Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fivoriambe Telo Nanova ny Fiainako

Fivoriambe Telo Nanova ny Fiainako

Fivoriambe Telo Nanova ny Fiainako

Notantarain’i George Warienchuck

EFA nisy fivoriambe tena nanohina ny fonao ve ka nahatonga anao hanao fiovana lehibe? Izany no nitranga tamiko. Fivoriambe telo no tena nanova ny fiainako, rehefa manao jery todika ny lasa aho. Nanampy ahy tsy dia ho saro-kenatra ilay voalohany, nanampy ahy hahay hianina kokoa ilay faharoa, ary nanampy ahy ho tia manome kokoa ilay fahatelo. Aleo anefa aloha hohazavaiko aminareo ny zavatra sasany nitranga tamiko, tamin’izaho mbola kely.

Teraka tamin’ny 1928 aho. Telo mianadahy izahay, ary izaho no farany. Nihalehibe tao South Bound Brook, eto Etazonia, izahay sy ireo anabaviko, dia i Margie sy Olga. Roa arivo teo ho eo ny mponina tao tamin’izany. Nalala-tanana i Neny na dia nahantra aza izahay. Nanao sakafo manokana izy raha vao nanam-bola kely, ary nizara izany tamin’ny mpiray tanàna. Notsidihin’ny Vavolombelona miteny hongroà i Neny tamin’izaho sivy taona. Nihaino tsara izy satria nampiasa ny fitenin-drazany izy ireo. Anabavy 20 taona mahery kely atao hoe Bertha avy eo no nanohy nampianatra Baiboly azy, ka nanampy azy ho lasa mpanompon’i Jehovah.

Tsy mba nanahaka an’i Neny aho fa saro-kenatra sy tsy natoky tena. Nanampy trotraka an’izany koa ny fanakianana lava nataony. Nitomany aho indraindray niteny taminy hoe: “Fa maninona aho no kianin’i Neny foana?” Nilaza izy fa tiany aho nefa tsy tiany hihevi-tena ho ambony. Tsara fikasa i Neny, nefa lasa nihevi-tena ho tsy misy dikany aho satria tsy mba nisy nidera mihitsy.

Nisy olona tsara fanahy teo akaikinay nangataka ahy hitondra ny zanany hanao Sekoly Alahady. Fantatro fa tsy hahafaly an’i Jehovah izany nefa matin-kenamaso aho ka nanaiky ihany. Nankany am-piangonana nandritra ny volana maromaro aho, na dia nanelingelina ny saiko aza izany. Nisy zavatra nampiady saina ahy koa tany am-pianarana. Nasiaka be ny talenay ka nasainy nanara-maso anay ankizy ny mpampianatra sao nisy tsy nanangan-tsaina. Natahotra aho ka nanangan-tsaina koa nandritra ny herintaona teo ho eo. Nisy zava-niseho tampoka anefa.

Nianatra ny hanana herim-po

Nasiana fianarana boky tao an-tranonay nanomboka tamin’ny 1939. Mpisava lalana tanora antsoina hoe Ben Mieszkalski no mpitarika. Nantsoinay hoe Big Ben izy satria ngeza be. Mitovy amin’ny haben’ny varavarambenay no fahitako azy. Tena tsara fanahy anefa izy sady nitsikitsiky mahafinaritra, ka tonga dia tsy nihafahafa taminy aho. Faly erỳ aho nasainy nanompo niaraka taminy ka nanaiky. Lasa mpinamana izahay. Rehefa kivy aho, dia niresaka tamiko toy ny zokilahy miresaka amin’ny zandriny izy. Nisy vokany teo amiko izany, ka lasa tiako be izy.

Nasain’i Ben hiaraka aminy hamonjy fivoriambe tany Saint Louis, Missouri, izahay mianakavy tamin’ny 1941. Nanana fiara mantsy izy. Faly erỳ aho hoe handeha any amin’ny 1 500 kilaometatra mahery, satria 80 kilaometatra miala ny trano no toerana lavitra indrindra mba nalehako! Nisy olana anefa. Tsy navelan’ny mpitondra fivavahana tany Saint Louis hampiantrano Vavolombelona ny mpiangona tao aminy, nefa efa nanaiky hanao izany. Maro àry ny tompon-trano niova hevitra. Norahonana koa ilay fianakaviana tokony hivantananay, nefa mbola nampiantrano anay ihany. Tsy hivadika amin’ny fampanantenany, hono, izy. Nampiaiky volana ahy ny herim-pon-dry zareo.

Natao batisa tamin’io fivoriambe io ireo anabaviko. Ny androtr’iny koa, dia nanao lahateny nampientam-po ny Rahalahy Rutherford, avy ao amin’ny Betelan’i Brooklyn. Nasainy nitsangana ny ankizy rehetra te hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Nitsangana aho, niaraka tamin’ny ankizy 15 000 teo ho eo. Nasainy niteny hoe “Eny” izay ankizy te hanao ny fara heriny amin’ny fitoriana. Niara-niredona hoe “Eny” izahay. Nirefodrefotra ny tehaka. Nahazo hery amin’izay aho!

Nitsidika rahalahy tany Virginie Andrefana izahay, taorian’ilay fivoriambe. Notantarainy anay hoe nitory izy indray mandeha, ary nisy vahoaka romotra nikapoka azy sady nandraraka godorao sy volom-borona taminy. Nangitakitaka be aho nihaino azy. “Fa izaho aloha mbola hitory foana e!”, hoy izy. Rehefa niala teo izahay dia vonona ny hifanatrika amin’ilay talenay aho, toa an’i Davida tamin’izy hiady amin’i Goliata.

Nohatoniko ilay tale, rehefa niverina nianatra aho. Nivandravandra tamiko izy. Nivavaka mangina tamin’i Jehovah aho, ary niteny hoe: “Avy namonjy fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Tsy hanangan-tsaina intsony aho!” Tsy namaly aloha izy. Menan’ny hatezerana ny tarehiny, ary nitsangana moramora avy teo amin’ny biraony izy ka nanatona ahy. Hoy izy nitrerona: “Horoahiko ialahy raha tsy manangan-tsaina!” Tsy nilefitra intsony aho tamin’izay, ary nahatsiaro hoe faly tsy nisy hoatr’izany.

Tsy andriko izay hitantarana an’ilay izy amin’i Ben. Vao hitako tany amin’ny Efitrano Fanjakana izy, dia nikiakiaka aho hoe: “Voaroaka tany am-pianarana aho fa tsy nanangan-tsaina!” Nitsiky izy namihina ahy sady niteny hoe: “Tian’i Jehovah leisy ialahy a!” (Deot. 31:6) Nampahery ahy tokoa izany, ary natao batisa aho tamin’ny 15 Jona 1942.

Nianatra nianina

Nihatsara tampoka ny fari-piainan’ny olona tatỳ, taorian’ny Ady Lehibe II, ka lasa tia nanangon-karena ny olona. Tsara karama aho ka afaka nividy zavatra tsy noeritreretiko ho voavidiko mihitsy. Ny namako sasany nividy môtô, ny hafa nanavao ny tranony, izaho kosa nividy fiara vaovao. Tsy ela aho dia variana nikatsaka harena ka lasa an-tsirambina ny fanompoako. Fantatro fa tsy nety izany. Soa ihany fa nanampy ahy hanitsy ny fomba fisainako ny fivoriambe tany New York, tamin’ny 1950.

Nampirisika ny mpihaino hitory bebe kokoa ireo mpandahateny nifanesy. Hoy ny iray taminy: “Izay tena ilaina ihany tadiavina, ary ataovy ilay hazakazaka.” Hoatran’ny hoe izaho mihitsy no niresahany. Nanatrika fizarana diplaoma ho an’ny misionera koa aho. Nieritreritra aho hoe: ‘Raha ireo Vavolombelona mitovy taona amiko ireo aza nahafoy fiainana mampiadana mba hanompoana any an-tany hafa, tsy mba tokony hanao toy izany ve aho eto an-toerana? ’ Tsy vita akory ilay fivoriambe dia efa tapa-kevitra ny hanao mpisava lalana aho.

Efa niaraka tamin’i Evelyn Mondak aho tamin’izay. Anabavy be zotom-po tao amin’ny fiangonanay izy. Be herim-po ny reniny ary nitaiza zaza enina. Tiany ny nitory teo amin’ny arabe ampitan’ny Eglizy Katolika lehibe iray. Nandroaka azy imbetsaka ilay pretra tao, fa tsy niala mihitsy izy. Nanahaka ny reniny i Evelyn ka tsy natahotra olona.—Ohab. 29:25.

Nivady izahay sy Evelyn tamin’ny 1951. Nialanay ny asanay, ary nanao mpisava lalana izahay. Nampirisihin’ny mpiandraikitra ny faritra hankany Amagansett izahay. Tanàna manamorona ny Ranomasimbe Atlantika izy io ary 160 kilaometatra miala an’i New York. Tsy nanana trano ho anay anefa ilay fiangonana tany. Nitady tranofiara àry izahay, nefa tsy nisy takatray ny vidiny. Nahita tranofiara efa simba izahay avy eo, ary 900 dolara ilay izy. Izay mihitsy koa no tsodrano azonay tamin’ny mariazinay. Novidinay ilay izy ka namboarinay, ary nentinay tany amin’ilay faritaninay vaovao. Tsy nanam-bola intsony izahay avy eo, ary nieritreritra hoe ahoana no hivelomanay sady hanaovanay mpisava lalana.

Nanadio trano no asan’i Evelyn ary niasa alina nanadio hotely fisakafoana aho. Hoy ny tompon’ilay hotely italianina niasako: “Ento ho an’ny vadinao daholo izay ambin-tsakafo eo.” Manitra pizza sy paty àry ilay tranofiaranay isaky ny nody aho, amin’ny roa maraina. Tsara erỳ ny nihinana an’ireny sakafo nohafanaina ireny tao anatin’ilay tranofiara, indrindra amin’ilay ririnina mamirifiry iny. Nametrahan’ireo rahalahy trondro be koa indraindray teo amin’ny tohatr’ilay tranofiara. Nianaranay nandritra an’ireo taona niarahanay nanompo tamin’ireo rahalahy tsy foinay tany Amagansett, fa mahafa-po ny mianina amin’izay tena ilaina. Fotoana mamy tokoa ireny!

Nianatra ny hanome bebe kokoa

Nisy misionera an-jatony tonga tany New York tamin’ny Jolay 1953. Nanompo tany an-tany hafa izy ireo ary tonga hanatrika fivoriambe iraisam-pirenena. Nitantara zavatra mahaliana ry zareo. Nifindra taminay koa ny hafanam-pony. Nilaza ny mpandahateny iray tamin’ilay fivoriambe fa maro ny tany mbola tsy nitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana. Fantatray àry fa nila nanome bebe kokoa izahay ka hampitombo ny fanompoanay. Tonga dia nanao fangatahana ho misionera izahay tamin’ilay fivoriambe. Tamin’io taona io ihany dia nahazo fanasana hanatrika ny Sekolin’i Gileada izahay. Ny kilasy faha-23 izay nanomboka ny Febroary 1954 izany. Tombontsoa lehibe tokoa izany!

Nientanentana erỳ izahay nandre fa voatendry ho any Brezila. Tsy maintsy handeha sambo tapa-bolana izahay. Hoy ny mpiandraikitra iray tao amin’ny Betela: “Hisy misionera mpitovo sivy hiaraka aminareo mivady hankany Brezila. Karakarao tsara ireo anabavy ireo an!” Nihomehy ireo tantsambo nijery ahy narahin’ny tovovavy folo. Tsy nampaninona an’ireo anabavy mihitsy anefa izany. Azoko ny aiko rehefa tonga soa tany Brezila izahay.

Nasaina nanao ny asan’ny faritra tany Rio Grande do Sul, any amin’ny faritra atsimon’i Brezila, aho rehefa avy nianatra portogey. Mpitovo ilay mpiandraikitra ny faritra nodimbiasanay, ary hoy izy taminay: “Mahagaga ahy hoe mpivady no nalefa tatỳ. Ngazana be mantsy atỳ.” Midadasika ilay faritra ary nifanalavitra ireo fiangonana. Kamiao ihany no tonga tany amin’ny toerana sasany. Tsy mitondra anao anefa ny mpamily, raha tsy miantoka ny sakafony ianao. Hoatran’ny mitaingin-tsoavaly izahay eny ambony kamiao, satria ny tongotray misabaka eny ambony entana ary ny tananay mihazona ny tady mamatotra azy ireny. Rehefa misy fiolahana, dia mifikitra mafy izahay mba tsy hianjera, satria mitongilana ny entana ary tazanay ny hantsana erỳ ambany. Matetika no efa ho iray andro ny dianay. Tsy nampaninona anay anefa izany, rehefa nahita an’ireo rahalahy falifaly sy tsindrian-daona niandry anay izahay.

Nipetraka tany amin’ireo rahalahy izahay. Mahantra be ry zareo nefa malala-tanana. Niasa tao amin’ny orinasa mpamono nofon-kena daholo ny rahalahy tany amin’ny faritra mitokana iray. Indray mandeha isan’andro ihany izy ireo no misakafo satria kely karama. Raha tsy miasa iray andro izy ireo, dia tsy mahazo karama. Naka roa andro tsy iasana anefa ry zareo nandritra ny fitsidihanay, mba hanohanana ny asan’ny fiangonana. Nitoky tamin’i Jehovah izy ireo. Nisy fianarana noraisinay avy tamin’ireo rahalahy nahantra ireo: Ilaina ny mamoy zavatra sasany ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra. Hotsaroanay foana izany! Tsy hisy sekoly hampianatra anay an’izany mihitsy. Faly foana aho rehefa mahatsiaro azy ireo ka mirotsaka ny ranomasoko.

Niverina teto Etazonia izahay tamin’ny 1976 mba hikarakara ny reniko tsy salama. Nalahelo izahay nandao an’i Brezila. Faly koa anefa izahay satria hitanay ny nitomboan’ny mpitory sy ny fiangonana tany. Isaky ny mahazo taratasy avy any izahay, dia mitamberina ao an-tsainay foana ireo fotoana mamy tany.

Fihaonana nahafinaritra

Nanao mpisava lalana izahay tamin’ny nikarakara an’i Neny, ary mpanadio no asanay. Tsy nivadika mihitsy i Neny mandra-pahafatiny tamin’ny 1980. Nasaina nanao ny asan’ny faritra teto Etazonia aho avy eo. Nitsidika fiangonana iray tany Connecticut izahay mivady tamin’ny 1990. Iza, hoy ianareo, no hitanay tany? I Ben, ilay nanampy ahy tsy hivadika amin’i Jehovah, 50 taona talohan’izay. Anti-panahy tao izy. Faly be izahay roa lahy ary nifamihina.

Ato amin’ny fiangonana miteny portogey eto Elizabeth, New Jersey, izao izahay sy Evelyn, hatramin’ny 1996, ary mpisava lalana manokana efa osa. Tsy salama aho nefa manompo araka izay vitako, noho ny fanampian’ny vadiko. Misy anabavy zokiolona efa osa koa eto akaikinay, ampian’i Evelyn. Tsy iza izany fa i Bertha, ilay nanampy an’i Neny ho tonga mpanompon’i Jehovah, 70 taona lasa izay. Faly izahay fa afaka manao zavatra ho azy, noho izy nanampy anay mianakavy hianatra ny fahamarinana.

Velom-pisaorana aho noho ireo fivoriambe telo nanampy ahy hiandany amin’ny fivavahana marina sy hanana fiainana tsotra ary hanitatra ny fanompoako. Tena nanova ny fiainako izy ireo.

[Sary, pejy 23]

Ny rafozako (havia) sy ny reniko

[Sary, pejy 23]

Ben, ilay namako

[Sary, pejy 24]

Tany Brezila

[Sary, pejy 25]

Izahay sy Evelyn ankehitriny