Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tahafo ny Fitiavan’i Kristy

Tahafo ny Fitiavan’i Kristy

Tahafo ny Fitiavan’i Kristy

“Tia ny mpianany izay eo amin’izao tontolo izao izy, eny, tiany hatramin’ny farany ireo.”—JAONA 13:1.

1, 2. a) Nahoana no miavaka ny fitiavan’i Jesosy? b) Inona avy no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

MODELY tonga lafatra i Jesosy, raha ny fitiavana no resahina. Hita tamin’ny teniny, ny fitondran-tenany, ny fampianarany, ary ny nanomezany ny ainy ho sorona, fa be fitiavana izy. Hatramin’ny faran’ny fiainany teto an-tany, dia nampiseho fitiavana foana izy, indrindra tamin’ny mpianany.

2 Miavaka tokoa ny fitiavan’i Jesosy ka tena mendrika hotahafina. Mandrisika antsika haneho fitiavana amin’ny mpiray finoana sy ny olon-kafa izany. Hodinihintsika izao hoe ahoana no nitondran’i Jesosy ny olona nanao fahadisoana lehibe, ary inona no azon’ny anti-panahy ianarana avy amin’izany. Hodinihintsika koa hoe ahoana no hanehoana fitiavana toy ny azy, rehefa misy sahirana, tra-boina, na marary.

3. Ahoana no nitondran’i Jesosy an’i Petera, na dia nanao fahadisoana lehibe aza izy?

3 Ny alina talohan’ny nahafatesan’i Jesosy, dia nanda azy intelo ny apostoly Petera. (Mar. 14:66-72) Namela ny helony anefa i Jesosy, rehefa nibebaka izy. Nomen’i Jesosy andraikitra lehibe mihitsy aza izy. (Lioka 22:32; Asa. 2:14; 8:14-17; 10:44, 45) Inona no ianarantsika avy amin’ny fomba nitondran’i Jesosy ny olona nanao fahadisoana lehibe?

Tahafo ny fomba nitondrany an’ireo nanao ratsy

4. Rahoviana ny anti-panahy no tena mila manana ny toe-tsain’i Kristy?

4 Tena ory isika rehefa misy havana na mpiray finoana hafa manao fahotana lehibe. Amin’izay indrindra anefa isika no tena mila manana ny toe-tsain’i Kristy. Mampalahelo fa vao mainka miharatsy fitondran-tena ny olona, arakaraka ny anatonan’ny faran’ny tontolon’i Satana. Manjaka mantsy ny fanahin’izao tontolo izao. Tsy miraharaha fitsipi-pitondran-tena ny olona. Mety hisy vokany eo amintsika rehetra izany, ka tsy ho tapa-kevitra ny hanao ny tsara intsony isika. Tsy maintsy noroahina tsy ho anisan’ny fiangonana ny olona sasany tamin’ny taonjato voalohany, ary ny hafa nanarina. Toy izany koa ankehitriny. (1 Kor. 5:11-13; 1 Tim. 5:20) Rehefa maneho fitiavana toy ny an’i Kristy anefa ny anti-panahy mandamina an’ireny raharaha ireny, dia mety hiova ilay nanao ratsy.

5. Inona no tokony hataon’ny anti-panahy manahaka an’i Kristy?

5 Mila manahaka an’i Jesosy ny anti-panahy, ka mampihatra ny fitsipik’i Jehovah foana. Asehon’izy ireo amin’izany fa malemy fanahy sy tsara fanahy ary be fitiavana toa an’i Jehovah izy. Raha tena mibebaka sy “torotoro fo” ilay nanao ratsy, dia mety tsy ho sarotra amin’ny anti-panahy ny “hanitsy azy amim-pahalemem-panahy.” (Sal. 34:18; Gal. 6:1) Ahoana anefa raha be famaliana ilay olona na tsy manenina mihitsy noho ny ratsy nataony?

6. Inona no tsy tokony hataon’ny anti-panahy amin’izay nanao ratsy, ary nahoana?

6 Mety ho tezitra ny anti-panahy na ny Kristianina hafa, rehefa mandà ny torohevitry ny Soratra Masina na manilika fahadisoana ny olona nanao ratsy. Mety ho sarotra amin’izy ireo ny hanindry fo, ka mety hamoaka izay rehetra ao am-pony izy. Fantany tsara mantsy ny ratsy vitan’ilay olona. Mitera-doza anefa ny fahatezerana ary mifanohitra amin’ny “sain’i Kristy.” (1 Kor. 2:16; vakio ny Jakoba 1:19, 20.) Tsy niolakolaka i Jesosy rehefa nananatra ny olona sasany tamin’ny androny. Tsy nanao teny maharary mihitsy anefa izy, na nilaza zavatra mampiseho fa halany ilay olona. (1 Pet. 2:23) Nataony fantatr’ilay olona kosa fa azony atao foana ny mibebaka sy mihavana amin’i Jehovah indray. Ny “hamonjy ny mpanota” mantsy no tena antony nahatongavan’i Jesosy teto an-tany.—1 Tim. 1:15.

7, 8. Inona no toe-tsaina tokony hananan’ny anti-panahy mikarakara raharaha ara-pitsarana?

7 Ahoana àry no tokony hiheverantsika an’ireo mila famaizana, rehefa jerena ny nataon’i Jesosy? Tadidio fa milaza ny Baiboly hoe tokony hofaizina izay nanao ratsy. Natao hiarovana ny andian’ondry izany, ary mety hampibebaka an’ilay nanao ratsy. (2 Kor. 2:6-8) Mampalahelo fa tsy mibebaka ny sasany ka tsy maintsy roahina. Soa ihany anefa fa maro amin’izy ireny no miverina amin’i Jehovah sy ny fiangonana atỳ aoriana. Mora kokoa amin’ilay olona ny miova sy miverina, rehefa manahaka ny toe-tsain’i Kristy ny anti-panahy. Azo antoka mantsy fa ho tsaroany foana ny fanajana sy ny fitiavana nasehon’ny anti-panahy taminy, na dia mety tsy ho tadidiny daholo aza ny torohevitra nomen’izy ireo azy.

8 Tena ilain’ny anti-panahy àry ny maneho “ny vokatry ny fanahy”, indrindra fa ny fitiavana, na dia mandà torohevitra aza ilay nanao ratsy. (Gal. 5:22, 23) Tsy tokony ho maika handroaka azy izy ireo. Tokony hasehony kosa fa te hanampy an’ilay olona izy. Inona no ho vokany? Hankasitraka lalina an’i Jehovah sy ireny “lehilahy ho fanomezana” ireny ilay olona rehefa mibebaka, satria nataon’izy ireo izay hahamora ny fiverenany.—Efes. 4:8, 11, 12.

Rehefa misy sahirana na tra-boina

9. Ahoana no nanehoan’i Jesosy fitiavana tamin’ny mpianany?

9 Tantarain’i Lioka fa nisy fomba hafa koa nanehoan’i Jesosy fitiavana, ary niavaka ilay izy. Fantany fa hataon’ny Romanina fahirano i Jerosalema, ka tsy ho afa-mandositra ny mponina ao. Nampitandrina ny mpianany àry izy hoe: “Rehefa hitanareo fa misy miaramila mitoby manodidina an’i Jerosalema, dia fantaro fa manakaiky ny fandravana azy.” Inona no tokony hataon’izy ireo? Nanome toromarika mazava i Jesosy hoe: “Koa izay any Jodia, aoka handositra any an-tendrombohitra, ary izay ao Jerosalema aoka hiala ao, ary izay eny ambanivohitra aoka tsy hiditra ao Jerosalema intsony. Fa andro famaliana izany, mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra.” (Lioka 21:20-22) Nanaraka an’izany ny Kristianina nankatò, rehefa lasa ny Romanina izay nitoby nanodidina an’i Jerosalema, tamin’ny taona 66.

10, 11. Inona no azontsika ianarana avy amin’izay nataon’ny Kristianina voalohany?

10 Nila nifaneho fitiavana ireo Kristianina, rehefa niala tao Jerosalema. Azo antoka fa nifampizara izay nananany izy ireo. Mbola ho tanteraka fanindroany anefa ilay faminanian’i Jesosy. Hoy mantsy izy: “Hisy fahoriana lehibe izay mbola tsy nisy toa azy hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.” (Mat. 24:17, 18, 21) Mety ho sahirana na tsy hanana izay ilaina eo amin’ny fiainana isika, aloha sy mandritra ny “fahoriana lehibe.” Hahavita hiaritra anefa isika raha manana ny toe-tsain’i Kristy.

11 Mila manahaka an’i Kristy isika amin’izay, ka tsy ho tia tena fa haneho fitiavana. Hoy i Paoly: “Aoka isika samy hanao izay mahafaly ny namany amin’izay tsara, dia izay mampahery azy. Na i Kristy aza mantsy tsy nanao izay nahafaly ny tenany. ... Ilay Andriamanitra manome fiaretana sy fampiononana anie hahatonga anareo samy hanana ilay toe-tsaina mitovy amin’izay nananan’i Kristy Jesosy.”—Rom. 15:2, 3, 5.

12. Tokony hanao ahoana ny fifankatiavantsika, ary nahoana?

12 Efa nanehoan’i Jesosy fitiavana i Petera, ka nampirisika ny Kristianina ‘hankatò ny fahamarinana’ sy haneho “fitiavan-drahalahy tsy misy fihatsarambelatsihy.” Mila ‘mifankatia fatratra amin’ny fo’ izy ireo. (1 Pet. 1:22) Amin’izao andro farany izao indrindra isika no tena mila miezaka hanana izany toetra izany, satria mihasahirana ny vahoakan’Andriamanitra. Tsy tokony hiantehitra amin’ity tontolo ity isika. Efa misy olana ara-bola lehibe mantsy izao eran-tany. (Vakio ny 1 Jaona 2:15-17.) Vao mainka kosa isika tokony hanatona an’i Jehovah sy hanamafy ny fifankatiavantsika eo anivon’ny fiangonana, satria mihamanatona ny farany. Hoy i Paoly: “Aoka ianareo hifaneho firaiketam-po lalina raha ny amin’ny fitiavan-drahalahy. Aoka ianareo ho loha laharana raha ny amin’ny fifanomezam-boninahitra.” (Rom. 12:10) Hoy koa i Petera: “Ambonin’ny zavatra rehetra, dia mifankatiava fatratra, satria manarona fahotana maro be ny fitiavana.”—1 Pet. 4:8.

13-15. Ahoana no nampisehoan’ny rahalahy sasany fa be fitiavana toa an’i Kristy izy?

13 Malaza ho tena mifankatia ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. Diniho ny nataon’izy ireo tamin’ny 2005, rehefa nisy rivo-doza nifanesy nandrava toerana maro tany amin’ny faritra atsimon’i Etazonia. Nanohina ny fon’izy ireo ny fitiavan’i Jesosy, ka 20 000 mahery no nirotsaka an-tsitrapo mba hanampy an’ireo rahalahiny tra-boina. Maro no nahafoy trano tsara tarehy sy asa raikitra, mba hanaovana izany.

14 Tany amin’ny faritra iray, dia niditra 80 kilaometatra an-tanety ny ranomasina, ary nahatratra 10 metatra ny haavon’ny rano. Potika tanteraka ny ampahatelon’ny trano tao amin’ilay faritra, rehefa nisintona ny rano. Tonga mba hanampy àry ny Vavolombelona avy any amin’ny firenena samihafa. Nitondra fitaovam-panorenana sy fitaovana hafa izy ireo. Vonona hampiasa ny fahaizany sy hanao izay asa rehetra nilaina natao koa izy ireo. Nisy mpirahavavy maty vady nanangona ny fananany ho ao anaty kamiao kely, ary nandeha 3 000 kilaometatra mba hanampy ny komitin’ny vonjy rano vaky. Mbola any izao ny iray amin’izy ireo, sady manao mpisava lalana maharitra.

15 Trano 5 600 mahery no natsangana indray na namboarina. Vavolombelona na olon-kafa no tompon’izy ireny. Nanao ahoana ny fihetseham-pon’izy ireo noho izany fanehoam-pitiavana lehibe izany? Nisy anabavy iray voatery nifindra tao anaty tranofiara kely, rehefa potika ny tranony. Nitete anefa ny tafon’ilay tranofiara ary simba ny fatana tao. Nanorenan’ireo rahalahy trano tsotsotra sy mahafinaritra àry izy. Nijoro teo anoloan’ilay tranony vaovao ilay anabavy ary nitomany. Velom-pankasitrahana an’i Jehovah sy ireo rahalahy mantsy izy. Maro tamin’ireo Vavolombelona tra-boina koa anefa no mbola nijanona tany amin’ny toerana vonjimaika nametrahana azy, nandritra ny herintaona na maherin’izany, na dia efa vita aza ny tranony. Nahoana? Navelany hipetrahan’ireo mpiasa an-tsitrapo ny tranony. Tena manana ny toe-tsain’i Kristy izy ireo!

Rehefa misy marary

16, 17. Inona no tokony hataontsika amin’ny marary, raha manahaka ny toe-tsain’i Kristy isika?

16 Vitsivitsy amintsika ihany no efa niharam-pahavoazana vokatry ny hetraketraky ny natiora. Mety harary daholo anefa isika na ny havantsika. “Nanasitrana izay rehetra narary” nentin’ny vahoaka teo aminy i Jesosy. Nangoraka ny marary izy, noho ny fitiavany. Tena tsara hotahafina ny toe-tsainy!—Mat. 8:16; 14:14.

17 Tsy mahavita fahagagana toy ny nataon’i Jesosy ny Kristianina ankehitriny. Manahaka an’i Jesosy anefa izy ireo, ka mangoraka ny marary. Ahoana no ampisehoany izany? Manao fandaharana mba hanampiana ny marary eo anivon’ny fiangonana, ohatra, ny anti-panahy, ary manara-maso izany. Maka lesona avy amin’ny Matio 25:39, 40 mantsy izy ireo. * (Vakio.)

18. Ahoana no nampisehoan’ny anabavy roa ny fitiavany, ary inona no vokany?

18 Mazava ho azy fa tsy ny anti-panahy ihany no tokony hanao soa. Diniho ny zava-nitranga tamin’i Charlene, 44 taona. Voan’ny kansera izy, ary nilazana fa ho faty afaka folo andro. Nanolo-tena hanampy azy andro aman’alina ny anabavy roa atao hoe Sharon sy Nicolette. Hitan’izy ireo mantsy fa nila fikarakarana izy, sady tena reraka ny vadiny. Nampiseho fitiavana hatramin’ny farany izy mirahavavy, na dia iray volana sy tapany tatỳ aoriana aza vao maty i Charlene. Hoy i Sharon: “Mafy ny mieritreritra hoe tsy ho sitrana intsony ilay olona karakarainao. Nanatanjaka anay anefa i Jehovah. Nanjary akaiky kokoa azy sy nifankatia kokoa izahay.” Hoy ny vadin’i Charlene: “Tsy hohadinoiko mihitsy ny nanampian’izy mirahavavy anay. Tena tsara fanahy izy ireo. Tsy nila tambiny izy ireo sady nampahery foana, ka mora kokoa tamin’i Charlene ny niatrika ny fitsapana nahazo azy. Nanampy ahy tsy ho reraka loatra sy tsy ho kivy be koa izany. Tsy ho faty ato am-poko mihitsy ny nataon’izy mirahavavy. Nampitombo ny finoako an’i Jehovah sy ny fitiavako an’ireo rahalahy rehetra ao amin’ny finoana ny fahafoizan-tenan’izy ireo.”

19, 20. a) Inona avy ny toe-tsain’i Kristy nianarantsika? b) Tapa-kevitra ny hanao inona ianao?

19 Nandinika ny toe-tsain’i Jesosy isika, tato amin’ity lahatsoratra ity sy ireo teo aloha. Nianarantsika koa hoe ahoana no hanahafana ny toe-tsainy sy ny fomba fanaovany zavatra. Aoka àry isika ‘halemy fanahy sy hanetry tena’ toa azy. (Mat. 11:29) Miezaha ho tsara fanahy amin’ny hafa, na dia nanao fahadisoana aza izy. Aoka isika ho be herim-po sy hankatò izay rehetra takin’i Jehovah, na dia eo aza ny fitsapana.

20 Farany, aoka ianao haneho fitiavana, toy ny an’i Kristy. Tiavo “hatramin’ny farany” ny rahalahy rehetra. Izany no ahafantaran’ny olona fa tena Kristianina isika. (Jaona 13:1, 34, 35) “Aoka haharitra ny fitiavanareo ny rahalahy.” (Heb. 13:1) Aza misalasala àry maneho fitiavana! Ampiasao hiderana an’i Jehovah sy hanampiana ny hafa ny fiainanao! Hotahin’i Jehovah ianao, raha miezaka manao izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 17 Jereo ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah, pejy 131-132, sy ny bokikely Miambena Hatrany!, pejy 30-31, fehintsoratra 15-16.

Hainao Hazavaina Ve?

• Inona no azon’ny anti-panahy atao mba hanahafana an’i Kristy, rehefa misy manao ratsy?

• Nahoana no tena ilaina ny maneho fitiavana toy ny an’i Kristy amin’izao andro farany izao?

• Inona no tokony hataontsika amin’ireo marary, raha manahaka ny toe-tsain’i Kristy isika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 17]

Tian’ny anti-panahy hiverina amin’i Jehovah ny olona nanao ratsy

[Sary, pejy 18]

Inona no toe-tsain’i Kristy notahafin’ireo Kristianina niala tao Jerosalema?

[Sary, pejy 19]

Malaza ho tena mifankatia ny Vavolombelon’i Jehovah