Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hidera An’Andriamanitra Mandrakizay ny Olo-marina

Hidera An’Andriamanitra Mandrakizay ny Olo-marina

Hidera An’Andriamanitra Mandrakizay ny Olo-marina

‘Hotsaroana ny olo-marina. Maharitra mandrakizay ny fahamarinany.’—SAL. 112:6, 9.

1. a) Inona no fitahiana ho azon’ny olona hitan’Andriamanitra fa marina? b) Inona no fanontaniana mipetraka?

HAHAZO fitahiana tena tsara ny olona rehetra hitan’Andriamanitra fa marina. Hiaina mandrakizay izy ireo, ka ho faly hianatra bebe kokoa momba ny toetrany. Hahalala kokoa momba ny zavaboariny koa izy ireo, ka hidera azy amin’ny fo manontolo. Mila miezaka ny ho “olo-marina” àry isika, raha te hahazo an’ireo fitahiana tena tsara ireo. Izany no asongadina ao amin’ny Salamo 112. Afaka ny ho olo-marina eo anatrehan’i Jehovah ve anefa isika? Masina sy marina mantsy izy, fa isika kosa manao fahadisoana imbetsaka, na mitandrina toy inona aza. Manao fahadisoana lehibe mihitsy aza isika indraindray.—Rom. 3:23; Jak. 3:2.

2. Inona avy no fahagagana nataon’i Jehovah noho ny fitiavany?

2 Tia antsika i Jehovah ka nataony izay hahatonga antsika ho olo-marina. Nanao fahagagana izy ka nafindrany tao an-kibon’ny virjiny iray ny ain’ilay Zanany malalany tany an-danitra, mba ho olona lavorary. (Lioka 1:30-35) Novonoin’ny fahavalony io Zanany io tatỳ aoriana. Nanao fahagagana lehibe hafa anefa i Jehovah. Natsangany tamin’ny maty ilay Zanany, ka nataony anjely be voninahitra.—1 Pet. 3:18.

3. Nahoana Andriamanitra no namaly soa an’i Jesosy?

3 Lasa tsy mety maty intsony i Jesosy. Mbola tsy nanana an’io tombontsoa io izy taloha. (Heb. 7:15-17, 28) Nahoana i Jehovah no nanome azy izany valisoa izany? Satria tsy nivadika mihitsy izy, na dia niharam-pitsapana faran’izay mafy aza. Noporofoiny tamin’izany fa tena diso ilay fiampangan’i Satana hoe tsy tena tia an’Andriamanitra ny olona, fa fitiavan-tena fotsiny no anompoany azy.—Ohab. 27:11.

4. a) Inona no nataon’i Jesosy ho antsika rehefa tonga tany an-danitra izy, ary inona no nataon’i Jehovah ho setrin’izany? b) Ahoana no fahitanao ny zavatra nataon’izy ireo ho anao?

4 ‘Niseho teo anatrehan’Andriamanitra ho antsika’ i Jesosy rehefa tonga tany an-danitra, ka nanolotra ny vidin’ny “ran’ny tenany.” Nahafaly an’ilay Raintsika be fitiavana io sorona sarobidy io, ka nekeny ho “sorona fampihavanana noho ny fahotantsika.” Lasa manana ‘feon’ny fieritreretana madio’ isika, ka afaka manao “fanompoana masina ho an’ilay Andriamanitra velona.” Tokony hidera azy àry isika, ka hiredona an’ilay teny fanokafana ny Salamo 112 hoe: “Miderà an’i Jah!”Heb. 9:12-14, 24; 1 Jaona 2:2.

5. a) Inona no tsy maintsy ataontsika mba ho olo-marina foana eo anatrehan’Andriamanitra? b) Ahoana no fomba nanoratana ny Salamo 111 sy 112?

5 Tsy maintsy maneho finoana ny ran’i Jesosy isika, mba ho olo-marina foana eo anatrehan’Andriamanitra. Mila misaotra an’i Jehovah isika isan’andro, satria tena tia antsika izy. (Jaona 3:16) Mila mianatra tsy tapaka ny Teniny koa isika, ary miezaka mafy mankatò azy io. Misy torohevitra tsara ho an’izay te ho olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra ao amin’ny Salamo 112. Tohin’ny Salamo 111 izy io. Samy manomboka amin’ny hoe: “Miderà an’i Jah!” mantsy izy ireo. Samy misy andalana 22 koa izy ireo, ary manomboka amin’ireo litera 22 ao amin’ny abidy hebreo ny andalana tsirairay. *

Nahoana izy ireo no sambatra?

6. Inona no fitahiana ho azon’ny olona matahotra an’Andriamanitra, araka ny Salamo 112?

6 “Sambatra izay olona matahotra an’i Jehovah, sy finaritra erỳ mankatò ny didiny. Hahery eto an-tany ny zanany, ary ny taranaky ny olo-mahitsy hotahina.” (Sal. 112:1, 2) Tsy voatery ho olon-tokana ilay hoe “olona” sy “olo-mahitsy” ao amin’ny Salamo 112, fa mety ho antokon’olona na olona maromaro koa. Nampiharin’ny apostoly Paoly tamin’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, ohatra, ny Salamo 112:9. (Vakio ny 2 Korintianina 9:8, 9.) Azo ampiharina amin’ny Kristianina ankehitriny koa àry io salamo io. Resahina tsara ao fa tena sambatra izy ireo.

7. Nahoana ny vahoakan’Andriamanitra no mila matahotra azy? Ahoana no tokony ho fiheveranao ny didiny?

7 Tena sambatra ny Kristianina, araka ny Salamo 112:1, satria “matahotra an’i Jehovah”, izany hoe matahotra ny tsy hampifaly azy. Manampy azy ireo hanohitra ny toe-tsain’ny tontolon’i Satana izany. “Finaritra erỳ” izy ireo mianatra ny Tenin’Andriamanitra sy mankatò ny didiny. Anisan’izany ilay didy hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana eran-tany. Miezaka manao mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra koa izy ireo, sady mampitandrina ny ratsy fanahy fa ho avy ny andro fitsaran’Andriamanitra.—Ezek. 3:17, 18; Mat. 28:19, 20.

8. a) Inona no vokatry ny ezaka ataon’ny Kristianina? b) Inona no fitahiana ho azon’ireo hiaina eto an-tany?

8 Misy vokany tsara ny ezaka ataon’izy ireo, satria lasa fito tapitrisa eo ho eo izao ny vahoakan’Andriamanitra. Tsy misy afaka mandà fa tena lasa ‘mahery’ ny vahoakany. (Jaona 10:16; Apok. 7:9, 14) Mbola “hotahina” bebe kokoa izy ireo rehefa hanatanteraka ny fikasany Andriamanitra. Ho voavonjy amin’ny “fahoriana lehibe” ireo manantena ny hiaina eto an-tany, ary ho lasa anisan’ny “tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana.” Vao mainka “hotahina” izy ireo aorian’ny Hara-magedona, satria handray ireo olona an-tapitrisany hatsangana amin’ny maty. Tena hahafinaritra izany! Ho lavorary amin’ny farany ny olona tena “finaritra” amin’ny didin’Andriamanitra, ka hanana mandrakizay “ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.”—2 Pet. 3:13; Rom. 8:21.

Mampiasa tsara ny harenany

9, 10. Ahoana no ampiasan’ny tena Kristianina ny harenany ara-panahy, ary nahoana no haharitra mandrakizay ny fahamarinany?

9 “Zava-tsarobidy sy harena no ao an-tranony, ary maharitra mandrakizay ny fahamarinany. Mamirapiratra toy ny hazavana ao anaty haizina izy, ho an’ny olo-mahitsy. Tsara fanahy sy mamindra fo ary tia rariny izy.” (Sal. 112:3, 4) Nisy mpanompon’Andriamanitra nanan-karena be fahiny. Mbola azo lazaina hoe manankarena anefa ankehitriny ny olona ankasitrahan’Andriamanitra. Marina fa mahantra sy atao tsinontsinona toy ny tamin’ny andron’i Jesosy, ny ankamaroan’ny olona mifidy hanompo an’Andriamanitra. (Lioka 4:18; 7:22; Jaona 7:49) Manankarena ara-panahy anefa izy ireo, satria manana fahendrena sy fahalalana avy aminy. Afaka manana an’ireo, na mahantra na manankarena.—Mat. 6:20; 1 Tim. 6:18, 19; vakio ny Jakoba 2:5.

10 Tsy tazonin’ny voahosotra sy ny namany ho azy irery ny harenany ara-panahy. ‘Mamirapiratra toy ny hazavana ho an’ny olo-mahitsy’ kosa izy ireo eto amin’ity tontolon’i Satana ao anaty haizina ity. Zarainy ilay harenany. Niezaka nampitsahatra ny asa fitoriana ny mpanohitra, nefa tsy nahomby. ‘Haharitra mandrakizay’ ny vokatr’io asa io. ‘Haharitra mandrakizay’ koa ny fahamarinan’ny vahoakan’Andriamanitra. Hiaina mandrakizay mantsy izy ireo, raha miezaka ny ho olo-marina foana na dia enjehina aza.

11, 12. Ahoana no ampiasan’ny vahoakan’Andriamanitra ny fananany?

11 Tena malala-tanana koa ny voahosotra sy ny “vahoaka be.” Hoy ny Salamo 112:9: “Manao fanomezana be dia be izy, ary manome ho an’ny mahantra.” Matetika ny Kristianina no manome vola na zavatra hafa hanampiana ny mpiara-manompo na mpiara-monina mahantra. Manao izany koa izy ireo rehefa misy loza. Mbola antony hafa mahasambatra azy ireo izany, araka ny efa nolazain’i Jesosy.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 20:35; 2 Korintianina 9:7.

12 Eritrereto koa ny habetsahan’ny vola omen’izy ireo, mba hamoahana ity gazety ity amin’ny fiteny 172. Tsy vitan’izay fa misy amin’ny tenin’ny tanana izy ity, ary misy amin’ny soratra Braille ho an’ny jamba. Azo lazaina hoe manome ho an’ny mahantra ny Kristianina amin’izany, satria mahantra ny ankamaroan’ny olona mamaky ny gazetintsika.

Tia miantra sy manao ny rariny

13. Iza no tena tia miantra sy manampy ny hafa, ary inona no azontsika atao mba hanahafana azy ireo?

13 “Izay olona tsara dia miantra sy mampisambotra.” (Sal. 112:5) Voamarikao angamba fa tsy tia miantra ny olona sasany. Manampy ny hafa ihany izy ireo, saingy mba hisehoana fotsiny hoe mpanankarena. Misy koa hita hoe tsy te hanampy fa voatery fotsiny. Tsy mahafinaritra ny ampian’ny olona toy izany. Faly be kosa isika rehefa ampian’ny olona tena tia miantra. I Jehovah no modely tsara indrindra, satria tia miantra izy ary faly manampy ny hafa sy manome. (1 Tim. 1:11; Jak. 1:5, 17) Nanahaka tanteraka azy koa i Jesosy Kristy. (Mar. 1:40-42) Raha te ho olo-marina eo anatrehany àry isika, dia tokony ho tia miantra sy ho faly manampy ny hafa, indrindra rehefa mitory.

14. Ahoana no hampisehoantsika fa ‘manao ny rariny isika amin’izay ataontsika’?

14 “Manao ny rariny izy amin’izay ataony.” (Sal. 112:5) Milaza ny Baiboly fa mikarakara ny fananan’ny Tompo ny mpanompo mendri-pitokisana. Manahaka an’i Jehovah izy ireo amin’izany, ka manao ny rariny. (Vakio ny Lioka 12:42-44.) Hita, ohatra, fa ara-drariny ny tari-dalana ara-baiboly omeny ny anti-panahy, anisan’izany ny tari-dalana arahina rehefa misy manao fahotana lehibe. Ara-drariny koa ny toromarika omeny mikasika ny fomba iandraiketana ny fiangonana sy ny trano misionera ary ny Betela. Tokony hanao ny rariny àry ny anti-panahy. Tokony hanao izany koa isika rehetra, na amin’ny mpiara-manompo na amin’ny olon-kafa, indrindra rehefa manao raharaham-barotra.—Vakio ny Mika 6:8, 11.

Hotahina ny olo-marina

15, 16. a) Manao ahoana ny olo-marina na dia mandre vaovao ratsy aza? b) Tapa-kevitra ny hanao inona foana izy ireo?

15 “Tsy hangozohozo mihitsy izy. Hotsaroana mandritra ny fotoana tsy voafetra ny olo-marina. Tsy hatahotra handre vaovao ratsy izy. Feno toky ny fony, miantehitra amin’i Jehovah. Tsy miovaova ny fony, ary tsy hatahotra izy. Ho faly hahita izay hanjo ny fahavalony izy.” (Sal. 112:6-8) Mihabetsaka hatrany ny vaovao ratsy rentsika isan’andro. Eo, ohatra, ny ady, fampihorohoroana, aretina vaovao sy aretina efa tsy nisy intsony fa mipoitra indray, heloka bevava, fahantrana, ary fanimbana ny tontolo iainana. Tsy maintsy misy vokany eo amin’ny olo-marina ireny vaovao ireny. Tsy matahotra ny hoavy anefa izy ireo. “Feno toky” sy “tsy miovaova” kosa ny fony, satria fantany fa akaiky ny tontolo vaovao hitoeran’ny fahamarinana. Matanja-tsaina izy ireo rehefa misy loza, satria miantehitra amin’i Jehovah. Tsy avelan’i Jehovah “hangozohozo” mihitsy ny olony marina. Ampiany kosa izy ireo ka omeny hery hiaretana.—Fil. 4:13.

16 Miaritra fankahalana sy fanendrikendrehana koa ny olo-marin’Andriamanitra. Tsy hampangina azy ireo mihitsy anefa izany. Tapa-kevitra kosa izy ireo fa hanohy foana ny asa ampanaovin’i Jehovah azy, dia ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana sy fampianarana ny olona liana. Tsy maintsy hihamafy ny fanenjehana rehefa tena akaiky ny farany. Vao mainka aza hihamafy izany, rehefa hanafika ny Kristianina rehetra i Satana Devoly, na i Goga avy any Magoga. Ho resy tanteraka anefa ny fahavalontsika, ka ho ‘faly hahita izay hanjo’ azy ireo isika. Hanamasina tanteraka ny anarany i Jehovah amin’izay. Fotoan-dehibe ho antsika tokoa izany!—Ezek. 38:18, 22, 23.

“Hisandratra amim-boninahitra”

17. Nahoana no “hisandratra amim-boninahitra” ny olo-marina?

17 Hiara-midera an’i Jehovah mandrakizay izay rehetra miezaka ny ho olo-marina foana eo anatrehany. Tena hahafinaritra izany, satria tsy ho eo intsony ny Devoly sy ny tontolony mba hanohitra azy ireo. Tsy hisy haharesy na hanala baraka azy ireo intsony, satria mampanantena i Jehovah fa “hisandratra amim-boninahitra” izy ireo. (Sal. 112:9) Hihoby ny olo-marina, rehefa ho resy izay rehetra manohitra ny zon’i Jehovah hitondra.

18. Inona no hitranga rehefa tanteraka ny Salamo 112:10?

18 “Hahita izany ny ratsy fanahy ka ho sosotra. Hihidy vazana sy hitsonika izy. Tsy ho tanteraka ny fanirian’ny ratsy fanahy.” (Sal. 112:10) Tsy ho ela dia “hitsonika” na ho ringana ny mpanohitra, ka tsy ho afaka hialona na hankahala antsika intsony. Maniry hampitsahatra ny asantsika izy ireo, nefa tsy ho tanteraka izany satria ho ringana amin’ny “fahoriana lehibe” izy ireo.—Mat. 24:21.

19. Afaka matoky ny amin’inona isika?

19 Ho anisan’ireo tafavoaka velona ve ianao, ka hahita an’izany fandresena lehibe izany? Ary ahoana raha sanatria ka maty noho ny aretina na fahanterana ianao alohan’ny faran’ny tontolon’i Satana? Ho anisan’ireo “marina” hatsangana amin’ny maty ve ianao? (Asa. 24:15) Ho anisan’izy ireo ianao raha maneho finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy, ary manahaka an’i Jehovah toy ny ataon’ireo “olo-marina” resahin’ny Salamo 112. (Vakio ny Efesianina 5:1, 2.) Hataon’i Jehovah izay ‘hahatsiarovana’ foana ny olo-marina sy ny zavatra nataony. Hotsaroany sy ho tiany mandrakizay izy ireny.—Sal. 112:3, 6, 9.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Hita amin’ny zavatra resahin’ireo salamo ireo koa fa mifampitohy izy ireo. Manasongadina ny toetran’Andriamanitra ny Salamo 111. Resahin’ny Salamo 112 fa manahaka an’ireo toetrany ireo ny “olona” matahotra azy. Ampitahao, ohatra, ny Salamo 111:3, 4 sy Salamo 112:3, 4.

Fanontaniana Hosaintsainina

• Nahoana isika no tokony hiredona hoe: “Miderà an’i Jah!”?

• Nahoana no tena sambatra ny Kristianina?

• Inona no toetra tian’i Jehovah hasehontsika, rehefa manampy ny hafa isika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 25]

Tsy maintsy maneho finoana ny ran’i Jesosy isika, mba ho olo-marina foana eo anatrehan’Andriamanitra

[Sary, pejy 26]

Natao hanampiana ny tra-boina sy hamokarana boky sy gazety ara-baiboly ny vola omentsika