Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aiza no Tokony Hisy Anao Rehefa ho Tonga ny Farany?

Aiza no Tokony Hisy Anao Rehefa ho Tonga ny Farany?

Aiza no Tokony Hisy Anao Rehefa ho Tonga ny Farany?

HANAO ahoana ny olo-mahitsy rehefa hofaranan’i Jehovah amin’ny Hara-magedona ity tontolo ratsy ity? Hoy ny Ohabolana 2:21, 22: “Ny olo-mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa tavela eo. Fa ny ratsy fanahy kosa ho ringana tsy ho amin’ny tany, ary ny mpivadika hesorina tsy ho amin’ny tany.”

Ahoana anefa no hahatonga ny tsy manan-tsiny ho tavela eto an-tany? Hisy toerana hiarovana azy ireo ve? Aiza no tokony hisy ny olo-mahitsy rehefa ho tonga ny farany? Misy tantara efatra manazava an’izany rehetra izany ao amin’ny Baiboly.

Zava-dehibe ny toerana nisy azy ireo

Hoy ny 2 Petera 2:5-7, momba ny namonjena an’i Noa sy Lota: ‘Tsy niahotra Andriamanitra nanasazy an’ilay tontolo fahiny, fa niaro kosa an’i Noa, mpitory ny fahamarinana, sy ireo fito hafa, fony izy nahatonga safodrano teo amin’ny tontolon’ny olona tsy natahotra an’Andriamanitra. Nomelohin’Andriamanitra ny tanànan’i Sodoma sy Gomora rehefa nataony lasa lavenona, ka nataony ho ohatra ho an’ny olona tsy matahotra an’Andriamanitra, raha ny amin’izay hitranga amin’ny hoavy. Nafahany koa i Lota olo-marina, izay ory dia ory rehefa nahita an’ireo mpandika lalàna nanaram-po tamin’ny fitondran-tena baranahiny.’

Ahoana no nahatafavoaka velona an’i Noa tamin’ilay Safodrano? Hoy Andriamanitra taminy: “Efa eto anatrehako ny faran’ny nofo rehetra, satria feno herisetra ny tany noho ny ataon’izy ireo. Koa haringako izy ireo, ary hosimbako koa ny tany. Manaova àry sambofiara ho anao amin’ny hazo misy ditiny.” (Gen. 6:13, 14) Nankatò an’i Jehovah i Noa ka nanamboatra sambofiara. Nasain’i Jehovah nampidiriny tao anatin’izy io ny biby, fito andro talohan’ilay Safodrano. Nasainy niditra tao koa izy mianakavy. Nohidian’i Jehovah ny varavarana tamin’ny andro fahafito, “ary naharitra efapolo andro sy efapolo alina ny oram-be nivatravatra tamin’ny tany.” (Gen. 7:1-4, 11, 12, 16) “Tafita soa aman-tsara avy tamin’ny rano” ry Noa mianakavy. (1 Pet. 3:20) Raha tsy tao anatin’ilay sambofiara izy ireo dia maty. Tao ihany no toerana azo antoka tamin’izay.—Gen. 7:19, 20.

Somary hafa kosa ny toromarika azon’i Lota. Nisy anjely roa nilaza taminy ny toerana tsy tokony hisy azy. Hoy izy ireo: ‘Ento miala eto izay rehetra anao eto amin’ity tanànan’i Sodoma ity! Fa handrava ity toerana ity izahay.’ Tokony ‘handositra any amin’ny faritra be tendrombohitra’ i Lota sy ny fianakaviany.—Gen. 19:12, 13, 17.

Porofoin’ny tantaran’i Noa sy Lota àry fa “hain’i Jehovah afahana amin’ny fitsapana ny olona mahafoy tena ho [azy]. Hainy koa anefa ny mitahiry ny olona tsy marina ho amin’ny andro fitsarana.” (2 Pet. 2:9) Zava-dehibe ny toerana nisy an’i Noa sy Lota. Tsy maintsy niditra tao amin’ilay sambofiara i Noa, ary tsy maintsy nivoaka avy tao Sodoma kosa i Lota. Toy izany foana ve ny fomba famonjen’i Jehovah? Sa hainy koa ny mamonjy ny olo-marina, na aiza na aiza misy azy ireo fa tsy mila mifindra toerana? Mamaly izany ireto tantara roa ireto.

Zava-dehibe foana ve ny toerana?

Tamin’ny andron’i Mosesy, dia nasain’i Jehovah nasian’ny Israelita ran’ny zanak’ondrin’ny Paska ny tolàna sy ny tataom-baravaran’izy ireo, alohan’ny hamelezany an’i Ejipta tamin’ilay loza fahafolo. ‘Holalovan’i Jehovah fotsiny’ amin’izay ‘ilay varavarana, ka tsy havelany hiditra ao an-trano hamely [ny Israelita] ny mpandringana, rehefa handalo i Jehovah mba hamely ny Ejipsianina, ka hitany ny ra eo amin’ny tataom-baravarana sy ny tolàna roa.’ Tamin’io alina io, dia “naripak’i Jehovah ny lahimatoa rehetra tao Ejipta, hatramin’ny lahimatoan’i Farao, izay nipetraka teo amin’ny seza fiandrianana, ka hatramin’ny lahimatoan’ny babo tao amin’ny lavaka figadrana, ary ny voalohan-teraka rehetra tamin’ny biby.” Tsy nila nifindra toerana ny Israelita dia avotra ny lahimatoany.—Eks. 12:22, 23, 29.

Eritrereto koa ny tantaran-dRahaba, mpivaro-tena tao Jeriko. Vao haka ny Tany Nampanantenaina ny Israelita tamin’izay. Rehefa tsinjon-dRahaba fa ho resy i Jeriko, dia nilazany ireo mpitsikilo roa fa efa kivy noho ny tahotra azy ireo ny mponin’ilay tanàna. Nafeniny ireo mpitsikilo, ary nasainy nianiana taminy fa hotsimbinina ny ain’izy mianakavy rehefa ho resy i Jeriko. Nasain’ireo mpitsikilo novorin-dRahaba tao an-tranony ny fianakaviany. Teo amin’ny mandan’ny tanàna no nisy ilay trano. Ho ringana miaraka amin’ilay tanàna manontolo izay olona miala ao amin’ilay trano. (Josoa 2:8-13, 15, 18, 19) Niteny tamin’i Josoa anefa i Jehovah avy eo, fa “hirodana ny mandan’ny tanàna.” (Josoa 6:5) Toa lasa nampidi-doza àry izao ilay toerana nolazain’ireo mpitsikilo fa azo antoka. Ahoana no hamonjena an-dRahaba mianakavy?

Nitsoka anjombona ny mpisorona ary nihorakoraka ny vahoaka, rehefa tonga ny fotoana hamaboany an’i Jeriko. Hoy ny Josoa 6:20: “Raha vao ren’izy ireo ny feon’ny anjombona, dia nihorakoraka mafy nanao hiakan’ady izy ireo, ka nirodana ny manda.” Nianjera tsikelikely ilay manda ary tsy nisy nahasakana izany. Nahagaga anefa fa tsy nitohy ilay izy rehefa teo amin’ny tranon-dRahaba. Hoy i Josoa tamin’ireo mpitsikilo roa: “Mankanesa ao an-tranon’ilay vehivavy mpivaro-tena, ka ento mivoaka izy sy izay rehetra azy, araka izay efa nianiananareo taminy.” (Josoa 6:22) Avotra daholo izay tao an-tranon-dRahaba.

Inona no zava-dehibe indrindra?

Inona no ianarantsika avy amin’ny fomba namonjena an’i Noa, Lota, ny Israelita tamin’ny andron’i Mosesy, ary Rahaba? Ahoana no hahalalantsika hoe aiza no tokony hisy antsika, rehefa hofaranana ity tontolo ratsy ity?

Marina fa voavonjy i Noa satria tao anatin’ilay sambofiara. Nahoana anefa izy no tao? Satria nanam-pinoana izy sady nankatò. Hoy ny Baiboly: “Nanao araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy i Noa. Izany indrindra no nataony.” (Gen. 6:22; Heb. 11:7) Manao izay rehetra andidian’Andriamanitra antsika koa ve isika? “Mpitory ny fahamarinana” koa i Noa. (2 Pet. 2:5) Mazoto mitory toa an’i Noa ve isika, na dia misy tsy mandray aza ao amin’ny faritanintsika?

Tsy maty i Lota satria nitsoaka avy tao Sodoma. Voatsimbina ny ainy noho izy olo-marina. Ory dia ory izy nahita ny fitondran-tena baranahin’ireo mpandika lalàna tao Sodoma sy Gomora. Manjaka koa ankehitriny ny fitondran-tena baranahiny. Ory dia ory ve isika mahita izany, sa efa zatra loatra ka tsy mampaninona antsika intsony ilay izy? Miezaka mafy ve isika mba ho hita fa “tsy misy pentina sy tsy misy tsiny ary ao amin’ny fihavanana”?—2 Pet. 3:14.

Nila nijanona tao an-tranony ireo Israelita tany Ejipta, mba ho voavonjy. Toy izany koa i Rahaba tao Jeriko. Nila finoana sy fankatoavana izy ireo. (Heb. 11:28, 30, 31) Alao sary an-tsaina ireo fianakaviana israelita nibanjina ny lahimatoany, rehefa nanomboka nandre ny “fidradradradrana mafy” tao amin’ireo tokantrano ejipsianina. (Eks. 12:30) Alao sary an-tsaina koa i Rahaba sy ny havany nitebiteby niandry izay hitranga, rehefa tsapany fa nirodana tsikelikely ny mandan’i Jeriko, ary toa efa hianjera koa ny tranony. Nila finoana matanjaka izy ireo mba hankatoavana sy hijanonana tao amin’ilay trano.

Tsy ho ela dia hamarana ny tontolon’i Satana i Jehovah amin’ilay ‘andro fahatezerany.’ (Zef. 2:3) Ahoana no hiarovany ny vahoakany amin’izay? Mbola tsy fantatsika izany. Azo antoka anefa fa ho tafavoaka velona isika, raha mino sy mankatò an’i Jehovah. Tsy mampaninona izay toerana sy toe-javatra hisy antsika amin’izay. Tsara anefa aloha ny hananantsika fomba fijery mety mikasika an’ilay ‘efitrano anatiny’ resahin’i Isaia.

‘Midira ao amin’ny efitranonao anatiny’

Hoy ny Isaia 26:20: “Mandehana miditra ao amin’ny efitranonao anatiny, ry oloko, ka hidio ny varavarana. Miafena kely vetivety, mandra-pahalasan’ny fanamelohana.” Tanteraka voalohany tamin’ny 539 T.K. angamba io faminaniana io, rehefa nandresy an’i Babylona ny Medianina sy Persianina. Rehefa hiditra an’i Babylona i Kyrosy Persianina, dia toa nandidy ny rehetra hijanona tao an-tranony satria nasainy novonoin’ny miaramila izay olona hita teny ivelany.

Inona ankehitriny no mety hifanitsy amin’ireo ‘efitrano anatiny’? Azo lazaina hoe ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah 100 000 mahery maneran-tany izy ireo. Tena ilaintsika ireny fiangonana ireny, ary mbola hilaintsika mandritra “ny fahoriana lehibe.” (Apok. 7:14) Asaina miditra ao amin’ny ‘efitranony anatiny’ ny vahoakan’Andriamanitra, ary hiafina ao “mandra-pahalasan’ny fanamelohana.” Tena ilaina foana àry ny manana fomba fijery mety mikasika ny fiangonana. Tokony ho vonona hiara-miasa akaiky amin’izy io foana koa isika. Araho àry ilay fampirisihan’i Paoly hoe: “Aoka koa isika hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, toy ny sasany izay efa zatra tsy mivory, fa hifampahery kosa, indrindra fa hitan[tsika] hoe manakaiky ny andro.”—Heb. 10:24, 25.

[Sary, pejy 7]

Inona no ianarantsika avy amin’ny famonjena nataon’Andriamanitra fahiny?

[Sary, pejy 8]

Inona ankehitriny no mety hifanitsy amin’ireo ‘efitrano anatiny’?