Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lasa Nanana Tanjona Aho

Lasa Nanana Tanjona Aho

Lasa Nanana Tanjona Aho

Notantarain’i Gaspar Martínez

Toy izao ny tantarako: Lehilahy tambanivohitra nahantra, lasa nanan-karena rehefa nankany an-drenivohitra. Ho hitanareo anefa fa tsy tena ilay harena noeritreretiko no voangoko tany.

NIHALEHIBE tany Rioja, faritra avaratr’i Espaina aho, tamin’ny 1930 tany ho any. Ambanivohitra ilay izy, ary tsy dia namokatra ilay faritra. Nijanona tsy nianatra aho, tamin’izaho folo taona. Efa nahay namaky teny sy nanoratra aho, tamin’izay. Tany an-tsaha foana izahay fito mianadahy, niandry ondry na namboly teny amin’ireo sombin-tany kelinay.

Nahantra be izahay ka naniry mafy ny hanan-karena, ary nitsiriritra ny olona nanana kokoa noho izahay. Nomarihin’ny eveka iray anefa, indray mandeha, hoe ny tanànanay no “tanàna tia fivavahana indrindra ao amin’ny faritra iandraiketany.” Tsy noeritreretiny mihitsy, tamin’izany, hoe maro no hiala amin’ny Katolika.

Nitady fiainana tsara kokoa

Nanambady an’i Mercedes, mpiray tanàna taminay, aho. Tsy ela dia niteraka lahikely izahay. Nifindra teto Logroño, tanàn-dehibe tsy lavitra an’i Rioja izahay, tamin’ny 1957. Nifindra teto daholo koa ny havako, tatỳ aoriana. Vetivety dia hitako fa mety tsy hahita asa tsara karama aho, satria tsy ampy fahaizana. Tena nila tari-dalana aho tamin’izay. Nanomboka nikarokaroka tao amin’ny tranomboky teo an-toerana àry aho, na dia tsy tena fantatro akory aza izay notadiaviko.

Henoko tamin’ny radio fa misy Protestanta mampianatra Baiboly an-taratasy. Nataoko ilay fianarana, ary nantsoin-dry zareo aho rehefa vitako ilay izy. Nivavaka tany amin-dry zareo aho, ary vetivety dia hitako fa niady ireo lohandohany tao. Tsy niverina tany intsony aho, satria nihevitra fa toy izany daholo ny fivavahana.

Nazava tamiko ny fahamarinana

Notsidihin’i Eugenio, tovolahy Vavolombelon’i Jehovah, izahay tamin’ny 1964. Mbola tsy reko mihitsy ny momba an’io fivavahana io taloha. Tena te hiresaka momba ny Baiboly anefa aho tamin’izay. Nihevitra aho fa nahalala tsara ny Soratra Masina. Rehefa niresaka taminy aho, dia nanonona an’ireo andinin-teny vitsivitsy mba haiko tamin’izaho nianatra Baiboly an-taratasy. Niseho ho niaro ny fampianaran’ny Protestanta aho, nefa tsy tena nino azy ireny akory, raha ny marina.

Indroa izahay sy Eugenio no niady hevitra ela be. Niaiky aho, taorian’izay, fa tena nahay ny Tenin’Andriamanitra izy. Variana aho nijery ny fahaizany nitady an’ireo andinin-teny sy nanazava ny fampiharana azy. Tsy nahavita fianarana firy anefa izy raha ampitahaina amiko. Nasehony ahy avy ao amin’ny Baiboly fa andro farany izao, ary kely sisa ny Fanjakan’Andriamanitra dia hanova ny tany ho paradisa. Nahaliana ahy izany.—Sal. 37:11, 29; Isaia 9:6, 7; Mat. 6:9, 10.

Tonga aho dia nanaiky hianatra Baiboly. Toa vaovao be daholo izay nianarako ary nanohina ny foko. Fantatro amin’izay izao fa misy tanjona ny fiainana. Hitako ihany ilay zavatra notadiaviko! Lasa tsy te hanan-karena toy ny taloha intsony aho, ary nanjary maivana tamiko ny olana momba ny fitadiavana asa. Na ny aretina sy ny fahafatesana aza mantsy ho foana, mainka fa ny olana hafa?—Isaia 33:24; 35:5, 6; Apok. 21:4.

Nolazaiko tamin’ny havako avy hatrany izay nianarako. Nafana fo erỳ aho nanazava ny fampanantenan’Andriamanitra hanova ny tany ho paradisa, sy hoe hiaina mandrakizay eto ny olona tsy mivadika.

Nanaiky ny fahamarinana ny havako

Tsy ela dia nifamotoana tao amin’ny dadatoako izahay isaky ny alahady tolakandro, mba hiresaka momba ny fampanantenan’ny Baiboly. Nisy folo mahery izahay, ary niresaka nandritra ny adiny roa na adiny telo. Hitan’i Eugenio fa maro ny havako liana amin’ny Baiboly, ka nataony izay hianaran’ny fianakaviana tsirairay.

Nisy havanay koa tany Durango. Tanàna kely any amin’ny 120 kilaometatra izy io, ary tsy nisy Vavolombelona tany. Telo volana tatỳ aoriana, dia naka roa andro tsy hiasana aho mba hitsidika azy ireo sy hanazava ny zavatra vaovao inoako. Nifamory izahay isan-kariva tamin’izaho tany. Niresaka tamin’izy ireo mandra-paharainan’ny andro aho. Folo teo ho eo izahay, ary faly erỳ izy rehetra nihaino. Vetivety ihany aho no tany, ary nametraka Baiboly maromaro sy boky aman-gazety. Nifandray foana izahay, taorian’izay.

Rehefa tonga tany Durango ny Vavolombelona, dia efa nisy olona 18 naniry mafy hianatra Baiboly tany. Faly nampianatra ny fianakaviana tsirairay ireo Vavolombelona.

Mbola tsy nianatra Baiboly i Mercedes tamin’izany. Natahotra olona izy, fa tsy hoe tsy nekeny akory ny fampianaran’ny Baiboly. Voarara mantsy ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Espaina tamin’izany. Natahotra àry izy sao horoahin’ny manam-pahefana avy any am-pianarana ny zanakay roa lahy, ary hihatakatahan’ny olona izahay. Rehefa hitany anefa fa nanaiky ny fahamarinana daholo ny havanay, dia mba te hianatra koa izy.

Tao anatin’ny roa taona, dia 40 ny havako nanokan-tena ho an’Andriamanitra sy natao batisa ka lasa Vavolombelona. Nanjary nanana tanjona mitovy amin’ny ahy izy ireo. Tsapako fa tena nahavita zavatra aho. Notahina izahay ka nahazo harena ara-panahy be dia be.

Nihananankarena rehefa nandroso taona

Nifantoka tamin’ny fitaizana azy roa lahy aho, nandritra an’ireo 20 taona nanaraka, sady nanampy ny fiangonana. Tamin’izahay mivady nifindra teto Logroño, dia 20 teo ho eo fotsiny ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny mponina 100 000 teo ho eo. Tsy ela aho dia nahazo andraikitra maro teo anivon’ny fiangonana.

Nikatona tampoka ilay orinasa niasako, tamin’izaho 56 taona, ary lasa tsy an’asa aho. Nohararaotiko izany mba hanaovana mpisava lalana, satria efa ela aho no te hanompo manontolo andro. Kely ny vola fisotroan-dronono azoko isam-bolana, ka sahirana izahay. Niasa koa àry i Mercedes. Mpanadio trano no asany. Afaka namelona ny ankohonanay izahay, ary nanana izay tena nilainay foana. Mpisava lalana aho hatramin’izao, ary manao mpisava lalana mpanampy i Mercedes indraindray. Tena tia mitory izy.

Taona vitsivitsy lasa izay, dia nanatitra gazety tsy tapaka tany amin’ny tovovavy iray atao hoe Merche i Mercedes. Efa nianatra Baiboly i Merche tamin’izy mbola kely. Nahaliana azy ny gazetintsika, ary voamarik’i Mercedes fa mbola tia ny fahamarinana izy. Nanaiky hianatra Baiboly izy, nony farany, ary nandroso tsara. Mpisotro toaka be anefa i Vicente vadiny, ary very asa foana. Tsy afaka namelona an’i Merche àry izy, ary natahorana ho rava ny tokantranon’izy ireo.

Tian’i Mercedes hiresaka tamiko i Vicente, ka i Merche no nasainy niteny taminy. Nanaiky ihany i Vicente, tamin’ny farany. Rehefa avy notsidihina imbetsaka izy, dia nanaiky hianatra Baiboly. Niova izy: Tsy nisotro mihitsy izy nandritra ny andro maromaro, avy eo nandritra ny herinandro, ary nitohy hatrany izany, ka afaka tanteraka izy tamin’ny farany. Nihatsara ny endriny, ary lasa nifankatia izy mianakavy kely. Mipetraka any amin’ny Nosy Canaries izao izy mivady sy ny zanany vavy, ary manohana tsara an’ilay fiangonana kely any.

Manao jery todika

Efa maty ny sasany amin’ireo havanay nianatra Baiboly. Mitombo ihany anefa ny fianakavianay, ary tena notahin’Andriamanitra izahay. (Ohab. 10:22) Saiky ireo rehetra nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny 40 taona lasa, no mbola mpanompon’i Jehovah tsy mivadika hatramin’izao, miaraka amin’ny zanany sy ny zafikeliny. Mahafinaritra erỳ ny mieritreritra an’izany!

Be dia be izao ny havako Vavolombelona. Maro aminy no anti-panahy, mpanampy amin’ny fanompoana, na mpisava lalana. Manompo any amin’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Madrid, eto Espaina, ny zanako lahimatoa sy ny vadiny. Mbola 3 000 teo ho eo fotsiny ny mpitory teto Espaina, tamin’izaho lasa Vavolombelona, nefa efa 100 000 mahery izany izao. Tena tiako be ny fanompoana manontolo andro. Velom-pisaorana an’Andriamanitra koa aho, satria mahafa-po ahy ny fiainako fa nampiasaiko tamin’ny fanompoana azy. Tsy dia nahita fianarana aho, nefa afaka manao ny asan’ny mpiandraikitra ny faritra mpisolo toerana indraindray.

Lasa tany ngazana ilay tanàna nahabe ahy. Mahantra mantsy ny mponina rehetra tao, ka voatery nandao ny taniny sy ny tranony, ary nitady fiainana tsara kokoa. Soa ihany fa nahita harena ara-panahy ny ankamaroany, anisan’izany izaho. Nianaranay fa misy tanjona ny fiainana, ary tsy misy mahasambatra hoatran’ny manompo an’i Jehovah.

[Sary, pejy 32]

Ny ankamaroan’ny havan’ny Rahalahy Martínez, izay ao amin’ny fahamarinana