Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ianareo no Namako”

“Ianareo no Namako”

“Ianareo no Namako”

“Ianareo no namako raha manao araka ny nandidiako anareo.”—JAONA 15:14.

1, 2. a) Nanao ahoana avy ny toe-piainan’ireo naman’i Jesosy? b) Nahoana no zava-dehibe ny hoe naman’i Jesosy?

NANKALAZA ny Paska tao amin’ny efitra iray ambony rihana tao Jerosalema i Jesosy sy ny mpianany. Tsy nitovy ny toe-piainan’ireo mpianany ireo. Mpanjono, ohatra, i Petera sy Andrea rahalahiny. I Matio kosa mpamory hetra, izay asa nohamavoin’ny Jiosy. Nety ho nahalala an’i Jesosy hatramin’ny fahakeliny ny sasany, toa an’i Jakoba sy Jaona. Vao taona vitsivitsy talohan’io kosa angamba no nahalalan’ny hafa azy, anisan’izany i Natanaela. (Jaona 1:43-50) Resy lahatra anefa izy rehetra fa i Jesosy no ilay Mesia nampanantenaina, sady Zanak’ilay Andriamanitra velona. (Jaona 6:68, 69) Tsy maintsy ho nahafaly azy ireo ny nandre an’i Jesosy niteny hoe: ‘Antsoiko hoe namana ianareo, satria ampahafantariko anareo izay rehetra reko avy tamin’ny Raiko.’—Jaona 15:15.

2 Mihatra amin’ny voahosotra amin’izao andro izao sy ny “ondry hafa” koa ireo tenin’i Jesosy tamin’ny apostoliny tsy nivadika ireo. (Jaona 10:16) Afaka ny ho naman’i Jesosy daholo isika, na manao ahoana na manao ahoana fiainantsika. Tena zava-dehibe ny hoe naman’i Jesosy, satria mahatonga antsika ho naman’i Jehovah koa izany. Tsy ho afaka hifandray akaiky amin’i Jehovah isika, raha tsy mifandray akaiky amin’i Kristy aloha. (Vakio ny Jaona 14:6, 21.) Inona àry no tokony hataontsika mba ho lasa naman’i Jesosy sy ho namany foana? Andeha aloha hojerentsika ny fomba nampisehoan’i Jesosy tamin’ny mpianany fa namana tsara izy. Hojerentsika koa izay azo ianarana avy amin’ny zavatra nataon’ny mpianany ho setrin’izany.

Namana tsara i Jesosy

3. Inona no nahafantarana an’i Jesosy?

3 ‘Maro ny naman’ny mpanankarena’, hoy i Solomona mpanjaka hendry. (Ohab. 14:20) Izany tokoa no fanaon’ny olombelona tsy lavorary. Fitia te hahazo zavatra fotsiny no mahatonga azy hinamana amin’ny olona iray. Tsy mba toy izany i Jesosy. Tsy ny vola na ny toerana ambony ananan’ny olona no nanintona azy. Marina fa tiany ny tovolahy iray mpanankarena sady nasainy hanara-dia azy. Kanefa nasain’i Jesosy nivarotra ny fananany sy nanome izany ho an’ny mahantra izy io. (Mar. 10:17-22; Lioka 18:18, 23) Tsy hoe olona nifanerasera tamin’ny mpanankarena sy ny olona ambony no nahafantarana an’i Jesosy, fa naman’ny olon-tsotra sy ireo tsy tiam-bahoaka.—Mat. 11:19.

4. Inona no manaporofo fa nanao diso ihany ireo naman’i Jesosy?

4 Marina aloha fa nanao diso ihany ireo naman’i Jesosy. Tsy nanana ny fomba fihevitr’Andriamanitra i Petera, indraindray. (Mat. 16:21-23) Hita koa hoe te hisongadina i Jakoba sy Jaona, rehefa nangataka an’i Jesosy mba hanome azy toerana ambony ao amin’ilay Fanjakana. Nampahatezitra ny apostoly hafa izany, ary nampifanditra azy ireo foana io fitadiavana toerana ambony io. Naneho faharetana anefa i Jesosy, ka niezaka nanitsy ny fomba fisainan’ireo namany ireo, fa tsy tonga dia sosotra taminy.—Mat. 20:20-28.

5, 6. a) Nahoana i Jesosy no ninamana foana tamin’ny ankamaroan’ny apostoliny? b) Nahoana i Jesosy no tsy ninamana tamin’i Jodasy intsony?

5 Na teo aza izany, dia ninamana tamin’izy ireo foana i Jesosy. Tsy hoe nilefitra loatra akory izy, na hoe tsy nahamarika ny kileman’izy ireo. Naleony kosa nifantoka tamin’ny antony manosika tsara nananan’izy ireo sy ny toetra tsarany. Natory, ohatra, i Petera sy Jakoba ary Jaona, fa tsy mba nampahery an’i Jesosy tamin’ilay fotoana nangidy indrindra taminy. Tsy maintsy ho nandiso fanantenana an’i Jesosy izy ireo. Na izany aza, dia tsapany fa nanana antony manosika tsara izy ireo, ka hoy izy: “Mazoto ihany ny saina, saingy ny nofo no malemy.”—Mat. 26:41.

6 Tsy ninamana tamin’i Jodasy Iskariota intsony anefa i Jesosy. Fantany hoe efa lasa ratsy fo io namany akaiky taloha io, na dia mbola niseho ho namany ihany aza. Lasa naman’izao tontolo izao i Jodasy, ka nitsangan-ko fahavalon’Andriamanitra. (Jak. 4:4) Efa nasain’i Jesosy nandeha àry i Jodasy, vao nilaza tamin’ireo apostoly 11 tsy nivadika izy hoe namany izy ireo.—Jaona 13:21-35.

7, 8. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tiany ny namany?

7 Tsy nifantoka tamin’ny fahadisoan’ireo namany tsy nivadika i Jesosy, fa nitady izay hahasoa azy ireo. Nivavaka tamin-dRainy, ohatra, izy mba hiaro azy ireo rehefa misy fitsapana. (Vakio ny Jaona 17:11.) Fantany koa fa voafetra ny mety ho vitan’izy ireo. (Mar. 6:30-32) Tsy nianina tamin’ny filazana izay tao an-tsainy fotsiny i Jesosy, fa tiany ho fantatra koa izay tao an-tsain’ireo namany sy ny fihetseham-pony.—Mat. 16:13-16; 17:24-26.

8 Velona ho an’ny namany i Jesosy, ary maty ho azy ireo. Fantany aloha hoe tsy maintsy manolotra ny ainy izy, mba hahafahan’ny Rainy hampihatra ny rariny. (Mat. 26:27, 28; Heb. 9:22, 28) Nanolotra ny ainy koa anefa i Jesosy mba hanaporofoany ny fitiavany. Hoy izy: “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny mahafoy ny ainy ho an’ny namany.”—Jaona 15:13.

Inona no nasetrin’ireo mpianany an’izany?

9, 10. Inona no nataon’ny olona rehefa hitany hoe nalala-tanana i Jesosy?

9 Nalala-tanana i Jesosy, ka nanome ny fotoanany sy ny fitiavany ary ny fananany ho an’ny olona. Mora tamin’ny olona ny nifandray taminy sy namaly fitia azy, noho izany. (Lioka 8:1-3) Afaka nilaza àry i Jesosy hoe: “Aoka ianareo ho zatra manome dia mba homena koa ianareo. Fatra tsara sy mifatratra sy nahintsana ary mihoatra no hararaka eo am-pofoanareo. Fa araka izay famarana ampiasainareo no hamarana ho anareo.”—Lioka 6:38.

10 Marina aloha fa fitia te hahazo zavatra fotsiny no nanosika ny olona sasany hiaraka tamin’i Jesosy. Nandao an’i Jesosy ireny namana sandoka ireny, rehefa nisy tsy azony ny zavatra nolazainy. Tsy nitoky taminy izy ireo, fa tonga dia nanao fanatsoahan-kevitra diso ary nandao azy. Tsy nivadika taminy kosa ireo apostoly. Imbetsaka no niharam-pitsapana ny fitiavan’izy ireo an’i Kristy. Nanao izay azony natao foana anefa izy ireo mba hanohanana azy, na tamin’ny mora na tamin’ny sarotra. (Vakio ny Jaona 6:26, 56, 60, 66-68.) Naneho ny fankasitrahany azy ireo i Jesosy ny alina talohan’ny nahafatesany. Hoy izy: “Ianareo no nifikitra tamiko tao anatin’ireo fitsapana nahazo ahy.”—Lioka 22:28.

11, 12. Ahoana no nanomezan’i Jesosy toky ny mpianany fa mbola namany foana izy ireo? Inona no nataon’izy ireo ho setrin’izany?

11 Nidera ny mpianany i Jesosy, noho izy ireo tsy nivadika. Nandao azy anefa izy ireo tsy ela taorian’izay, satria resin’ny tahotra olona. Mbola namela ny heloky ny mpianany foana anefa izy. Niseho tamin’izy ireo i Jesosy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, ary nilaza fa mbola namany foana izy ireo. Nirahiny hanao asa masina koa izy ireo, dia ny hanao mpianatra “ny olona any amin’ny firenena rehetra” sy ho vavolombelony “any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany.” (Mat. 28:19; Asa. 1:8) Inona no nataon’ny mpianany ho setrin’izany?

12 Nilofo tamin’ny fampielezana ny hafatra momba ilay Fanjakana ireo mpianatra. Tsy ela dia nofenoin’izy ireo ny fampianarany i Jerosalema, noho ny fanampian’ny fanahy masin’i Jehovah. (Asa. 5:27-29) Nanohy an’ilay asa foana izy ireo, na dia norahonana ho faty aza. Afaka nilaza ny apostoly Paoly, am-polony taona vitsivitsy taorian’ny nanomezan’i Jesosy an’ilay baiko, fa efa notorina “tamin’ny zavaboary rehetra eny ambanin’ny lanitra” ny vaovao tsara. (Kol. 1:23) Sarobidy tamin’ireo mpianatra ireo tokoa ny fisakaizany tamin’i Jesosy!

13. Inona no vokatry ny fampianaran’i Jesosy teo amin’ny mpianany?

13 Navelan’ireo mpianatra hanan-kery teo amin’ny fiainany koa ny fampianaran’i Jesosy. Maro taminy no nanao fiovana lehibe teo amin’ny fitondran-tenany sy ny toetrany. Mpangalatra ny sasany taminy taloha, na lehilahy nanao firaisana tamin-dehilahy, na mpanitsakitsa-bady, na mpimamo. (1 Kor. 6:9-11) Teo koa ireo tsy maintsy nanova ny fomba nitondrany ny hafa firenena. (Asa. 10:25-28) Nankatò an’i Jesosy anefa izy ireo, ka niala tamin’ny toetrany taloha ary nitafy toetra vaovao. (Efes. 4:20-24) Lasa fantatr’izy ireo tsara ny “sain’i Kristy”, ka nanjary nanahaka ny toe-tsainy sy ny fomba fanaovany zavatra izy ireo.—1 Kor. 2:16.

Te ho naman’i Kristy ve ianao?

14. Inona no nolazain’i Jesosy fa hataony mandritra ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity”?

14 Nifanerasera tamin’i Jesosy na nahita azy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, ny ankamaroan’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Tsy manana an’izany tombontsoa izany isika. Inona àry no tokony hataontsika mba ho lasa naman’i Kristy isika? Ilaintsika ny manaraka ny tari-dalana omen’ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina, izany hoe ireo sisa voahosotra rahalahin’i Kristy. Nampanantena i Jesosy fa hanendry an’io mpanompo io izy, mba hiandraikitra ny “fananany rehetra” mandritra ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Mat. 24:3, 45-47) Tsy anisan’io mpanompo io ny ankamaroan’ireo olona te ho naman’i Kristy ankehitriny. Misy vokany amin’ny fisakaizany amin’i Kristy ve ny fanarahany na tsia ny tari-dalan’ny mpanompo mendri-pitokisana?

15. Ahoana no amaritana raha ondry na osy ny olona iray?

15 Vakio ny Matio 25:31-40. Nantsoin’i Jesosy hoe rahalahiny ireo anisan’ny mpanompo mendri-pitokisana. Nolazainy tao amin’ilay fanoharana momba ny ondry sy osy, fa raisiny ho toy ny hoe atao aminy mihitsy ny zavatra ataontsika amin’ireo rahalahiny ireo. Nolazainy aza fa araka izay ataontsika amin’ireo ‘rahalahiny kely indrindra’ ireo no amaritana raha ondry isika na osy. Tokony hanohana ny mpanompo mendri-pitokisana àry ny olona manantena hiaina mandrakizay eto an-tany, raha te ho naman’i Kristy.

16, 17. Ahoana no ampisehoantsika fa naman’ireo rahalahin’i Kristy isika?

16 Raha manantena ny ho anisan’ny vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra ianao, ahoana no ampisehoanao fa naman’ireo rahalahin’i Kristy ianao? Ireto misy fomba telo. Voalohany, mila mazoto mandray anjara amin’ny asa fitoriana ianao. Nasain’i Kristy nitory ny vaovao tsara maneran-tany ireo rahalahiny. (Mat. 24:14) Ho sarotra amin’ireo rahalahiny sisa eto an-tany anefa ny hanatontosa izany, raha tsy manampy azy ny ondry hafa. Manampy an’ireo rahalahin’i Kristy hamita an’io asa nanendrena azy io àry ny ondry hafa, isaky ny mandray anjara amin’ny asa fitoriana. Tena ankasitrahan’i Kristy sy ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina izany fanampiana izany.

17 Faharoa, manampy an’ireo rahalahin’i Kristy ny ondry hafa rehefa manohana ara-bola ny asa fitoriana. Nampirisihin’i Jesosy ny mpanara-dia azy mba hanao izay hahazoana namana amin’ny alalan’ny “harena tsy marina.” (Lioka 16:9) Tsy hoe azo vidim-bola akory ny fisakaizana amin’i Jehovah sy Jesosy. Rehefa mampiasa ny fananantsika kosa isika mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana, dia porofointsika fa tena namany isika ary tia azy ireo. Asehontsika “amin’ny atao sy amin’ny fahamarinana” izany, fa tsy amin’ny teny fotsiny. (1 Jaona 3:16-18) Manao izany isika rehefa miala vola am-paosy mba hahatongavana any amin’ny toerana hitoriana, manome vola mba hanorenana sy hikojakojana ny trano fivoriantsika, ary manohana ara-bola ny asa fitoriana atao maneran-tany. Tena ankasitrahan’i Jehovah sy Jesosy ireo manome amim-pifaliana, na kely na be no omeny.—2 Kor. 9:7.

18. Nahoana isika no tokony hanaraka ny tari-dalana ara-baiboly omen’ny anti-panahy?

18 Fahatelo, asehontsika fa naman’i Kristy isika raha manaraka ny tari-dalana omen’ireo anti-panahy eo anivon’ny fiangonana. Voatendrin’ny fanahy masina, teo ambany tari-dalan’i Kristy, ireo lehilahy ireo. (Efes. 5:23) Hoy ny apostoly Paoly: “Aoka ianareo hankatò sy hanaiky an’ireo mitarika eo aminareo.” (Heb. 13:17) Mety ho sarotra amintsika, indraindray, ny manaraka ny tari-dalana ara-baiboly omen’ny anti-panahy. Fantatsika angamba ny fahalemen’izy ireo, ka mety handika vilana ny toroheviny isika. Mampiasa an’ireo lehilahy tsy lavorary ireo anefa i Kristy, ilay Lohan’ny fiangonana. Misy vokany amin’ny fisakaizantsika amin’i Kristy àry ny fanekentsika na tsia ny fahefan’izy ireo. Asehontsika fa tia an’i Kristy isika, raha tsy mifantoka amin’ny fahadisoan’ny anti-panahy, fa manaraka amim-pifaliana ny tari-dalany.

Aiza no ahitantsika namana tsara?

19, 20. Olona manao ahoana no ho hitantsika eo anivon’ny fiangonana, ary inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

19 Mbola miahy antsika foana i Jesosy. Tsy vitan’ny hoe omeny anti-panahy be fitiavana isika mba hikarakara antsika, fa mbola omeny reny sy rahalahy ary anabavy ara-panahy koa isika eo anivon’ny fiangonana. (Vakio ny Marka 10:29, 30.) Nanao ahoana ny fihetsiky ny fianakavianao raha vao nanomboka nifandray tamin’ny fandaminan’i Jehovah ianao? Nankasitrahany angamba ny ezaka nataonao mba hifandraisana akaiky amin’Andriamanitra sy Kristy. Nampitandrina anefa i Jesosy, fa mety ho “ny ankohonan’ny olona ihany no ho fahavalony.” (Mat. 10:36) Mampahery àry ny mahafantatra fa afaka mahita olona mifikitra noho ny rahalahy isika, eo anivon’ny fiangonana!—Ohab. 18:24.

20 Nana-namana akaiky maro i Paoly, rehefa jerena ny famaranan-teniny ao amin’ny taratasiny ho an’ny fiangonana tany Roma. (Rom. 16:8-16) Namarana ny taratasiny fahatelo toy izao ny apostoly Jaona: “Mampamangy any amin’ny namana tsirairay, araka ny anarany avy.” (3 Jaona 14) Nana-namana maro tsy nifankafoy taminy koa izy. Inona no azontsika atao raha tiantsika ny ho naman’ireo rahalahy sy anabavy ary ho namany foana, toy ny nataon’i Jesosy sy ireo mpianany tamin’ny taonjato voalohany? Hamaly izany ny lahatsoratra manaraka.

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa namana tsara izy?

• Inona no nataon’ireo mpianatra rehefa noraisin’i Jesosy ho namana izy ireo?

• Ahoana no ampisehoantsika fa naman’i Kristy isika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 14]

Tian’i Jesosy ho fantatra izay tao an-tsain’ireo namany sy ny fihetseham-pony

[Sary, pejy 16]

Ahoana no ampisehoantsika fa te ho naman’i Kristy isika?