Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asehoy fa Tianao Ireo Rahalahy sy Anabavy Marenina!

Asehoy fa Tianao Ireo Rahalahy sy Anabavy Marenina!

Asehoy fa Tianao Ireo Rahalahy sy Anabavy Marenina!

FIANAKAVIAMBE ahitana rahalahy sy anabavy ara-panahy ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny. Efa hatramin’ny ela no nisy mpanompon’i Jehovah tsy nivadika, toa an’i Samoela, Davida, Samsona, Rahaba, Mosesy, Abrahama, Saraha, Noa ary Abela. Anisan’ireo mpanompon’i Jehovah tsy mivadika koa ny marenina maro. Mpivady marenina, ohatra, no Vavolombelon’i Jehovah voalohany tany Mongolia. Noho ny tsy fivadihan’ireo mpiray finoana marenina any Rosia koa no nahafahantsika nandresy tany amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona.

Manome boky sy gazety amin’ny tenin’ny tanana (DVD) ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina”, ankehitriny. (Mat. 24:45) Mandamina fiangonana sy fivoriambe mampiasa tenin’ny tanana koa izy ireo. Tena mahasoa an’ireo marenina izany. * Mbola tsy nisy fitaovana sy fandaharana toy izany anefa taloha. Efa nosaintsaininao ve hoe ahoana no nahafahan’izy ireo nianatra momba an’Andriamanitra sy nanao fandrosoana tamin’izany? Efa nieritreritra izay azonao anampiana an’ireo marenina mpiara-monina aminao ve ianao?

Talohan’ny nisian’ny fitaovana sy fandaharana amin’ny tenin’ny tanana

Nahoana raha asainao tantarain’ireo zokiolona marenina hoe ahoana no nahitany ny fahamarinana? Mety holazainy aminao izay tsapany tamin’izy nahalala voalohany hoe manana anarana Andriamanitra. Nanova ny fiainany ny fahafantarana an’izany sady nanampy azy tsy hivadika nandritra ny taona maro, mandra-pisin’ireo DVD amin’ny tenin’ny tanana. Manampy azy ireo hahatakatra ny fahamarinana lalina kokoa izany. Mety hohazavainy koa hoe inona no natao tamin’ny mbola tsy nisy fivoriana amin’ny tenin’ny tanana na adika amin’ny tenin’ny tanana. Nisy olona nandray an-tsoratra teo akaikin’izy ireo, mba hanampiana azy hahazo izay resahina nandritra ilay fivoriana. Tamin’izany fomba izany no nianaran’ny rahalahy marenina iray ny fahamarinana, nandritra ny fito taona. Taorian’izay vao nisy olona nandika ny fivoriana amin’ny tenin’ny tanana.

Tsaroan’ireo zokiolona Vavolombelona marenina hoe nanao ahoana izany nitory tamin’ny olona “mandre” izany. Nampiseho taratasy nisy ny fanazavana ara-baiboly izy ireo tamin’ny tanany iray. Nasehony tamin’ny tanany ilany kosa ny Tilikambo sy Mifohaza! farany. Tena sarotra tamin’izy ireo ny nampianatra Baiboly olona marenina. Samy tsy nahazo tsara ny hevitra tao amin’ny boky sy gazety mantsy na izy na ilay olona nampianarina. Mbola tsaroan’ireo zokiolona marenina koa angamba hoe kivy izy rehefa tsy azon’ny olona nitoriany na nampianariny ny tiany holazaina, ka tsy afaka nanohy ny resany intsony izy. Tena tia an’i Jehovah izy ireo nefa tsy azony antoka raha mifanaraka amin’izany ny zavatra ataony. Nahoana? Satria tsy tena azony antoka raha marina tsara na tsia ny fahatakarany ny fampianaran’ny Baiboly momba ny lafin-javatra iray.

Tsy nivadika ireny rahalahy sy anabavintsika ireny, na teo aza ny zava-tsarotra. (Joba 2:3) Niandry fatratra an’i Jehovah izy ireo. (Sal. 37:7) Tahiny izy ireo ankehitriny, mihoatra noho izay mety ho noeritreretin’ny ankamaroany aza.

Mariho ny ezaka nataon’ny rahalahy marenina iray izay manambady aman-janaka. Nitarika ny fotoam-pivavahan’ny fianakaviana foana izy, na mbola tsy nisy aza ny DVD amin’ny tenin’ny tanana. Hoy ny zanany lahy: “Sahirana foana i Dada rehefa nitarika ny fotoam-pivavahan’ny fianakaviana. Tsy maintsy nampiasa boky aman-gazety an-tsoratra mantsy izy rehefa nampianatra anay. Tsy tena azony izay voalaza tao matetika. Nanampy trotraka ny fahasahiranany koa izahay ankizy, satria mailaka erỳ ny hanitsy azy rehefa diso ny fanazavany. Nitarika ny fotoam-pivavahana foana anefa i Dada. Na menatra aza izy indraindray noho izy tsy nahay teny anglisy tsara, dia tsy nanakana azy izany. Tsapany fa zava-dehibe ny fianaranay momba an’i Jehovah.”

Ohatra iray hafa ny rahalahy Richard, izay 70 taona mahery ary mipetraka any Brooklyn, Etazonia. Sady marenina izy no jamba. Manatrika fivoriana tsy tapaka izy, ary izany no tena ahafantarana azy. Mandeha lamasinina irery izy rehefa hivory. Isainy hoe impiry ilay izy no mijanona mba hamantarany hoe aiza izy no tokony hiala. Nirotsaka be ny ranomandry indray ririnina izay, ka nofoanana ny fivoriana. Nampandrenesina ny mpivory rehetra. Hadino anefa ny nampandre an’i Richard. Rehefa tsaroan’ireo rahalahy izany dia lasa nitady azy izy ireo. Io izy io mijoro eo ivelan’ny Efitrano Fanjakana, miandry ny varavarana hivoha. Rehefa nanontaniana izy hoe nahoana no mbola nandeha ihany nefa ny andro ratsy be, dia namaly izy hoe: “Tiako i Jehovah.”

Inona no azonao atao?

Misy olona marenina ve ao amin’ny tanàna misy anao? Afaka mianatra tenin’ny tanana ve ianao mba hahafahanao hiresaka amin’izy ireo? Tsara fanahy sy manam-paharetana mazàna ny olona toy ireny, rehefa mampianatra ny fiteniny amin’ny hafa. Mety hihaona amin’ny marenina ianao eny am-pitoriana, na any an-toeran-kafa. Inona no azonao atao? Miezaha miresaka aminy amin’ny alalan’ny fihetsika na soratra kely, na sary. Azonao ampiarahina koa ireo. Resaho amin’ny Vavolombelona mahay tenin’ny tanana na marenina ny momba azy, na dia milaza aza izy fa tsy liana amin’ny fahamarinana. Mety hanohina ny fony kokoa mantsy ny hafatra entintsika rehefa atao amin’ny tenin’ny tanana.

Mianatra tenin’ny tanana angamba ianao ary manatrika fivoriana ho an’ny marenina. Ahoana no hahazoanao sy hahaizanao kokoa ny tenin’ny tanana? Nahoana raha mampiasa tenin’ny tanana na dia miresaka amin’ireo mpiara-mivory mandre aza? Hanampy anao hieritreritra amin’ny fitenin’ny marenina izany. Mety halaim-panahy hiteny ianao indraindray satria tsy te hisahirana. Mitaky fikirizana anefa ny fianarana fiteny iray, na inona izany na inona, raha tianao ny hahay tsara azy io.

Hita hoe tia sy manaja an’ireo rahalahy sy anabavy marenina isika, rehefa miezaka mafy mampiasa tenin’ny tanana. Tsy maintsy ho sorisorena izy ireo isan’andro, satria tsy azony izay lazain’ny olona any am-piasany na any am-pianarany. Hoy ny rahalahy marenina iray: “Mifampiresaka daholo ny olona manodidina ahy isan’andro. Mahatsapa ho manirery sy ailikilika aho matetika ka lasa sosotra ary tezitra mihitsy aza. Tsy haiko mihitsy izay hilazana ny fihetseham-poko indraindray.” Tokony ho fotoana mamy ho an’ireo rahalahy sy anabavy marenina àry ny fivoriana. Any izy ireo no afaka mandray sakafo ara-panahy sy faly mifanerasera amin’ireo mpiara-manompo.—Jaona 13:34, 35.

Tsy tokony hatao ambanin-javatra ireo marenina vitsivitsy miara-mivory amin’ny fiangonana mandre. Adika amin’ny tenin’ny tanana ny fivoriana. Mipetraka eny aloha izy ireo mba ho azony tsara ny fandaharana. Sady mahita ny mpandika teny mantsy izy ireo amin’izay no mahita ny mpandahateny. Vetivety ny mpivory hafa dia zatra an’izany ka tsy mahatsiaro ho voahelingelina. Toy izany koa no atao any amin’ny fivoriambe, rehefa miaraka amin’ny mandre ny marenina. Mendri-piderana ireo mpandika teny amin’ny tenin’ny tanana eo anivon’ny fiangonana. Miasa mafy izy ireny mba hampita amin’ny fomba marina tsara sy tsotra ny fandaharana, toy izay mety ho nampitan’ny marenina iray an’ilay hevitra.

Miaraka amin’ny fiangonana manohana antoko-mpitory mampiasa tenin’ny tanana angamba ianao, na misy marenina vitsivitsy eo anivon’ny fiangonanareo ka adika amin’ny tenin’ny tanana ny fivoriana. Inona no azonao atao mba hiahiana an’ireo marenina? Asao any an-tranonao izy. Mianara tenin’ny tanana vitsivitsy, raha mety. Aza misalasala manatona azy na dia tsy hainao aza ny miresaka aminy. Ho hitanao foana izay fomba hifampiresahana aminy. Hisy vokany mahafinaritra sy tsy hay hadinoina ny fanehoana fitiavana toy izany. (1 Jaona 4:8) Betsaka ny zavatra tsara azony zaraina aminao. Be resaka sy kinga saina ary tia vazivazy izy ireo. Hoy ny rahalahy iray manana ray aman-dreny marenina: “Niaraka foana tamin’ny olona marenina aho hatramin’izay. Be dia be ny soa nataon’izy ireo tamiko ary tsy ho voavaliko mihitsy izany. Afaka miana-javatra betsaka avy amin’ireo rahalahy sy anabavy marenina isika.”

Tian’i Jehovah ny mpanompony tsy mivadika, anisan’izany ireo marenina. Manam-pinoana sy miaritra izy ireo ka ohatra tsara ho antsika. Mampitombo ny harenan’ny fandaminan’i Jehovah izany. Aoka àry hasehontsika fa tiantsika ireo rahalahy sy anabavy marenina.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Jereo ny lahatsoratra “Mampamirapiratra ny Tavany Amin’izy Ireo i Jehovah”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 2009.

[Sary, pejy 31]

Mety hanohina kokoa ny fon’ny olona marenina ny hafatra entintsika rehefa atao amin’ny tenin’ny tanana

[Sary, pejy 32]

Tokony ho fotoana mamy ho an’ireo rahalahy sy anabavy marenina ny fivoriana, izay andraisany fampaherezana ara-panahy