Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpinamana Foana eo Amin’ny Tontolo Iray Tsy Manam-pitiavana

Mpinamana Foana eo Amin’ny Tontolo Iray Tsy Manam-pitiavana

Mpinamana Foana eo Amin’ny Tontolo Iray Tsy Manam-pitiavana

“Izany zavatra izany no andidiako anareo mba hifankatiavanareo.”—JAONA 15:17.

1. Nahoana ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany no tsy maintsy ninamana akaiky foana?

NAMPIRISIKA an’ireo mpianany tsy nivadika mba ho mpinamana foana i Jesosy, ny alina talohan’ny nahafatesany. Nilaza izy, ora vitsivitsy talohan’io, fa ny fifankatiavan’izy ireo no hamantarana azy ireo hoe mpianany. (Jaona 13:35) Tsy maintsy ninamana akaiky foana ny apostoly, mba hiatrehany an’ireo fitsapana ho avy sy hanatanterahany ny asa hanendren’i Jesosy azy tsy ho ela. Nanjary fantatra noho ny fitiavany lalina an’Andriamanitra sy ny fifankatiavany tokoa ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany.

2. a) Tapa-kevitra ny hanao inona isika, ary nahoana? b) Inona avy no fanontaniana hodinihintsika?

2 Manahaka an’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ireo anisan’ny fandaminan’i Jehovah eran-tany ankehitriny, ary mahafinaritra ny mifandray amin’izy ireo! Tapa-kevitra isika fa hankatò ny didin’i Jesosy hifankatia amin’ny fo manontolo. Mora mivadika sy tsy tia ny mpianakaviny anefa ny ankamaroan’ny olona amin’izao andro farany izao. (2 Tim. 3:1-3) Matetika no an-tendro-molotra fotsiny sy feno fitiavan-tena ny fisakaizany. Tsy tokony hanao toy izany isika, raha te ho fantatra foana hoe tena Kristianina. Hodinihintsika àry hoe: Inona no mampaharitra ny tena fisakaizana? Ahoana no ahazoantsika namana tsara? Rahoviana no tokony hofaranana ny fisakaizana? Ary inona no manampy ny Kristianina ho mpinamana foana?

Inona no mampaharitra ny tena fisakaizana?

3, 4. Inona no mampaharitra ny tena fisakaizana, ary nahoana?

3 Tena tsy mifankafoy ny mpinamana rehefa samy tia an’i Jehovah. Hoy i Solomona Mpanjaka: “Ny olon-tokana mety ho resin’ny olona iray, fa raha olon-droa kosa hahatohitra azy. Ary ny tady randran-telo tsy mora tapahina.” (Mpito. 4:12) Haharitra ny fifandraisan’ny mpinamana rehefa ataony namana koa i Jehovah.

4 Marina fa afaka minamana tsara ny olona tsy tia an’i Jehovah. Tsy ho rava anefa ny fifandraisan’ny mpinamana raha samy tia an’Andriamanitra izy ireo. Halaminy amin’ny fomba ankasitrahan’i Jehovah ny tsy fifanarahany, raha sendra misy izany. Raha mitady hampisaraka ny tena Kristianina ny mpanohitra, dia ho hitany fa tsy mety rava ny fifandraisan’izy ireo. Efa hatramin’izay no noporofoin’ny mpanompon’i Jehovah, fa aleon’izy ireo maty toy izay hamadika ny namany.—Vakio ny 1 Jaona 3:16.

5. Nahoana no tena naharitra ny fifandraisan’i Rota sy Naomy?

5 Azo antoka fa eo anivon’ireo tia an’i Jehovah no ahitantsika namana mahafinaritra indrindra. Diniho ny ohatr’i Rota sy Naomy. Anisan’ireo tantara tsara indrindra voarakitra ao amin’ny Baiboly ny fisakaizan’izy ireo. Inona no nampaharitra ny fifandraisany? Hoy i Rota tamin’i Naomy: “Ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro. ... Hofaizin’i Jehovah anie aho, ary mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka ahy aminao!” (Rota 1:16, 17) Hita fa samy tia an’Andriamanitra i Rota sy Naomy, ary navelan’izy ireo hanan-kery teo amin’ny fomba nifampitondrany izany. Samy notahin’i Jehovah àry izy ireo.

Ahoana no ahazoana namana tsara?

6-8. a) Inona no ilaina mba hampaharitra ny fisakaizana? b) Ahoana no hanaovana ny dingana voalohany hahazoana namana?

6 Hita avy amin’ny ohatr’i Rota sy Naomy fa tsy tongatonga ho azy ny fifandraisana tsara eo amin’ny mpinamana. Ny fitiavan’izy ireo an’i Jehovah kosa no mahatonga izany. Ilaina anefa ny ezaka mafy sy ny fahafoizan-tena vao maharitra ny fisakaizana. Na ireo mpiray tam-po samy manompo an’i Jehovah aza, dia tsy maintsy miezaka mafy mba ho mpinamana akaiky. Ahoana àry no ahazoanao namana tsara?

7 Manaova ny dingana voalohany. Nampirisihin’ny apostoly Paoly ireo namany teo anivon’ny fiangonana tany Roma, mba ‘hiezaka ho tia mandray vahiny.’ (Rom. 12:13) Mila manao izany tsy tapaka ianao, eny fa na dia amin-javatra madinika aza. Tsy misy afaka manao izany eo amin’ny toeranao mantsy. (Vakio ny Ohabolana 3:27.) Azonao atao, ohatra, ny manasa olona samihafa eo anivon’ny fiangonana hiaraka aminao hihinana sakafo tsotsotra. Azonao atao anisan’ny fahazaranao ve izany, mba hampisehoana fa tia mandray vahiny ianao?

8 Manao ny dingana voalohany hahazoana namana koa ianao rehefa manovaova ny olona iarahanao mitory. Rehefa eo am-baravaran’ny olona itoriana ianao sy ilay namanao, ka renao miresaka amim-pahatsorana momba ny fitiavany an’i Jehovah izy, dia lasa te hifandray akaiky aminy ianao.

9, 10. Inona no ohatra tsara nomen’i Paoly, ary ahoana no anahafantsika azy?

9 Halalaho ny fonao. (Vakio ny 2 Korintianina 6:12, 13.) Efa nahatsapa ve ianao hoe tsy misy olona afaka ny ho namanao mihitsy eo anivon’ny fiangonana? Raha izany no izy, sao dia ianao mihitsy no mila mihamalalaka? Nanome ohatra tsara momba izany ny apostoly Paoly. Tsy nieritreritra ny hinamana amin’ny olona tsy Jiosy mihitsy izy taloha. Lasa “apostoly ho an’ny hafa firenena” anefa izy tatỳ aoriana.—Rom. 11:13.

10 Tsy ireo nitovitovy taona tamin’i Paoly ihany no nataony namana. Lasa mpinamana be, ohatra, izy sy Timoty na dia tsy nitovy taona sy fahaizana aza. Tanora maro koa ankehitriny no minamana akaiky amin’ireo be taona kokoa eo anivon’ny fiangonana. Hoy i Vanessa, izay 20 taona mahery kely: “Mpinamana be izaho sy ny rahavavy iray efa 50 taona mahery. Lazaiko aminy ny zava-drehetra azoko resahina amin’ireo namako mitovy taona amiko. Tena miahy izay hahasoa ahy koa izy.” Ahoana no nahatonga azy ireo hifandray be toy izany? Hoy i Vanessa: “Nanao ny dingana voalohany aho fa tsy niandry fotsiny.” Te hinamana amin’ny olona tsy mitovy taona aminao koa ve ianao? Azo antoka fa hitahy anao i Jehovah rehefa miezaka ianao.

11. Inona no ianarantsika avy amin’ny ohatr’i Jonatana sy Davida?

11 Aza mivadika. Hoy i Solomona: “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady toy ny rahalahy natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana.” (Ohab. 17:17) Mety ho ny fifandraisan’i Davida rainy sy Jonatana no tao an-tsain’i Solomona, tamin’izy nanoratra an’ireo teny ireo. (1 Sam. 18:1) I Jonatana no tian’i Saoly Mpanjaka handimby azy. I Davida anefa no nofidin’i Jehovah ho mpanjaka, ary neken’i Jonatana izany. Tsy nialona an’i Davida izy, na dia nanao izany aza i Saoly. Tsy sosotra izy rehefa noderain’ny olona i Davida. Tsy nino ny lainga naelin’i Saoly momba an’i Davida koa izy. (1 Sam. 20:24-34) Manahaka an’i Jonatana ve isika? Faly ve isika rehefa mahazo andraikitra eo anivon’ny fiangonana ny namantsika? Mampahery sy manampy azy ve isika rehefa miatrika olana izy? Tonga dia mino ny fanaratsiana ataon’ny olona momba azy ve isika? Sa isika tsy mivadika aminy sy miaro azy, toy ny nataon’i Jonatana?

Rahoviana no tokony hofaranana ny fisakaizana?

12-14. Inona no olana atrehin’ny mpianatra Baiboly sasany, ary ahoana no anampiantsika azy?

12 Mety hahita olana eo amin’ny fifandraisany amin’ny namany ny olona mianatra Baiboly, rehefa manomboka manova ny fomba fiainany. Mahafinaritra azy angamba ny miaraka amin’ireo namany ireo, saingy tsy manaraka ny fitsipiky ny Baiboly izy ireo. Mety hoe niaraka matetika izy ireo taloha. Hitany anefa izao fa mety hisy vokany ratsy eo aminy ny zavatra ataon’ireo namany. Tsapany àry fa tsy tokony hifandray be amin’izy ireo intsony izy. (1 Kor. 15:33) Mety hahatsapa anefa izy fa toy ny hoe mivadika raha manapaka an’ilay fifandraisana.

13 Miatrika olana toy izany ve ianao satria mianatra Baiboly? Tadidio fa ho faly hahita anao manova ny fomba fiainanao izy raha tena namana. Mety haniry hianatra momba an’i Jehovah koa aza izy. Raha naman-dratsy kosa izy, dia ‘hanevateva anao tsy misy farany’, satria tsy miara-mihazakazaka aminy ho amin’ny “honahonan’ny filibana” intsony ianao. (1 Pet. 4:3, 4) Izy no nivadika, raha ny marina, fa tsy ianao.

14 Afaka mahazo namana eo anivon’ny fiangonana ny mpianatra Baiboly, raha nilaozan’ireo namany tsy tia an’Andriamanitra. (Gal. 6:10) Fantatrao tsara ve ireo mpianatra Baiboly tonga mivory? Afaka mifandray aminy sy mampahery azy ve ianao indraindray?

15, 16. a) Inona no tokony hataontsika raha tsy manompo an’i Jehovah intsony ny namantsika? b) Ahoana no anaporofoantsika fa tiantsika Andriamanitra?

15 Ahoana anefa raha nivadika tamin’i Jehovah ny namantsika teo anivon’ny fiangonana, ka angamba nila noroahina? Tena mety hampalahelo izany. Hoy ny anabavy iray, rehefa tsy nanompo an’i Jehovah intsony ny namany: “Kivy tanteraka aho. Noheveriko fa mba tena tiany ny fahamarinana, kanjo tsy izany no izy. Ny hampifaly ny fianakaviany fotsiny angamba no antony nanompoany an’i Jehovah. Nanomboka nandini-tena àry aho. Antony tsara ve no nanompoako an’i Jehovah?” Ahoana no niatrehan’io anabavy io an’izany? Hoy izy: “Noresahiko tamin’i Jehovah ilay izy. Tapa-kevitra aho ny hanaporofo fa tsy noho izy nanome ahy namana teo anivon’ny fandaminany no itiavako azy, fa noho ny maha Andriamanitra azy.”

16 Tsy afaka manantena ny ho naman’Andriamanitra foana isika, raha miaraka amin’ireo te ho naman’ity tontolo ity. Hoy i Jakoba mpianatra: “Tsy fantatrareo ve fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te ho naman’izao tontolo izao, dia mitsangan-ko fahavalon’Andriamanitra izy.” (Jak. 4:4) Porofointsika fa tia an’Andriamanitra isika, rehefa matoky fa hanampy antsika hiatrika ny famoizana namana izy raha tsy mivadika aminy isika. (Vakio ny Salamo 18:25.) Hoy ilay anabavy voaresaka teo aloha: “Tsy azontsika terena ho tia an’i Jehovah na ho tia antsika ny hafa. Safidiny manokana izany.” Inona anefa no azontsika atao raha tiantsika ny ho mpinamana foana amin’ireo mbola eo anivon’ny fiangonana?

Inona no manampy ny Kristianina ho mpinamana foana?

17. Ahoana no tokony hifampiresahan’ny mpinamana?

17 Mifandray akaiky foana ny mpinamana rehefa mifampiresaka tsara. Rehefa vakinao ny tantaran’i Rota sy Naomy, Davida sy Jonatana, ary Paoly sy Timoty, dia ho hitanao fa mifampiresaka tsy an-kifonofono nefa amim-panajana ny mpinamana. Hoy i Paoly: “Aoka ho teny mahafinaritra sady mamy sira foana no holazainareo.” Ny fomba tokony hiresahantsika amin’ny “olona eny ivelany”, izany hoe ireo tsy anisan’ny rahalahintsika kristianina, no nasongadin’i Paoly teo. (Kol. 4:5, 6) Raha izy ireo aza tokony hohajaintsika rehefa miresaka aminy isika, tsy mainka ve fa ireo namantsika eo anivon’ny fiangonana?

18, 19. Ahoana no tokony handraisantsika ny torohevitra avy amin’ny namantsika kristianina, ary inona no ohatra nomen’ireo anti-panahy tany Efesosy ho antsika?

18 Sarobidy amin’ny mpinamana ny hevitry ny andaniny sy ny ankilany. Tokony ho tsara fanahy sy tsy hiolakolaka àry izy ireo rehefa mifampiresaka. Hoy i Solomona mpanjaka hendry: “Ny menaka sy ny emboka manitra no mahafaly ny fo, ary toy izany koa ny namana mahafinaritra izay manome torohevitra amim-pahatsorana.” (Ohab. 27:9) Toy izany koa ve no andraisanao ny torohevitry ny namanao? (Vakio ny Salamo 141:5.) Raha manahy momba ny zavatra sasany ataonao izy ka milaza izany aminao, ahoana no ho fihetsikao? Ho tezitra ve ianao sa hihevitra an’izany ho fanehoam-pitiavana?

19 Nifandray tsara tamin’ireo anti-panahy teo anivon’ny fiangonan’i Efesosy ny apostoly Paoly. Vao nahalala ny fahamarinana angamba ny sasany tamin’izy ireo dia efa fantatr’i Paoly. Nanome torohevitra nivantana ho azy ireo anefa izy, rehefa nihaona farany taminy. Tezitra tamin’i Paoly ve ireo namany ireo? Tsia. Nankasitraka ny fiahiany kosa izy ireo. Nitomany mihitsy aza ry zareo, satria hoe tsy hahita an’i Paoly intsony.—Asa. 20:17, 29, 30, 36-38.

20. Inona no hataon’ny namana iray be fitiavana?

20 Tsy mandray torohevitra tsara fotsiny ny tena namana, fa manoro hevitra koa. Mazava ho azy fa mila fantarintsika hoe rahoviana isika no tsy tokony “hitsabaka amin’ny raharahan’ny hafa.” (1 Tes. 4:11) Mila miaiky koa isika fa “samy hataon’Andriamanitra ampamoaka” ny tsirairay. (Rom. 14:12) Hampahatsiahy ny namany momba ny fitsipik’i Jehovah anefa ny namana be fitiavana, rehefa ilaina izany. (1 Kor. 7:39) Inona, ohatra, no hataonao raha tsikaritrao fa lasa raiki-pitia amin’olona tsy Vavolombelona ny mpitovo iray namanao? Aleonao ve tsy miteny sao ho rava ny fifandraisanareo? Ary inona no hataonao raha tsy raisiny ny torohevitrao? Hitady ny fanampian’ny anti-panahy be fitiavana ianao, raha tena namana. Izy ireo indray avy eo no hanampy an’ilay namanao nanao fahadisoana. Mitaky herim-po izany. Tsy ho rava anefa ny fifandraisan’ny mpinamana, raha samy tia an’i Jehovah izy ireo.

21. Inona no mety hataontsika rehetra indraindray, nefa nahoana no tena ilaina ny hanamafisantsika foana ny fifandraisantsika eo anivon’ny fiangonana?

21 Vakio ny Kolosianina 3:13, 14. Mety hanana “antony hitarainana” momba antsika ny namantsika indraindray. Mety hilaza na hanao zavatra mahatezitra antsika koa anefa izy ireo. Hoy i Jakoba: ‘Manao fahadisoana imbetsaka isika rehetra.’ (Jak. 3:2) Tsy ny habetsahan’ny fahadisoana ifanaovan’ny olona roa no amaritana hoe mpinamana izy ireo na tsia, fa ny fahaizany mifamela heloka tanteraka. Tena ilaina ny hanamafisantsika ny fifandraisantsika! Manao izany isika rehefa mifampiresaka tsara sy mifamela heloka tanteraka. Raha maneho fitiavana toy izany isika, dia ho “fatorana mampiray tonga lafatra izy io.”

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana no ahazoantsika namana tsara?

• Rahoviana no tokony hofaranana ny fisakaizana?

• Inona no manampy ny Kristianina ho mpinamana foana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 18]

Inona no nampaharitra ny fifandraisan’i Rota sy Naomy?

[Sary, pejy 19]

Tia mandray vahiny ve ianao?