Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tahafo i Jesosy ka Aoka Ianao ho Sahy Hitory

Tahafo i Jesosy ka Aoka Ianao ho Sahy Hitory

Tahafo i Jesosy ka Aoka Ianao ho Sahy Hitory

‘Nisikina herim-po izahay mba hitory taminareo ny vaovao tsara.’—1 TES. 2:2.

1. Nahoana no tena manintona ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana?

TENA mahafinaritra ny mandre vaovao tsara! Ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra no vaovao tsara indrindra. Manome toky izy io fa hifarana ny fijaliana, aretina, fanaintainana, alahelo, ary fahafatesana. Raha manaiky azy io ny olona iray, dia afaka manantena ny hahazo fiainana mandrakizay. Afaka mahalala ny fikasan’Andriamanitra sy mifandray tsara aminy koa izy. Mety hihevitra ianao hoe ho faly handre izany vaovao tsara notorin’i Jesosy izany ny rehetra. Tsy izany anefa no izy.

2. Hazavao ilay tenin’i Jesosy hoe: “Tonga aho hampisaraka.”

2 Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Aza mihevitra fa tonga hitondra fihavanana eto an-tany aho. Tsy tonga hitondra fihavanana aho fa hitondra sabatra. Fa tonga aho hampisaraka ny lehilahy amin’ny rainy, ny zanakavavy amin’ny reniny, ary ny vinantovavy amin’ny rafozambaviny. Ary ny ankohonan’ny olona ihany no ho fahavalony.” (Mat. 10:34-36) Tsy manaiky ny vaovao tsara ny ankamaroan’ny olona. Mitsangan-ko fahavalon’ireo mitory azy io ny sasany, na dia havany akaiky aza.

3. Inona no ilaintsika hananana mba hitoriana ny vaovao tsara?

3 Fahamarinana toy ilay notorin’i Jesosy no torintsika. Toy ny tamin’ny androny ihany ny fihetsiky ny olona rehefa mandre azy io. Efa ampoizintsika izany. Hoy mantsy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika ahy izy dia hanenjika anareo koa.” (Jaona 15:20) Tsy enjehina ny Kristianina any amin’ny tany maro, nefa esoin’ny olona izy ireo na tsy raharahainy. Mila finoana sy herim-po àry isika mba ho sahy hitory ny vaovao tsara foana.—Vakio ny 2 Petera 1:5-8.

4. Nahoana i Paoly no nila “nisikina herim-po” mba hitoriana?

4 Mety ho sarotra aminao indraindray ny manao fanompoana, na mampahatahotra anao ny lafiny sasany amin’izy io. Tsy ianao irery no toy izany. Olona sahy nitory sy nahalala tsara ny fahamarinana ny apostoly Paoly. Sarotra taminy anefa ny nitory indraindray. Hoy izy tamin’ireo Kristianina tany Tesalonika: “Rehefa avy nijaly sy nalam-baraka tany Filipy aloha izahay—araka ny efa fantatrareo—dia nisikina herim-po tamin’ny alalan’Andriamanitsika mba hitory taminareo ny vaovao tsaran’Andriamanitra, tao anatin’ny ady mafy.” (1 Tes. 2:2) Nasain’ireo manam-pahefana tany Filipy nokapohina tamin’ny hazo i Paoly sy Silasy. Natao am-ponja izy ireo avy eo, ary nogejaina tamin’ny boloky hazo. (Asa. 16:16-24) Na izany aza dia “nisikina herim-po” i Paoly sy Silasy mba hitoriana hatrany. Ahoana no anaovantsika toy izany? Mba hamaliana izany, dia hojerentsika hoe inona no nanampy ny mpanompon’Andriamanitra fahiny ho sahy hitory. Hojerentsika koa ny fomba hanahafana azy ireo.

Ilaina ny fahasahiana rehefa misy mankahala

5. Nahoana no nila nanana fahasahiana ireo olona tsy nivadika tamin’i Jehovah?

5 I Jesosy Kristy no modely tsara indrindra amin’ny fanehoana herim-po sy fahasahiana. Raha vao niandoha anefa ny tantaran’ny olombelona, dia efa nila fahasahiana foana ireo olona tsy nivadika tamin’i Jehovah. Nahoana? Taorian’ny fikomiana tany Edena mantsy, dia nanambara i Jehovah fa hifandrafy ny mpanompony sy ny mpanompon’i Satana. (Gen. 3:15) Niharihary izany rehefa novonoin’ny rahalahiny i Abela, lehilahy marina. Nankahalain’ny olona koa i Enoka, lehilahy tsy nivadika niaina talohan’ny Safodrano. Naminany izy fa ho avy Andriamanitra, hiaraka amin’ny anjeliny masina an’alinalina, mba hampihatra didim-pitsarana amin’ireo tsy matahotra azy. (Joda 14, 15) Tsy tian’olona izany hafatra izany. Halan’ny olona àry i Enoka, ka mety ho novonoiny mihitsy, raha tsy nohafohezin’i Jehovah ny androm-piainany. Nanana fahasahiana tokoa i Enoka!—Gen. 5:21-24.

6. Nahoana i Mosesy no nila fahasahiana rehefa niresaka tamin’i Farao?

6 Nila nanana fahasahiana koa i Mosesy rehefa niresaka tamin’i Farao. Tsy hoe solontenan’ireo andriamanitra fotsiny mantsy i Farao, fa noheverina ho andriamanitra mihitsy, zanak’ilay andriamanitra masoandro atao hoe Ra. Mety ho nivavaka tamin’ny sariny toa an’ireo Farao hafa izy. Nahery izy, nanambony tena, mafy loha, ary tsy nahazatra azy ny hoe hisy olona hilaza aminy izay tokony hataony. Tsy maintsy nankany amin’io lehilahy io anefa i Mosesy, izay mpiandry ondry nalemy fanahy. Niverimberina tany izy, na dia tsy nasaina sy tsy noraisina tsara aza. Inona no nolazainy? Hisy loza hitranga. Ary inona no nangatahiny? Ny hamelana an’ireo andevon’i Farao an-tapitrisany handao an’ilay tany! Tena nila fahasahiana tokoa i Mosesy!—Nom. 12:3; Heb. 11:27.

7, 8. a) Inona avy no zava-tsarotra natrehin’ireo olona tsy nivadika fahiny? b) Inona no nanampy an’ireo olona fahiny tsy hivadika fa hanaraka ny fivavahana marina foana?

7 Nandritra ny taonjato maro, dia nisy mpaminany sy mpanompon’Andriamanitra tsy nivadika fa nanaraka ny fivavahana marina foana. Tsy tia azy ireo ny tontolon’i Satana. Hoy i Paoly: “Notoraham-bato izy ireo, niharam-pitsapana, notsofana, maty ripaky ny sabatra, nirenireny nitafy hoditr’ondry sy hoditr’osy, sady tsy nanana na inona na inona, nizaka fahoriana, nampijalina.” (Heb. 11:37) Inona no nanampy azy ireo tsy hivadika? Resahin’i Paoly ao amin’ny andininy eo aloha kokoa hoe ahoana no nahazoan’i Abela, Abrahama, Saraha, ary ny hafa hery hiaretana. Hoy izy: ‘Tsy hitany ny fahatanterahan’ny fampanantenana, fa tazany lavitra [tamim-pinoana] kosa, ka faly niandrandra izany izy ireo.’ (Heb. 11:13) Nifantoka tamin’ny fampanantenan’i Jehovah koa ny mpaminany toa an’i Elia sy Jeremia ary ny olon-kafa tsy nivadika fahiny, ka azo inoana fa izany no nanampy azy hiaritra.—Tit. 1:2.

8 Nanantena hoavy sambatra sy mahafinaritra ireo olona tsy nivadika fahiny ireo. Ho lasa lavorary miandalana izy ireo rehefa hatsangana amin’ny maty, ary “hafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana”, amin’ny alalan’ny asa fisoronana ataon’i Kristy Jesosy sy ireo 144 000. (Rom. 8:21) Be herim-po koa ry Jeremia sy ny olon-kafa nanompo an’Andriamanitra, satria nahazo toky avy tamin’i Jehovah. Nampanantena an’i Jeremia mantsy izy hoe: “Tsy maintsy hiady aminao ireo, nefa tsy haharesy anao, satria ‘momba anao aho, mba hanafaka anao’, hoy i Jehovah.” (Jer. 1:19) Mahazo hery koa isika, rehefa misaintsaina ny fampanantenan’Andriamanitra momba ny hoavy sy ny toky omeny fa hiaro ny fifandraisantsika aminy izy.—Ohab. 2:7; vakio ny 2 Korintianina 4:17, 18.

Sahy nitory i Jesosy noho ny fitiavana

9, 10. Ahoana no nanehoan’i Jesosy fahasahiana teo anoloan’ny a) mpitondra fivavahana, b) andia-miaramila, d) mpisoronabe, e) Pilato?

9 Naneho fahasahiana tamin’ny fomba maro i Jesosy, ilay modelintsika. Tsy nanalefaka ny hafatra tian’Andriamanitra ho fantatry ny olona, ohatra, izy, na dia nankahala azy aza ireo manam-pahefana. Sahiny ny nampiharihary fa nihevi-tena ho marina sy nampianatra zavatra diso ireo mpitondra fivavahana. Meloka izy ireo, ka tsy niolakolaka mihitsy i Jesosy nilaza izany. Hoy izy, indray mandeha: “Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo mpihatsaravelatsihy! Fa ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay tsara tarehy erỳ etỳ ivelany, nefa ao anatiny feno taolam-paty sy izao karazam-pahalotoana rehetra izao. Tahaka izany koa ianareo: Miseho ho olo-marina amin’ny olona ianareo etỳ ivelany, nefa ao anatinareo dia feno fihatsarambelatsihy sy fandikan-dalàna.”—Mat. 23:27, 28.

10 Tsy natahotra nampahafantatra ny tenany i Jesosy tao amin’ny zaridainan’i Getsemane, rehefa tonga hisambotra azy ny andia-miaramila. (Jaona 18:3-8) Nentina teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy izy taorian’izay, ary nadinadinin’ny mpisoronabe. Fantany fa nitady hirika hamonoana azy ny mpisoronabe, nefa tsy natahotra izy nilaza fa izy no Kristy sady Zanak’Andriamanitra. Mbola nampiany hoe hahita azy “hipetraka eo ankavanan’Ilay Mahery” izy ireo ary ‘ho avy eny amin’ny rahon’ny lanitra izy.’ (Mar. 14:53, 57-65) Nijoro teo anoloan’i Pilato, izay afaka nanafaka azy, i Jesosy taorian’izay. Tsy namaly an’ireo fiampangana azy anefa izy. (Mar. 15:1-5) Nitaky herim-po avokoa izany.

11. Nahoana no mifandray ny fahasahiana sy ny fitiavana?

11 Izao kosa no nolazainy tamin’i Pilato: “Izao no nahaterahako, ary izao no nahatongavako ho amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.” (Jaona 18:37) Nirahin’i Jehovah hitory ny vaovao tsara i Jesosy, ary faly izy nanao izany satria tiany ilay Rainy any an-danitra. (Lioka 4:18, 19) Tia olona koa i Jesosy. Fantany fa sarotra ny fiainan’izy ireo. Sahy mitory koa isika, satria tena tia an’Andriamanitra sy ny olona.—Mat. 22:36-40.

Sahy mitory isika noho ny fanampian’ny fanahy masina

12. Inona no nahafaly an’ireo mpianatra?

12 Faly ireo mpianatra rehefa nisy mpianatra vaovao nanampy ny isan’izy ireo, herinandro maromaro taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. Jiosy sy olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy 3 000 teo ho eo mantsy no natao batisa, tao anatin’ny iray andro monja! Tonga avy tany amin’ny firenena maro izy ireo, mba hankalaza ny Pentekosta tao Jerosalema. Tsy maintsy ho niteraka resa-be izany! Hoy ny Baiboly: “Raiki-tahotra daholo ny olona, ary nisy zava-mahagaga sy famantarana maro natao tamin’ny alalan’ny apostoly.”—Asa. 2:41, 43.

13. Nahoana ireo rahalahy no nivavaka mba ho sahy hitory, ary inona no vokany?

13 Tezitra ireo mpitondra fivavahana ka nisambotra an’i Petera sy Jaona. Nogadrainy nandritra ny alina izy ireo, ary norarany tsy hitory momba an’i Jesosy. Nitantara izay nitranga tamin’ireo rahalahy izy ireo rehefa nafahana, ary nivavaka momba ilay fanoherana izy rehetra, nanao hoe: “Jehovah ô, ... ataovy izay hahatonga anay mpanomponao hitory ny teninao amim-pahasahiana be.” Inona no vokany? “Feno fanahy masina izy rehetra, ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamim-pahasahiana.”—Asa. 4:24-31.

14. Ahoana no anampian’ny fanahy masina antsika amin’ny asa fitoriana?

14 Mariho fa ny fanahy maherin’i Jehovah no nanampy ny mpianatra ho sahy hitory. Tsy noho ny herintsika manokana koa no ahavitantsika mitory amim-pahasahiana, indrindra fa amin’ny mpanohitra. Afaka manome ary hanome antsika ny fanahiny masina i Jehovah, raha mangataka aminy isika. Noho ny fanampian’i Jehovah, dia afaka maneho fahasahiana koa isika mba hahafahantsika hiaritra sy tsy hivadika rehefa misy fanoherana.—Vakio ny Salamo 138:3.

Sahy mitory ny Kristianina ankehitriny

15. Nahoana no lazaina fa mampisaraka ny olona ny fahamarinana ankehitriny?

15 Mbola mampisaraka ny olona ny fahamarinana ankehitriny, toy ny taloha ihany. Misy mandray tsara, fa ny hafa kosa sady tsy mahatakatra no tsy mankasitraka ny fivavahantsika. Tsikeraina sy esoina isika, na ankahalaina mihitsy aza, araka ny efa nolazain’i Jesosy. (Mat. 10:22) Milaza lainga sy manaratsy antsika ny fampitam-baovao, indraindray. (Sal. 109:1-3) Na izany aza, dia sahy mitory ny vaovao tsara ny vahoakan’i Jehovah eran-tany.

16. Inona no tantara mampiseho fa mety hiova hevitra ny olona rehefa sahy mitory isika?

16 Mety hiova ny fandraisan’ny olona an’ilay hafatra rehefa sahy mitory isika. Hoy ny anabavy iray any Kirghizistan: “Nilaza tamiko ny lehilahy iray nitoriako hoe: ‘Mino an’Andriamanitra aho fa tsy ny Andriamanitry ny Kristianina. Raha mbola miverina eto ianao, dia asaiko hohanin’ny alikako!’ Nisy alika be nifatotra tao aoriany. Rehefa tonga anefa ny fotoana nizarana an’ilay Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 37 hoe ‘Ho Ringana Tsy ho Ela ny Fivavahan-diso!’, dia niverina tao amin’ilay trano aho. Nanantena aho hoe olon-kafa no hamoha trano, kanjo mbola ilay lehilahy ihany. Nivavaka haingana tamin’i Jehovah aho, ary niteny hoe: ‘Manahoana tompoko! Tsaroako ilay resatsika telo andro lasa izay, ary tadidiko koa ny alikanao. Tsy tiako hodinganina anefa ny tranonao. Mino an’ilay tena Andriamanitra toa anao koa mantsy aho. Tsy ho ela izy dia hanasazy an’ireo fivavahana tsy manaja azy. Hahafantatra bebe kokoa momba izany ianao rehefa mamaky an’ity.’ Gaga aho fa noraisiny ilay taratasy mivalona. Nankao amin’ny trano iray hafa aho avy eo. Minitra vitsy taorian’izay, dia iny ilay lehilahy tamy nihazakazaka, ary teny an-tanany ilay Vaovao Momba Ilay Fanjakana. Hoy izy: ‘Efa voavakiko ity. Inona no tokony hataoko mba tsy hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra?’ ” Natomboka ny fampianarana Baiboly, ary nanomboka nanatrika fivoriana izy.

17. Nanampy mpianatra Baiboly tsy hatahotra intsony ny fahasahian’ny anabavy iray. Tantarao.

17 Mety hanjary ho sahy koa ny hafa rehefa sahy isika. Nandeha bisy ny anabavy iray tany Rosia, ary nanolotra gazety ho an’ny vehivavy iray teo akaikiny. Nitsangana tampoka ny lehilahy iray, nisintona an’ilay gazety teny an-tanan’ilay anabavy, namoriporitra an’ilay izy, ary nanipy azy io tamin’ny tany. Nanompa an’ilay anabavy izy, nanery azy hanome ny adiresiny, ary nandrara azy tsy hitory tao amin’ilay tanàna intsony. Nivavaka tamin’i Jehovah ilay anabavy mba hanampy azy, ary tsaroany ilay tenin’i Jesosy hoe: “Aza matahotra an’izay mamono mahafaty anareo.” (Mat. 10:28) Nitsangana ilay anabavy sady tony no nilaza hoe: “Tsy homeko anao ny adiresiko, ary mbola hitory eto an-tanàna ihany aho.” Nivoaka an’ilay bisy izy avy eo. Tsy fantany fa hay nisy vehivavy nampianariny Baiboly tao amin’ilay bisy. Tsy sahy namonjy fivoriana izy io noho ny tahotra olona. Nahita ny fahasahian’ilay anabavy anefa izy, ka tapa-kevitra ny hivory amin’izay.

18. Inona no hanampy anao ho sahy hitory toa an’i Jesosy?

18 Mila fahasahiana isika mba hitoriana toa an’i Jesosy, eto amin’ity tontolo lavitra an’Andriamanitra ity. Inona no hanampy anao amin’izany? Saintsaino ny hoavy. Hamafiso foana ny fitiavanao an’Andriamanitra sy ny olona. Mangataha herim-po amin’i Jehovah. Tadidio foana fa tsy irery ianao, satria momba anao i Jesosy. (Mat. 28:20) Hampahery anao koa ny fanahy masina. Ary hitahy sy hanampy anao i Jehovah. Aoka àry isika ho be herim-po sy hilaza hoe: “Jehovah no mpanampy ahy, ka tsy hatahotra aho. Inona moa no azon’ny olona atao amiko?”—Heb. 13:6.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana no mila manana fahasahiana ny mpanompon’Andriamanitra?

• Inona no ianarantsika avy amin’ny fahasahian’ny...

olona nahatoky fahiny?

Jesosy Kristy?

Kristianina voalohany?

Kristianina ankehitriny?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 21]

Sahy nampiharihary ny fahadisoan’ireo mpitondra fivavahana i Jesosy

[Sary, pejy 23]

Manome antsika herim-po hitoriana i Jehovah