Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahita Harena Nafenina

Nahita Harena Nafenina

Nahita Harena Nafenina

EFA nahita zava-tsarobidy tany amin’ny toerana tsy nampoizinao hahitana izany ve ianao? Izany no nitranga tamin’i Ivo Laud, Vavolombelon’i Jehovah any Estonia, tamin’ny 27 Martsa 2005. Nanampy an’i Alma Vardja, anabavy be taona iray, izy tamin’izay mba handrava ny trano fanatobiany entana, izay efa tranainy be. Nahita hazo fisaka nanarona ny lafiny iray tamin’ny andrin’ilay trano izy ireo, rehefa nandrava ny rindrina. Rehefa nesoriny ilay hazo dia hita fa noloahana ilay andry, ary mbola nosaronana hazo koa ilay loaka. Mirefy 10 santimetatra ny halalin’izy io, 10 santimetatra ny sakany, ary 1,2 metatra ny lavany. (1) Tao ilay zava-tsarobidy na ilay harena nafenina! Inona anefa izy io? Iza no nanafina azy tao?

Nisy fonosan-javatra maromaro tao. (2) Rehefa nosokafana izany dia hita fa lahatsoratra fianarana tao amin’ny Tilikambo Fiambenana ny ankamaroany, ary anisan’izany ireo nivoaka tamin’ny 1947. (3) Tamin’ny fiteny estonianina izy ireo, ary vita tamin’ny sora-tanana nokalina tsara. Fantatra avy tamin’ny taratasy tao amin’ny fonosan-javatra sasany hoe iza no nanafina azy ireo. Voarakitra tao ny fakana am-bavany an’i Villem Vardja, vadin’i Alma. Nisy fanazavana momba ireo taona maro nigadrany koa tao. Fa nahoana izy no nogadraina?

Nanana andraikitra teo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Tartu, any Estonia, i Villem Vardja, ary avy eo teo anivon’ny Fiangonana Otepää. Anisan’ny Repoblika Sosialista Sovietika teo aloha i Estonia tamin’izany. Talohan’ny Ady Lehibe II angamba izy no nahita ny fahamarinana. Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, tamin’ny 24 Desambra 1948, dia nosamborin’ny fitondrana kominista ny Rahalahy Vardja noho ny asa ara-pivavahana nataony. Nampijalin’ireo polisy miafina izy rehefa nalaina am-bavany, mba hanerena azy hilaza ny anaran’ireo mpiray finoana aminy. Nohelohina higadra folo taona tany amin’ny toby fitanana tany Rosia izy, rehefa tsy navela hiaro tena teo amin’ny fitsarana.

Tsy nivadika tamin’i Jehovah i Villem Vardja hatramin’ny nahafatesany tamin’ny 6 Martsa 1990. Tsy nahafantatra ny fisian’ireo lahatsoratra ireo mihitsy ny vadiny. Tiany ho voaro angamba i Alma, raha sendra misy famotopotorana. Nahoana i Villem no tsy maintsy nanafina an’ireo zavatra ireo? Satria matetika ny polisy miafina miaro ny fitondrana sovietika (KGB) no nisava tampoka ny tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hahitany raha nisy boky ara-pivavahana tao. Nanafina an’ireo lahatsoratra ireo angamba izy, mba hananan’ireo rahalahy sakafo ara-panahy raha lasan’ny KGB daholo ny boky sy gazety. Efa nisy lahatsoratra nafenina hafa koa hita teo antenatenan’ny 1990. Nisy, ohatra, hita tany Tartu, faritra atsimon’i Estonia, ary i Villem Vardja ihany no nanafina azy.

Nahoana ireo lahatsoratra ireo no lazaina fa harena? Ireo lahatsoratra voakaly sy tsara afina ireo mantsy dia mampiharihary fa tena sarobidy tamin’ireo Vavolombelona tamin’izany ny sakafo ara-panahy azony. (Mat. 24:45) Ary ianao? Sarobidy aminao koa ve ny sakafo ara-panahy azonao? Anisan’ireny Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny fiteny estonianina sy amin’ny fiteny hafa 170 mahery.