Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Mamaka Tsara sy Miorina Mafy eo Amin’ny Fototra’ ve Ianao?

‘Mamaka Tsara sy Miorina Mafy eo Amin’ny Fototra’ ve Ianao?

‘Mamaka Tsara sy Miorina Mafy eo Amin’ny Fototra’ ve Ianao?

EFA nahita hazo be nahozongozon’ny rivo-mahery ve ianao? Nifofofofo mafy ny rivotra, nefa tsy nianjera ilay hazo. Nahoana? Satria lalina sady mafy ny fakany. Toa an’io hazo io isika rehefa iharam-pitsapana mafy. Hahazaka ireny fitsapana ireny anefa isika, raha ‘mamaka tsara sy miorina mafy eo amin’ny fototra.’ (Efes. 3:14-17) Inona io fototra io?

Resahin’ny Tenin’Andriamanitra fa i Jesosy Kristy no fototry ny fiangonana kristianina. (1 Kor. 3:11; Efes. 2:20) Ampirisihina àry isika mba “hiara-mandeha aminy foana sady ho tafaray aminy, ary hamaka tsara sy hiorina hatrany eo aminy ary tsy ho voahozongozona amin’ny finoana.” Hahazaka ny fitsapana rehetra isika amin’izay, anisan’izany ny ‘fitaka’ ampiasain’ny olona mahay ‘mandresy lahatra.’—Kol. 2:4-8.

Ny “sakany sy halavany sy haavony ary halaliny”

Inona no hanampy antsika “hamaka tsara” sy “tsy ho voahozongozona amin’ny finoana”? Mila mazoto mandalina ny Tenin’Andriamanitra isika. Tian’i Jehovah “hiara-mahatakatra tsara amin’ny olona masina rehetra izay sakany sy halavany sy haavony ary halaliny” amin’ny fahamarinana isika. (Efes. 3:18) Tsy mety àry ny mianina amin’ny fahalalana ambangovangony fotsiny, izany hoe ny “fampianarana fototra” ao amin’ny Baiboly. (Heb. 5:12; 6:1) Tokony hazoto handalina ny Baiboly kosa isika rehetra.—Ohab. 2:1-5.

Marina aloha fa tsy fahalalana fotsiny no ilaina raha te “hamaka tsara sy hiorina mafy” ao amin’ny fahamarinana. Na i Satana aza mantsy mba mahay Baiboly. Ilaina koa ny ‘mahalala ny fitiavan’i Kristy izay mihoatra noho ny fahalalana.’ (Efes. 3:19) Tsy midika anefa izany hoe tsy ilaina ny mandalina ny Tenin’Andriamanitra. Manatanjaka finoana mantsy izany, raha noho ny fitiavana an’i Jehovah sy ny fahamarinana no anaovana azy.—Kol. 2:2.

Azonao tsara ve?

Andeha hojerena raha azonao tsara ny fahamarinana lehibe sasany ao amin’ny Baiboly. Handrisika anao hazoto kokoa hianatra samirery izany. Vakio, ohatra, ireo andininy voalohandohany amin’ny taratasin’ny apostoly Paoly ho an’ny Efesianina. (Jereo ilay  efajoro.) Mieritrereta hoe: ‘Azoko ve ireo teny natao sora-mandry?’ Andeha hodinihintsika izy ireo.

Voatendry “talohan’ny nanorenana izao tontolo izao”

Hoy i Paoly tamin’ny mpiray finoana taminy: “[Andriamanitra] efa nanendry antsika mialoha mba hatsangany ho zanany amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.” Nanapa-kevitra i Jehovah fa hanangana olombelona ho zanany lavorary any an-danitra. Ho mpanjaka sy mpisorona miaraka amin’i Kristy izy ireo. (Rom. 8:19-23; Apok. 5:9, 10) Rehefa nanohitra ny zon’i Jehovah hitondra i Satana, dia nilaza an-kolaka fa misy tsininy ny olombelona. Noporofoin’i Jehovah fa diso izany, ka olombelona mihitsy no nofidiny hanafoana ny faharatsiana sy handringana an’ilay mahatonga azy io, dia i Satana Devoly! Tsy nofidin’i Jehovah mialoha anefa hoe iza avy no hatsangany ho zanany. Nanapa-kevitra fotsiny izy fa hanendry olona maromaro hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra.—Apok. 14:3, 4.

Nilaza i Paoly fa efa “talohan’ny nanorenana izao tontolo izao” no voafidy ireo olona ireo. Oviana izany? Tsy talohan’ny namoronana ny tany sy ny olombelona akory. Tsy rariny mantsy raha tamin’izany i Jehovah dia efa nifidy olona hanafoana ny voka-dratsin’ny fahotan’i Adama sy Eva, nefa izy mivady aza mbola tsy nisy akory. Toa midika izany fa efa voalahatra hanota izy ireo ka tsy azo omen-tsiny! Oviana àry Andriamanitra no nanapa-kevitra fa hanarina ny voka-dratsin’ny fikomian’i Adama sy Eva ary Satana? Taorian’ny nikomian’i Adama sy Eva, saingy talohan’ny niterahan’izy ireo. Mbola azo avotana mantsy ny zanany.

“Araka ny harenan’ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa”

“Araka ny harenan’ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa” no nanavotan’Andriamanitra ny olombelona. Inona no dikan’izany? Tian’i Paoly hasongadina fa tsy voatery nanavotra ny olombelona i Jehovah.

Tsy lavorary sy mpanota isika, ka tsy mendrika ny havotana. Tena tia antsika anefa i Jehovah, ka nanao zavatra niavaka mba hamonjena antsika. Tsy manam-paharoa tokoa àry ny hatsaram-panahiny!

Ilay zava-miafina masina momba ny fikasan’Andriamanitra

Tsy nolazain’Andriamanitra tamin’ny voalohany hoe ahoana no hanafoanany ny voka-dratsin’ny zavatra nataon’i Satana. Mbola “zava-miafina masina” ilay izy. (Efes. 3:4, 5) Rehefa nisy ny fiangonana kristianina vao nolazainy hoe ahoana no hanatanterahany ny fikasany momba ny olombelona sy ny tany. Nohazavain’i Paoly fa “rehefa tapitra tanteraka ny fotoana voatondro”, dia nanangana “fitantanan-draharaha” Andriamanitra, izany hoe nitantana ny zava-drehetra mba ho tafaray daholo ny zavaboariny misaina.

Nanomboka nanao izay hahatafaray ny zavaboary izy tamin’ny Pentekosta taona 33, rehefa nanangona an’ireo hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. (Asa. 1:13-15; 2:1-4) Nangonina koa tatỳ aoriana ny olom-pehezin’ny Fanjakan’ny Mesia, izay hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany. (Apok. 7:14-17; 21:1-5) Tsy ny Fanjakan’ny Mesia anefa ilay “fitantanan-draharaha”, satria tamin’ny 1914 io Fanjakana io vao nisy. Ilay “fitantanan-draharaha” dia ny fomba itantanan’Andriamanitra ny zava-drehetra mba hahatanteraka ilay fikasany hahatafaray ny zavaboariny rehetra.

Aoka ianao ho “olon-dehibe raha ny amin’ny fahaiza-misaina”

Hahatakatra tsara “izay sakany sy halavany sy haavony ary halaliny” amin’ny fahamarinana ianao, raha mianatra samirery tsy tapaka. Tadidio anefa fa be atao isika, ka hararaotin’i Satana izany. Ataony izay hahatapatapaka ny fianarantsika na tsy hianarantsika mihitsy. Tohero izy. Ampiasao ny “fahiratan-tsaina” nomen’Andriamanitra anao, mba hahatonga anao ho “olon-dehibe raha ny amin’ny fahaiza-misaina.” (1 Jaona 5:20; 1 Kor. 14:20) Fantaro ny antony inoanao ny fahamarinana. Ataovy koa izay hahavonona anao foana hanazava ny “anton’ny fanantenana” ao anatinao.—1 Pet. 3:15.

Azo inoana fa naniry hampitombo ny ‘fahalalana marina tsara momba ny Zanak’Andriamanitra’ ny Efesianina, rehefa novakina tamin’izy ireo ny taratasin’i Paoly. (Efes. 4:13, 14) Enga anie ka ho toy izany koa ny vokany eo aminao! “Hamaka tsara sy hiorina mafy eo amin’ny fototra” ianao, raha tena tia an’i Jehovah sy mahalala marina tsara ny Teniny. Ho zakanao koa ny rivo-mahery, izany hoe ny fitsapana rehetra halefan’i Satana alohan’ny handringanana ity tontolo ratsy ity.—Sal. 1:1-3; Jer. 17:7, 8.

[Efajoro/Sary, pejy 27]

 “Ho An’ny Efesianina”

“Hisaorana anie ilay Andriamanitra sady Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, satria nitahy antsika izy ka nanome antsika ny fitahiana ara-panahy rehetra any amin’ny faritry ny lanitra, noho isika tafaray amin’i Kristy! Nifidy antsika izy talohan’ny nanorenana izao tontolo izao, mba ho tafaray amin’i Kristy isika, ary mba ho masina sy tsy misy tsiny eo anatrehan’Andriamanitra, noho ny fitiavana. Izy mantsy efa nanendry antsika mialoha mba hatsangany ho zanany amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, araka izay mahafinaritra azy sy araka ny sitrapony, ho fiderana ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa sy be voninahitra, izay nasehony tamintsika tamin-katsaram-panahy, tamin’ny alalan’ilay tiany. Izy io no ananantsika ilay fanafahana entin’ny vidim-panavotana amin’ny alalan’ny rany, eny, ahazoantsika ny famelana ny helotsika, araka ny harenan’ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa. Be dia be ny hatsaram-panahy nasehony tamintsika, ary nomeny antsika koa ny fahendrena sy ny fahaiza-misaina rehetra, tamin’ny nampahafantarany antsika ny zava-miafina masina ny amin’ny sitrapony. Araka izay mahafinaritra azy izany zava-miafina izany sy mifanaraka amin’ny fikasany hanangana fitantanan-draharaha, rehefa tapitra tanteraka ny fotoana voatondro. Ary izany dia ny fanangonana indray ao amin’i Kristy ny zava-drehetra, na ny zavatra any an-danitra na ny zavatra eto an-tany.”—Efes. 1:3-10.