Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nidera ny Anaran’i Jehovah i Joba

Nidera ny Anaran’i Jehovah i Joba

Nidera ny Anaran’i Jehovah i Joba

“Hisaorana hatrany anie ny anaran’i Jehovah!”—JOBA 1:21.

1. Iza no mety ho nanoratra ny bokin’i Joba, ary oviana?

EFAPOLO taona teo ho eo i Mosesy tamin’izy nandositra avy tany Ejipta, mba tsy hovonoin’i Farao. Nankany Midianina izy. (Asa. 7:23) Tany angamba izy no nandre ny fitsapana nahazo an’i Joba. Tsy lavitra teo mantsy i Oza, tany nisy an’io mpanompon’i Jehovah io. Mety ho mbola reny koa tatỳ aoriana ny fiainan’i Joba talohan’ny nahafatesany. Tonga teo akaikin’i Oza mantsy i Mosesy sy ny Israelita, rehefa hifarana ilay dian’izy ireo tany an-tany efitra. Milaza ny mpahay tantara jiosy fa i Mosesy no nanoratra ny bokin’i Joba, tsy ela taorian’ny nahafatesan’i Joba.

2. Nahoana no mampahery antsika ny bokin’i Joba?

2 Mampahery antsika io boky io. Nahoana? Voalohany, asongadina ao fa nisy zava-nitranga tany an-danitra, dia ilay adihevitra tena lehibe momba ny zon’Andriamanitra hitondra. Faharoa, mazava kokoa amintsika ny atao hoe tsy mivadika, ary fantatsika hoe nahoana no avelan’i Jehovah hijaly ny mpanompony indraindray. Fahatelo, resahina ao fa i Satana Devoly no fahavalon’i Jehovah lehibe indrindra sady fahavalontsika koa. Farany, hita ao fa vitan’ny olombelona tsy lavorary toa an’i Joba ny tsy mivadika amin’i Jehovah, na dia iharam-pitsapana mafy aza. Andeha isika hijery zava-nitranga sasany voalazan’io boky io.

Ny fitsapana nahazo an’i Joba

3. Olona nanao ahoana i Joba, ary nahoana izy no lasibatr’i Satana?

3 Nanan-karena i Joba sady mpanolo-tsaina nohajain’ny olona. Nikarakara tsara ny ankohonany koa izy, ary tia nanampy ny mahantra. Ny tena nampiavaka azy anefa, dia noho izy natahotra an’Andriamanitra. “Tsy nanan-tsiny izy, sady marina sy natahotra an’Andriamanitra ary nifady ny ratsy.” Izany no nahatonga azy ho lasibatr’i Satana Devoly. Tsy noho izy nanan-karena sy nohajain’ny olona, fa noho izy nahafoy tena ho an’Andriamanitra.—Joba 1:1; 29:7-16; 31:1.

4. Inona no atao hoe tsy mivadika?

4 Resahin’ny toko voalohany ao amin’ny bokin’i Joba, fa nivory teo anatrehan’i Jehovah tany an-danitra ny anjely. Mba tonga teo koa i Satana, ary niampanga an’i Joba. (Vakio ny Joba 1:6-11.) Niresaka momba ny fananan’i Joba izy, nefa tsy izay no tena nasongadiny. Nilaza kosa izy fa tsy nivadika i Joba, satria notahin’i Jehovah. Ny olona tsy mivadika dia olona manao ny marina, tsy manan-tsiny, tsy misy hokianina, ary mahafoy tena tanteraka ho an’i Jehovah.

5. Inona no nolazain’i Satana momba an’i Joba?

5 Nilaza i Satana fa fitiavan-tena no nanompoan’i Joba an’Andriamanitra. Tsy hivadika amin’i Jehovah, hono, i Joba raha mbola homeny valisoa sy harovany. Navelan’i Jehovah hihetraketraka tamin’io mpanompony io àry i Satana, mba hahitana na marina na tsia ilay fiampangana. Ren’i Joba avy eo, fa nisy nangalatra sy nandoro ny biby fiompiny. Nisy namono koa ny ankamaroan’ny mpanompony, ary maty ny zanany folo. Tao anatin’ny indray andro monja no nitrangan’izany rehetra izany. (Joba 1:13-19) Nivadika ve i Joba? Hoy izy taorian’ny fahoriana nanjo azy: “I Jehovah no nanome, ary i Jehovah no naka. Hisaorana hatrany anie ny anaran’i Jehovah!”—Joba 1:21.

6. a) Inona no nitranga tamin’ny fivoriana iray hafa tany an-danitra? b) Iza koa no nampangain’i Satana ankoatra an’i Joba?

6 Nisy fivoriana hafa tany an-danitra tatỳ aoriana. Niampanga an’i Joba indray i Satana, ka hoy izy: “Hoditra solon’ny hoditra, ary izay rehetra ananan’ny olona dia homeny hiarovana ny ainy. Fa ahinjiro kosa ny tananao, azafady, ary kasiho hatramin’ny taolany sy ny nofony, dia jereo raha tsy hanozona anao eo imasonao izy.” Mariho fa tsy i Joba irery intsony no nampangain’i Satana. Nilaza mantsy izy fa “izay rehetra ananan’ny olona dia homeny hiarovana ny ainy.” Nampangainy koa àry izay “olona” rehetra manompo an’i Jehovah. Navelan’Andriamanitra hasiany aretina mampanaintaina àry i Joba. (Joba 2:1-8) Tsy tapitra hatreo anefa ny fitsapana nahazo an’i Joba.

Inona no ianarantsika avy amin’i Joba?

7. Nahoana no tsy nampahery an’i Joba mihitsy na ny vadiny, na ireo mpamangy azy?

7 Tsy i Joba irery no ory tamin’ny voalohany. Tsy maintsy ory koa ny vadiny rehefa nahita fa fongotra ny fananan’izy ireo, maty ny zanany, ary narary mafy i Joba. Hoy àry izy tamin’i Joba: “Mbola tsy mivadika amin’Andriamanitra ihany ve ianao? Manozòna an’Andriamanitra, dia aoka ianao ho faty!” Nisy olona tonga avy eo, dia i Elifaza sy Bildada ary Zofara. Mody hoe hampionona an’i Joba no nahatongavany. Nilaza zavatra tsy marina anefa izy ireo, ka hita fa ‘mpampionona nandreraka.’ Nilaza, ohatra, i Bildada fa nanao ratsy, hono, ny zanak’i Joba, ka mendrika azy ireo ny ho faty. Nilaza an-kolaka koa i Elifaza fa sazy avy tamin’Andriamanitra ny nahazo an’i Joba. Niteny mihitsy aza izy fa toa tsy misy dikany amin’Andriamanitra akory ny olona tsy mivadika! (Joba 2:9, 11; 4:8; 8:4; 16:2; 22:2, 3) Nanampy trotraka ny fahorian’i Joba izany rehetra izany. Ekena fa diso izy, satria ‘nolazainy fa ny tenany no marina fa tsy Andriamanitra.’ (Joba 32:2) Tsy nivadika mihitsy anefa izy!

8. Inona no modely navelan’i Eliho ho antsika?

8 Tonga namangy an’i Joba koa i Eliho. Nihaino an’ilay adihevitra nifanaovan’i Joba sy ireo namany telo lahy aloha izy. I Eliho no zandriny indrindra teo, nefa izy no hendry kokoa. Nanaja an’i Joba izy ka nanonona ny anarany, fa tsy toy ireo telo lahy. Nidera an’i Joba i Eliho noho izy nanao ny marina. Nilaza koa anefa izy fa nitady hanamarin-tena loatra i Joba. Nanome toky an’i Joba izy avy eo, fa tsara fiafara foana ny olona tsy mivadika amin’Andriamanitra. (Vakio ny Joba 36:1, 11.) Nanam-paharetana i Eliho, nihaino tsara, nanao teny fiderana rehefa nilaina izany, ary nanome torohevitra mampahery. Tena modely ho antsika izy, rehefa mila manome torohevitra isika!—Joba 32:6; 33:32.

9. Ahoana no nanampian’i Jehovah an’i Joba?

9 Nisy zavatra tsy nampino nony farany. I Jehovah mihitsy no niresaka tamin’i Joba! Hoy ny Baiboly: “Namaly an’i Joba avy tao anatin’ny tafio-drivotra i Jehovah.” Nametraka fanontaniana mitohitohy izy mba hanitsiana ny hevi-dison’i Joba. Tsara fanahy izy nefa hentitra, rehefa nanao izany. Nanaiky ny fananarana nomena azy i Joba, ka hoy izy: ‘Tsinontsinona aho. Mibebaka eto amin’ny vovoka sy ny lavenona aho.’ Tezitra tamin’ireo telo lahy kosa i Jehovah, noho izy ireo tsy nilaza ny “marina.” Nila nivavaka ho azy ireo àry i Joba. “Natsahatr’i Jehovah ny fahorian’i Joba, rehefa nivavaka ho an’ireo namany izy. Ary nomen’i Jehovah avo roa heny noho izay nananany taloha koa izy.”—Joba 38:1; 40:4; 42:6-10.

Tena tia an’i Jehovah ve isika?

10. Nahoana no tsy noringanin’i Jehovah fotsiny ny Devoly, na navelany tamin’izao ilay fiampangany?

10 I Jehovah no Mpamorona sy Mpanjakan’izao rehetra izao. Nahoana àry raha noringaniny fotsiny ny Devoly, na navelany tamin’izao ilay fiampangany? Tsy nanao izany izy, satria fantany fa tsy handamina ilay adihevitra napoitran’i Satana izany. Nilaza mantsy i Satana fa hivadika i Joba, raha hesorina aminy ny harenany. Tsy izany anefa no nitranga. Nilaza indray i Satana avy eo fa hivadika daholo ny olona, raha toa ka ny tenan’izy ireo mihitsy no manaintaina. Nanaintaina tokoa i Joba, nefa tsy nivadika, na dia tsy lavorary aza. Voaporofo àry fa mpandainga i Satana. Tsy hivadika koa ve ny mpanompon’Andriamanitra hafa?

11. Ahoana no nanaporofoan’i Jesosy fa mpandainga i Satana?

11 Fahavalo tsy misy indrafo i Satana. Voaporofo anefa fa diso ny fiampangany, rehefa tsy mivadika isika tsirairay, na inona na inona ataony amintsika. Tonga teto an-tany i Jesosy, ary noporofoiny fa mpandainga i Satana. Lavorary toa an’i Adama razambentsika i Jesosy. Tsy nivadika mandra-pahafatiny izy, ka hita fa mpandainga i Satana, ary diso daholo ny fiampangany.—Apok. 12:10.

12. Inona no andraikitsika, ary azontsika tsirairay atao tsara?

12 Mbola mampijaly ny mpanompon’i Jehovah foana anefa i Satana, mba hitsapana azy ireo. Samy afaka manaporofo àry isika tsirairay, fa tsy noho ny fitiavan-tena no anompoantsika an’i Jehovah, fa noho isika tia azy. Andraikitsika ny manaporofo izany. Ahoana no fiheverantsika an’io andraikitra io? Raisintsika ho voninahitra lehibe ny hoe tsy mivadika amin’i Jehovah. Mampahery antsika koa ny mahafantatra fa omeny hery hiaretana isika, ary tsy avelany hiharam-pitsapana mihoatra noho izay zakantsika, toy ny nataony tamin’i Joba.—1 Kor. 10:13.

Sahisahy ratsy sady mpivadi-pinoana

13. Inona no resahin’ny bokin’i Joba momba an’i Satana?

13 Resahina ao amin’ny Soratra Hebreo fa sahisahy ratsy i Satana, tamin’izy nikomy tamin’i Jehovah sy nitarika ny olona hivadika. Mbola misy fanazavana hafa ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Hitantsika ao amin’ny Apokalypsy, ohatra, fa hanamarina ny zony hitondra i Jehovah tsy ho ela, ary handringana an’i Satana. Ny bokin’i Joba anefa no tena miresaka betsaka momba ny fikomian’i Satana. Tsy nieritreritra ny hidera an’i Jehovah i Satana, tamin’izy nanatrika an’ireo fivoriana tany an-danitra. Tena ratsy saina izy. Tonga teo fotsiny izy mba hiampanga an’i Joba. Vao avy nahazo alalana hampijaly azy izy, dia “niala teo anatrehan’i Jehovah.”—Joba 1:12; 2:7.

14. Tena nankahala an’i Joba i Satana. Hazavao.

14 Hita ao amin’ny bokin’i Joba àry fa fahavalon’ny olombelona i Satana, ary tsy misy indrafo izy. Nampahoriny mafy i Joba taorian’ilay fivoriana tany an-danitra, voalazan’ny Joba 1:6, ka hatramin’ilay fivoriana hafa resahin’ny Joba 2:1. Tsy fantatra ny faharetan’io fotoana io. Tsy nivadika mihitsy anefa i Joba, ka afaka nilaza tamin’i Satana i Jehovah hoe: “Mbola tsy mivadika ihany izy, na dia mandrisika ahy hamongotra azy tsy amin’antony aza ianao.” Mbola tsy nety nanaiky ho diso anefa i Satana. Vao mainka kosa izy nangataka mba hatao mafy kokoa ilay fitsapana. Tsy tamin’i Joba mbola nanan-karem-be ihany àry no nampijaly azy ny Devoly, fa na dia tamin’izy efa nahantra faraidiny aza. Hita fa tsy mangoraka ny mahantra sy ny olona iharan-doza i Satana. Halany daholo izay olona tsy mivadika. (Joba 2:3-5) Tsy nivadika anefa i Joba, ka hita fa mpandainga i Satana.

15. Inona no mampitovy an’i Satana sy ny mpivadi-pinoana hafa?

15 I Satana no zavaboary voalohany nivadi-pinoana. Mitovitovy amin’ny ataony ihany no ataon’ny mpivadi-pinoana hafa. Ratsy saina izy ireo, ka tia manakiana ny mpiara-manompo, na ny anti-panahy, na ny Filan-kevi-pitantanana. Tsy mety mampiasa ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah koa ny sasany. Tsy tiany ny mianatra momba an’i Jehovah na manompo azy. Manahaka an’i Satana rainy izy ireo, ka ny olona tsy mivadika no tena kendreny. (Jaona 8:44) Tsy mahagaga raha tsy mifandray amin’ny mpivadi-pinoana mihitsy isika!—2 Jaona 10, 11.

Nidera ny anaran’i Jehovah i Joba

16. Nanao ahoana ny fihetsik’i Joba tamin’i Jehovah?

16 Nampiasa sy nidera ny anaran’i Jehovah i Joba. Tsy nanome tsiny azy mihitsy izy, na dia nalahelo be aza rehefa nahare hoe maty ny zanany. Marina fa nihevitra i Joba hoe avy tamin’Andriamanitra ny fahoriana nahazo azy. Nidera ny anarany foana anefa izy. Hoy i Joba tatỳ aoriana: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fahendrena, ary ny fialana amin’ny ratsy no fahiratan-tsaina.”—Joba 28:28.

17. Inona no nanampy an’i Joba tsy hivadika mihitsy?

17 Inona no nanampy an’i Joba tsy hivadika mihitsy? Hita fa efa nifandray tsara tamin’i Jehovah izy, talohan’ny loza nanjo azy. Tsy haintsika raha fantany na tsia, ilay adihevitra napoitran’i Satana. Tapa-kevitra ny tsy hivadika mihitsy anefa i Joba, ka niteny hoe: “Tsy hanaiky hivadika mihitsy aho, mandra-pahatapitry ny aiko.” (Joba 27:5) Ahoana no nahatonga azy hifandray tsara tamin’i Jehovah? Fantany ny zavatra nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, izay havany lavitra. Azo inoana fa nahafaly azy izany. Nandinika ny zavaboary koa i Joba, ka lasa nisy toetran’i Jehovah fantany.—Vakio ny Joba 12:7-9, 13, 16.

18. a) Inona no nataon’i Joba mba hampisehoana fa tsy nivadika izy? b) Ahoana no hanahafantsika azy?

18 Naniry hampifaly an’i Jehovah àry i Joba. Nanolotra fanatitra tsy tapaka, ohatra, izy satria natahotra sao “nanozona an’Andriamanitra tao am-pony” ny fianakaviany, na nanao zava-dratsy hafa. (Joba 1:5) Nilaza zavatra tsara momba an’i Jehovah foana izy, na dia niharam-pitsapana mafy aza. (Joba 10:12) Modely ho antsika tokoa izy! Tsy maintsy mianatra ny marina momba an’i Jehovah sy ny fikasany koa isika. Ataontsika foana izay hifandraisana tsara aminy, ka mianatra ny Baiboly isika, mivory, mivavaka, ary mitory ny vaovao tsara. Ataontsika tsy tapaka ireo. Manao izay fara herintsika koa isika, mba hampahafantarana ny anarany. Faly i Jehovah satria tsy nivadika i Joba. Faly koa ny fony rehefa tsy mivadika isika. Izany no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

Tadidinao Ve?

• Nahoana i Joba no lasibatr’i Satana Devoly?

• Inona no fitsapana niaretan’i Joba, ary inona no nataony?

• Inona no hanampy antsika tsy hivadika mihitsy, toa an’i Joba?

• Inona no resahin’ny bokin’i Joba momba an’i Satana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 4]

Hita ao amin’ny bokin’i Joba ilay adihevitra lehibe momba ny zon’Andriamanitra hitondra

[Sary, pejy 6]

Inona no mety hataon’i Satana mba hahatonga anao hivadika?