Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sivifolo Taona Izao no ‘Nahatsiarovako An’ilay Mpamorona Be Voninahitra’

Sivifolo Taona Izao no ‘Nahatsiarovako An’ilay Mpamorona Be Voninahitra’

Sivifolo Taona Izao no ‘Nahatsiarovako An’ilay Mpamorona Be Voninahitra’

Notantarain’i Edwin Ridgwell

GAGA aho tamin’ny 11 Novambra 1918, fa nisy fety tao am-pianaranay. Hay tapitra tamin’io ny Ady Lehibe I. Vao dimy taona aho, ka tsy tena azoko ny anton’ilay fety. Efa nampianarina Baiboly anefa aho tao an-trano, ka fantatro fa tsy mety ny manao an’ilay izy. Nivavaka àry aho, nefa mbola natahotra be ihany ka nitomany. Na izany aza, dia tsy nandray anjara aho. Nanomboka teo aho no ‘nahatsiaro an’ilay Mpamorona Be Voninahitra.’—Mpito. 12:1.

Nifindra trano tany akaikin’i Glasgow, any Ekosy, izahay, taloha kelin’io. Niova ny fiainan’ny raiko, taorian’ny nandrenesany an’ilay lahateny hoe “Olona An-tapitrisany Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy.” Nianatra Baiboly izy mivady, ary nifampiresaka matetika momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fitahiana hoentin’izy io. Faly aho fa nampianarin’izy ireo ho tia sy hatoky an’Andriamanitra.—Ohab. 22:6.

Nanomboka nanompo manontolo andro

Tena naniry hanompo manontolo andro aho tamin’izaho 15 taona, na dia afaka nanao fianarana ambony aza. Nilaza anefa ny raiko hoe mbola kely loatra aho. Niasa birao àry aho aloha. Tena te hanompo manontolo andro anefa aho, ka nanoratra tany amin’i J. Rutherford, mba hahalalana ny heviny. Izy no niandraikitra ny asa fitoriana eran-tany tamin’izany. Nanoratra toy izao izy ny 10 Martsa 1928: “Matoa ianao efa afaka miasa, dia efa afaka manompo ny Tompo koa. ... Mino aho fa hotahiny ianao raha miezaka hatrany manompo azy.” Nisy vokany lehibe teo aminay mianakavy io taratasy io. Tsy ela dia lasa mpisava lalana i Dada, Neny, ny zokiko vavy, ary izaho.

Nanentana anay hitory ny vaovao tsara any an-tany hafa ny Rahalahy Rutherford, tamin’ny fivoriambe iray tany Londres, tamin’ny 1931. Vonona handeha aho, ka voatendry niaraka tamin’i Andrew Jack ho any Kaunas, renivohitr’i Litoania tamin’izany. Vao 18 taona aho tamin’izay.

Nitory tany an-tany hafa

Nahantra i Litoania tamin’izany. Tantsaha ny mponina tany. Tsy mora ny nitory tany ambanivohitra, satria sarotra ny nahita trano nipetrahana. Mbola nampijaly koa anefa izay trano mba hita. Taitra tampoka, ohatra, izahay sy Andrew indray alina, satria sady nangidihidy no nanaintaina. Nampirehetinay ny jiro solitany. Ireo fa feno kongona ny fandriananay! Voakaikitra hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia izahay! Nanaintaina be aho, ka tsy maintsy niroboka hatreny an-tenda tao amin’ny renirano iray isa-maraina, nandritra ny herinandro, na dia nangatsiaka be aza ilay izy. Tsy kivy anefa izahay. Tsy ela dia tsy nijaly intsony izahay, satria nisy mpivady nanaiky hianatra Baiboly, ary nampiantrano anay. Tery kely ny tranony, nefa madio. Marina fa natory tamin’ny tany izahay, nefa faly satria afa-doza!

Nanjakan’ny Katolika sy ny Ortodoksa Rosianina i Litoania tamin’izany. Ny mpanankarena ihany no nahavidy Baiboly. Nataonay izay hamitana faritany betsaka sy hametrahana boky maro araka izay azo atao amin’ny olona liana. Mitady trano hipetrahana aloha izahay rehefa tonga ao amin’ny tanàna iray. Itorianay avy eo ny tanàna kely rehetra manodidina azy io, ary mitandrina tsara izahay amin’izany. Aorian’izay vao mitory ao amin’ilay tanàna izahay. Vitainay haingana ilay izy, ka mazàna no tsy afaka manakorontana anay ny pretra.

Mbola tsy nitory firy dia efa nalaza!

Voantso hiasa tany amin’ny biraon’ny sampana tany Kaunas i Andrew, tamin’ny 1934. I John Sempey indray àry no niara-niasa tamiko. Nisy zavatra tsy hainay hadinoina mihitsy. Nitory tamin’ny mpisolovava iray aho, ohatra, indray andro. Tezitra anefa izy, ka nambanany basy aho sady noroahiny. Nivavaka mangina aho ka tsaroako ilay andinin-teny hoe: “Mampitony fahatezerana mafy ny valin-teny malefaka.” (Ohab. 15:1) Hoy àry aho taminy: “Tsy hoe hiady aho tompoko fa hitondra vaovao tsara, ka miangavy anao aho tsy hitifitra ahy.” Tsy nitifitra indray àry izy. Nihemotra moramora aho avy eo, ary lasa.

Rehefa nihaona izahay sy John, dia nitantara tamiko koa izy hoe nahita olana. Nentina tany amin’ny polisy izy satria voaendrikendrika hoe nangalatra vola be tamin’ny vehivavy iray niresahany! Nosavana hatrany anaty akanjony izy. Mazava ho azy fa tsy tany aminy ilay izy. Soa ihany fa hita avy eo ilay tena mpangalatra.

Mangingina io tanàna io, nefa niteraka resa-be tao ireo zava-nitranga ireo. Mbola tsy nitory firy akory àry izahay, dia efa nalaza!

Asa miafina

Voarara ny fitoriana tany Letonia, nefa nasaina nanatitra boky sy gazety tany izahay saika isam-bolana. Nandeha lamasinina tamin’ny alina izahay. Rehefa voatitra anefa ireo boky, dia mbola nisy hafa nalaina tany Estonia indraindray, ary tsy maintsy naterina tany Letonia koa.

Indray andro anefa, dia nisy nitoroka anay tany amin’ny mpiasan’ny doanina. Nasaina nivoaka ny lamasinina àry izahay, mba hitondra an’ireo boky tany amin’ny lehiben’ny doanina. Samy nivavaka izahay sy John. Gaga izahay avy eo fa tsy nolazain’ilay mpiasa tamin’ny lehibeny hoe gazety ara-baiboly ilay izy. Hoy fotsiny izy: “Mila mampahafantatra ny entana entiny ry zalahy ireto!” Nilaza àry aho hoe boky natao hanampiana ny mpianatra hahalala ny antony mahatonga ny olana eran-tany no nentinay. Navelan’ilay lehibe handeha izahay, ary tsy nisy nanelingelina intsony.

Nisy korontana tany Estonia sy Letonia ary Litoania, ary nihamafy izany tatỳ aoriana. Vao mainka àry tsy tian’ny olona ny Vavolombelon’i Jehovah, ka voarara koa ny asa fitoriana tany Litoania. Noroahin’ny fanjakana i Andrew sy John. Nasaina nody koa ny Anglisy rehetra, rehefa nanakaiky ny Ady Lehibe II. Tsy maintsy nandeha àry aho, na dia tsy nazoto aza.

Andraikitra sy fitahiana tany Irlandy Avaratra

Nifindra tany Irlandy Avaratra ry Dada, ka nankany aho tamin’ny 1937. Voarara koa ny bokintsika tany, noho ny ady. Mbola nitory foana anefa izahay. Tsy voasakantsakana intsony ny asa fitoriana taorian’ny Ady Lehibe II. Nampirisika anay hanao lahateny an-kalamanjana i Harold King. Mpisava lalana za-draharaha izy, ary lasa misionera tany Chine tatỳ aoriana. Hoy izy: ‘Izaho no hisantatra azy amin’ny asabotsy.’ Nijery ahy izy avy eo sady niteny hoe: ‘Dia ianao amin’ny heriny.’ Taitra be aho!

Mbola tsaroako tsara ilay lahateny nataoko. An-jatony no nihaino ahy. Nitsangana teo ambony zavatra avoavo aho, ary niteny mafy satria tsy nisy mikrô. Nisy rangahy nanatona ahy avy eo. Nifampiarahaba izahay, ary nilaza izy hoe Bill Smith no anarany. Nahita olona nitangorona, hono, izy, ka nanatona. Hay izy efa nitorian’ny dadanay, saingy tsy nihaona intsony ry zareo satria lasa nanao mpisava lalana tany Dublin ry Dada. Nampianariko Baiboly àry i Bill, ka lasa mpanompon’i Jehovah izy sy ny mpianakaviny valo.

Nitory tany amin’ny tanàna feno trano mihaja any Belfast aho, tatỳ aoriana, ary nametraka boky vitsivitsy tamin’ny vehivavy rosianina iray efa nipetraka tany Litoania. Notondroiny ny iray, ary hoy izy: “Efa nomen’ny dadatoako an’ity aho. Mpampianatra any amin’ny oniversiten’i Kaunas izy.” Nasehony ahy ilay boky. Ny boky Famoronana amin’ny teny poloney ilay izy. Efa feno soratra eny amin’ny sisim-pejy. Gaga be izy rehefa nilazako hoe izaho no nanome azy io ny dadatoany, tany Kaunas!—Mpito. 11:1.

Niangavy ahy hitsidika an’i Nellie zandriny vavy i John Sempey, rehefa reny hoe ho any Irlandy Avaratra aho. Te hianatra Baiboly mantsy i Nellie. Nampianatra azy àry izahay sy Connie anabaviko. Nandroso haingana izy, ary nanokan-tena ho an’i Jehovah. Nifankatia izahay tatỳ aoriana, ary nivady.

Niara-nanompo an’i Jehovah nandritra ny 56 taona izahay sy Nellie, ary faly satria nanampy olona zato mahery hahalala ny fahamarinana. Nanantena izahay hoe hiara-mahita ny Hara-magedona sy ny tontolo vaovao. Nindaosin’ny fahafatesana anefa izy tamin’ny 1998. Tena mafy ilay izy, ary anisan’ny fahoriana nangidy indrindra tamiko.

Niverina tany Litoania

Nahazo fitahiana hafa aho, herintaona taorian’ny nahafatesan’i Nellie. Nasaina nankany amin’ny sampan’i Estonia, ao Tallinn, aho. Nanoratra tamiko ny rahalahy tany hoe: “Ianao sisa no velona tamin’ireo rahalahy folo voatendry ho atỳ Estonia sy Letonia ary Litoania, taloha sy taoriana kelin’ny 1930.” Nilaza izy ireo avy eo fa eo am-panomanana lahatsoratra momba ny tantaran’ny asa fitoriana tany, ka te hanontany raha afaka mankany aho mba hanampy azy ireo.

Tena faly aho nitantara tamin’izy ireo ny fiainanay sy ny namako! Natoroko azy ireo, ohatra, ilay trano voalohany natao biraon’ny sampana tany Letonia, sy ilay efitra kely fanafenanay boky, tao ambany tafon’izy io. Tsy hitan’ny polisy mihitsy io efitra io. Nankany Litoania izahay avy eo, ary nentina tany Siauliai, tanàna kely nitoriako aho. Nisy rahalahy niteny tamiko tany hoe: “Nividy trano tany an-drenivohitra izahay sy mamanay, taona maro lasa izay. Nahita an’ilay boky hoe Ny Fandaharam-potoanan’Andriamanitra sy Ny Harpan’Andriamanitra izahay, rehefa nanadio ny efitra kely tao ambany tafo. Novakiko ireo, ary niaiky aho fa nahita ny fahamarinana. Mino aho fa ianao no nametraka an’ireo boky ireo tamin’ny olona tao!”

Namonjy fivoriamben’ny faritra tao amin’ny tanàna iray hafa nitoriako koa aho. Efa nanatrika fivoriambe tao aho, 65 taona talohan’io, ary 35 monja ny mpanatrika. Nahatratra 1 500 mahery anefa izahay tamin’ity! Faly be àry aho satria tena notahin’i Jehovah ny asa fitoriana!

‘Tsy nahafoy ahy i Jehovah’

Nahazo fitahiana hafakely aho vao haingana. Nanaiky ho vadiko mantsy i Bee, anabavy tena mahafinaritra. Tamin’ny Novambra 2006 ny mariazinay.

Miady saina ianareo tanora hoe inona no hataonareo any aoriana any. Araho ity torohevitry ny Baiboly ity, fa tena mahasoa: ‘Tsarovy ilay Mpamorona Be Voninahitra nanao anao, amin’ny andro fahatanoranao.’ Nankatò an’io aho, ka tena faly toy ny mpanao salamo, izay nilaza hoe: “Nampianatra ahy efa hatramin’ny fahatanorako ianao, Andriamanitra ô, ary hatramin’izao aho dia mbola manambara ny asanao mahatalanjona foana. Andriamanitra ô, aza mahafoy ahy, mandra-pahantitro sy mandra-pahafotsin’ny voloko, mandra-pilazako amin’ny taranaka manaraka fa mahery ny sandrinao, ary mandra-pilazako amin’ny taranaka ho avy rehetra ny fahatanjahanao.”—Sal. 71:17, 18.

[Sarintany, pejy 25]

(Jereo ny gazety)

Tsy mora ny nanatitra boky tany Letonia

ESTONIA

TALLINN

Hoalan’i Riga

LETONIA

RIGA

LITOANIA

VILNIUS

Kaunas

[Sary, pejy 26]

Vao 15 taona aho dia efa mpisava lalana tany Ekosy

[Sary, pejy 26]

Izahay sy Nellie tamin’ny mariazinay, 1942