Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Isika no Tokony Hanara-dia An’i “Kristy”?

Nahoana Isika no Tokony Hanara-dia An’i “Kristy”?

Nahoana Isika no Tokony Hanara-dia An’i “Kristy”?

“Raha misy te hanaraka ahy, aoka izy handa ny tenany ... ary hanaraka ahy mandrakariva.”—LIOKA 9:23.

1, 2. Nahoana no zava-dehibe ny handinihantsika ny antony tokony hanarahana ny dian’i “Kristy”?

FALY tokoa i Jehovah mahita anareo ankizy sy tanora ary vaovao, miaraka amin’ireo mpivavaka aminy eto an-tany! Tohizo hatrany ny fianaranareo Baiboly sy ny fanatrehana fivoriana, ary ampitomboy hatrany ny fahalalana ny fahamarinana mahavonjy, ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Etsy an-danin’izany, dia raiso am-po ity fanasan’i Jesosy ity: “Raha misy te hanaraka ahy, aoka izy handa ny tenany ka hitondra ny hazo fijaliany isan’andro ary hanaraka ahy mandrakariva.” (Lioka 9:23) Milaza i Jesosy eo fa tokony handa tena sy ho tonga mpanara-dia azy ianareo. Mila dinihintsika àry hoe nahoana isika no tokony hanara-dia an’i “Kristy.”—Mat. 16:13-16.

2 Ahoana kosa ny amintsika efa mpanara-dia an’i Jesosy Kristy? Hoy ny apostoly Paoly: “Tohizo hatrany izany ary ataovy bebe kokoa aza.” (1 Tes. 4:1, 2) Mila mieritreritra ny antony anarahantsika ny dian’i Kristy isika, na vao haingana no tao amin’ny fahamarinana na efa ela. Hanampy antsika hanara-dia an’i Kristy bebe kokoa hatrany izany. Andeha àry isika handinika antony dimy tokony hanarahana ny diany.

Mba ho akaiky kokoa an’i Jehovah

3. Inona no fomba roa ahafantarantsika an’i Jehovah?

3 Hoy ny apostoly Paoly rehefa niresaka tamin’ireo Atenianina, “teo afovoan’ny Areopago”: “Efa nisy fotoana voatondron[’Andriamanitra] sy faritra noferany honenan’ny olona, mba hitadiavan’ireo azy raha mitsapatsapa mitady azy izy ireo ka tena hahita azy tokoa. Raha ny marina anefa, dia tsy lavitra antsika tsirairay izy.” (Asa. 17:22, 26, 27) Afaka mitady an’Andriamanitra sy tena hahafantatra azy isika. Mianatra zavatra be dia be momba ny toetrany sy ny fahaizany, ohatra, isika, rehefa mandinika ny zavatra noforoniny, ary misaintsaina sy mankasitraka azy ireny. (Rom. 1:20) Mampahafantatra bebe kokoa momba ny tenany koa i Jehovah ao amin’ny Teniny, dia ny Baiboly. (2 Tim. 3:16, 17) Arakaraka ny ‘hisaintsainantsika ny asany’ sy ‘hieritreretantsika lalina ny zavatra nataony’ no hahalalantsika azy bebe kokoa.—Sal. 77:12.

4. Nahoana isika no lasa akaiky kokoa an’i Jehovah rehefa manara-dia an’i Kristy?

4 Vao mainka isika ho akaiky kokoa an’i Jehovah raha manara-dia an’i Kristy. Eritrereto fotsiny ny voninahitra nananan’i Jesosy teo anilan’ny Rainy, “fony mbola tsy nisy izao tontolo izao”! (Jaona 17:5) Izy “ilay fiandohan’ny zavatra noforonin’Andriamanitra.” (Apok. 3:14) “Lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra” izy, ka niaraka tamin’i Jehovah Rainy tany an-danitra nandritra ny taona maro tsy hita isa. Tsy hoe niaraka tamin’ny Rainy fotsiny anefa izy. Naman’Andriamanitra akaiky indrindra izy ary faly niara-niasa taminy. Mbola tsy nisy nifankatia toa azy ireo. Nandinika ny fomba fanaovan’ny Rainy zavatra i Jesosy, ka nahamarika ny fihetseham-pony sy ny toetrany. Tsy izay ihany anefa fa nianarany sy nalainy tahaka izany rehetra izany. Lasa toa an-dRainy mihitsy io Zanaka nankatò io. Izany no antony ilazan’ny Baiboly fa “endrik’ilay Andriamanitra tsy hita maso” izy. (Kol. 1:15) Ho lasa akaiky kokoa an’i Jehovah isika, raha manaraka akaiky ny dian’i Kristy.

Mba hanahafana an’i Jehovah bebe kokoa

5. Inona no hanampy antsika hanahaka an’i Jehovah bebe kokoa, ary nahoana?

5 Noforonina ‘araka ny endrik’Andriamanitra’ isika, sady “misy itovizana” aminy, ka afaka manahaka azy. (Gen. 1:26) Nampirisika ny Kristianina ny apostoly Paoly mba ‘hanahaka an’Andriamanitra, amin’ny maha zanaka malala.’ (Efes. 5:1) Manampy antsika hanahaka an’ilay Raintsika any an-danitra ny fanarahana ny dian’i Kristy. Nahoana? Satria tena nanahaka ny fomba fisainan’Andriamanitra sy ny fomba fanaovany zavatra izy, ary tsy nisy nampianatra tsara kokoa momba an’Andriamanitra raha ampitahaina aminy. Tsy vitan’ny hoe nampahafantatra ny anaran’i Jehovah izy tetỳ an-tany, fa nampiseho ny maha izy an’Andriamanitra koa. (Vakio ny Matio 11:27.) Nanao izany tamin’ny teny sy atao izy, izany hoe tamin’ny alalan’ny fampianarany sy ny modely nomeny.

6. Inona no fantatsika momba an’i Jehovah avy amin’ny fampianaran’i Jesosy?

6 Fantatsika avy amin’ny fampianaran’i Jesosy ny zavatra takin’Andriamanitra sy ny fihetseham-pony amin’ny mpivavaka aminy. (Mat. 22:36-40; Lioka 12:6, 7; 15:4-7) Nanonona didy iray tao amin’ny Didy Folo, ohatra, izy, dia ilay hoe: “Aza manitsakitsa-bady.” Nohazavainy avy eo ny fiheveran’Andriamanitra ny eritreri-dratsy ao am-po, na dia mbola tsy tena manitsakitsa-bady aza ny olona iray. Hoy izy: “Izay rehetra tsy mitsahatra mijery vehivavy ka maniry hanao firaisana aminy, dia efa nanitsakitsa-bady tao am-pony sahady.” (Eks. 20:14; Mat. 5:27, 28) Nisy an’izao didy izao koa tao amin’ny Lalàna: “Tiavo ny namanao ary ankahalao ny fahavalonao.” Nanana ny heviny manokana momba izany ny Fariseo. Nampahafantatra ny hevitr’i Jehovah anefa i Jesosy. Hoy izy: “Tiavo foana ny fahavalonareo, ary mivavaha foana ho an’izay manenjika anareo.” (Mat. 5:43, 44; Eks. 23:4; Lev. 19:18) Manampy antsika hanahaka an’Andriamanitra bebe kokoa ny fahalalana ny fomba fisainany sy ny fihetseham-pony ary ny zavatra takiny.

7, 8. Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah avy amin’ny modely nomen’i Jesosy?

7 Nampiseho ny maha izy ny Rainy koa i Jesosy, tamin’ny alalan’ny modely nomeny. Hitantsika ao amin’ny Filazantsara fa nangoraka ny mahantra i Jesosy, niombom-pihetseham-po tamin’ireo nijaly, ary tezitra tamin’ny mpianany izay nibedy ireo zaza. Tsy hitantsika avy amin’izany ve ny fihetseham-pon’ny Rainy? (Mar. 1:40-42; 10:13, 14; Jaona 11:32-35) Diniho ny zavatra nataon’i Jesosy, izay ahitana taratr’ireo toetra lehiben’Andriamanitra. Tsy mampiseho ny hery lehibe nananany ve ireo fahagagana nataony? Tsy nampiasainy mba hahazoana tombony anefa izany, na mba hanisiana ratsy ny hafa. (Lioka 4:1-4) Tena tia rariny koa izy satria noroahiny ireo mpivarotra tia vola tao amin’ny tempoly! (Mar. 11:15-17; Jaona 2:13-16) Nanohina ny fon’ny olona ny fampianarany sy ny teny mahafinaritra nampiasainy, ka hita amin’izany fa lehibe noho ny an’i Solomona ny fahendreny. (Mat. 12:42) Nanome ny ainy mba hamonjena ny hafa koa izy. Tena “tsy misy manana fitiavana lehibe noho” izany!—Jaona 15:13.

8 Nanahaka tanteraka an’i Jehovah ilay Zanany tamin’izay rehetra nolazainy sy nataony, ka afaka nilaza hoe: “Izay nahita ahy dia nahita ny Ray koa.” (Vakio ny Jaona 14:9-11.) Manahaka an’i Jehovah àry isika rehefa manara-dia an’i Kristy.

Voahosotr’i Jehovah i Jesosy

9. Oviana i Jesosy no lasa voahosotr’Andriamanitra? Inona no nitranga tamin’izay?

9 Diniho izay nitranga tamin’ny faramparan’ny taona 29. Telopolo taona i Jesosy tamin’izay. Nanatona an’i Jaona Mpanao Batisa izy. “Raha vao vita batisa i Jesosy, dia niakatra avy tao amin’ny rano. Ary nisokatra ny lanitra, ka hitan’i Jaona ny fanahin’Andriamanitra, nidina toy ny voromailala nankeo ambonin’i Jesosy.” Lasa Kristy na Mesia izy, nanomboka teo. I Jehovah mihitsy tamin’io no nampahafantatra fa i Jesosy no voahosony. Hoy izy: “Io no Zanako malalako, izay sitrako.” (Mat. 3:13-17) Tena mendrika ny harahina àry ny dian’i Kristy!

10, 11. a) Inona avy ireo endrika isehoan’ilay anaram-boninahitra hoe “Kristy”, ary inona no tiana hasongadina amin’izany? b) Nahoana isika no tsy maintsy manara-dia an’i Jesosy Kristy?

10 Miseho amin’ireto endriny ireto ilay anaram-boninahitra hoe “Kristy” ao amin’ny Baiboly: Jesosy Kristy, Kristy Jesosy, ary Kristy. I Jesosy no nampiasa voalohany an’ilay teny hoe “Jesosy Kristy.” Hoy izy, rehefa nivavaka tamin’ny Rainy: “Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” (Jaona 17:3) Ny anarany no mialoha ilay anaram-boninahitra eo. Ilay olona no tiana hasongadina amin’izany, dia ilay nirahin’Andriamanitra sy nanjary voahosony. Ahoana indray rehefa ilay teny hoe “Kristy Jesosy” no ampiasaina? Ilay anaram-boninahitra no mialoha ilay anarana eo. Ny toerana tanan’i Jesosy no tiana hasongadina amin’izany. (2 Kor. 4:5) Mbola ny toerana tanany amin’ny maha Mesia ihany no tiana hasongadina rehefa “Kristy” fotsiny no teny ampiasaina.—Asa. 5:42.

11 Manasongadina fahamarinana lehibe momba an’i Jesosy ilay anaram-boninahitra hoe “Kristy”: Tsy hoe olon-tsotra na mpaminany tsotra fotsiny io Zanak’Andriamanitra io tamin’izy tetỳ an-tany, na dia lasa olona sy nampahafantatra ny sitrapon’ny Rainy aza. Voahosotr’i Jehovah mihitsy kosa izy. Tsy maintsy manara-dia azy isika.

Amin’ny alalan’i Jesosy ihany no ahazoana famonjena

12. Inona no nolazain’i Jesosy tamin’i Tomasy, ka misy heviny lehibe ho antsika?

12 Nilaza antony lehibe hafa tokony hanarahana ny diany i Jesosy, rehefa niresaka tamin’ireo apostoliny, ora vitsivitsy talohan’ny nahafatesany. Nilaza izy fa handeha ary hanomana toerana ho an’izy ireo. Rehefa nanontany azy momba izany i Tomasy, dia hoy izy: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.” (Jaona 14:1-6) Niresaka tamin’ireo apostoly 11 tsy nivadika i Jesosy, teo. Nampanantena toerana any an-danitra ho azy ireo izy. Zava-dehibe ho an’ireo manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany koa anefa ny teniny. (Apok. 7:9, 10; 21:1-4) Nahoana?

13. Inona no dikan’ny hoe i Jesosy no “lalana”?

13 I Jesosy Kristy no “lalana.” Midika izany fa amin’ny alalany irery ihany no ahafahantsika manatona an’Andriamanitra. Marina izany raha ny vavaka no resahina. Tsy azontsika antenaina hanome izay rehetra angatahintsika mifanaraka amin’ny sitrapony ny Ray, raha tsy mivavaka aminy amin’ny anaran’i Jesosy isika. (Jaona 15:16) Misy antony hafa koa anefa ilazana an’i Jesosy hoe “lalana.” Nampisaraka ny olona tamin’Andriamanitra ny ota. (Isaia 59:2) I Jesosy no ‘nanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro.’ (Mat. 20:28) Hazavain’ny Baiboly àry hoe: “Ny ran’i Jesosy ... no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra.” (1 Jaona 1:7) Araka izany, dia ny Zanaka no nanokatra ny lalana ahafahantsika mamitram-pihavanana amin’Andriamanitra. (Rom. 5:8-10) Tsy afaka ny hifandray tsara amin’Andriamanitra isika, raha tsy maneho finoana an’i Jesosy sy mankatò azy.—Jaona 3:36.

14. Inona no dikan’ny hoe i Jesosy no “fahamarinana”?

14 I Jesosy no “fahamarinana” satria nanambara ny fahamarinana sy nanaraka an’izany foana izy. Ankoatra izany, dia tanteraka taminy avokoa ireo faminaniana momba ny Mesia. Hoy ny apostoly Paoly: “Na firy na firy ny fampanantenan’Andriamanitra, dia tonga Eny ireny amin’ny alalan’ny Zanany.” (2 Kor. 1:20) Tanteraka tamin’i Kristy Jesosy ny “aloky ny zavatra tsara ho avy” tao amin’ny Lalàn’i Mosesy. (Heb. 10:1; Kol. 2:17) Misy ifandraisany amin’i Jesosy ny faminaniana rehetra, ary manampy antsika hahatakatra ny anjara asany, izay tena ilaina mba hahatanteraka ny fikasan’i Jehovah. (Apok. 19:10) Mila manara-dia ny Mesia isika raha te handray soa amin’ny fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra momba antsika.

15. Inona no dikan’ny hoe i Jesosy no “fiainana”?

15 I Jesosy no “fiainana” satria nividy ny taranak’olombelona tamin’ny rany izy. Fanomezana omen’Andriamanitra “amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika” ny fiainana mandrakizay. (Rom. 6:23) I Jesosy koa no “fiainana” ho an’ireo nodimandry. (Jaona 5:28, 29) Ankoatra izany, dia eritrereto izay hataony mandritra ny Fanjakana Arivo Taona, amin’ny maha Mpisoronabe azy. Hafahany mandrakizay amin’ny ota sy fahafatesana ny olom-peheziny eto an-tany!—Heb. 9:11, 12, 28.

16. Nahoana isika no tokony hanara-dia an’i Jesosy?

16 Misy heviny lehibe ho antsika àry ny teny navalin’i Jesosy an’i Tomasy. I Jesosy no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Izy ilay nirahin’Andriamanitra ho amin’izao tontolo izao, mba hovonjena amin’ny alalany izao tontolo izao. (Jaona 3:17) Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalany. Hoy ny Baiboly: “Tsy misy olon-kafa hahazoana famonjena, satria tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona hahazoantsika famonjena.” (Asa. 4:12) Na inona na inona àry zavatra ninoantsika taloha, dia fahendrena ny mino an’i Jesosy sy manara-dia azy, satria izany no hahazoana ny fiainana.—Jaona 20:31.

Nomena baiko mba hihaino an’i Kristy isika

17. Nahoana no zava-dehibe ny hihainoantsika ny Zanak’Andriamanitra?

17 Nahita an’i Jesosy niova tarehy i Petera sy Jaona ary Jakoba. Nandre feo avy any an-danitra izy ireo, tamin’izay, nanao hoe: “Io no Zanako, ilay nofidiko. Henoy izy.” (Lioka 9:28, 29, 35) Tena zava-dehibe ny hankatoavantsika an’io baiko io.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 3:22, 23.

18. Amin’ny fomba ahoana no ihainoantsika an’i Jesosy Kristy?

18 Tafiditra amin’ny hoe mihaino an’i Jesosy ny ‘fibanjinana tsara azy’, izany hoe ‘mandinika tsara’ ny modely nomeny. (Heb. 12:2, 3) Mila ‘mitandrina mafimafy kokoa noho ny hatramin’izay’ àry isika rehefa mamaky ireo fanazavana momba azy, ao amin’ny Baiboly sy ireo boky aman-gazety avoakan’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” Tokony hanao toy izany koa isika rehefa mandre momba azy any am-pivoriana. (Heb. 2:1; Mat. 24:45) Ondrin’i Jesosy isika, ka tokony haniry mafy hihaino azy sy hanaraka ny diany.—Jaona 10:27.

19. Inona no hanampy antsika hanaraka hatrany ny dian’i Kristy?

19 Ho vitantsika ve ny hanaraka hatrany ny dian’i Kristy, na inon-kidona na inon-kihatra? Eny, ho vitantsika izany raha toa isika ka ‘mihazona hatrany ny modelin’ny teny mahasoa’, izany hoe mampihatra izay ianarantsika “amim-pinoana sy fitiavana ao amin’i Kristy Jesosy.”—2 Tim. 1:13.

Inona no Nianaranao?

• Nahoana no manampy antsika ho akaiky kokoa an’i Jehovah ny fanarahana ny dian’i “Kristy”?

• Nahoana no azo lazaina hoe manahaka an’i Jehovah isika rehefa manara-dia an’i Kristy?

• Inona no dikan’ny hoe i Jesosy no “lalana sy fahamarinana ary fiainana”?

• Nahoana isika no tokony hihaino an’ilay voahosotr’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 29]

Hita tamin’ny fampianaran’i Jesosy fa nanana fomba fisaina niavaka, toy ny an’i Jehovah izy

[Sary, pejy 30]

Tsy maintsy manaraka hatrany ny dian’ilay voahosotr’i Jehovah isika

[Sary, pejy 32]

Hoy i Jehovah: ‘Io no Zanako. Henoy izy’