Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Fianakaviana, Manahafa An’i Jesosy!

Ry Fianakaviana, Manahafa An’i Jesosy!

Ry Fianakaviana, Manahafa An’i Jesosy!

‘Nanome modely ho anareo i Kristy mba hanarahanareo akaiky ny diany.’—1 PET. 2:21.

1. a) Inona no nataon’ny Zanak’Andriamanitra, nandritra ny famoronana? b) Manao ahoana ny fihetseham-pon’i Jesosy amin’ny olombelona?

“MPIASA tena mahay” teo anilan’Andriamanitra ny Zanany lahimatoa, rehefa noforonina ny lanitra sy ny tany. Niara-niasa tamin’ny Rainy koa izy rehefa noforonina ireo karazam-biby sy zavamaniry maro be ary ilay Paradisa nonenan’ny olombelona. Nantsoina hoe Jesosy io Zanak’Andriamanitra io, tatỳ aoriana. ‘Tena tiany izay rehetra mombamomba ny zanak’olombelona.’—Ohab. 8:27-31; Gen. 1:26, 27.

2. a) Inona no nomen’i Jehovah ny olona mba hanampiana azy ireo? b) Manome tari-dalana momba ny inona ny Baiboly?

2 Anisan’ny nataon’i Jehovah vaindohan-draharaha ny fanavotana ny olombelona, taorian’ny nanotan’ny mpivady voalohany. Nomeny ho sorom-panavotana àry i Kristy. (Rom. 5:8) Nomeny koa ny Teniny, dia ny Baiboly. Handeha tsara ny fiainantsika raha manaraka ny tari-dalana ao isika, na dia nandova ota aza. (Sal. 119:105) Manome tari-dalana manampy ny fianakaviana hifankatia sy ho sambatra i Jehovah ao amin’ny Teniny. Milaza, ohatra, ny Genesisy fa ‘hikambana amin’ny vadiny ny lehilahy, ary ho nofo iray ihany izy ireo.’—Gen. 2:24.

3. a) Inona no nampianarin’i Jesosy momba ny fanambadiana? b) Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

3 Nohazavain’i Jesosy fa tokony haharitra ny fanambadiana. Nampianatra toro lalana mahasoa ny mpianakavy koa izy. Raha mampihatra azy ireny isika, dia tsy hanana toe-tsaina sy fitondran-tena mety hanimba ny tokantrano na ny fahasambaran’ny fianakaviana. (Mat. 5:27-37; 7:12) Inona àry no zavatra nampianarin’i Jesosy sy ny modely nomeny, ka manampy ny lehilahy, ny vehivavy, ny ray aman-dreny, ary ny ankizy ho sambatra? Andeha isika handinika izany.

Manome voninahitra ny vadiny ny lehilahy kristianina

4. Inona no mampitovy an’i Jesosy sy ny lehilahy manambady?

4 Ny lehilahy no notendren’Andriamanitra ho lohan’ny fianakaviana, toa an’i Kristy izay Lohan’ny fiangonana. Hoy ny apostoly Paoly: “Ny lehilahy no lohan’ny vadiny, toa an’i Kristy izay lohan’ny fiangonana, noho izy mpamonjy an’io vatana io. Ry lehilahy, tiavo foana ny vadinareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana sy ny nanolorany ny tenany hamonjy azy.” (Efes. 5:23, 25) Toy ny fomba nitondran’i Jesosy ny mpanara-dia azy no tokony hitondran’ny lehilahy kristianina ny vadiny. Andeha hodinihintsika ny fomba nampiharan’i Jesosy ny fahefana nomen’Andriamanitra azy.

5. Ahoana no nitondran’i Jesosy ny mpianany?

5 ‘Nalemy fanahy sy nanetry tena’ i Jesosy. (Mat. 11:29) Nanao zavatra tamin-kerim-po koa izy, rehefa nilaina izany. Tsy niala andraikitra mihitsy izy. (Mar. 6:34; Jaona 2:14-17) Tsara fanahy izy rehefa nanoro hevitra ny mpianany, na dia nila namerimberina izany aza. (Mat. 20:21-28; Mar. 9:33-37; Lioka 22:24-27) Tsy nibedy na nanambany azy ireo i Jesosy. Tsy nataony koa izay hahatsapan’izy ireo hoe tsy tiana na tsy mahay na inona na inona. Nidera sy nampahery azy ireo kosa izy. (Lioka 10:17-21) Tsy mahagaga àry raha nohajain’ny mpianany izy, satria be fitiavana sy nangoraka!

6. a) Ahoana no hanahafan’ny lehilahy an’i Jesosy? b) Inona no nampirisihan’i Petera hataon’ny lehilahy?

6 Tokony hanahaka an’i Jesosy ny loham-pianakaviana, ka tsy hanjakazaka. Tokony hanaja sy ho tia ny vadiny kosa izy, ary hahafoy tena ho azy. Nampirisihin’ny apostoly Petera ny lehilahy mba ho be fitiavana toa an’i Jesosy, ka “hanome voninahitra” ny vadiny. (Vakio ny 1 Petera 3:7.) Ahoana àry no tokony hampiharan’ny lehilahy ny fahefany, nefa koa hanomezany voninahitra ny vadiny?

7. Ahoana no hanomezan’ny lehilahy voninahitra ny vadiny? Manomeza ohatra.

7 Ahoana no hanomezan’ny lehilahy voninahitra ny vadiny? Tokony handinika tsara ny hevitry ny vadiny izy, ohatra, alohan’ny handraisany fanapahan-kevitra hisy vokany eo amin’ny ankohonany. Tafiditra amin’izany ny fanapahan-kevitra momba ny fifindrana trano, fiovana asa, ny toerana hanaovana vakansy, na koa ny fomba hitsitsiana vola rehefa miakatra ny vidim-piainana. Tsara fanahy ny lehilahy raha mandinika ny hevitry ny vadiny. Ho voahevitra tsara amin’izay ny fanapahan-kevitra raisiny, ka ho mora kokoa amin’ny vadiny ny hanohana azy. (Ohab. 15:22) Raha manome voninahitra ny vadiny ny lehilahy, dia ho tiany sy hohajainy sady hankasitrahan’i Jehovah.—Efes. 5:28, 29.

Manaja lalina ny vadiny ny vehivavy

8. Nahoana isika no tsy tokony hanahaka an’i Eva?

8 Modely tonga lafatra ho an’ny vehivavy i Jesosy, satria nanaja fahefana. Samy hafa tanteraka ny toe-tsainy sy ny an’ilay vehivavy voalohany! Tsy fakan-tahaka ho an’ny vehivavy manambady mantsy i Eva. I Adama no notendren’Andriamanitra ho lohany, ary tamin’ny alalany no nanomezany toromarika. Tsy nanaja ny fahefan’i Adama anefa i Eva. Tsy nankatoaviny ny toromarika nampitainy taminy. (Gen. 2:16, 17; 3:3; 1 Kor. 11:3) Marina fa voafitaka i Eva. Na izany aza, dia tokony ho nanontany ny vadiny izy aloha raha mety na tsia ny mankatò an’ilay feo nihambo ho mahalala izay any an-tsain’Andriamanitra. Izy indray anefa no niana-kendry nitarika ny vadiny.—Gen. 3:5, 6; 1 Tim. 2:14.

9. Inona no mampiseho fa manaiky fahefana i Jesosy?

9 Tsy toy izany anefa i Jesosy fa nanaiky ny Lohany, ka modely tonga lafatra ho antsika. Hita tamin’ny toe-tsainy sy ny zavatra nataony fa “tsy nieritreritra mihitsy ny handrombaka fahefana” izy, “izany hoe ny hitovy amin’Andriamanitra.” “Nafoiny kosa ny zava-drehetra ary naka ny endriky ny mpanompo izy.” (Fil. 2:5-7) Efa Mpanjaka izy izao, nefa mbola tsy niova. Manetry tena izy ka mankatò ny Rainy amin’ny zava-drehetra sady manohana azy.—Mat. 20:23; Jaona 5:30; 1 Kor. 15:28.

10. Ahoana no hampisehoan’ny vehivavy fa manaiky ny fahefan’ny vadiny izy?

10 Manahaka an’i Jesosy ny vehivavy raha manaiky ny fahefan’ny vadiny. (Vakio ny 1 Petera 2:21; 3:1, 2.) Aoka hatao hoe misy zavatra tian’ny zanakao hatao ary miera aminao izy, satria ilana fanomezan-dalan’ny ray aman-dreny ilay izy. Mbola tsy niara-nidinika anefa ianareo mivady. Tsara raha manontany azy ianao hoe: “Efa niera tamin’i Dada ve ianao?” Raha mbola tsy nanao izany izy, dia tokony hiresaka amin’ny vadinao aloha ianao vao manapa-kevitra. Tsy tokony hanohitra ny hevitry ny vadiny koa ny vehivavy kristianina, rehefa eo ny zanany. Raha tsy ekeny ny hevitry ny vadiny, dia tsara raha mifampiresaka mitokana izy roa.—Efes. 6:4.

Modely ho an’ny ray aman-dreny i Jesosy

11. Inona no modely nomen’i Jesosy ho an’ny ray aman-dreny?

11 Modely ho an’ny ray aman-dreny kristianina i Jesosy, na dia tsy nanambady aman-janaka aza. Nampianatra ny mpianany tamin’ny teniny sy ny nataony izy, ary be fitiavana sy nanam-paharetana. Nasehony azy ireo hoe ahoana no hanatanterahana ny asa nampanaoviny azy. (Lioka 8:1) Nasehon’i Jesosy tamin’ny fomba nitondrany azy ireo koa ny fomba tokony hifampitondrany.—Vakio ny Jaona 13:14-17.

12, 13. Inona no tokony hataon’ny ray aman-dreny raha tiany hatahotra an’i Jehovah ny zanany?

12 Manahaka ny ray aman-dreniny ny ankizy mazàna, na amin’ny tsara na amin’ny ratsy. Ry ray aman-dreny, mieritrereta hoe: ‘Toy inona ny habetsahan’ny fotoana laniko ijerena tele sy ialana voly raha ampitahaina amin’ny fotoana laniko ianarana Baiboly sy anompoana? Inona no ataonay loha laharana? Manome modely ve izahay, ka ny fivavahana marina no zava-dehibe aminay?’ Tsy maintsy ataon’ny ray aman-dreny ao am-pony aloha ny lalàn’Andriamanitra, raha te hanan-janaka matahotra an’i Jehovah izy.—Deot. 6:6.

13 Hitan’ny ankizy foana rehefa miezaka mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly ny ray aman-dreniny. Hisy vokany eo amin’izy ireo ny teny sy ny fampianarana omena azy. Raha manao ‘mpitari-bato vilam-bava’ kosa ny ray aman-dreny, dia mety hihevitra ny zanany fa tsy tena zava-dehibe na tsy mahasoa ny toro lalan’ny Baiboly. Inona no vokany? Mety ho mora voataonan’ny olona eto amin’ity tontolo ity izy.

14, 15. Inona no tanjona tokony hasain’ny ray aman-dreny hotratrarin’ny zanany, ary ahoana no hanaovany izany?

14 Mila mamelona ny zanany ny ray aman-dreny kristianina. Fantatr’izy ireo anefa fa tsy ampy izany. Tsy mitsinjo lavitra izy ireo raha tanjona ahazoana vola fotsiny no asainy tratrarin’ny zanany. (Mpito. 7:12) Nampianatra ny mpianany i Jesosy mba hikatsaka an’ilay fanjakana sy ny fahamarinany aloha. (Mat. 6:33) Tahafo àry i Jesosy, ka ampirisiho hanana tanjona ara-panahy ny zanakareo.

15 Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anaovana izany? Ataovy izay hifaneraseran’ny zanakao amin’ny mpanompo manontolo andro. Eritrereto ny fampaherezana horaisin’ny tanora raha mifanerasera amin’ny mpisava lalana, na amin’ny mpiandraikitra ny faritra sy ny vadiny izy. Azo atao koa ny manasa misionera, Betelita, na mpanao fanorenana. Mafana fo izy ireny rehefa mitantara ny fifaliany eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Manan-java-mahaliana hotantaraina koa izy ireny. Tena mety hanampy ny zanakao handray fanapahan-kevitra tsara sy hanatratra tanjona ara-panahy ny fahitana ny fahafoizan-tenan’izy ireny. Hanampy azy hisafidy izay fianarana hataony koa izany, mba hahafahany hamelon-tena sady hanompo manontolo andro.

Inona no hanampy ny ankizy hanahaka an’i Jesosy?

16. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa nanaja ny ray aman-dreniny teto an-tany sy ny Rainy any an-danitra izy?

16 Rankizy, nanome modely ho anareo koa i Jesosy. I Josefa sy Maria no nasaina nikarakara azy, ary nankatò azy ireo izy. (Vakio ny Lioka 2:51.) Marina fa tsy lavorary izy ireo, nefa neken’i Jesosy fa Andriamanitra no nanome azy ireo ny andraikitra hikarakara azy. Nanaja azy ireo àry i Jesosy. (Deot. 5:16; Mat. 15:4) Nampifaly ny Rainy any an-danitra foana koa izy, na dia efa lasa olon-dehibe aza. Tsy nanaiky ho resin’ny fakam-panahy, ohatra, izy. (Mat. 4:1-10) Mety halaim-panahy tsy hankatò ray aman-dreny ianareo ankizy. Inona àry no hanampy anareo hanahaka an’i Jesosy?

17, 18. a) Inona no fitsapana mahazo ny ankizy sy ny tanora any am-pianarana? b) Inona no hanampy azy ireo tsy hivadika?

17 Azo inoana fa tsy dia miraharaha ny fitsipiky ny Baiboly ny ankamaroan’ny mpiara-mianatra aminao. Mety hitaona anao hanao ratsy àry izy ireo, ary mety hihomehezany ianao rehefa tsy manaiky. Petahan’ny ankizy anarana ve ianao satria tsy mety manao zavatra sasany miaraka aminy? Ahoana no ataonao? Fantatrao fa halahelo i Jehovah sy ny ray aman-dreninao raha matahotra ianao ka manaraka izay ataon’ny ankizy fotsiny. Inona no hitranga raha manaiky hotaominy ianao? Aoka hatao hoe te ho mpisava lalana na mpanampy amin’ny fanompoana na Betelita ianao, na te hanitatra faritany. Ho tratranao ve izany tanjona izany?

18 Ry tanora sy ankizy kristianina, ahoana no ataonao rehefa misy fitsapana mahazo anao? Eritrereto izay nataon’i Jesosy, ilay modelinao. Tsy nanaiky ho resin’ny fakam-panahy izy ary tsy nivadika mihitsy. Tadidio hatrany izany, satria hanampy anao ho sahy hilaza amin’ny mpiara-mianatra aminao fa tsy hanao ratsy miaraka amin’izy ireo ianao. Tadidio foana fa raha miaritra toa an’i Jesosy ianao dia ho faly hanompo sy hankatò an’i Jehovah mandrakizay.—Heb. 12:2.

Inona no tena mahasambatra ny fianakaviana?

19. Inona no tena mahasambatra?

19 Maniry ny hahasambatra ny olona i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy. Afaka ny ho sambatra isika, na dia tsy lavorary aza. (Isaia 48:17, 18; Mat. 5:3) Nampianatra fahamarinana izay manampy ny olona ho sambatra i Jesosy. Tsy izay ihany anefa, fa natorony ny mpianany koa ny fomba fiaina tsara indrindra. Nasehony tamin’izay rehetra nataony fa nahay nandanjalanja izy, ka modely ho antsika. Handray soa isika raha manahaka azy. Tahafo àry i Jesosy na lehilahy ianao, na vehivavy, na ray aman-dreny, na ankizy! Araho ny fampianarany sy ny modely nomeny, fa izany no tena mahasambatra ny fianakaviana.

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana no tokony hampiharan’ny lehilahy ny fahefana nomen’Andriamanitra azy?

• Ahoana no hanahafan’ny vehivavy an’i Jesosy?

• Inona no ianaran’ny ray aman-dreny avy amin’ny fomba nitondran’i Jesosy ny mpianany?

• Ahoana no hanahafan’ny ankizy sy ny tanora an’i Jesosy?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 8]

Inona no hataon’ny lehilahy be fitiavana, alohan’ny handraisany fanapahan-kevitra hisy vokany eo amin’ny ankohonany?

[Sary, pejy 9]

Ahoana no hampisehoan’ny vehivavy fa manaiky ny fahefan’ny vadiny izy?

[Sary, pejy 10]

Manahaka ny zavatra tsara ataon’ny ray aman-dreniny ny ankizy