Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Izaho Mihitsy ve no Nifidy ny Fivavahako?

Izaho Mihitsy ve no Nifidy ny Fivavahako?

Izaho Mihitsy ve no Nifidy ny Fivavahako?

OLONA maro any Polonina no milaza amin’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe: “Efa io ny fivavahako hatramin’ny nahaterahako ka mandra-pahafatiko!” Hita amin’izany fa heverina ho toy ny lova navelan’ny ray aman-dreny ny fivavahana. Izany koa ve no fiheverana azy io, any amin’ny tany misy anao? Inona matetika no vokatr’izany fiheverana izany? Lasa fombafomba sady fanao mahazatra ny fianakaviana fotsiny ny fivavahana. Mety hihevitra toy izany koa ve ny Vavolombelon’i Jehovah izay nahalala ny fahamarinana avy tamin’ny ray aman-dreniny na raibe sy renibeny?

Tsy mba nihevitra toy izany i Timoty. Ny reniny sy ny renibeny no nanampy azy ho tonga mpino sy ho tia an’ilay tena Andriamanitra. “Mbola zazakely” i Timoty dia efa nahalala ny soratra masina. Tatỳ aoriana, dia niaiky toa an-dreniny sy renibeny izy fa ny Fivavahana Kristianina no marina. Noresena lahatra izy ary nino izay nolazain’ny Soratra Masina momba an’i Jesosy Kristy. (2 Tim. 1:5; 3:14, 15) Toy izany koa ankehitriny: Mety hiezaka mafy ny ray aman-dreny hanampy ny zanany ho lasa mpanompon’i Jehovah, nefa ny zanaka mihitsy no tokony haniry ho toy izany.—Mar. 8:34.

Ny tsirairay no tsy maintsy mandinika ary resy lahatra ka mino, raha tiany ny hanompo an’i Jehovah noho ny fitiavana sy tsy hivadika na inona na inona mitranga. Hanana finoana matanjaka sy tsy ho voahozongozona mihitsy izy amin’izay.—Efes. 3:17; Kol. 2:6, 7.

Ny andraikitry ny zanaka

Hoy i Albert, * izay notezaina tao anatin’ny fahamarinana: “Tena niaiky foana aho hoe ny Vavolombelon’i Jehovah no fivavahana marina. Sarotra tamiko anefa ny nanaiky an’izay nampianarin’izy ireo momba ny fitondran-tena.” Tanora mitovy hevitra aminy koa ve ianao? Nahoana raha miezaka mandinika ny fomba fiaina tian’Andriamanitra, ary finaritra manao ny sitrapony? (Sal. 40:8) Hoy i Albert: “Izao fotsiny no nataoko: Nivavaka tsy tapaka aho. Sarotra ilay izy tamin’ny voalohany, ary tsy maintsy nanery tena aho. Vetivety anefa dia takatro fa sarobidy amin’Andriamanitra aho, raha miezaka manao ny tsara. Nanjary vitako ny niova.” Haniry hanao izay takin’i Jehovah aminao àry ianao, raha miezaka hifandray akaiky aminy.—Sal. 25:14; Jak. 4:8.

Tsy hahafinaritra anao, ohatra, ny milalao baolina na manao fanatanjahan-tena hafa, raha tsy hainao na tsy fantatrao ny fitsipi-dalao. Raha efa hainao kosa ny fitsipika ary lasa havanana amin’ilay lalao ianao, dia tsy andrinao izay hilalaovana, ary mitady fotoana hanaovana izany mihitsy aza ianao. Toy izany koa eo amin’ny ara-panahy. Miezaha àry hanomana fivoriana, ary mandraisa anjara. Tena mety hampahery ny hafa ianao, na dia tanora aza!—Heb. 10:24, 25.

Toy izany koa ny asa fitoriana. Tokony hatao noho ny fitiavana izy io, fa tsy an-tery. Eritrereto àry hoe: ‘Fa maninona aho no te hiresaka amin’ny hafa momba an’i Jehovah? Inona avy no antony itiavako an’i Jehovah?’ Tokony hoheverinao ho Ray be fitiavana i Jehovah. Hoy izy tamin’ny alalan’i Jeremia: “Hitady ahy tokoa ianareo ka hahita ahy, satria hitady ahy amin’ny fonareo manontolo ianareo.” (Jer. 29:13, 14) Inona àry no tokony hataonao? “Tsy maintsy nanova ny toe-tsaiko aho”, hoy i Jakub. “Efa hatramin’izaho mbola kely no nandeha nivory sy nanompo. Nanjary fahazarana fotsiny anefa izany. Rehefa nahalala tsara kokoa an’i Jehovah sy nanjary nifandray akaiky taminy aho vao lasa tena tiako ny fahamarinana.”

Miankina be dia be amin’ny fanananao namana tsara sy mampahery ny fitiavanao manompo. “Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry”, hoy ny Ohabolana 13:20. Mitadiava àry namana tia manatratra tanjona ara-panahy sy finaritra manompo an’i Jehovah. Hoy i Jola: “Mampahery ahy ny mifandray amin’ny tanora maro tia manompo an’i Jehovah. Manjary mahafinaritra ahy foana izao ny manompo.”

Ny andraikitry ny ray aman-dreny

“Misaotra an’ireo ray aman-dreniko aho, fa nampianatra ahy momba an’i Jehovah izy ireo”, hoy i Jola. Miankina be amin’izay ataon’ny ray aman-dreny àry ny hahatonga ny ankizy hanao safidy tsara. Hoy ny apostoly Paoly: “Ianareo ray, ... tezao hatrany araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah [ny zanakareo].” (Efes. 6:4) Hita amin’izany torohevitra avy amin’Andriamanitra izany fa andraikitry ny ray aman-dreny ny mampianatra ny zanany momba ny fisainan’i Jehovah, fa tsy ny azy ireo. Tsy izay tanjona tianao hotratrarin’ny zanakao àry no tokony hampidirinao ao an-tsainy, fa ny hiaina mifanaraka amin’ny fikasan’i Jehovah. Tsara mihitsy raha manampy azy hanana izany tanjona izany ianao!

Azonao alentika tsikelikely ao an-tsain’ny zanakao ny tenin’i Jehovah, ary resahina aminy “na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha eny an-dalana, na mandry, na mifoha.” (Deot. 6:6 7) “Niresaka matetika momba ny endriny samy hafa amin’ny fanompoana manontolo andro izahay”, hoy i Ewa sy Ryszard, mpivady manan-janaka telo lahy. Inona no vokany? “Mbola kely izy telo lahy dia efa te hisoratra anarana amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Tonga mpitory izy ireo, ary nanapa-kevitra samirery ny hatao batisa. Nanompo tany amin’ny Betela sy nanao mpisava lalana izy ireo, taorian’izay.”

Tena tokony ho modely ny ray aman-dreny. Hoy i Ryszard: “Tapa-kevitra izahay fa tsy hanao mpitari-bato vilam-bava, ka hafa no ataonay any am-pivoriana, ary hafa ao an-trano.” Eritrereto àry hoe: ‘Inona no hitan’ny zanako eo amin’ny fomba fiainako? Hitany ve fa tena tia an’i Jehovah aho? Voamariny koa ve izany isaky ny mivavaka aho na mianatra samirery? Hitany eo amin’izay lazaiko momba ny mpiara-manompo sy izay fiheverako ny fanompoana, ny fialam-boly, ary ny fananana ara-nofo ve fa tia an’i Jehovah aho?’ (Lioka 6:40) Handinika ny fiainanao andavanandro ny zanakao, ary ho voamariny raha tsy manao araka izay lazainao akory ianao.

Tena ilaina koa ny fifehezana. Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza.” (Ohab. 22:6) Hoy i Ewa sy Ryszard: “Manokana fotoana hampianarana ny zanakay tsirairay izahay.” Anjaran’ny ray aman-dreny ny manapa-kevitra raha hampianariny tsirairay ny zanany, na tsia. Mila tadidina foana anefa hoe samy hafa ny ankizy ka tokony hampifanarahana amin’ny ankizy tsirairay ny fomba ampianarana azy. Tena ilaina àry ny mahay mandanjalanja. Tsy hilaza amin’ny zanakareo fotsiny, ohatra, ianareo hoe ratsy ny hira sy mozika sasany. Tokony hampianarinareo azy koa hoe ahoana no handraisana fanapahan-kevitra tsara, sy hitadiavana toro lalana ao amin’ny Baiboly.

Mety ho azon’ny zanakao tsara ny tianao hataony, ary zaza mpankatò no toa fahitanao azy. Tena vokatry ny fony ve anefa izany? Tadidio fa “toy ny rano lalina ny hevitra ao am-pon’ny olona, fa izay manana fahaiza-manavaka kosa mahay manovo azy ihany.” (Ohab. 20:5) Mahaiza àry mandinika sy mamantatra raha vao misy zava-dratsy mitady hamaka ao am-pon’ny zanakao, ary manaova zavatra avy hatrany. Aza manakiana azy, fa asehoy kosa hoe manahy ianao. Fidio tsara ny fanontaniana apetrakao. Aza be fanontaniana anefa, na izany aza. Hanohina ny fony ny fahitana fa miahy azy ianao. Ho afaka hanampy azy ianao amin’izay.

Ny andraikitry ny fiangonana

Ary inona no azon’ny fiangonana atao? Afaka manampy ny tanora ve izy ireo mba ho tia ny fahamarinana nianarany avy tamin’ny ray aman-dreniny? Marina fa andraikitry ny ray aman-dreny ny mitaiza tsara ny zanany, nefa afaka manampy azy ireo koa ny fiangonana, indrindra fa ny anti-panahy. Ny tanora manana ray na reny tsy Vavolombelona indrindra no tena mila ampiana.

Inona àry no azon’ny anti-panahy atao mba hanampiana ny tanora ho tia an’i Jehovah sy hahatsapa hoe sarobidy izy? Hoy i Mariusz, mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana iray any Polonina: “Tokony hiresaka foana amin’ny tanora ny anti-panahy, tsy rehefa misy olana ihany fa amin’ny fotoana hafa koa, ohatra hoe rehefa manompo, na aorian’ny fivoriana na rehefa miala voly.” Mba anontanio ny tanora hoe ahoana no fiheverany ny fiangonana. Lasa tia miaraka amin’ny mpiara-manompo sy mahatsapa ho anisan’ny fiangonana izy ireo, rehefa ampirisihina hilaza izay ao am-pony!

Ry anti-panahy, moa ve ianao miezaka hahalala tsara ny tanora eo anivon’ny fiangonana? Efa anti-panahy izao i Albert, voaresaka tetsy aloha. Niatrika fitsapana maro samihafa anefa izy, tamin’izy mbola zatovo. Hoy izy: “Nila fitsidihan’ny mpiandry aho, rehefa lehibebe kokoa.” Miahy ny tanora koa ny anti-panahy raha mivavaka mba hananan’izy ireny finoana matanjaka.—2 Tim. 1:3.

Tsara raha mazoto miara-miasa amin’ny fiangonana ny tanora. Mety ho variana mikatsaka tanjona eto amin’ity tontolo ity mantsy izy ireo, raha tsy izany. Afaka miara-manompo amin’izy ireny sy minamana aminy ve ianareo Kristianina be taona kokoa? Miaraha miala voly amin’ny tanora, mba hatokisany anareo sy hahatonga anareo ho namany. Nahatsiaro toy izao i Jola: “Be fiahiana ny rahavavy mpisava lalana iray. Tonga dia izy no tiako niarahana, rehefa nanomboka nankafy ny fanompoana aho.”

Anao ny safidy

Ry tanora, mieritrereta hoe: ‘Inona no tanjoko? Ny hatao batisa ve?’ Tokony ho vokatry ny fo tena tia an’i Jehovah ny fanapahan-kevitra toy izany, fa tsy hoe satria manao toy izany daholo ny mpianakavinao.

Enga anie ho lasa tena Namanao i Jehovah, ary ho maminao ny fahamarinana! Hoy i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany: ‘Aza miherikerika, fa izaho no Andriamanitrao.’ Hanampy anao foana i Jehovah, raha mbola namany koa ianao. Hanatanjaka anao izy, ary hohazoniny mafy amin’ny tanany ankavanana ianao.—Isaia 41:10.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Novana ny anarana sasany.

[Sary, pejy 4]

Miezaha hamantatra izay ao am-pon’ny zanakao

[Sary, pejy 6]

Tokony ho vokatry ny fo tena tia an’i Jehovah ny fanapahan-kevitra hatao batisa