Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iankinan’ny Aina ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana!

Iankinan’ny Aina ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana!

Iankinan’ny Aina ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana!

EFA nieritreritra momba ilay andro lehiben’i Jehovah ve ianao? (Apok. 16:14) Hampahatahotra tokoa izy io! Hoy i Mika mpaminany: ‘Hitsonika ny tendrombohitra, ary hitresaka ny lemaka iva, toy ny savoka taninin’ny afo, sy toy ny rano araraka eny amin’ny hantsana.’ (Mika 1:4) Inona no hanjo an’ireo tsy manompo an’i Jehovah? Hoy ny Baiboly: “Hiampatrampatra hatrany amin’ny faran’ny tany anankiray ka hatrany amin’ny faran’ny tany anankiray ny voavonon’i Jehovah, amin’izany andro izany.”—Jer. 25:33.

Tsara àry raha mieritreritra toy izao ny loham-pianakaviana sy ny ray na reny tokan-tena, izay manan-janaka efa mahay misaina tsara: ‘Ho tafavoaka velona amin’ny Hara-magedona ve ny zanako?’ Manome toky ny Baiboly fa ho tafavoaka velona izy ireo, raha miezaka mifandray amin’i Jehovah, araka izay vitany.—Mat. 24:21.

Tena ilaina ny manokana fotoana hianarana

Ry ray aman-dreny, miezaha hitaiza ny zanakareo “araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah.” (Efes. 6:4) Tena mila ampianarinareo Baiboly ny zanakareo. Tiantsika ho toy ireo Kristianina tany Filipy izy ireo. Vonona hankatò an’i Jehovah foana ny Filipianina, ka nidera azy ireo i Paoly hoe: “Tahaka ny nankatoavanareo mandrakariva, ry malala, tsy tamin’izaho teo aminareo ihany, fa vao mainka aza amin’izao izaho tsy eo aminareo izao, dia miezaha mafy foana amin-tahotra sy hovitra, mba hahazoanareo famonjena.”—Fil. 2:12.

Mankatò an’i Jehovah ve ny zanakareo, rehefa tsy eo imasonareo? Ahoana, ohatra, rehefa any am-pianarana izy? Inona no azonareo atao mba hahatonga azy hiaiky fa mahasoa ny lalàn’i Jehovah, ka hankatò izany foana izy na tsy eo imasonareo aza?

Ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana no tena hanampy ny zanakao hanam-pinoana ka hankatò foana. Andeha àry hodinihintsika hoe inona no azo atao mba hisy vokany tsara izy io.

Ataovy tsy tapaka

Milaza ny Baiboly fa misy fotoana voatondron’Andriamanitra hankanesan’ireo zanany eo anatrehany. (Joba 1:6) Manaova toy izany koa, ka asio andro sy ora anaovanareo Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, ary hajao izany. Mieritrereta ihany anefa fotoana hafa, sao misy sampona tampoka amin’io.

Aza avela ho lasa tapatapaka ilay fianarana, rehefa mandeha ny fotoana. Tadidio fa ny zanakao no tena tokony hampianarinao voalohany, satria tian’i Satana harapaka izy ireo. (1 Pet. 5:8) Handresy i Satana raha tsy manao fianaram-pianakaviana ianareo, fa mijery tele na manao zavatra hafa tsy dia lehibe.—Efes. 5:15, 16; 6:12; Fil. 1:10.

Ataovy azo ampiharina

Tsy tokony ho fotoana handraisana fahalalana fotsiny ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Tokony hisy lesona azo ampiharina koa amin’izany. Mifidiana foto-kevitra misy ifandraisany amin’ny fiainana andavanandro. Azonareo anaovana fanazaran-tena, ohatra, ny zavatra horesahina eny amin’ny fanompoana. Tian’ny ankizy ny manao zavatra hainy tsara. Raha anaovanareo fanazaran-tena àry ny fomba fitory sy ny fomba famaliana fanoherana, dia hatoky tena kokoa izy ireo rehefa mitory sy mampianatra.—2 Tim. 2:15.

Azo anaovana fanazaran-tena koa ny fomba hanoherana ny fitaoman’ny namana. Azonareo iaraha-midinika ny toko faha-15 ao amin’ny boky Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2. Misy soso-kevitra ho an’ny ankizy eo amin’ny pejy 132, eo amin’ilay hoe “Inona no Hatao Raha Taomin’ny Ankizy Haditra?” Afaka mamorona ny valin-teniny izy eo amin’ny pejy 133. Mampirisika ny ankizy ny fehezanteny farany eo amin’io pejy io hoe: “Averimbereno miaraka amin’ny ray aman-dreninao na namana matotra ny valin-teninao.” Nahoana raha manao izany indraindray, mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana?

Azo antitranterina mandritra ilay fianarana koa fa mahasoa ny manana tanjona ara-panahy. Azo ampiasaina ny toko faha-38 hoe: “Inona no Hataoko eo Amin’ny Fiainana?” Rehefa mandinika an’io toko io ianareo, dia asehoy fa tsy misy tsara noho ny hoe manokana ny fiainana hanompoana an’i Jehovah. Ampio ny zanakao mba haniry ho lasa mpisava lalana, mpiasan’ny Betela, hanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, na hanao fanompoana manontolo andro hafa.

Tandremo anefa sao variana loatra mampirisika azy hanatratra tanjona, ka tsy midera azy noho ny ezaka efa ataony. Tena tsara ny mampirisika ny ankizy hiasa ao amin’ny Betela, ho mpisava lalana, na ny toy izany. Aza izany foana anefa no lazaina aminy, sao ho tezitra izy ka ho kivy. (Kol. 3:21) Tadidio foana fa tsy azonao terena ho tia an’i Jehovah toa anao ny zanakao. Tokony ho tia azy amin’ny fony kosa izy. (Mat. 22:37) Mitadiava àry fomba hiderana azy amin’ny ezaka efa ataony, fa aza mifantoka amin’izay mbola mila iezahany. Ataovy izay hankasitrahany ny zavatra rehetra nataon’i Jehovah. Avelao izy avy eo hatosiky ny fony hamaly fitia an’i Jehovah.

Ataovy mahafinaritra

Ataovy mahafinaritra koa ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, raha tianao hisy vokany tsara. Azo atao indraindray ny mihaino tantara an-tsehatra, na mijery video navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ary miara-midinika izany. Mety koa ny miara-mamaky Baiboly, ka ny iray ho mpitantara ary ny sisa hamaky ny tenin’ireo olona ao.

Misy lahatsoratra tena tsara ao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Azo iaraha-midinika, ohatra, ny lahatsoratra ao amin’ny Mifohaza! hoe “Ahoana no Havalinao?” Eo koa ny lahatsoratra ao amin’ny Tilikambo hoe “Ho An’ny Ankizy sy ny Tanora”, mivoaka isaky ny roa volana. Azo iaraha-midinika amin’ny ankizikely ny lahatsoratra hoe “Ampianaro ny Zanakao.”

Azonareo iaraha-midinika koa ny lahatsoratra “Manontany ny Tanora” ao amin’ny Mifohaza! Eo koa ny boky Manontany ny Tanora, Boky Faha-2. Rehefa mampiasa azy io ianao, dia aza dinganina ilay efajoro hoe “Ahoana ny Hevitrao?” eo amin’ny faran’ny toko. Tsy natao ho famerenana fotsiny izy io, fa azo iaraha-midinika mihitsy.

Aza be fanontaniana loatra anefa. Aza anontaniana, ohatra, ny zavatra nosoratany eo amin’ilay hoe “Ny Diariko”, na any amin’ny pejy hafa. Izao no nosoratana ho an’ny ray aman-dreny, eo amin’ny pejy 3 amin’ilay boky: ‘Aza vakina ny bokiny. Tsy ho menatra hanoratra izay tena ao am-pony izy amin’izay. Mety mbola holazainy aminao ihany ilay izy, rehefa mandeha ny fotoana.’

Ataovy tsy tapaka sy azo ampiharina ary mahafinaritra àry ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Hotahin’i Jehovah ny ezaka ataonao, ary hifandray tsara aminy foana ny ankohonanao.

[Efajoro, pejy 31]

Mahaiza Mitady Hevitra

“Izao no nataonay rehefa nampianatra an’ireo zanakay vavy: Nodinihinay mivady aloha ireo zavatra horesahina any am-pivoriana, ary nasainay nanao sary nifandray tamin’izany izy ireo. Nolalaovinay indraindray ny tantara ao amin’ny Baiboly. Namerimberina fomba fitory koa izahay. Nataonay foana izay hahatonga ilay fianarana hahaliana, hampahery, hahafinaritra, ary hifanaraka amin’ny taonan’izy ireo.”—J. M., Etazonia.

“Nisy ankizilahy kely nampianay hahazo sary an-tsaina hoe ahoana izany nampiasa horonam-boky izany fahiny. Zanaka mpianatra Baiboly izy io. Nataonay pirinty ny bokin’i Isaia, ary nofafanay ny toko sy andininy. Nampifanohizinay avy eo ny pejy rehetra, ary nasianay zavatra ihoronany ny sisiny roa. Nandraman’ilay ankizy naverina avy eo ny nataon’i Jesosy tao amin’ny synagogan’i Nazareta. Araka ny Lioka 4:16-21, dia nosokafan’i Jesosy ny horonam-bokin’i Isaia, ka nisy andinin-teny notadiaviny, ary hitany. (Isaia 61:1, 2) Rehefa nanandrana nanao izany anefa ilay ankizy, dia sahirana. Lava be mantsy ilay horonam-boky sady tsy nisy toko sy andininy. Talanjona noho ny fahaizan’i Jesosy izy, ka niteny hoe: ‘Nahay i Jesosy an!’ ”—Y. T., Japon.

[Sary, pejy 30]

Anaovy fanazaran-tena ny fomba hanoherana ny fitaoman’ny namana

[Sary, pejy 31]

Ataovy mahafinaritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana