Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tianao ve ny namaky an’ireo Tilikambo Fiambenana faramparany? Jereo àry raha hainao ny mamaly ireto fanontaniana ireto:

• Nahoana no tsy tokony hivadika isika Kristianina?

Asehontsika fa tia an’i Jehovah sy manohana ny zony hitondra isika, rehefa tsy mivadika, ary ho voaporofo fa mpandainga i Satana. Ny tsy fivadihantsika koa no itsaran’Andriamanitra antsika, ary miankina amin’izany ny hoavintsika.—15/12, pejy 4-6.

• Inona avy ireo anaram-boninahitra manasongadina ny anjara asa miavaka tanan’i Jesosy?

Ilay Zanaka lahitokana. Ny Teny. Ny Amena. Ilay Mpanelanelana amin’ny fifanekena vaovao. Mpisoronabe. Ilay Taranaka nampanantenaina.—15/12, pejy 15.

• Nahoana no nasain’i Elia nitazana tany an-dranomasina ny mpanompony, tamin’izy nivavaka mba hisian’ny orana? (1 Mpanj. 18:43-45)

Fantatr’i Elia hoe avy aiza ny orana ary mankaiza. Fantany fa miforona eny ambonin’ny ranomasina ny rahona, ary mikisaka manketỳ an-tanety, ka lasa orana.—1/1, pejy 15-16.

• Ahoana no hahitana fifaliana kokoa eny amin’ny fanompoana?

Omano ny fonao, ary tadidio fa tena afaka manampy olona ianao. Ataovy tanjona ny hanomboka fampianarana Baiboly rehefa mitory. Raha tsy miraika ny olona eny amin’ny faritany, dia zavatra mahaliana azy anombohana ny resaka.—15/1, pejy 8-10.

• Mitovy amin’ny habokana fahita ankehitriny ve ilay habokana resahin’ny Baiboly?

Efa nisy tamin’ny andron’ny Baiboly ny habokana, izay aretina azo avy amin’ny bakteria. (Lev. 13:4, 5) Miresaka momba ny habokana amin’ny akanjo sy ny trano koa ny Baiboly. Misy milaza fa karazana bobongolo io “habokana” io. (Lev. 13:47-52)—1/2, pejy 19.

Manaraka ny tari-dalan’ny Baiboly ny Kristianina. Inona àry no tokony hataony rehefa misy fandevenana?

Malahelo ny Kristianina rehefa misy havany nodimandry. Fantany anefa fa tsy mahalala na inona na inona ny maty. Ny olona tsy Vavolombelona kosa mino fa mbola manan-kery eo amin’ny velona ny maty. Tsy manao fombafomba mifandray amin’izany finoana izany ny Kristianina, na dia misy manakiana aza. Mba hisorohana olana, dia manoratra toromarika momba ny tokony handevenana azy ny Kristianina sasany.—15/2, pejy 29-31.

• Araka ny Salamo 1:1, inona avy ireo zavatra telo tsy maintsy halavirina raha te ho sambatra isika?

Tokony hohalavirina ny “torohevitry ny ratsy fanahy”, ny “lalan’ny mpanota”, ary ny toerana “ipetrahan’ny mpaneso.” Raha te ho sambatra isika, dia tsy tokony hiaraka amin’ny mpaneso, na ireo manambany sy tsy miraharaha ny lalàn’Andriamanitra. Tokony ho finaritra amin’ny lalàn’i Jehovah kosa isika.—1/3, pejy 17.

• Boky tao amin’ny Baiboly ve ny “bokin’i Jasara” sy ny “bokin’ny Adin’i Jehovah”, saingy very? (Josoa 10:13; Nom. 21:14)

Tsia. Toa tsy avy amin’ny fanahy masina izy ireo, fa boky nisy tamin’ny andron’ny Baiboly fotsiny, ka noresahin’ireo mpanoratra Baiboly.—15/3, pejy 32.

• Inona no fanovana lehibe natao tao amin’ny Baiboly fandikan-teny latinina, natonta vao haingana?

Neken’ny Papa Jean-Paul II ny hanontana ny Baiboly Nova Vulgata, fandikan-teny vaovao amin’ny teny latinina, tamin’ny 1979. Hita tao amin’ny fanontana voalohany ny anaran’Andriamanitra hoe Iaveh. (Eks. 3:15; 6:3) Novana hoe Dominus (na Tompo) anefa ilay hoe Iaveh, tao amin’ny fanontana faharoa navoaka tamin’ny 1986.—1/4, pejy 22.