsy i Jehovah. “Tsaroany ny fifanekena nataony tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba.” (Eks. 2:23, 24) Tokony hotadidin’ny Israelita foana àry ny nanafahany azy ireo tamin’ny fanandevozana.

Nandefa loza sivy tamin’i Ejipta i Jehovah. Tsy nahavita nisakana azy ireny ny mpisoron’i Farao, izay nampiasa herin’ny maizina. Mbola nanohitra an’i Jehovah ihany anefa i Farao ka tsy namela ny Israelita handeha. (Eks. 7:14–10:29) Voatery nanaiky ny sitrapon’Andriamanitra io mpanjaka niavonavona io, taorian’ny loza fahafolo. (Eks. 11:1-10; 12:12) Nisy 3 000 000 ny Israelita sy ny olona hafa firenena nandao an’i Ejipta, ary i Mosesy no nitarika azy ireo. (Eks. 12:37, 38) Niova hevitra anefa i Farao taoriana kelin’ny niaingan’izy ireo. Nandidy ny tafiny hanenjika an’ireo andevony taloha izy. Ny tafiny no nahery indrindra eran-tany tamin’izany fotoana izany. Efa nasain’i Jehovah nentin’i Mosesy tany Pihahirota ny Israelita tamin’izay. Toa tapi-dalan-kaleha izy ireo satria teo anelanelan’ny tendrombohitra sy ny Ranomasina Mena.—Eks. 14:1-9.

Nieritreritra i Farao fa voafandrika ny Israelita, ka efa saika hotafihiny. Tsy navelan’i Jehovah hanao izany anefa ny Ejipsianina, fa nasiany andry rahona sy andry afo teo anelanelan’izy ireo sy ny Israelita. Nataon’i Jehovah nizara roa avy eo ny Ranomasina Mena, ka nanjary nisy lalana teo anelanelan’ireo rano, izay toy ny manda nahatratra 15 metatra. Nandia tany maina ny Israelita. Hitan’ny Ejipsianina avy eo fa efa ho tody terỳ ampita izy ireo.—Eks. 13:21; 14:10-22.

Raha mba malina i Farao dia ho niverin-dalana. Natoky tena loatra anefa izy, ka nandidy ny tafiny hidina teo anelanelan’ireo rano. Mbola tsy tratrany akory ny Israelita dia tafajanona tampoka izy ireo. Nesorin’i Jehovah mantsy ny kodiaran’ny kalesiny ka tsy afaka nandeha intsony!—Eks. 14:23-25; 15:9.

Tody terỳ ampita atsinanana ny Israelita, raha mbola nisahirana tamin’ny kalesiny teo ny Ejipsianina. Natsotran’i Mosesy teo ambonin’ny Ranomasina Mena ny tanany. Tamin’izay dia nazeran’i Jehovah teo amin’ireo Ejipsianina ilay rano be aman-taonina, izay toy ny rindrim-be. Safotry ny rano tao izy ireo, ka tsy nisy niangana na iray aza. Avotra kosa ny Israelita!—Eks. 14:26-28; Sal. 136:13-15.

Nahatonga an’ireo firenena nanodidina hihorohoro nandritra ny taona maro iny zava-niseho iny. (Eks. 15:14-16) Izao no nolazain’i Rahaba avy tao Jeriko tamin’ny Israelita roa lahy, 40 taona tatỳ aoriana: “Matahotra anareo izahay. ... Renay mantsy ny fomba nandritan’i Jehovah ny ranon’ny Ranomasina Mena teo anoloanareo, rehefa nivoaka avy tany Ejipta ianareo.” (Josoa 2:9, 10) Na ireo firenena mpanompo sampy aza tsy nanadino ny fomba namonjen’i Jehovah ny vahoakany. Vao mainka tokony hahatsiaro izany ny Israelita!

“Niaro azy toy ny anakandriamasony” izy

Niditra ny Efitr’i Sinay, “ilay tany efitra lehibe sy mampahatahotra” ny Israelita, taorian’izay. Nokarakarain’i Jehovah foana izy ireo, rehefa namakivaky an’ilay ‘tany karakaina tsy nisy rano’ sady tsy nisy sakafo. Nampahatsiahy izany toy izao i Mosesy: “Nahita [ny Israely] tany an-tany efitra [i Jehovah], tany amin’ny tany karakaina misy feom-biby mitaraindraina. Nihodidina azy Izy, ka nikarakara azy, ary niaro azy toy ny anakandriamasony.” (Deot. 8:15; 32:10) Ahoana no nikarakaran’Andriamanitra azy ireo?

Nomen’i Jehovah ‘mofo avy any an-danitra’ nantsoina hoe mana, izy ireo. Niseho tamin’ny fomba mahagaga io mofo io “tany an-tany efitra.” (Eks. 16:4, 14, 15, 35) Namoaka rano “avy tamin’ny harambato” koa i Jehovah. Notahiny ireo Israelita ka tsy simba ny akanjony ary tsy nivonto ny tongony, nandritra ny 40 taona naha tany an-tany efitra azy ireo. (Deot. 8:4) Inona kosa no nantenain’i Jehovah ho setrin’izany? Hoy i Mosesy tamin’ny Israelita: “Mitandrema ... ary tandremo tsara ny tenanao sao hadinoinao ny zavatra efa hitan’ny masonao ka hiala ao am-ponao izany, mandritra ny androm-piainanao.” (Deot. 4:9) Raha nankasitraka an’i Jehovah ny Israelita ka nahatsiaro hatrany ny namonjeny azy ireo, dia ho nanompo azy foana ary ho niezaka mafy hankatò ny lalàny. Inona anefa no nataon’ny Israelita?

Lasa tsy mankasitraka rehefa manadino

Hoy i Mosesy: “Nohadinoinao ilay Vatolampy niteraka anao, ary tsy tsaroanao intsony Andriamanitra.” (Deot. 32:18) Vetivety dia hadinon’ilay firenena na tsy noraharahainy ny zavatra nataon’i Jehovah teo amin’ny Ranomasina Mena sy ny sakafo nomeny azy ireo tany an-tany efitra, ary ny zavatra tsara hafa nataon’i Jehovah. Lasa mpikomy ny Israelita.

Nisy fotoana izy ireo tezitra tamin’i Mosesy satria tsy nisy rano, hono. (Nom. 20:2-5) Nitaraina toy izao koa izy ireo momba ny mana, ilay sakafo nahavelona azy ireo: “Efa maharikoriko anay itony mofo tsisy ilana azy itony.” (Nom. 21:5) Nokianin’izy ireo ny fanapahan-kevitr’i Jehovah ary nolaviny tsy ho mpitarika azy i Mosesy. Izao no nolazainy: “Naleonay ihany maty tany Ejipta na tatỳ an-tany efitra! ... Andao isika hanendry mpitarika, dia hiverina any Ejipta!”—Nom. 14:2-4.

Nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Jehovah rehefa tsy nankatò ny Israelita? Nahatsiaro an’ireny fotoana ireny ny mpanao salamo iray, ka nanoratra hoe: “Impiry impiry moa izy ireo no nikomy taminy tany an-tany efitra, sy nanao izay nampalahelo azy tany amin’ny tany karakaina? Imbetsaka izy ireo no nitsapa toetra an’Andriamanitra, ka nanao izay nampahory an’Ilay Masin’ny Israely. Nohadinoin’izy ireo ny zavatra nataon’ny tanan’Andriamanitra, dia ny andro nanavotany azy tamin’ny fahavalo. Eny, nohadinoin’izy ireo ny famantarana nataony tany Ejipta.” (Sal. 78:40-43) Nampalahelo an’i Jehovah tokoa ny fanadinoan’ny Israelita.

Lehilahy roa tsy nanadino

Nisy ihany anefa tsy nanadino an’i Jehovah, toa an’i Josoa sy Kaleba. Anisan’ireo 12 nasaina nijery taratra ny Tany Nampanantenaina izy ireo. Nanao tatitra nahakivy ny folo, fa i Josoa sy Kaleba kosa nilaza hoe: “Tany soa tokoa ilay tany notetezinay sy nojerenay taratra. Raha mankasitraka antsika i Jehovah, dia tena hitondra antsika hiditra ao amin’io tany io izy, ka hanome antsika an’io tany tondra-dronono sy tantely io. Fa aza mikomy amin’i Jehovah fotsiny!” Saika hitora-bato azy roa lahy ny vahoaka rehefa nandre izany. Natoky an’i Jehovah foana anefa i Josoa sy Kaleba.—Nom. 14:6-10.

Hoy i Kaleba tamin’i Josoa, taona maro tatỳ aoriana: “Nirahin’i Mosesy mpanompon’i Jehovah, avy tao Kadesi-barnea [aho] mba hijery taratra an’ity tany ity. Dia niverina aho nanao tatitra taminy araka izay tao am-poko. Ary nampihorohoro ny fon’ny vahoaka ireo rahalahiko niara-niakatra tamiko, fa izaho kosa nanaraka an’i Jehovah Andriamanitro tamin’ny foko manontolo.” (Josoa 14:6-8) Niaritra zavatra maro izy roa lahy, nefa nitoky tamin’i Jehovah sady tapa-kevitra ny hahatsiaro azy foana mandra-pahafatiny.

Nankasitraka an’i Jehovah koa i Josoa sy Kaleba, noho izy nanatanteraka ny fampanantenany hanome tany lonaka ho an’ny vahoakany. Tsy velona tokoa ny Israelita raha tsy teo i Jehovah. Hoy i Josoa: “Nomen’i Jehovah ny Israely ilay tany manontolo izay efa nianianany homena ny razan’izy ireo. ... Tsy nisy tsy tanteraka na iray aza ny zava-tsoa rehetra nampanantenain’i Jehovah tamin’ny taranak’Israely, fa tanteraka avokoa izy rehetra.” (Josoa 21:43, 45) Ahoana koa no anehoantsika fankasitrahana toa an’i Josoa sy Kaleba?

Mahaiza mankasitraka

Hoy ny lehilahy iray natahotra an’Andriamanitra: “Inona no havaliko an’i Jehovah noho ny soa rehetra nataony tamiko?” (Sal. 116:12) Be dia be tokoa ny soa nomen’i Jehovah antsika: Manome izay ilain’ny vatantsika izy, manoro hevitra antsika, ary mbola hamonjy antsika amin’ny hoavy. Tsy ho voavalintsika mandrakizay izany. Misy zavatra azontsika atao anefa: Afaka mankasitraka azy isika.

Efa nisy torohevitra avy tamin’i Jehovah niaro anao ve? Nanjary nilamin-tsaina indray ve ianao satria navelan’i Jehovah ny helokao? Mitondra soa maharitra ho anao izany ary tokony haharitra koa ny fankasitrahanao azy. Niatrika zava-tsarotra maro i Sandra, 14 taona, nefa nandresy izany noho ny fanampian’i Jehovah. Hoy izy: “Nangataka fanampiana tamin’i Jehovah aho, ary nampiaiky volana ahy ny fomba nandaminany an’ilay olana. Takatro izao hoe nahoana i Dada no miresaka amiko matetika momba ny Ohabolana 3:5, 6 hoe: ‘Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo, fa aza miantehitra amin’ny fahaizanao. Eritrereto izy amin’izay rehetra ataonao, dia hataony mandeha tsara ny fiainanao.’ Matoky aho fa hanampy ahy foana i Jehovah toy izay efa nataony hatramin’izay.”

Tsarovy i Jehovah ka miareta

Antitranterin’ny Baiboly fa mifandray ny fiaretana sy ny fitadidiana an’i Jehovah. Izao no lazainy: “Avelao hamita ny asany ... ny fiaretana, mba ho lavorary sy tsy hisy tsiny amin’ny lafiny rehetra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na amin’inona na amin’inona.” (Jak. 1:4) Inona no dikan’ny hoe ‘lavorary sy tsy misy tsiny amin’ny lafiny rehetra’? Midika izany hoe tsy kivy fa manana ireo toetra manampy hiatrika fitsapana, sady matoky an’i Jehovah ary tapa-kevitra ny hiaritra foana. Raha miaritra toy izany ny olona iray dia tena ho afa-po rehefa mifarana ilay fitsapana, ary misy farany foana moa izy ireny.—1 Kor. 10:13.

Mpanompon’i Jehovah efa hatramin’ny ela ny lehilahy iray. Nohazavainy hoe inona no nanampy azy hiaritra na dia narary mafy imbetsaka aza izy: “Miezaka mieritreritra ny zavatra ataon’i Jehovah aho fa tsy izay tiako hatao. Amiko ny hoe tsy mivadika dia mifantoka amin’ny fikasan’i Jehovah fa tsy amin’izay tiako. Rehefa misy olana, dia tsy miteny aho hoe ‘Nahoana aho no iharan’izao, Jehovah ô?’ Manohy manompo azy fotsiny aho, ary tsy miala aminy mihitsy na dia misy olana tsy ampoizina aza.”

Manompo an’i Jehovah “araka ny fanahy sy ny fahamarinana” ny fiangonana kristianina ankehitriny. (Jaona 4:23, 24) Tsy hanadino an’Andriamanitra, toy ny nataon’ny Israelita, mihitsy ny Kristianina marina amin’ny fitambarany. Tsy hoe rehefa anisan’ny fiangonana ny olona iray dia azo antoka fa tsy hivadika. Tokony hasehontsika tsirairay fa mankasitraka an’i Jehovah isika, ka hanompo azy foana toa an’i Josoa sy Kaleba. Izany mihitsy no tokony hataontsika, satria mitari-dalana antsika foana izy ary mikarakara antsika tsirairay amin’izao andro farany tsy mora setraina izao.

Nahazo toky ny Israelita fahiny rehefa nahita an’ireo tsangambato naorin’i Josoa, fa tsy hanary azy ireo i Jehovah. Manome toky antsika toy izany koa ireo fitantarana momba ny famonjen’Andriamanitra. Enga anie ianao ka hitovy hevitra amin’ilay mpanao salamo izay nanoratra hoe: “Hotsaroako ny zavatra nataon’i Jah. Hotsaroako tokoa ny asa mahagaga nataonao fahiny. Hosaintsainiko tokoa ny asanao rehetra, ary hoeritreretiko lalina ny zavatra nataonao.”—Sal. 77:11, 12.

[Sary, pejy 7]

Tsy maintsy nandeha tamin’ny “tany karakaina” ilay firenena manontolo

[Sary nahazoan-dalana]

Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.

[Sary, pejy 8]

Nirahina hijery taratra ny Tany Nampanantenaina ireo mpitsikilo, tamin’ny Israelita nitoby tao Kadesi-barnea

[Sary nahazoan-dalana]

Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.

[Sary, pejy 9]

Tokony ho nankasitraka an’i Jehovah ireo Israelita rehefa nahazo ilay Tany Nampanantenaina mahavokatra

[Sary nahazoan-dalana]

Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.

[Sary, pejy 10]

Ho afaka hiaritra ny olana mety hitranga isika raha mifantoka amin’ny fikasan’i Jehovah