Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Inona no tian’ny Ohabolana 24:27 holazaina?

Izao no voalaza ao: “Karakarao ny asanao eny ivelany, ary ataovy vonona ny eny an-tsaha. Avy eo, dia karakarao koa izay ilain’ny ankohonanao.” Torohevitra nomen’Andriamanitra ho an’ny tovolahy io. Ny tiana holazaina amin’izy io dia hoe mila vonona tsara ny lehilahy alohan’ny hanorenany tokantrano, satria andraikitra lehibe izany.

Izao no nanazavana an’io andininy io taloha: Mila miasa tsara ny lehilahy manambady, nefa tsy izay ihany fa mila mampahery ny ankohonany koa. Mila mampianatra azy ireo momba an’Andriamanitra, ohatra, izy. Tsy maintsy manao an’ireo tokoa ny lehilahy, raha ny Soratra Masina no jerena. Tsy izay anefa no tena tian’io andininy io holazaina. Nahoana? Ireto misy antony roa:

Voalohany, tsy miresaka momba ny fampaherezana ankohonana io andininy io, ary tsy natao ho an’ny lehilahy efa manan-tokantrano. Midika hoe “manao trano” mantsy ilay teny hebreo nadika hoe ‘mikarakara izay ilain’ny ankohonana’, ka azo adika koa hoe manorin-tokantrano.

Faharoa, misy teny hoe “avy eo” ao amin’ilay andininy. Raha natao ho an’ny lehilahy manambady àry izy io, dia midika hoe mila miasa aloha izy, ary “avy eo” vao mampianatra ny ankohonany. Tsy izay anefa no didin’Andriamanitra! Ny fampianarana ny ankohonana no tokony hatao aloha, vao ny asa.

Fahiny, dia nila nieritreritra ny lehilahy te hanorin-tokantrano hoe: ‘Efa vonona hamelom-bady aman-janaka ve aho?’ Tsy tokony hanorin-tokantrano izy raha tsy niasa aloha, izany hoe nikarakara tsara ny sahany na ny voliny. Toy izao àry no nandikan’ny Baiboly Dikan-teny Anglisy Ankehitriny ny Ohabolana 24:27: “Aza mbola manao trano sy manorin-tokantrano raha tsy efa voasa ny sahanao, ary efa azonao antoka fa mahavelon-tena ianao.” Mbola marina ve izany ankehitriny?

Eny. Mila vonona tsara izay lehilahy te hanambady. Andraikitra lehibe mantsy izany. Mila miasa izy, raha mbola tsy kilemaina be na marary mafy. Tsy izay ihany anefa. Mila vonona haneho fitiavana amin’ny ankohonany sy hampianatra azy ireo momba an’Andriamanitra izy. Milaza mantsy ny Baiboly fa ratsy noho ny tsy mino izay tsy manao an’ireo! (1 Tim. 5:8) Mila mieritreritra àry izay tovolahy te hanorin-tokantrano hoe: ‘Efa mahavelom-bady aman-janaka ve aho? Ho vitako ve ny hampirisika azy ireo hanompo an’Andriamanitra? Ho vitako ve ny hampianatra Baiboly tsy tapaka azy ireo?’ Asongadin’ny Baiboly fa tsy maintsy atao izany.—Deot. 6:6-8; Efes. 6:4.

Saintsaino tsara àry ny Ohabolana 24:27, raha tovolahy ianao ary mitady vady. Mila mandini-tena koa ny tovovavy raha vonona hiantsoroka ny andraikitry ny vehivavy manambady sy ny reny. Mila mieritreritra tsara koa izay te hanan-janaka. (Lioka 14:28) Handray soa ny mpanompon’Andriamanitra manao izany, satria tsy hanenina ary hanana tokantrano sambatra.

[Teny notsongaina, pejy 12]

Inona no mila eritreretin’ny tovolahy te hanambady?