Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Mpanompo Mendri-pitokisana sy ny Filan-kevi-pitantanany

Ny Mpanompo Mendri-pitokisana sy ny Filan-kevi-pitantanany

Ny Mpanompo Mendri-pitokisana sy ny Filan-kevi-pitantanany

“Iza tokoa moa ilay mpanompo mendri-pitokisana sy malina, izay hotendren’ny tompony hikarakara hatrany ny mpanompony hafa rehetra mba hanome sakafo ampy ho azy ireo, amin’ny fotoana mety?”—LIOKA 12:42.

1, 2. Inona no fanontaniana lehibe napetrak’i Jesosy, tamin’izy niresaka momba ny famantarana ny andro farany?

NANONTANY toy izao i Jesosy, rehefa niresaka momba ny famantarana ny andro farany: “Iza tokoa moa ilay mpanompo mendri-pitokisana sy malina izay notendren’ny tompony hikarakara an’ireo mpanompo ao an-tranony, ka hanome sakafo azy ireo amin’ny fotoana mety?” Nilaza izy fa hovalian-tsoa io mpanompo tsy mivadika io, ka hotendren’ny Tompony hiandraikitra ny fananany rehetra.—Mat. 24:45-47.

2 Nametraka fanontaniana toy izany i Jesosy, volana vitsivitsy talohan’izay. (Vakio ny Lioka 12:42-44.) Ilay teny grika nadika hoe “mpanompo” dia midika hoe olona mitantana tokantrano, izay voatendry hikarakara ny mpanompo hafa rehetra. Mpanompo koa anefa io mpikarakara io. Iza io mpanompo io, ary ahoana no anomezany ‘sakafo amin’ny fotoana mety’? Zava-dehibe ny ahalalantsika ny valin’izany.

3. a) Ahoana no anazavan’ireo mpanao tsikera an’ilay teny hoe “mpanompo”? b) Iza io “mpanompo” io, ary iza ireo ‘mpanompo ao an-trano’ na ireo ‘mpanompo hafa rehetra’?

3 Matetika ireo mpanao tsikera no mihevitra fa ireo lohandohany ao amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina no tian’i Jesosy holazaina eo. Tsy nilaza anefa i Jesosy, na ilay ‘tompo’ ao amin’ilay fanoharana, hoe hisy mpanompo maro be hiely any amin’ireo sekta maro ao amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. Nataony mazava tsara kosa, fa “mpanompo” iray ihany no hotendreny hikarakara ny fananany rehetra. Resahina matetika ato amin’ity gazety ity, fa ny “ondry vitsy” na ireo voahosotra mpianatr’i Jesosy amin’ny fitambarany io mpanompo io. Vao niresaka momba azy ireo i Jesosy ao amin’ny Lioka 12:32. Io antokon’olona io ihany ilay hoe ‘mpanompo ao an-trano’ na ny ‘mpanompo hafa rehetra’, saingy ny anjara asan’izy ireo isam-batan’olona no asongadina. Ny manitikitika ny saina anefa dia ity: ‘Mandray anjara amin’ny fanomezana an’ilay sakafo amin’ny fotoana mety daholo ve izay anisan’io antokon’olona io?’ Andeha hojerentsika izay lazain’ny Soratra Masina.

Mpanompon’i Jehovah fahiny

4. Ahoana no niantsoan’i Jehovah ny firenen’ny Israely fahiny, ary inona no tsara homarihina momba an’io firenena io?

4 Nantsoin’i Jehovah hoe mpanompony ny Israelita tamin’ny fitambarany. “ ‘Ianareo no vavolombeloko [milaza maro]’, hoy i Jehovah, ‘eny, mpanompoko [milaza tokana] izay nofidiko.’ ” (Isaia 43:10) Anisan’io mpanompo io avokoa ny Israelita. Tsara homarihina anefa fa ireo mpisorona sy Levita tsy mpisorona ihany no niandraikitra ny fampianarana an’ilay firenena.—2 Tant. 35:3; Mal. 2:7.

5. Inona no fanovana lehibe tsy maintsy hitranga, araka ny tenin’i Jesosy?

5 Ny firenen’ny Israely ve no tian’i Jesosy hambara amin’ilay hoe mpanompo? Tsia. Hoy mantsy izy tamin’ireo Jiosy niara-belona taminy: “Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka izay firenena mamokatra voa mendrika an’ilay fanjakana no homena azy.” (Mat. 21:43) Tsy maintsy hisy àry ny fanovana. Hampiasa firenena vaovao i Jehovah. Mitovy amin’ny fomba fiasan’ilay “mpanompo” teo amin’ny Israely fahiny ihany anefa ny an’ilay mpanompo ao amin’ny fanoharan’i Jesosy, rehefa mampita ny toromarika avy amin’Andriamanitra.

Fantatra ilay mpanompo mendri-pitokisana

6. Inona ilay firenena vaovao niforona tamin’ny Pentekosta taona 33, ary iza avy no anisan’izy io?

6 Israelita ara-panahy na “Israelin’Andriamanitra” no ao amin’ilay firenena vaovao. (Gal. 6:16; Rom. 2:28, 29; 9:6) Niforona izy io tamin’ny Pentekosta taona 33, rehefa nirotsaka ny fanahin’Andriamanitra. Lasa anisan’io firenena io ny Kristianina voahosotra rehetra nanomboka teo. Izy ireo izao no ao amin’ilay antokon’olona voatendrin’ny Tompo na i Jesosy Kristy. Samy nasaina hitory ny vaovao tsara sy hanao mpianatra ny olona tsirairay anisan’io firenena io. (Mat. 28:19, 20) Mandray anjara amin’ny fanomezana an’ilay sakafo amin’ny fotoana mety daholo ve anefa izy ireo? Andeha hojerentsika izay lazain’ny Baiboly.

7. Inona no andraikitra voalohany nomena ny apostoly tamin’izy ireo vao voatendry? Inona koa no fanendrena azony tatỳ aoriana?

7 Ny hitory ny vaovao tsara no anisan’ny andraikitra voalohany nomen’i Jesosy ny apostoliny 12, tamin’izy nanendry azy ireo. (Vakio ny Marka 3:13-15.) Tena mety izany satria midika hoe “maniraka” ny matoanteny grika nakana an’ilay teny hoe apostolos. Nahazo fanendrena fanampiny anefa ny apostoly rehefa niforona ny fiangonana kristianina. Lasa mpiandraikitra izy ireo.—Asa. 1:20-26.

8, 9. a) Inona no tena nifantohan’ireo apostoly 12? b) Iza koa no nomena andraikitra, tatỳ aoriana?

8 Inona no tena nifantohan’ireo apostoly 12? Andeha hojerentsika ny zava-nitranga taorian’ny Pentekosta, mba hamaliana izany. Nahitana olana ny fizarana sakafo isan’andro ho an’ny mpitondratena. Namory ny mpianatra àry ny apostoly 12, ka nilaza hoe: “Tsy mety raha hamela ny tenin’Andriamanitra izahay mba hizara sakafo eny an-databatra.” (Vakio ny Asan’ny Apostoly 6:1-6.) Nanendry rahalahy mahafeno fepetra izy ireo, mba hanatontosa an’ilay ‘raharaha tsy maintsy hatao’, fa izy ireo kosa hifantoka amin’ny “fampianarana ny Tenin’Andriamanitra.” Nitahy an’io fandaharana io i Jehovah. “Tsy nitsahatra niroborobo ny tenin’Andriamanitra, ka nihamaro be ny isan’ny mpianatra tany Jerosalema.” (Asa. 6:7) Hita avy amin’izany àry fa andraikitry ny apostoly ny nanome ny sakafo ara-panahy.—Asa. 2:42.

9 Nisy olon-kafa nomena andraikitra mavesatra koa, tatỳ aoriana. Notendren’ny fiangonan’i Antiokia ho misionera, ohatra, i Paoly sy Barnabasy, teo ambany fitarihan’ny fanahy masina. Tsy anisan’ny apostoly 12 voalohany izy ireo, nefa fantatra ho apostoly koa. (Asa. 13:1-3; 14:14; Gal. 1:19) Neken’ny filan-kevi-pitantanana tany Jerosalema ilay fanendrena azy ireo, tatỳ aoriana. (Gal. 2:7-10) Lasa anisan’ireo nanome sakafo ara-panahy koa i Paoly taoriana kelin’izay, rehefa nanoratra ny taratasiny voalohany.

10. Ireo Kristianina voahosotra rehetra ve no nanomana ny sakafo ara-panahy, tamin’ny taonjato voalohany? Hazavao.

10 Ireo Kristianina voahosotra rehetra ve anefa no nanara-maso ny asa fitoriana sy nanomana ny sakafo ara-panahy? Tsia. Hoy ny apostoly Paoly: “Fa angaha izy rehetra no apostoly? Angaha izy rehetra no mpaminany? Angaha izy rehetra no mpampianatra? Angaha izy rehetra no manao fahagagana?” (1 Kor. 12:29) Na dia nandray anjara tamin’ny asa fitoriana aza ny Kristianina voahosotra rehetra, dia olona valo monja no nanoratra an’ireo boky 27 ao amin’ny Soratra Grika Kristianina.

Mpanompo mendri-pitokisana amin’izao andro izao

11. Inona ireo ‘fananana’ nasaina nokarakarain’ilay mpanompo?

11 Hita avy amin’ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:45, fa mbola hisy mpanompo mendri-pitokisana sy malina eto an-tany, mandritra ny andro farany. Antsoin’ny Apokalypsy 12:17 hoe ny “sisa” amin’ny taranak’ilay vehivavy izy ireo. Notendrena hikarakara ny fananan’i Kristy eto an-tany io antokon’olona io. Anisan’ireo ‘fananana’ karakarain’io mpanompo io ny vahoakan’ilay Fanjakana eto an-tany sy ireo trano natao hampandrosoana ny asa fitoriana ny vaovao tsara.

12, 13. Ahoana no ahalalan’ny Kristianina iray fa ho any an-danitra izy?

12 Ahoana no ahalalan’ny Kristianina iray fa ho any an-danitra izy, izany hoe anisan’ireo sisa amin’ny Israely ara-panahy? Mamaly izany ny tenin’ny apostoly Paoly tamin’ireo voahosotra namany. Hoy izy: “Izay rehetra tarihin’ny fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra. Tsy mitondra anareo ho amin’ny fanandevozana ny fanahin’Andriamanitra, sady tsy mampisy tahotra, fa mahatonga anareo hatsangana ho zanaka kosa. Ary io fanahy io no mahatonga antsika hiantso mafy hoe: ‘Aba, Ray ô!’ Ny fanahin’Andriamanitra sy ny saintsika dia miara-manaporofo fa zanak’Andriamanitra isika. Raha zanaka àry isika, dia mpandova koa: Eny tokoa, mpandova an’Andriamanitra, fa mpiara-mandova amin’i Kristy kosa, raha miara-mijaly aminy isika mba homem-boninahitra miaraka aminy koa.”—Rom. 8:14-17.

13 Voahosotry ny fanahy ireo olona ireo, ary nahazo “fiantsoana” na fanasana ho any an-danitra. (Heb. 3:1) Andriamanitra no nanasa azy ireo. Ekeny avy hatrany ny ho tonga zanak’Andriamanitra, fa tsy misalasala izy ireo na matahotra. (Vakio ny 1 Jaona 2:20, 21.) Tsy ry zareo àry no mifidy ny ho any an-danitra, fa i Jehovah no manisy tombo-kase eo aminy, na manome azy ny fanahiny masina.—2 Kor. 1:21, 22; 1 Pet. 1:3, 4.

Fomba fihevitra mety

14. Ahoana no fiheveran’ny voahosotra ny fiantsoana azy ireo?

14 Ahoana no tokony hiheveran’ny voahosotra ny tenany, eo am-piandrasany ny fotoana hiakarany any an-danitra? Fantany fa na dia efa nahazo ilay fanasana faran’izay tsara aza izy ireo, dia mbola fanasana ihany izany. Tokony tsy hivadika mandra-pahafatiny izy mba hahazoany an’ilay loka. Manetry tena izy ireo, ka miombon-kevitra amin’i Paoly, izay nilaza hoe: “Ry rahalahy, tsy mihevi-tena ho efa nahazo aho. Zavatra iray ihany anefa no ataoko: Manadino ny zavatra any aoriana aho ary mikely aina hanatratra ny eo aloha. Miezaka ho tonga amin’ny tanjona aho, mba hahazoako ny lokan’ny fiantsoana avy any ambony, izany hoe ny fiantsoan’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.” (Fil. 3:13, 14) Mila miezaka mafy ireo voahosotra mba ‘hitondra tena mendrika ny fiantsoana izay niantsoana azy ireo, ary hanao izany amim-panetren-tena tanteraka’ sady “amin-tahotra sy hovitra.”—Efes. 4:1, 2; Fil. 2:12; 1 Tes. 2:12.

15. Ahoana no tokony hiheveran’ny Kristianina an’ireo mihinana amin’ny mofo sy divain’ny Fahatsiarovana? Ahoana no iheveran’ny voahosotra ny tenany?

15 Ahoana kosa no tokony hiheveran’ny Kristianina hafa ny olona iray milaza fa voahosotra, ka mihinana amin’ny mofo sy divain’ny Fahatsiarovana? Tsy tokony hotsaraina izy. Raharahan’izy sy Jehovah izany. (Rom. 14:12) Tsy mitaky fiahiana manokana anefa ny tena Kristianina voahosotra. Fantany fa na voahosotra aza izy, dia mety tsy hahataka-javatra kokoa noho ireo Kristianina ampy traikefa anisan’ny “vahoaka be.” (Apok. 7:9) Fantany koa fa tsy voatery hanana fanahy masina betsaka kokoa noho ny “ondry hafa” izy. (Jaona 10:16) Tsy manantena hokarakaraina manokana izy, sady tsy mihevi-tena ho ambony noho ny anti-panahy eo anivon’ny fiangonana satria hoe mihinana amin’ny mofo sy divay.

16-18. a) Mandray anjara amin’ny famoahana tsela-pahazavana ara-panahy ve ny voahosotra rehetra? Hazavao amin’ny ohatra. b) Nahoana ny Filan-kevi-pitantanana no tsy voatery hanontany ny hevitr’ireo rehetra milaza fa voahosotra?

16 Mifampiresaka tsy tapaka ve ny voahosotra maneran-tany, ka samy mandray anjara amin’ny famoahana tsela-pahazavana ara-panahy? Tsia. Marina fa andraikitr’ilay mpanompo amin’ny fitambarany ny manome sakafo ara-panahy ho an’ireo voahosotra ankohonan’i Kristy. Samy manana ny anjara asany anefa ny voahosotra tsirairay. (Vakio ny 1 Korintianina 12:14-18.) Efa hitantsika teo fa nandray anjara tamin’ny asa fitoriana avokoa ny voahosotra rehetra, tamin’ny taonjato voalohany. Vitsy tamin’izy ireo ihany anefa no nanoratra an’ireo boky ao amin’ny Baiboly sy niandraikitra ny fiangonana kristianina.

17 Intỳ misy ohatra: Resahin’ny Soratra Masina fa mandray an-tanana ny raharaha ara-pitsarana “ny fiangonana.” (Mat. 18:17) Ny anti-panahy ihany anefa, raha ny marina, no manao izany, noho izy ireo solontenan’ny fiangonana. Tsy manontany ny hevitry ny Kristianina rehetra eo anivon’ny fiangonana ny anti-panahy alohan’ny handraisany fanapahan-kevitra. Manatontosa ny andraikitra nankinina taminy izy ireo, ary manao izany mba hahasoa ny fiangonana manontolo.

18 Voahosotra vitsivitsy koa ankehitriny no misolo tena ny voahosotra rehetra. Antsoina hoe Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Manara-maso ny asan’ilay Fanjakana sy ny fandaharana anomezana sakafo ara-panahy ireo lehilahy voahosotra ireo. Tsy manontany ny hevitry ny voahosotra tsirairay anefa izy ireo alohan’ny handraisany fanapahan-kevitra, toy ny tamin’ny taonjato voalohany ihany. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 16:4, 5.) Na izany aza, dia samy mandray anjara feno amin’ny asa fijinjana atao ankehitriny ny voahosotra rehetra. Toy ny vatana iray ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” amin’ny fitambarany. Samy manana ny andraikiny anefa ny tsirairay aminy.—1 Kor. 12:19-26.

19, 20. Ahoana no ampisehoan’ny vahoaka be fa mahay mandanjalanja izy ireo rehefa mifandray amin’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” sy ny Filan-kevi-pitantanany?

19 Inona no tokony ho vokatr’io fanazavana io eo amin’ireo vahoaka be tsy mitsaha-mitombo, izay manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany? Anisan’ny fananan’ilay Mpanjaka izy ireo, ka faly manaiky ny fandaharana rehetra ataon’ny Filan-kevi-pitantanana, izay misolo tena ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” Mankasitraka ny sakafo ara-panahy omen’ny Filan-kevi-pitantanana ny vahoaka be. Na manaja an’ilay mpanompo amin’ny fitambarany aza anefa izy ireo, dia mitandrina mba tsy hanindrahindra an’ireo milaza fa anisan’io mpanompo io. Tsy manantena ny hohindrahindraina toy izany ny tena Kristianina voahosotra.—Asa. 10:25, 26; 14:14, 15.

20 Aoka àry isika ho tapa-kevitra ny hiara-miasa amin’ny mpanompo mendri-pitokisana sy ny Filan-kevi-pitantanany, na anisan’ny vahoaka be isika na voahosotra. Enga anie isika tsirairay ‘hiambina hatrany’ sy tsy hivadika hatramin’ny farany.—Mat. 24:13, 42.

Tadidinao Ve?

• Iza ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” ary iza ireo mpanompo ao an-trano?

• Ahoana no ahalalan’ny olona iray fa ho any an-danitra izy?

• Iza no tompon’andraikitra voalohany amin’ny famoahana sakafo ara-panahy?

• Ahoana no tokony hiheveran’ny voahosotra ny tenany?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Misolo tena ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina ny Filan-kevi-pitantanana ankehitriny, toy ny tamin’ny taonjato voalohany