Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ankasitraho ny Asan’ilay Mosesy Lehibe

Ankasitraho ny Asan’ilay Mosesy Lehibe

Ankasitraho ny Asan’ilay Mosesy Lehibe

“I Jehovah Andriamanitra hanendry mpaminany toa ahy, ho anareo, avy amin’ny rahalahinareo. Henoy izy.”—ASA. 3:22.

1. Inona no vokatry ny zavatra nataon’i Jesosy Kristy sy nolazainy?

TERAKA ny zazalahikely iray, roa arivo taona lasa izay. Nidera an’Andriamanitra ny anjely maro be noho izany, ary nisy mpiandry ondry nandre an’ilay fiderana. (Lioka 2:8-14) Tsy iza ilay zazalahikely fa i Jesosy. Rehefa 30 taona izy, dia nanao fanompoana izay tsy naharitra afa-tsy telo taona sy tapany monja. Nisy vokany lehibe teo amin’ny tantara anefa izany. Hoy ilay mpahay tantara atao hoe Philip Schaff, momba an’i Jesosy Kristy: ‘Tsy nanoratra boky mihitsy izy, kanefa nanome aingam-panahy mihoatra noho izay vitan’ny olo-malaza hatramin’izay ny zavatra nataony sy nolazainy, ka nahavitana boky sy toriteny sy hira ary zavakanto be dia be.’

2. Inona no nolazain’ny apostoly Jaona momba an’i Jesosy sy ny fanompoany?

2 Nanoratra momba ny fanompoan’i Jesosy ny apostoly Jaona, ary namarana ny bokiny hoe: “Misy zavatra maro hafa koa nataon’i Jesosy, ary raha nosoratana tamin’ny an-tsipiriany daholo izy ireny, dia ataoko fa na izao tontolo izao aza tsy ho omby ny horonam-boky voasoratra.” (Jaona 21:25) Ampahany kely fotsiny tamin’izay nataon’i Jesosy no nosoratan’i Jaona ao amin’ny Filazantsarany, kanefa tena sarobidy amintsika.

3. Inona no manampy antsika hahazo tsara kokoa ny anjara asan’i Jesosy?

3 Tsy ireo Filazantsara efatra ihany no manome tsipiriany momba ny fiainan’i Jesosy. Eo koa ny tantaran’ny olona sasany tsy nivadika fahiny, izay manampy antsika hahazo tsara kokoa ny anjara asan’i Jesosy eo amin’ny fikasan’Andriamanitra. Andeha hojerentsika izany.

Mifanitsy amin’iza i Kristy?

4, 5. Mifanitsy amin’ny anjara asan’iza ny anjara asan’i Jesosy, ary inona no itovizan’i Jesosy amin’izy ireo?

4 Asehon’ny Filazantsaran’i Jaona sy ireo Filazantsara telo hafa fa mifanitsy amin’ny anjara asan’i Mosesy sy Davida ary Solomona ny anjara asan’i Jesosy, ilay Voahosotra sy Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra. Inona avy no anjara asan’ireo mpanompon’Andriamanitra fahiny ireo, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

5 Resahin’ny Baiboly fa mpaminany sy mpanelanelana ary mpanafaka i Mosesy. Toy izany koa i Jesosy. Mpiandry ondry sy mpanjaka nandresy an’ireo fahavalon’ny Israely i Davida. Mpiandry sy mpanjaka mandresy koa i Jesosy. (Ezek. 37:24, 25) Mpanjaka hendry i Solomona tamin’izy mbola tsy nivadika, ka niadana ny vahoakan’ny Israely. (1 Mpanj. 4:25, 29) Faran’izay hendry koa i Jesosy, ary antsoina hoe “Andrianan’ny Fiadanana.” (Isaia 9:6) Hitantsika amin’izany fa misy itovizany ny anjara asan’ireo lehilahy tsy nivadika ireo sy ny an’i Kristy Jesosy, saingy ny anjara asan’i Jesosy no tena lehibe indrindra. Hojerentsika àry aloha hoe inona no itovizan’i Jesosy sy Mosesy. Hanampy antsika hahatakatra kokoa ny anjara asan’i Jesosy eo amin’ny fikasan’Andriamanitra izany.

Mpialoha lalana an’i Jesosy i Mosesy

6. Inona no faminanian’i Mosesy tanteraka tamin’i Jesosy?

6 Taoriana kelin’ny Pentekosta taona 33, dia nolazain’ny apostoly Petera teo anatrehan’ny mpivavaka maro be tao amin’ny tempoly, ny faminanian’i Mosesy tanteraka tamin’i Jesosy Kristy. Vao avy nanasitrana mpangataka iray nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny i Petera sy Jaona tamin’izay. Nirohotra hijery an’ilay zava-nitranga ireo mpivavaka ireo, ary “talanjona indrindra.” Nijoro teo anatrehan’izy ireo àry i Petera, ary nanazava fa afaka nanao an’ilay fahagagana izy noho ny fanahy masina nomen’i Jehovah tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Naka teny tao amin’ny Soratra Hebreo izy avy eo, ka nilaza hoe: “Hoy tokoa mantsy i Mosesy: ‘I Jehovah Andriamanitra hanendry mpaminany toa ahy, ho anareo, avy amin’ny rahalahinareo. Henoy izy, na inona na inona lazainy aminareo.’ ”—Asa. 3:11, 22, 23; vakio ny Deoteronomia 18:15, 18, 19.

7. Nahoana no azon’ireo Jiosy ny tian’i Petera holazaina?

7 Azo inoana fa fantatry ny Jiosy ireo tenin’i Mosesy nolazain’i Petera ireo, satria mpaminany nohajainy i Mosesy. (Deot. 34:10) Efa niandrandra ny fahatongavan’ny mpaminany iray lehibe noho i Mosesy izy ireo. Tsy voahosotra tsotra fotsiny toa an’i Mosesy io mpaminany io, fa izy io mihitsy ilay Mesia, na “Kristin’Andriamanitra, ilay Voafidy.”—Lioka 23:35; Heb. 11:26.

Ny itovizan’i Jesosy sy Mosesy

8. Inona no itovizan’ny fiainan’i Mosesy sy ny fiainan’i Jesosy?

8 Misy itovizany ny fiainan’i Jesosy teto an-tany sy ny fiainan’i Mosesy. Samy avotra izy ireo tamin’ny mbola kely, rehefa saika hovonoin’ny mpitondra tsy nifaditrovana. (Eks. 1:22–2:10; Mat. 2:7-14) Samy ‘nantsoina hiala avy tany Ejipta’ koa izy ireo. Hoy i Jehovah tamin’ny alalan’i Hosea mpaminany: “Fony mbola zaza ny Israely, dia tiako izy. Ary nantsoiko hiala avy tany Ejipta ny zanako.” (Hosea 11:1) Nitranga izany rehefa niala tany Ejipta ny firenen’ny Israely, teo ambany fitarihan’i Mosesy. (Eks. 4:22, 23; 12:29-37) Tanteraka koa anefa ny faminanian’i Hosea rehefa nentin’i Josefa sy Maria niala tany Ejipta i Jesosy, taorian’ny nahafatesan’i Heroda Mpanjaka.—Mat. 2:15, 19-23.

9. a) Inona avy ny fahagagana nataon’i Mosesy sy Jesosy? b) Milazà zavatra hafa itovizan’i Jesosy sy Mosesy. (Jereo ny efajoro  “Zavatra Hafa Itovizan’i Jesosy sy Mosesy”, eo amin’ny pejy 26.)

9 Samy nanao fahagagana koa i Mosesy sy Jesosy, ary porofo izany fa nanampy azy ireo i Jehovah. I Mosesy no olombelona voalohany nanao fahagagana, araka ny fitantaran’ny Baiboly. (Eks. 4:1-9) Nanao fahagagana tamin’ny rano, ohatra, i Mosesy, ka nanova ny ranon’i Neily sy ny kamory ho ra, nampisaraka ny Ranomasina Mena, ary nampiboiboika rano avy tamin’ny harambato tany an-tany efitra. (Eks. 7:19-21; 14:21; 17:5-7) Nanao fahagagana tamin’ny rano koa i Jesosy. Nanova rano ho divay izy tamin’ny fampakaram-bady iray, ary izany no fahagagana voalohany nataony. (Jaona 2:1-11) Nampitony ny Ranomasin’i Galilia nisamboaravoara be koa izy. Nandeha teny ambony rano mihitsy aza izy, indray mandeha! (Mat. 8:23-27; 14:23-25) Mbola misy zavatra hafa koa anefa itovizan’i Mosesy sy Jesosy, araka ny hita eo amin’ilay  efajoro eo amin’ny pejy 26.

Mpaminany i Kristy

10. Inona no atao hoe tena mpaminany, ary nahoana no lazaina fa tena mpaminany i Mosesy?

10 Mpilaza mialoha ny hoavy no atao hoe mpaminany, amin’ny ankamaroan’ny olona. Tsy izany ihany anefa no andraikitry ny mpaminany. Mpitondra tenin’i Jehovah koa ny tena mpaminany, ka manambara ‘ny asa lehibe ataon’Andriamanitra.’ (Asa. 2:11, 16, 17) Mety hilaza izay hitranga amin’ny hoavy izy, na hampahafantatra ny fikasan’i Jehovah, na hanambara ny didim-pitsarany. Toy izany no nataon’i Mosesy. Nilaza mialoha ny tsirairay amin’ny Loza Folo hamely an’i Ejipta izy, nampahafantatra ny fifaneken’ny Lalàna tamin’ny firenen’ny Israely, ary nampianatra azy ireo ny sitrapon’Andriamanitra. Na izany aza, dia mbola nisy mpaminany lehibe noho i Mosesy tatỳ aoriana.

11. Nahoana no lazaina fa mpaminany lehibe noho i Mosesy i Jesosy?

11 Tamin’ny taonjato voalohany, dia naminany momba ny asa hampanaovin’Andriamanitra an’i Jaona zanany i Zakaria. (Lioka 1:76) Nantsoina hoe Jaona Mpanao Batisa io zanany io, ary izy io no nanambara ny fiavian’ilay mpaminany lehibe noho i Mosesy, dia i Jesosy Kristy. (Jaona 1:23-36) Nahoana i Jesosy no lazaina fa mpaminany? Naminany zavatra maro izy. Nilaza momba ny fahafatesany izy, ohatra, anisan’izany ny hoe aiza no hahafatesany, ahoana no hamonoana azy ary iza no hanao izany. (Mat. 20:17-19) Gaga ny mpianany fa nilaza koa izy hoe horavana i Jerosalema sy ny tempoliny. (Mar. 13:1, 2) Naminany momba ny androntsika mihitsy aza izy.—Mat. 24:3-41.

12. a) Ahoana no nanombohan’ny fitoriana ny vaovao tsara? b) Ahoana no anahafantsika an’i Jesosy ankehitriny?

12 Mpitory sy mpampianatra koa i Jesosy. Nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana izy, ary tsy nisy nanana fahasahiana toa azy rehefa nitory. (Lioka 4:16-21, 43) Tsy nisy mpampianatra toa azy koa. Hoy ny olona sasany rehefa nandre azy nampianatra: “Mbola tsy nisy olona niteny tahaka izany mihitsy.” (Jaona 7:46) Nazoto nampiely ny vaovao tsara i Jesosy, ary nandrisika ny mpanara-dia azy ho be zotom-po koa izany. Mbola hatao eran-tany izao ilay asa fitoriana sy fampianarana natombok’i Jesosy. (Mat. 28:18-20; Asa. 5:42) Fito tapitrisa teo ho eo ny mpanara-dia an’i Kristy, tamin’ny taon-dasa. Nanokana 1 500 000 000 ora teo ho eo izy ireo nitoriana ny vaovao tsara sy nampianarana Baiboly. Ary ianao, mazoto mandray anjara amin’io asa io ve ianao?

13. Inona no manampy antsika “hifoha hatrany”?

13 Notanterahin’i Jehovah tokoa ilay faminaniana hoe hanendry mpaminany toa an’i Mosesy izy. Inona no vokatr’izany eo aminao? Tsy vao mainka ve ianao matoky fa ho tanteraka ireo faminaniana momba ny hoavy? Manampy antsika “hifoha hatrany sy hisaina tsara foana” momba izay hataon’Andriamanitra tsy ho ela àry, ny fisaintsainana momba an’i Jesosy, ilay Mosesy Lehibe.—1 Tes. 5:2, 6.

Mpanelanelana i Kristy

14. Nahoana i Mosesy no lazaina fa mpanelanelana?

14 Mpanelanelana koa i Jesosy, toa an’i Mosesy. Mpanelanelana tamin’i Jehovah sy ny Israelita i Mosesy, rehefa natao ny fifaneken’ny Lalàna. Raha nankatò ny lalàn’Andriamanitra izy ireo, dia ho fananana manokana sy fiangonan’Andriamanitra foana. (Eks. 19:3-8) Nanan-kery nanomboka tamin’ny 1513 T.K. ka hatramin’ny taonjato voalohany io fifanekena io.

15. Nahoana no lazaina fa mpanelanelana amin’ny fifanekena tsara kokoa i Jesosy?

15 Tamin’ny taona 33 anefa, dia nanao fifanekena tsara kokoa tamin’ny alalan’i Jesosy i Jehovah. Nataony tamin’ny Israely vaovao, na ny “Israelin’Andriamanitra” ilay izy, izany hoe tamin’ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra eran-tany. (Gal. 6:16) Tsara kokoa io fifanekena vaovao io raha mitaha amin’ilay fifanekena natao amin’ny alalan’i Mosesy. Nosoratan’Andriamanitra teo amin’ny vato fisaka mantsy ny lalàna sasany tamin’ilay fifanekena taloha, fa soratany ao am-pon’ny olona kosa ny lalàna ao amin’ilay vaovao. (Vakio ny 1 Timoty 2:5; Hebreo 8:10.) Ny “Israelin’Andriamanitra” àry no fananany manokana ankehitriny, noho izy io “firenena mamokatra voa mendrika” an’ilay Fanjakan’ny Mesia. (Mat. 21:43) Ny Kristianina voahosotra no ao anatin’io fifanekena vaovao io, kanefa tsy izy ireo ihany no mandray soa amin’izany. Hahazo fitahiana mandrakizay koa ny olona maro be tsy tambo isaina, anisan’izany ny olona maro nodimandry.

Mpanafaka i Kristy

16. a) Ahoana avy no nampiasan’i Jehovah an’i Mosesy mba hanafahana ny Israelita? b) Avy amin’iza ny famonjena, araka ny Eksodosy 14:13?

16 Notandindomin-doza ny Israelita sasany, ny alina talohan’ny nialan’izy ireo tany Ejipta. Hitety an’i Ejipta mantsy ny anjely iray tamin’izay, mba hamono ny lahimatoa rehetra. Nilaza tamin’i Mosesy anefa i Jehovah fa ho voavonjy ireo lahimatoan’ny Israelita, raha akana ny ran’ny zanak’ondrin’ny Paska ka ahosotra eo amin’ny tolàna sy tataom-baravaran’ny tranon’izy ireo. (Eks. 12:1-13, 21-23) Izany tokoa no nitranga! Mbola notandindomin-doza koa ilay firenena manontolo tatỳ aoriana, rehefa nadiva ho tratran’ny tafika ejipsianina teo amin’ny Ranomasina Mena. Namonjy azy ireo indray anefa i Jehovah, rehefa nasainy nampisaraka an’ilay ranomasina i Mosesy.—Eks. 14:13, 21.

17, 18. Nahoana i Jesosy no lazaina fa mpanafaka lehibe kokoa noho i Mosesy?

17 Mbola lehibe noho izany anefa ny fanafahana ataon’i Jehovah amin’ny alalan’i Jesosy. Amin’ny alalany mantsy no anafahana ny mpankatò amin’ny fanandevozan’ny ota, ary “fanafahana mandrakizay” izany. (Heb. 9:11, 12; Rom. 5:12, 18) Ny hoe Jesosy dia midika hoe “I Jehovah dia Famonjena.” Tsy mamonjy antsika ho afaka amin’ny fahotantsika taloha fotsiny i Jesosy, ilay Mpanafaka, na Mpamonjy, fa manampy antsika koa hanana hoavy tsara kokoa. Mamonjy antsika tsy iharan’ny fahatezeran’Andriamanitra izy, ka manampy antsika hifandray tsara amin’i Jehovah.—Mat. 1:21.

18 Ho afaka amin’ny voka-dratsin’ny ota koa isika amin’ny hoavy, dia amin’ny aretina sy ny fahafatesana. Eritrereto izay nitranga tao an-tranon’ny lehilahy iray atao hoe Jairo rehefa nankany i Jesosy. Maty ny zanany vavy 12 taona, nefa nanome toky azy i Jesosy hoe: “Aza matahotra! Minoa fotsiny dia ho voavonjy izy.” (Lioka 8:41, 42, 49, 50) Marina tokoa ny teniny satria nitsangana tamin’ny maty ilay zazavavy! Azonao an-tsaina ve ny hafalian’ny ray aman-dreniny? Ho toy izany koa ny hafaliantsika rehefa hatsangana ny maty! ‘Handre ny feon’i Jesosy’ mantsy “izay rehetra any am-pasana, dia hivoaka izy ireo.” (Jaona 5:28, 29) Mpamonjy sy Mpanafaka antsika tokoa i Jesosy!—Vakio ny Asan’ny Apostoly 5:31; Tit. 1:4; Apok. 7:10.

19, 20. a) Nahoana no mahasoa antsika ny misaintsaina hoe i Jesosy no ilay Mosesy Lehibe? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

19 Mandrisika antsika hitory sy hampianatra ny mahafantatra fa afaka manampy ny olona handray soa amin’ny famonjen’i Jesosy isika. (Isaia 61:1-3) Rehefa misaintsaina koa isika hoe i Jesosy no ilay Mosesy Lehibe, dia vao mainka isika matoky fa hanafaka antsika izy, rehefa hampihatra didim-pitsarana amin’ny ratsy fanahy.—Mat. 25:31-34, 41, 46; Apok. 7:9, 14.

20 I Jesosy tokoa no ilay Mosesy Lehibe. Nahavita zavatra miavaka maro izay tsy ho vitan’i Mosesy mihitsy izy. Mitondra soa ho an’ny olombelona rehetra ny maha mpaminany sy mpanelanelana azy, ary haharitra mandrakizay ny famonjeny amin’ny maha Mpanafaka azy. Mbola hahafantatra zavatra hafa momba an’i Jesosy anefa isika, rehefa mandinika ny tantaran’ny olona hafa tsy nivadika fahiny. Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka fa antsoina koa hoe Davida Lehibe sy Solomona Lehibe izy.

Hainao Hazavaina Ve?

Nahoana no lazaina fa lehibe noho i Mosesy i Jesosy

• amin’ny maha mpaminany azy?

• amin’ny maha mpanelanelana azy?

• amin’ny maha mpanafaka azy?

[Fanontaniana]

[Efajoro/Sary, pejy 26]

  Zavatra Hafa Itovizan’i Jesosy sy Mosesy

□ Samy nahafoy ny toerana ambony nananany mba hanompoana an’i Jehovah sy ny olony.—2 Kor. 8:9; Fil. 2:5-8; Heb. 11:24-26.

□ Samy voahosotra, na voatendrin’i Jehovah.—Mar. 14:61, 62; Jaona 4:25, 26; Heb. 11:26.

□ Samy tonga tamin’ny anaran’i Jehovah.—Eks. 3:13-16; Jaona 5:43; 17:4, 6, 26.

□ Samy be fandeferana.—Nom. 12:3; Mat. 11:28-30.

□ Samy nampiasaina mba hahafahan’ny olona maro be hahazo sakafo.—Eks. 16:12; Jaona 6:48-51.

□ Samy mpitsara sy mpanome lalàna.—Eks. 18:13; Mal. 4:4; Jaona 5:22, 23; 15:10.

□ Samy nasaina niandraikitra ny ao an-tranon’Andriamanitra.—Nom. 12:7; Heb. 3:2-6.

□ Samy vavolombelon’i Jehovah mendri-pitokisana.—Heb. 11:24-29; 12:1; Apok. 1:5.

□ Samy nataon’Andriamanitra tsy hita ny fatiny.—Deot. 34:5, 6; Lioka 24:1-3; Asa. 2:31; 1 Kor. 15:50; Joda 9.