Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hita eo Amin’ny Zavaboary ny Fahendren’i Jehovah

Hita eo Amin’ny Zavaboary ny Fahendren’i Jehovah

Hita eo Amin’ny Zavaboary ny Fahendren’i Jehovah

‘Ny toetrany tsy hita maso dia hita amin’ny zavatra nataony.’—ROM. 1:20.

1. Inona no vokatry ny fahendren’izao tontolo izao eo amin’ny olona maro?

MARO ankehitriny no lazaina fa olon-kendry. Misy mihevitra fa ny olona manam-pahalalana be no hendry, ka any izy ireo no mangataka tari-dalana mba hananany fiainana mahafa-po. Tsy azo itokisana anefa ny torohevitr’ireo olona heverin’ity tontolo ity ho mahira-tsaina. Hanjary “hatopatopan’ny onja sy havezivezin’izao karazan-drivotry ny fampianarana rehetra izao” ny olona manaraka ny tenin’izy ireo.—Efes. 4:14.

2, 3. a) Nahoana no lazaina fa i Jehovah no “hany manam-pahendrena”? b) Inona no tsy mampitovy ny fahendrena avy amin’Andriamanitra sy ny fahendren’izao tontolo izao?

2 Tsy mba toy izany anefa ireo mahazo ny tena fahendrena avy amin’i Jehovah Andriamanitra! Milaza ny Baiboly fa i Jehovah no “hany manam-pahendrena.” (Rom. 16:27) Mahalala ny zava-drehetra eo amin’izao rehetra izao izy, anisan’izany ny fomba namoronana azy ireny. Izy no nanao ireo lalàna mifehy ny natiora, izay ampiasain’ireo mpanao fikarohana. Tsy mahataitra an’i Jehovah àry ny zavatra noforonin’ny olona sy ny fahendren’izy ireo, izay heverin’ny maro ho ambony. “Amin’Andriamanitra dia hadalana ny fahendren’ity tontolo ity.”—1 Kor. 3:19.

3 Milaza ny Baiboly fa “manome fahendrena” ho an’ny mpanompony i Jehovah. (Ohab. 2:6) Tsy manjavozavo toy ny fahendren’olombelona io fahendrena io. Manampy antsika handray fanapahan-kevitra tsara miorina amin’ny fahalalana marina kosa izy io. (Vakio ny Jakoba 3:17.) Talanjona tamin’ny fahendren’i Jehovah ny apostoly Paoly, ka hoy izy: “Lalina tokoa ny harenan’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! Tsy takatry ny saina tokoa ny fitsarany ary tsy hay fantarina ny lalany!” (Rom. 11:33) I Jehovah no hendry indrindra, ka matoky isika fa ny fanarahana ny lalàny no tena mahasoa. Izy rahateo no tena mahalala izay ilaintsika mba hahasambatra antsika.—Ohab. 3:5, 6.

“Mpiasa tena mahay” i Jesosy

4. Inona no azontsika atao mba hahafantarana ny fahendren’i Jehovah?

4 Hita amin’ny zavatra noforonin’i Jehovah ny fahendreny sy ny toetrany hafa tsy manan-tsahala. (Vakio ny Romanina 1:20.) Ahitana taratra an’izany ny zavaboary, manomboka amin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra. Na mijery ny lanitra isika na mandinika ny tany, dia hita miharihary fa tena hendry sy be fitiavana ilay Mpamorona. Afaka miana-javatra maro momba azy isika, rehefa mandinika ny zavatra noforoniny.—Sal. 19:1; Isaia 40:26.

5, 6. a) Iza no niara-niasa tamin’i Jehovah rehefa namorona izy? b) Inona no hodinihintsika, ary nahoana?

5 Tsy niasa irery i Jehovah rehefa “namorona ny lanitra sy ny tany.” (Gen. 1:1) Milaza ny Baiboly fa namorona anjely iray izy, ela be talohan’ny namoronany ny zavatra hita maso. Nampiasa azy io izy rehefa namorona “ny zavatra hafa rehetra.” Zanaka lahitokan’Andriamanitra izy io, sady “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra.” (Kol. 1:15-17) Tonga tetỳ an-tany izy, tatỳ aoriana, ary nantsoina hoe Jesosy. Hendry toa an’i Jehovah i Jesosy. Antsoina hoe fahendrena izy ao amin’ny Ohabolana toko faha-8. Voalaza ao koa fa “mpiasa tena mahay” izy.—Ohab. 8:12, 22-31.

6 Hita taratra eo amin’ny zavaboary àry ny fahendren’i Jehovah sy Jesosy. Andraisantsika lesona sarobidy izy ireny. Miresaka zavaboary efatra “manana fahendrena voajanahary” ny Ohabolana 30:24-28. Andeha isika handinika azy ireo. *

Bibikely mazoto miasa

7, 8. Inona no mahavariana anao amin’ny vitsika?

7 Maro ny zavaboary azo lazaina hoe “kely indrindra eto an-tany.” Afaka miana-javatra avy amin’izy ireny isika, rehefa mandinika ny fomba nanamboarana azy sy ny zavatra ataony. Diniho, ohatra, ny fahendrena voajanahary ananan’ny vitsika.—Vakio ny Ohabolana 30:24, 25.

8 Mino ny mpikaroka sasany fa avo 200 000 heny noho ny isan’ny olona ny isan’ny vitsika. Miasa mafy izy rehetra, na etỳ an-tanety na any anaty tany. Mizara ho andiany ny vitsika, ary ahitana an’ireto sokajiny telo ireto: Mpanjakavavy, vitsika lahy, ary mpiasa. Samy manao ny anjara asany ny sokajy tsirairay mba hahazoan’ilay andiany izay ilainy. Tena miavaka ny karazam-bitsika iray any Amerika Atsimo. Antsoin’ny olona hoe vitsika mpanapaka ravinkazo izy io, ary tena mahay mamboly. Ataony izay hahalonaka ny tany, ary avy eo amboleny holatra hohaniny. Rantsanany koa ireo holatra mba handrobona tsara. Hitan’ny mpikaroka fa miasa mafy kokoa izy ireo, rehefa mila sakafo betsaka ny andiany misy azy. *

9, 10. Ahoana no anahafantsika ny vitsika?

9 Afaka miana-javatra avy amin’ny vitsika isika. Ampianariny antsika fa mila miasa mafy isika raha te hahazo vokatra tsara. Hoy ny Baiboly: “Mandehana any amin’ny vitsika, ry ilay kamo. Diniho ny fanaony ka mba hendre. Na dia tsy manana mpitondra na mpiadidy na mpitarika aza izy, dia manangona ny sakafony izy rehefa fahavaratra, ary manangona ny haniny mandritra ny fijinjana.” (Ohab. 6:6-8) Samy miasa mafy na i Jehovah na i Jesosy. Hoy i Jesosy, ilay Mpiasa Tena Mahay: “Ny Raiko tsy mitsahatra miasa mandraka ankehitriny, ary izaho koa tsy mitsahatra miasa.”—Jaona 5:17.

10 Manahaka an’Andriamanitra sy Kristy isika, ka tokony hiasa mafy koa. Tokony ho ‘be atao amin’ny asan’ny Tompo’ isika, na inona na inona andraikitsika eo anivon’ny fandaminana. (1 Kor. 15:58) Tsara àry ny anarahantsika ny torohevitra nomen’i Paoly ny Kristianina tany Roma hoe: “Aza malaina amin’izay ataonareo. Aoka ianareo harehitry ny fanahy. Manompoa an’i Jehovah.” (Rom. 12:11) Tsy ho very maina ny ezaka ataontsika mba hanaovana ny sitrapon’i Jehovah, satria hoy ny Baiboly: “Andriamanitra ... tsy mba tsy marina ka hanadino izay nataonareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho an’ny anarany.”—Heb. 6:10.

Arovy ny fifandraisanao amin’Andriamanitra

11. Inona avy no mampiavaka ny bitrom-bato?

11 Ianarantsika lesona lehibe koa ny bitrom-bato. (Vakio ny Ohabolana 30:26.) Mitovitovy amin’ny bitro izy io, saingy kely sy boribory ny sofiny ary fohy ny tongony. Monina eny amin’ny harambato izy io. Afaka miaro tena tsara ny bitrom-bato satria matsilo ny masony. Miafina any amin’ireo lavadavaka eny amin’ny harambato izy, rehefa misy biby mpiremby mitady hanafika azy. Maro be izy ireo no miara-monina. Miaro azy amin’ny loza izany, ary mahatonga azy hafana rehefa ririnina.

12, 13. Inona no ianarantsika avy amin’ny bitrom-bato?

12 Inona no ianarantsika avy amin’ny bitrom-bato? Mailo io biby io ka tsy mora tafihina. Jereny avy lavitra amin’ny masony matsilo ireo biby mpiremby, ary tsy miala lavitra an’ireo lavadavaka eny amin’ny harambato izy mba hiarovana ny ainy. Tokony ho mailo toy izany koa isika, ka hamantatra mialoha ireo zavatra mety hanimba ny finoantsika eo amin’ny tontolon’i Satana. Nampirisika ny Kristianina ny apostoly Petera hoe: “Aoka ianareo hisaina tsara sy hiambina, satria ny Devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona, mitady olona harapaka.” (1 Pet. 5:8) Niambina foana i Jesosy, tamin’izy tetỳ an-tany, mba tsy ho voataonan’i Satana hivadika. (Mat. 4:1-11) Ohatra tsara ho an’ny mpanara-dia azy izy!

13 Ho afaka hiambina isika, raha mandray ny fanampiana omen’i Jehovah mba hiarovana antsika. Tsy tokony hataontsika an-tsirambina ny fianarana ny Teniny sy ny fanatrehana ny fivoriana kristianina. (Lioka 4:4; Heb. 10:24, 25) Toa an’ireo bitrom-bato izay miara-monina, dia tokony hifanerasera akaiky amin’ireo Kristianina namantsika isika. “Hisy fifampaherezana” eo amintsika amin’izay. (Rom. 1:12) Raha manaiky harovan’i Jehovah amin’izany fomba izany isika, dia hiombon-kevitra amin’i Davida mpanao salamo, izay nilaza hoe: “I Jehovah no harambatoko sy fiarovana mafy ho ahy ary Mpanafaka ahy. Andriamanitro no vatolampiko. Hialoka aminy aho.”—Sal. 18:2.

Fiaretana fanenjehana

14. Na dia mety tsy hahataitra aza ny valala iray, inona no azo lazaina momba ny andiam-balala?

14 Afaka miana-javatra avy amin’ny valala koa isika. Mety tsy dia hahataitra loatra ny mahita valala iray, izay mirefy dimy santimetatra eo ho eo monja. Mampihorohoro anefa ny mahita andiam-balala. (Vakio ny Ohabolana 30:27.) Mirangorango izy ireny sady be fikirizana, ka vetivety dia ataony mangadihady ny tanimboly efa hojinjaina. Ampitovin’ny Baiboly amin’ny firodorodon’ny kalesy sy ny firefodrefotry ny lelafo mandevona vodivary, ny feon’ny andiam-bibikely mananontanona, anisan’izany ny valala. (Joela 2:3, 5) Mandrehitra afo ny olona mba hisakanana ny fanafihan’ny andiam-balala. Tsy mahomby anefa izany matetika. Nahoana? Mamono an’ilay afo ny fatin’ireo valala may, ary manohy ny diany ihany ny valala hafa. Tsy manana mpanjaka na mpitarika ny andiam-balala. Toy ny tafika voalamina tsara anefa izy ireo, ka afaka mandresy vato misakana maro. *Joela 2:25.

15, 16. Nahoana ny mpitory ilay Fanjakana ankehitriny no mitovy amin’ny andiam-balala?

15 Noharin’i Joela mpaminany tamin’ny fanafihan’ny valala ny asan’ny mpanompon’i Jehovah. Hoy izy: “Mihazakazaka toy ny lehilahy mahery izy ireo, ary mianika manda toy ny lehilahy mpiady. Samy mandeha amin’izay hitsiny izy, ka tsy manova ny lalany. Tsy mifanosika izy ireo, sady miroso hatrany toy ny lehilahy tomady mandeha eny amin’ny lalany. Ary raha misy lavo aza noho ireo zana-tsipìka misidintsidina, dia tsy mijanona ny hafa fa manohy ny diany.”—Joela 2:7, 8.

16 Toy izany voalazan’ny faminaniana izany tokoa ireo mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra ankehitriny! Tsy misy “manda” na fanoherana afaka mampitsahatra ny fitorian’izy ireo. Manahaka an’i Jesosy izy ireo. Nanao ny sitrapon’Andriamanitra hatrany izy, na dia natao tsinontsinona aza. (Isaia 53:3) Marina aloha fa nisy Kristianina ‘lavo noho ny zana-tsipìka misidintsidina’, izany hoe novonoina ho faty noho ny finoany. Tsy mitsahatra anefa ny asa fitoriana, ary mitombo hatrany ny isan’ny mpitory. Ny fanenjehana aza matetika no nahatonga ny vaovao tsara hiely, ka nanjary nandre ny hafatra momba ilay Fanjakana ny olona mbola tsy nandre izany. (Asa. 8:1, 4) Be fikirizana toy ny valala ve ianao ka manohy ny fanompoana, na dia manohitra sy tsy miraika aza ny olona?—Heb. 10:39.

“Mifikira amin’ny tsara”

17. Nahoana no mahavita mamikitra amin’ny faritra malama ny tongotry ny katsatsaka?

17 Toa tsy misy vokany eo amin’ny katsatsaka ny hery misinton’ny tany. (Vakio ny Ohabolana 30:28.) Gaga ny mpahay siansa satria mahay mitsoriaka amin’ny rindrina io biby madinika io, ary mahavita mandady amin’ny valindrihana malama mihitsy aza nefa tsy mianjera. Ahoana no ahavitany izany? Tsy hoe misy lakaoly akory ny tongony. Misy tsipika kely be dia be mivohitra, izay samy misy volo an’arivony, kosa ny rantsantanany sy ny rantsantongony. Mbola misy volo bitika kely tsy hita maso an-jatony koa anefa ny tsirairay amin’ireny volo ireny. Ny hery avy amin’ireo volo bitika kely ireo no mihazona an’ilay katsatsaka tsy hianjera, na dia eny amin’ny faritra malama aza! Mahavariana an’ireo manam-pahaizana ny katsatsaka, ka milaza izy ireo fa azo alaina tahaka ny tongotr’izy ireny mba hanamboarana lakaoly mafy be. *

18. Inona no hotandremantsika sy hataontsika, raha tiantsika ny ‘hifikitra amin’ny tsara’ foana?

18 Inona no ianarantsika avy amin’ny katsatsaka? Mampirisika toy izao ny Baiboly: “Ankahalao ny ratsy, mifikira amin’ny tsara.” (Rom. 12:9) Tena mitaona antsika hanao ratsy ny tontolon’i Satana, ka mety hahatonga antsika tsy hifikitra amin’ny toro lalan’Andriamanitra izany. Mety tsy haniry hanao ny tsara intsony, ohatra, isika rehefa mifanerasera amin’ny olona tsy manaraka ny lalàn’Andriamanitra, na any am-piasana izany, na any an-tsekoly, na amin’ny alalan’ny fialam-boly ratsy. Aza avela hitranga aminao izany! Mampitandrina ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Aza mihevi-tena ho hendry.” (Ohab. 3:7) Araho kosa ny torohevitra feno fahendrena nomen’i Mosesy ny vahoakan’Andriamanitra fahiny. Hoy izy: “I Jehovah Andriamanitrao no tokony hatahoranao, izy no hotompoinao, izy no hifikiranao.” (Deot. 10:20) Manahaka an’i Jesosy isika, raha mifikitra amin’i Jehovah. Hoy ny Baiboly momba an’i Jesosy: “Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny fandikan-dalàna.”—Heb. 1:9.

Lesona avy amin’ny zavaboary

19. a) Inona no toetran’i Jehovah hitanao eo amin’ny zavatra noforoniny? b) Inona no soa horaisintsika raha mampihatra ny torohevitra feno fahendrena avy amin’Andriamanitra isika?

19 Hitantsika teo fa ahitana taratra ny toetran’i Jehovah ny zavatra noforoniny, sady ianarantsika lesona sarobidy. Vao mainka isika hiaiky ny amin’ny fahendren’i Jehovah, arakaraka ny andinihantsika ny asany. Ho sambatra kokoa isika dieny izao ary ho voaro amin’ny hoavy, raha tsy mitsahatra mianatra momba ny fahendren’Andriamanitra. (Mpito. 7:12) Isika mihitsy no hahatsapa fa marina ny voalazan’ny Ohabolana 3:13, 18, manao hoe: “Sambatra ny olona mahita fahendrena, sy ny olona manana fahaiza-manavaka. Hazon’aina ho an’izay mitana azy izy, ary izay mifikitra aminy no atao hoe sambatra.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Azon’ny ankizy sy ny tanora atao ny mijery mialoha ireo gazety resahina eo amin’ny fanamarihana ambany pejy, ary miresaka ny hevitra hitany mandritra ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana.

^ feh. 8 Mba hahalalana misimisy kokoa momba ny vitsika mpanapaka ravinkazo, dia vakio Ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa 2009, pejy 31.

^ feh. 14 Mba hahalalana misimisy kokoa momba ny valala, dia vakio Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 1996, pejy 23.

^ feh. 17 Mba hahalalana misimisy kokoa momba ny katsatsaka, dia jereo ny Mifohaza! Aprily 2008, pejy 26.

Tadidinao Ve?

Inona no ianarantsika avy amin’ny

• vitsika?

• bitrom-bato?

• valala?

• katsatsaka?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 16]

Miasa mafy toy ny vitsika mpanapaka ravinkazo ve ianao?

[Sary, pejy 17]

Toa an’ireo bitrom-bato izay miara-monina, moa ve ianao mifanerasera akaiky amin’ireo Kristianina namanao?

[Sary, pejy 18]

Be fikirizana toy ny valala ny mpitory kristianina

[Sary, pejy 18]

Mifikitra amin’ny tsara ny Kristianina, toy ny katsatsaka mifikitra amin’ny toerana andehanany

[Sary nahazoan-dalana]

Stockbyte/Getty Images