Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ankizivavy Kely Malala-tanana

Ankizivavy Kely Malala-tanana

Ankizivavy Kely Malala-tanana

VAO haingana izay tany Brezila, dia nisy ankizivavy sivy taona nanangom-bola. Nozarainy roa ilay izy. Narotsany tao amin’ny boaty ho an’ny fanomezana tao amin’ny Efitrano Fanjakana ny 34 600 ariary teo ho eo, satria te hanome vola hisahanana ny fandanian’ny fiangonana izy. Nalefany tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah kosa ny 48 000 ariary teo ho eo, ary nampiarahiny tamin’ny taratasy kely milaza hoe: “Tiako hampiasaina hanohanana ny asa maneran-tany ity fanomezana ity. Te hanampy ranadahy sy rahavavy maro maneran-tany aho mba hahafahan’izy ireo mitory ny vaovao tsara. Omeko ity vola ity, satria tena tiako i Jehovah.”

Nampianarin’ny ray aman-dreniny an’io ankizivavy io fa zava-dehibe ny mandray anjara amin’ny fitoriana ilay Fanjakana. Nalentik’izy ireo tao an-tsainy koa fa mila ‘manome voninahitra an’i Jehovah amin’ireo zava-tsarobidy ananany’ izy. (Ohab. 3:9) Enga anie isika rehetra hanao toa an’io ankizivavy io ka hazoto hampandroso ny asan’ilay Fanjakana, eo an-toerana sy maneran-tany.