Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Mitoby Manodidina An’izay Matahotra An’i Jehovah ny Anjely’

‘Mitoby Manodidina An’izay Matahotra An’i Jehovah ny Anjely’

‘Mitoby Manodidina An’izay Matahotra An’i Jehovah ny Anjely’

Notantarain’i Christabel Connell

Variana namaly ny fanontanian’i Christopher izahay, ka tsy hitanay akory fa efa maizina ny andro. Tsy voamarikay koa hoe nijery tany ivelan’ny varavarankely foana izy. Nitodika tatỳ aminay izy avy eo, ary niteny hoe: “Tsy misy atahorana intsony, fa mahazo mandeha ianareo.” Nateriny tany amin’ny bisikiletanay izahay, ary nataony veloma. Fa inona àry no hitany, ka nampahatahotra azy?

TERAKA tamin’ny 1927 aho, tany Sheffield any Angletera. Nianjeran’ny baomba ny tranonay, tamin’ny Ady Lehibe II. Nalefa tany amin’ny bebenay àry aho, mba hamita ny fianarako. Nanontaniako foana ireo relijiozy tao amin’ilay sekolim-pinoana nianarako hoe nahoana no be dia be ny faharatsiana sy ny herisetra. Tsy nisy nahafa-po ahy anefa ny valin-tenin’izy ireo sy ny an’ireo mpivavaka hafa.

Niofana ho mpitsabo mpanampy aho, taorian’ny Ady Lehibe II. Nifindra tany Londres aho, ary niasa tao amin’ny Hopitalin’i Paddington. Maro kokoa ny herisetra hitako tany an-tanàn-dehibe. Nandeha niady tany Korea, ohatra, ny zokiko lahy. Tsy ela taorian’izay dia nisy roa lahy niady teo ivelan’ny hopitaly. Tsy nisy nanampy ilay voavono ka lasa jamba. Nankany amin’ny mpanontany amin’ny maty izahay sy Neny, taoriana kelin’izay. Mbola tsy azoko ihany anefa ny antony mahabe ny faharatsiana.

Nianatra Baiboly aho

Lasa Vavolombelon’i Jehovah i John, zokiko lahimatoa. Namangy ahy izy indray andro. Hoy izy: “Fantatrao ve ny antony mahabe ny faharatsiana toy izao?” “Tsia”, hoy aho. Novakiny tamiko ny Apokalypsy 12:7-12. Izay vao fantatro hoe i Satana sy ireo demonia no tena mahatonga ny faharatsiana. Nasain’i John nianatra Baiboly aho, ka nanao izany tsy ela taorian’izay. Tsy nety natao batisa anefa aho, satria natahotra olona.—Ohab. 29:25.

Lasa Vavolombelona koa i Dorothy, zokiko vavy. Nanatrika fivoriambe iraisam-pirenena tany New York (1953) izy sy Bill Roberts fofombadiny. Rehefa niverina izy ireo, dia nilazako fa nianatra Baiboly aho. Hoy i Bill tamiko: “Efa novakinao ve ny andinin-teny rehetra tao amin’ilay boky? Efa notsipihinao ve ireo valin-teny tao?” “Tsia”, hoy aho, ka hoy izy: “Mbola tsy nianatra ianao raha izany! Antsoy ilay anabavy nampianatra anao, dia avereno ny fianaranareo!” Nampijaly ahy ny demonia nanomboka teo. Nivavaka tamin’i Jehovah aho, mba hiaro sy hanafaka ahy.

Mpisava lalana tany Ekosy sy Irlandy

Natao batisa aho tamin’ny 16 Janoary 1954. Ny volana Mey no tapitra ny fifanarahako tamin’ilay hopitaly, ary ny volana Jona aho no lasa mpisava lalana. Nalefa ho mpisava lalana manokana tany Grangemouth, any Ekosy aho, valo volana tatỳ aoriana. Tsapako hoe ‘nitoby nanodidina’ ahy ny anjelin’i Jehovah, rehefa nanompo tany amin’io faritra nitokana io aho.—Sal. 34:7.

Nasaina nanompo tany Irlandy aho, tamin’ny 1956. Voatendry hitory tao Galway izaho sy ny rahavavy roa. Nitory tamin’ny pretra aho ny andro voalohany. Tsy ela dia nisy polisy iray tonga, ary nitondra ahy sy ilay namako tany amin’ny paositry ny polisy. Nitelefaonina avy hatrany izy, raha vao fantany ny anaranay sy ny adiresinay. Renay izy niteny hoe: “Eny Mompera, fantatro hoe aiza izy ireo no mipetraka.” Hay nirahin’ilay pretra izy! Noterena handroaka anay ny tompon-tranonay. Nasain’ny biraon’ny sampana niala tamin’ilay faritra àry izahay. Tara folo minitra izahay, nefa mbola teo ilay lamasinina. Nisy lehilahy niandry teo, mba hanamarina raha lasa tokoa izahay. Vao roatokombolana fotsiny anefa izahay no tany Galway!

Notendrena ho any Limerick izahay avy eo. Natanjaka be ny Eglizy Katolika tao. Nivazavazan’ny olona àry izahay. Maro koa no tsy nety namoha varavarana, satria natahotra. Nisy mihitsy aza anadahy novelezina tao Cloonlara, tanàna tsy lavitra teo, herintaona talohan’izay. Faly àry izahay rehefa nihaona tamin’i Christopher, voaresaka terỳ aloha. Nasainy niverina nitsidika azy izahay, mba hamaly ny fanontaniany. Nisy pretra niditra, nandritra ny fitsidihanay. Nasainy nandroaka anay i Christopher. Hoy anefa izy tamin’ilay pretra: “Nasaiko ho ato an-tranoko izy ireo, ary nandondòna vao niditra. Ianao kosa tsy nasaiko, ary tsy nandondòna.” Sady tezitra ilay pretra no lasa.

Tsy fantatray fa hay ilay pretra niantso lehilahy maromaro. Niandry anay tao ivelany izy ireo. Fantatr’i Christopher fa te hamono anay ireo lehilahy ireo, ka notazoniny izahay mandra-pahalasan’izy ireo. Izany no nahatonga azy hilaza an’ireo teny terỳ am-piandohana. Renay tatỳ aoriana fa noterena hiala tao amin’ilay faritra i Christopher sy ny fianakaviany, ka nifindra tany Angletera.

Nanatrika ny Sekolin’i Gileada

Natao tany New York, tamin’ny 1958 ilay fivoriambe iraisam-pirenena hoe “Ny Sitrapon’Andriamanitra.” Efa niomana ho any aho no naharay fanasana hanatrika ny Sekolin’i Gileada, kilasy faha-33. Tsy nody aho rehefa vita ilay fivoriambe, fa nanompo tany Collingwood, any Kanada, mandra-panombok’ilay Sekoly, tamin’ny 1959. Nihaona tamin’i Eric Connell anefa aho tamin’ilay fivoriambe. Nianatra ny fahamarinana izy tamin’ny 1957, ary lasa mpisava lalana tamin’ny 1958. Nanoratra ho ahy isan’andro izy, taorian’ilay fivoriambe, tamin’izaho tany Kanada sy nandritra ny Sekolin’i Gileada. Nieritreritra aho hoe ahoana no hataonay aorian’ilay sekoly.

Zava-dehibe teo amin’ny fiainako ny Sekolin’i Gileada. Niara-nanao sekoly tamiko koa i Dorothy sy ny vadiny. Voatendry ho misionera tany Portogaly izy ireo. Gaga kosa aho satria notendrena ho eto Irlandy. Nalahelo aho fa tsy tafaraka tamin’ny rahavaviko! Nanontaniako ny iray tamin’ireo mpampianatra sao nisy tsy nety nataoko. Namaly izy hoe: “Tsy misy kah! Ianao sy Eileen Mahoney namanao, dia nanaiky handeha na aiza na aiza”, ary anisan’izany i Irlandy.

Niverina teto Irlandy

Niverina teto Irlandy aho tamin’ny Aogositra 1959, ary voatendry ho ao amin’ny Fiangonan’i Dun Laoghaire. Niverina tany Angletera i Eric tamin’izay, ary faly izy fa tsy nifanalavitra intsony izahay. Te ho misionera koa izy. Nihevitra izy hoe satria toerana nandefasana misionera i Irlandy, dia afaka ny ho mpisava lalana tatỳ koa izy. Nifindra tany Dun Laoghaire izy, ary nivady izahay tamin’ny 1961.

Niharan-doza tamin’ny môtô i Eric, enim-bolana tatỳ aoriana. Vaky ny lohany, ary natahorana ho faty izy. Roatokombolana izy no tany amin’ny hopitaly, ary dimy volana nokarakaraiko tao an-trano, mandra-pahasitrany. Mbola afaka nitory ihany anefa aho tamin’izay.

Voatendry ho any amin’ny Fiangonan’i Sligo izahay, tamin’ny 1965. Seranan-tsambo any amin’ny faritra avaratrandrefan’i Irlandy izy io, ary nisy mpitory valo tao. Nifindra tao amin’ny fiangonana kely tany Londonderry, any avaratra kokoa izahay, telo taona tatỳ aoriana. Niverina avy nanompo izahay indray andro, ary nisy fefy tariby niranirany nanakan-dalana teo akaikin’ny tranonay. Nanomboka ny hotakotaka tany Irlandy Avaratra. Nandoro fiara ireo jiolahim-boto. Efa nizara ho faritry ny Katolika sy ny Protestanta ilay tanàna. Nampidi-doza ny niampita tamin’ireo faritra ireo.

Ny fiainana sy ny fitoriana nandritra ilay hotakotaka

Tonga hatraiza hatraiza izahay, noho ny fanompoana. Tsapanay tamin’izay fa nitoby nanodidina anay ny anjely. Rehefa nisy rotaka tany amin’ny faritra nalehanay, dia niala haingana aloha izahay, ary niverina indray avy eo. Nisy rotaka teo akaikin’ny tranonay, indray andro. Nirehitra ilay fivarotan-doko tsy lavitra anay, ka nisy afo nipitika teo amin’ny varavarankelinay. Tsy natory izahay, satria natahoranay hirehitra ny tranonay. Efa tany Belfast izahay, tamin’ny 1970 vao nahare fa hay tavoahangy feno lasantsy no nandoroana an’ilay fivarotan-doko. May koa, hono, ilay trano nisy anay.

Nitory izaho sy ny rahavavy iray indray andro, ary nahita fantson-drano hafahafa teo amin’ny varavarankely iray. Nanohy ny dianay izahay. Nipoaka anefa ilay izy avy eo. Noheverin’ny olona fa izahay no nametraka an’ilay baomba! Tamin’izay indrindra no nampiantrano anay ny rahavavy iray nipetraka tao amin’ilay tanàna. Nino àry ny olona fa tsy izahay no nametraka an’ilay baomba.

Nitsidika rahavavy iray tany Londonderry izahay, tamin’ny 1971. Nolazainay taminy ny lalana sy ny toeram-pisavana nandalovanay. Hoy izy avy eo: “Tsy nisy olona ve teo amin’ilay toeram-pisavana?” Gaga izy rehefa nilazanay hoe: “Nisy ihany, saingy tsy noraharahainy izahay.” Nalaina an-keriny sy nodorana mantsy ny fiaran’ny dokotera iray sy ny an’ny polisy iray, talohan’izay.

Nifindra tany Cork izahay tamin’ny 1972, tany Naas tatỳ aoriana, ary tany Arklow avy eo. Farany dia voatendry ho eto Castlebar izahay, tamin’ny 1987. Faly izahay satria afaka nanampy tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana. Narary mafy i Eric tamin’ny 1999. Afaka niatrika an’izany sy nikarakara azy anefa aho, noho ny fanampian’i Jehovah sy ny fiangonana.

Indroa nanatrika ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana izahay mivady. Mbola anti-panahy izao i Eric. Voan’ny aretin’ny tonon-taolana aho, ka voatery nodidiana teo amin’ny maojako sy ny lohaliko. Marina fa teo ny fankahalan’ny fivavahana, ny korontana ara-politika sy ny adin’ny mpiara-monina, fa ny mafy indrindra tamiko dia izaho tsy afaka mitondra fiara intsony. Mafy ilay izy satria tsy afaka mandeha irery any amin’izay tiako intsony aho. Tena nanampy sy nanohana ahy ny fiangonana. Mampiasa tehina aho izao rehefa mandeha. Bisikileta misy kodiarany telo sy mandeha bateria kosa no ampiasako rehefa mandeha lavidavitra.

Maherin’ny 100 taona no nanaovanay sy Eric ny asan’ny mpisava lalana manokana, raha atambatra. Teto Irlandy ny 98 tamin’ireo. Tsy mieritreritra ny hijanona mihitsy izahay. Tsy miandry fahagagana izahay, nefa mino fa “mitoby manodidina” an’izay matahotra an’i Jehovah sy manompo azy, ka tsy mivadika aminy, ny anjely.