Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mizara Andraikitra ve Ianao?

Mizara Andraikitra ve Ianao?

Mizara Andraikitra ve Ianao?

MBOLA tsy nisy ny tany, dia efa nisy nizara andraikitra, na nanankina asa tamin’ny hafa. Nasain’i Jehovah nanampy azy hamorona an’izao rehetra izao mantsy ny Zanany lahitokana, izay “mpiasa tena mahay.” (Ohab. 8:22, 23, 30; Jaona 1:3) Rehefa avy namorona ny mpivady voalohany koa izy, dia nilaza hoe: “Mamenoa ny tany. Anjakao ny tany.” (Gen. 1:28) Nanankina asa tamin’ny olombelona ny Mpamorona teo. Nasainy nitarina ny Paradisan’i Edena mba hanenika ny tany manontolo. Efa nisy teo anivon’ny fandaminan’i Jehovah foana àry ny hoe manankina asa amin’ny hafa.

Inona no tafiditra amin’ny hoe manankina asa? Nahoana ny anti-panahy no mila mianatra an’izany? Ary ahoana no anaovana izany? 

Ny atao hoe manankina asa

Ny hoe manankina asa dia manome andraikitra, na manendry solontena. Midika izany hoe mampandray anjara ny hafa mba hanatratrarana ny tanjona kendrena. Mazava ho azy fa tafiditra amin’izany ny hoe manome fahefana azy.

Izao kosa no tokony hataon’ireo anankinana asa eo anivon’ny fiangonana: Manatanteraka ny asa nanendrena azy, manao tatitra momba ny fandrosoan’ny asany, ary maka hevitra amin’ilay nanome andraikitra azy. Mbola ilay rahalahy nanome andraikitra anefa no tena tompon’andraikitra. Tokony hataony azo antoka fa mandroso ilay asa, ary mila manome soso-kevitra izy raha ilaina. Mety hisy hilaza anefa hoe: ‘Nahoana aho no hanankina asa amin’ny hafa, raha izaho ihany dia efa mahavita an’ilay izy?’

Antony anankinana asa amin’ny hafa

Eritrereto izay nataon’i Jehovah. Namorona ny Zanany lahitokana izy, ary nampandray anjara azy io tamin’ny famoronana ny zavatra hafa sisa. Izy io no ‘nampiasainy tamin’ny famoronana ny zavatra hafa rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany, dia ny hita sy ny tsy hita.’ (Kol. 1:16) Afaka namita samirery ny zava-drehetra ny Mpamorona. Tsy izany anefa no nataony. Tiany ho tsapan’ilay Zanany koa mantsy ny fifaliana azo rehefa mahavita asa tsara. (Ohab. 8:31) Nanampy an’ilay Zanany hahafantatra bebe kokoa ny toetran’Andriamanitra izany. Toy ny hoe nampiofana azy ny Rainy tamin’izay.

Nanahaka ny Rainy i Jesosy Kristy teto an-tany, ka nanankina asa tamin’ny hafa. Nampiofana tsikelikely ny mpianany izy. Nirahiny hitory ireo apostoly 12, ary avy eo ireo mpianatra 70, ka izy ireo no nialoha azy tany amin’ny tanàna sasany. (Lioka 9:1-6; 10:1-7) Rehefa tonga tany amin’ireny toerana ireny i Jesosy tatỳ aoriana, dia lasa fototra tsara ho an’ny fitoriany ny asa nataon’ireny mpianatra ireny. Nanankina andraikitra lehibe kokoa tamin’ireo mpianatra efa nampiofanina ireo i Jesosy, talohan’ny nialany teto an-tany. Anisan’izany ny asa fitoriana eran-tany.—Mat. 24:45-47; Asa. 1:8.

Lasa nampiavaka ny fiangonana kristianina ny fanankinana andraikitra sy ny fampiofanana ny hafa. Nilaza tamin’i Timoty ny apostoly Paoly mba hampita ny zavatra nampianariny azy amin’ireo “lehilahy mendri-pitokisana, izay hahay hampianatra ny hafa kosa avy eo.” (2 Tim. 2:2) Tokony hampiofana ny hafa àry ireo efa za-draharaha, ary izay efa nampiofanina kosa dia tokony hampiofana olon-kafa.

Noho izany, dia mila manankina asa sasany amin’ny hafa ny anti-panahy. Ho afaka hizara ny fifaliana tsapany amin’ny fampianarana sy fiandrasana ondry izy amin’izay. Harisika kokoa hizara andraikitra ny anti-panahy, raha mitadidy fa voafetra ihany ny zavatra mety ho vitan’ny olombelona. Hoy ny Baiboly: ‘Izay manetry tena no hendry.’ (Ohab. 11:2) Eken’ny olona manetry tena fa voafetra ny zavatra mety ho vitany. Raha ataonao irery, ohatra, ny zava-drehetra, dia mety ho reraka be ianao, sady tsy hanam-potoana iarahana amin’ny fianakavianao. Hendry àry izay mizara andraikitra. Azon’ny anti-panahy mpandrindra atao, ohatra, ny miangavy ny anti-panahy hafa, mba hanamarina ny kaontin’ny fiangonana. Hahalala tsara ny toe-bolan’ny fiangonana koa ireo anti-panahy ireo amin’izay.

Mety hahazo ny traikefa sy ny fahaizana ilainy ny olona rehefa anankinana asa. Ilay olona nanankina asa kosa afaka mandinika ny fahaizan’ireo nomeny asa. Ho afaka hizaha toetra an’izay “mendrika” ho mpanampy amin’ny fanompoana ny anti-panahy, raha omeny asa mifanentana amin’ny fahaizany ireo rahalahy.—1 Tim. 3:10.

Farany, raha manankina asa amin’ny hafa ny anti-panahy, dia asehony amin’izany fa matoky ny hafa izy. Toy izany no nataon’i Paoly tamin’i Timoty. Nentiny nanao asa misionera izy, mba hampiofanana azy ho lasa misionera koa. Nanjary tena nifankatia izy ireo, ka niantso an’i Timoty hoe ‘tena zanany ao amin’ny finoana’ i Paoly. (1 Tim. 1:2) Lasa nifankatia be koa i Jehovah sy Jesosy rehefa niara-niasa tamin’ny famoronana. Raha mizara andraikitra koa ny anti-panahy, dia mety hifandray akaiky amin’ilay olona anankinany asa.

Antony mampisalasala ny anti-panahy

Eken’ny anti-panahy fa mahasoa ny manankina asa amin’ny hafa. Misalasala hanao izany anefa ny sasany, satria mihevitra angamba izy fa izy foana no tokony hifehy ny zava-drehetra, ary hihena ny fahefany raha mahavita asa betsaka noho izy ny hafa. Tadidio anefa izao: Efa fantatr’i Jesosy fa hahavita asa betsaka noho izy ny mpianany. Mbola nanankina andraikitra lehibe tamin’izy ireo ihany anefa izy, talohan’ny niakarany tany an-danitra.—Mat. 28:19, 20; Jaona 14:12.

Ny anti-panahy hafa indray mety ho efa nanankina asa tamin’ny hafa, saingy tsy afa-po. Mety hieritreritra àry izy fa ho vita tsara sy haingana kokoa ny asa, raha izy ihany no manao azy. Diniho anefa ny nataon’i Paoly. Fantany fa ilaina ny manankina asa amin’ny hafa, nefa takany koa fa tsy voatery ho araka izay iriny foana ny fomba hanaovan’ilay olona an’ilay asa. Nampiofana an’i Marka, tovolahy niara-dia taminy, ohatra, izy, tamin’ny diany misionera voalohany. Diso fanantenana izy, rehefa nandao ny asa nanendrena azy i Marka ka nody tany an-tranony. (Asa. 13:13; 15:37, 38) Tsy nisakana an’i Paoly tsy hampiofana olon-kafa anefa izany. Hitantsika teo fa nasainy hiara-dia taminy i Timoty, rahalahy tanora. Rehefa afaka niantsoroka andraikitra lehibe kokoa i Timoty, dia navelany tao Efesosy, ary nomeny fahefana mba hanendry mpiandraikitra sy mpanampy amin’ny fanompoana teo anivon’ny fiangonana.—1 Tim. 1:3; 3:1-10, 12, 13; 5:22.

Tsy tokony hajanon’ireo anti-panahy koa àry ny fampiofanana an’ireo rahalahy, raha nisy iray tamin’ireny tsy nandray tsara ny fampiofanany. Tsara sady ilaina ny mianatra matoky ny hafa sy mampiofana azy ireny. Inona avy anefa no tokony hotadidin’ny anti-panahy, rehefa manankina asa amin’ny hafa?

Fomba anankinana asa amin’ny hafa

Rehefa hizara andraikitra amin’ireo rahalahy ianao, dia diniho aloha ny fahaizan’izy ireo. Rehefa nisy fizarana sakafo tsy maintsy natao isan’andro, ohatra, tany Jerosalema, dia nifidy fito lahy “tsara laza sady feno fanahy masina sy fahendrena” ny apostoly, mba hanao izany. (Asa. 6:3) Ankoatra izany, raha olona tsy azo itokisana no asainao manatanteraka asa iray, dia mety tsy ho vitany izany. Asa madinidinika àry aloha ankinina amin’ny olona. Mety ho afaka hiantsoroka andraikitra lehibe kokoa izy any aoriana, rehefa hita fa mendri-pitokisana.

Tadidio koa fa tsy mitovy ny toetra sy ny fahaizana ary ny traikefa ananan’ny tsirairay. Mety hiankina amin’ireo àry ny zavatra hampanaovina azy. Mety ho tsara hatao mpikarakara ny mpanatrika, ohatra, ny rahalahy sariaka sy mahay mandray olona. Mety ho afaka hanampy ny mpitan-tsoratra ny rahalahy tia filaminana sy mahay manao zavatra maty paika. Ary ny anabavy mahay zavakanto, dia azo asaina mandravaka voninkazo ny efitrano hankalazana ny Fahatsiarovana.

Hazavao tsara amin’ilay olona ny tokony hataony, rehefa manankina asa aminy ianao. Rehefa haniraka olona tany amin’i Jesosy i Jaona Mpanao Batisa, dia nohazavainy aloha ny zavatra tiany ho fantatra sy ny teny holazain’ireo iraka ireo. (Lioka 7:18-20) Tsy nanome toromarika tamin’ny an-tsipiriany toy izany kosa i Jesosy, rehefa naniraka ny mpianany hanangona ny sisa tsy lany tamin’ireo sakafo nomeny tamin’ny fomba mahagaga. (Jaona 6:12, 13) Miankina amin’ilay asa atao sy ny fahaizan’ilay olona angatahinao hanampy anao àry ny tsipiriany mila lazainao aminy. Mila mifampiresaka tsara ianareo. Resaho tsara hoe inona no vokatra tiana ho azo, isaky ny inona izy no mila manao tatitra momba ny fandrosoan’ny asa, ary amin-javatra toy inona izy no manana zo hanapa-kevitra. Mety harisika kokoa izy, raha ifanarahanareo ny daty tokony hamitana an’ilay asa, fa tsy tonga dia feranao fotsiny.

Tokony homena vola na fitaovana na olona hanampy azy, araka izay ilainy, ilay notendrena hanao ny asa. Raha manankina asa amin’ny hafa ianao, dia mety ho tsara koa ny mampahafantatra an’izany amin’ny olona. Teo anatrehan’ny mpianatra hafa i Jesosy no nanankina tamin’i Petera “ny lakilen’ny fanjakan’ny lanitra.” (Mat. 16:13-19) Mety ho tsara àry indraindray, raha ampahafantarina ny fiangonana hoe iza no tompon’andraikitra amin’ny asa iray.

Mitandrema koa anefa, fa raha mbola miditra loatra amin’ilay asa efa nankininao tamin’ny olon-kafa ianao, dia toy ny milaza hoe: “Tsy tena matoky anao aho.” Ekena aloha fa mety ho tsy tena araka ny nantenainao ny vokatra azo, indraindray. Raha avelanao hamita an’ilay asa samirery anefa ny rahalahy nomenao andraikitra, dia hanjary hatoky tena sy hahazo traikefa izy. Tsy midika anefa izany hoe tsy tokony hiraharaha ny fomba anatanterahany an’ilay asa ianao. Mbola nandray anjara tamin’ny famoronana i Jehovah, na dia nisy ampahany tamin’izany aza nankininy tamin’ny Zanany. Hoy izy tamin’io Mpiasa Tena Mahay io: “Andeha isika hanao olona araka ny endritsika.” (Gen. 1:26) Asehoy amin’ny teninao sy ny ataonao àry fa manohana an’ilay olona nomenao andraikitra ianao. Derao izy noho ny ezaka ataony. Diniho vetivety miaraka aminy izay asa vitany, ary aza misalasala manampy azy na manoro hevitra azy, raha hitanao fa tsy mety ny fomba anaovany an’ilay asa. Tadidio fa ianao nanankina asa taminy no tena tompon’andraikitra.—Lioka 12:48.

Maro ny olona nandray soa, rehefa nanankina asa taminy ny anti-panahy, izay tena niahy azy. Mila fantatry ny anti-panahy rehetra tokoa hoe nahoana no ilaina ny manahaka an’i Jehovah ka manankina asa amin’ny hafa, ary ahoana no atao amin’izany.

[Efajoro, pejy 29]

IZAY MANANKINA ASA AMIN’NY HAFA DIA

• afaka mizara ny fifaliana tsapany rehefa mahavita asa tsara

• mahavita zavatra betsaka kokoa

• hendry sy manetry tena

• afaka mampiofana ny hafa

• mampiseho fa matoky ny hafa izy

[Efajoro, pejy 30]

FOMBA ANANKINANA ASA

• Mifidiana olona mifanentana amin’ilay asa

• Mila mifampiresaka tsara momba an’ilay asa ianao sy ilay olona

• Hazavao tsara ny tokony hataony

• Omeo azy ny zavatra ilainy

• Jereo ny fandrosoan’ilay asa, ary lazao azy fa matoky azy ianao

• Tadidio fa ianao no tena tompon’andraikitra

[Sary, pejy 31]

Rehefa manankina asa amin’ny hafa ianao, dia araho maso koa ny fandrosoan’ilay asa