Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hanampy Anao Hiaritra eo Amin’ny Fanompoana?

Inona no Hanampy Anao Hiaritra eo Amin’ny Fanompoana?

Inona no Hanampy Anao Hiaritra eo Amin’ny Fanompoana?

EFA nisy fotoana tena nahakivy anao ve ka tsy te hitory intsony ianao? Mety ho sarotra ny miaritra rehefa misy fanoherana mafy, fanahiana, aretina, faneren’ny namana, na rehefa tsy mandray ny olona eny amin’ny faritany. Tadidio anefa ny modely nomen’i Jesosy. Niaritra ny fitsapana mafy indrindra izy “noho ilay fifaliana natao teo anoloany.” (Heb. 12:2) Fantany fa hampifaly ny fon’i Jehovah izy raha mahavita manaporofo fa tsy mitombina mihitsy ny fiampangana natao tamin’Andriamanitra.—Ohab. 27:11.

Hampifaly ny fon’i Jehovah koa ianao raha miaritra eo amin’ny fanompoana. Ahoana anefa raha lasa tsy mazoto intsony ianao noho ny olana sasany? Hoy i Krystyna, izay efa antitra sady marary: “Matetika aho no reraka sy kivy. Efa mandroso taona mantsy aho, ka tsy salama sady manahy ny amin’ny fiainana andavanandro. Mampihena ny zotom-poko izany indraindray.” Inona no hanampy anao hiaritra eo amin’ny fanompoana na dia misy olana toy izany aza?

Tahafo ireo mpaminany

Afaka manahaka ny toe-tsain’ireo mpaminany fahiny ny mpitory ilay Fanjakana raha te hazoto hanompo foana. Iray amin’izany i Jeremia. Nisalasala izy tamin’ny voalohany rehefa nasaina haminany. Nianatra nitoky tanteraka tamin’Andriamanitra anefa izy, ka nahavita naminany nandritra ny 40 taona mahery sady niaritra zava-tsarotra maro.—Jer. 1:6; 20:7-11.

Nampahery an’i Henryk ny ohatr’i Jeremia. Hoy izy: “Efa 70 taona mahery izao no nitoriako. Kivy aho indraindray, satria manohitra be ny olona na tsy miraharaha. Mieritreritra an’i Jeremia aho amin’ireny fotoana ireny. Ny fitiavany an’i Jehovah sy ny fifandraisany akaiky taminy mantsy no nandrisika azy haminany foana.” (Jer. 1:17) Nampahery an’i Rafał koa ny ohatr’i Jeremia. Hoy izy: “Tsy nifantoka tamin’ny tenany sy ny fihetseham-pony i Jeremia fa niantehitra tamin’Andriamanitra. Tsy nitakemotra izy na dia maro aza no nankahala azy. Miezaka mitadidy izany foana aho.”

Nanampy mpitory maro tsy ho kivy amin’ny fanompoana koa ny ohatr’i Isaia mpaminany. Nilazan’Andriamanitra izy fa tsy hihaino azy ny mpiray firenena aminy. Hoy i Jehovah: “Ataovy donto ny fon’ity vahoaka ity, ataovy lalodalovana ny sofiny.” Tsy nahomby àry ve i Isaia? Tsy izany no fahitan’Andriamanitra azy! Izao no nolazainy tamin’izy nantsoina ho mpaminany: “Intỳ aho iraho!” (Isaia 6:8-10) Tsy niala tamin’ilay asa nanendrena azy mihitsy i Isaia. Ary ianao?

Inona no hanampy antsika tsy ho kivy toa an’i Isaia, na dia tsy mandray aza ny olona? Tsy tokony hifantoka be amin’izay olona tsy mihaino antsika isika. Izao no nataon’i Rafał: “Miezaka ny tsy hieritreritra be momba ny fanakianan’ny olona eny amin’ny faritany aho. Manan-jo hihaino na handa ilay hafatra mantsy ry zareo.” Hoy koa i Anna: “Tsy mieritreritra zavatra mahasosotra na mahakivy mihitsy aho. Manampy ahy amin’izany ny vavaka sy ny fanaovana teny vakina, alohan’ny handehanako hanompo.”

Naminany teo anivon’ireo Jiosy mafy loha natao sesitany tany Babylona i Ezekiela. (Ezek. 2:6) Raha tsy nanambara ny tenin’Andriamanitra io mpaminany io, ka nisy olona ratsy fanahy maty nefa tsy nandre ilay fampitandremana, dia ho tompon’andraikitra tamin’izany izy. Hoy i Jehovah taminy: “Hataoko ampamoaka noho ny amin’ny rany” ianao.—Ezek. 3:17, 18.

Miezaka ny hanana toe-tsaina toy ny an’i Ezekiela i Henryk. Hoy izy: “Te ho afaka amin’ny ran’ny olona rehetra aho. Ain’olona maro mantsy no tandindomin-doza.” (Asa. 20:26, 27) Miombon-kevitra aminy i Zbigniew. Hoy izy: “Tsy maintsy nikiry i Ezekiela na inona na inona noeritreretin’ny olona. Manampy ahy hihevitra ny asa fitoriana toy ny iheveran’ilay Mpamorona azy izany.”

Tsy irery ianao

Tsy irery ianao eo amin’ny fanompoana. Afaka miteny toy ny apostoly Paoly isika hoe: “Mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay.” (1 Kor. 3:9) Niaiky i Krystyna fa kivy indraindray. “Izany”, hoy izy, “no antony angatahako hery amin’i Jehovah foana. Manatanjaka ahy foana izy.” Tena mila ny fanohanan’ny fanahin’Andriamanitra tokoa isika eo amin’ny fanompoantsika!—Zak. 4:6.

Manampy antsika haneho ny “vokatry ny fanahy” koa ny fanahy masina, rehefa manompo eny amin’ny saha isika. (Gal. 5:22, 23) Lasa vonona hiaritra àry isika na inona na inona mitranga. Hoy i Henryk: “Manampy ahy hanatsara ny toetrako ny fanompoana eny amin’ny saha. Lasa manam-paharetana sy miahy ny hafa ary tsy mora kivy aho.” Hanana ny vokatry ny fanahy bebe kokoa ianao rehefa miaritra, na dia be aza ny manakantsakana ny fanompoanao.

Mampiasa ny anjeliny i Jehovah mba hitarika an’io asa manokana io. (Apok. 14:6) Lazain’ny Baiboly fa “alinalina sy arivoarivo” ny isan’ireo anjely ireo. (Apok. 5:11) Manohana ny mpanompon’Andriamanitra etỳ an-tany izy ireo, eo ambany fitarihan’i Jesosy. Mitadidy izany ve ianao rehefa eny amin’ny fanompoana?

Hoy i Anna: “Mampahery ahy ny mieritreritra hoe miaraka amintsika ny anjely rehefa manompo isika. Sarobidy amiko ny fanampiana omen’izy ireo eo ambany fitarihan’i Jehovah sy Jesosy.” Voninahitra lehibe tokoa ny miara-miasa amin’ny anjely tsy mivadika!

Manampy antsika hiaritra koa ve ireo mpiara-manompo amintsika? Fitahiana ho antsika ny mifankahalala amin’ny Vavolombelona maro tsy mivadika. Azo antoka fa ekenao ny fahamarinan’ilay ohabolana ao amin’ny Baiboly hoe: “Ny vy no mampaharanitra ny vy, ary olona ihany koa no mampaharanitra ny tarehin’ny olona.”—Ohab. 27:17.

Mety hahita fomba fitory sy fomba fampianatra mahomby tsy mahazatra antsika isika, rehefa miara-manompo amin’ny hafa. Hoy i Elżbieta: “Afaka maneho ny fitiavako ny mpiray finoana amiko sy ny olona hitako eny amin’ny fanompoana aho, rehefa miovaova ny mpitory iarahako.” Miezaha manompo miaraka amin’ny mpitory samihafa. Hahafinaritra kokoa ny fanompoanao amin’izay.

Karakarao tsara ny tenanao

Tsy maintsy karakaraintsika tsara ny vatantsika sy ny fifandraisantsika amin’i Jehovah, raha te hafana fo amin’ny fanompoana foana isika. Ilaina àry ny mandamina tsara mialoha ny zavatra hatao, mianatra samirery tsy tapaka, ary miala sasatra tsara.

Hoy ny Baiboly: “Ahazoan-tombony ny fandaminana mialoha ataon’ny mazoto.” (Ohab. 21:5) Hoy i Zygmunt, 88 taona: “Tratrako ny tanjoko sasany eo amin’ny fanompoana, satria manana fandaharana milamina tsara aho. Alamiko tsara ny fotoanako, amin’izay aho mba afaka manompo.”

Mampahery sy manampy antsika amin’ny fanompoana ny fahalalana tsara ny Soratra Masina. Mila sakafo isika mba hahafahana hiasa foana. Mila sakafo ara-panahy koa isika mba hahafahantsika hanompo foana. Manampy antsika amin’izany ny fihinanana ‘sakafo amin’ny fotoana mety’ sy ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra isan’andro.—Mat. 24:45-47.

Te hanatsara ny fanompoany i Elżbieta ka nanao fanovana maromaro. Hoy izy: “Nahenako be mihitsy ny fijereko tele, amin’izay aho manam-potoana bebe kokoa hanomanana ny fanompoako. Rehefa mamaky Baiboly aho amin’ny hariva, dia eritreretiko ireo olona hitako eny amin’ny faritany. Tadiaviko izay andinin-teny sy lahatsoratra mety hanampy azy ireo.”

Hatanjaka foana ianao sady ho afaka handray anjara feno amin’ny fanompoana, raha miala sasatra tsara. Raha be loatra kosa ny fotoana laninao hialana voly, dia hisy vokany ratsy eo amin’ny fanompoanao izany. Hoy i Andrzej, mpitory be zotom-po: “Reraka be ianao rehefa tsy miala sasatra tsara. Ho mora kivy ianao raha reraka loatra. Ataoko izay tsy hahatonga ahy ho tratran’izany mihitsy.”—Mpito. 4:6.

Vitsy ihany no mandray ny vaovao tsara na dia miezaka mafy aza isika. Tsy hanadino ny asantsika mihitsy anefa i Jehovah. (Heb. 6:10) Na tsy te hiresaka amintsika aza ny ankamaroan’ny olona, dia mety hiresaka momba ny fitsidihantsika izy ireo rehefa lasa isika. Mety hitovy amin’izao zava-nisy tamin’ny andron’i Ezekiela izao ny vokany: “Ho fantany tokoa fa efa nisy mpaminany teo aminy.” (Ezek. 2:5) Marina fa tsy mora ny asantsika, nefa tena mandray soa avy amin’izy io isika sy ireo olona vonon-kihaino.

Hoy i Zygmunt: “Manampy antsika hitafy ny toetra vaovao sy haneho ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona ny fandraisana anjara amin’ny fanompoana.” Hoy koa i Andrzej: “Tombontsoa ny mandray anjara amin’ity asa mamonjy aina atao maneran-tany ity, sady indray mandeha tsy miverina ilay izy.” Hahazo fitahiana maro koa ianao, raha maneho fikirizana eo amin’ny fanompoana.—2 Kor. 4:1, 2.

[Sary, pejy 31]

Hazoto hanompo foana isika raha mifandray tsara amin’i Jehovah sy mahay mikarakara vatana