Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Tokony hisaron-doha ve ny anabavy mandika teny ho amin’ny tenin’ny tanana, any am-pivoriana sy any amin’ny fivoriambe?

Raha tsorina, dia tokony hisaron-doha ny vehivavy kristianina rehefa manao ny andraikitra tokony hataon’ny vadiny na tokony hataon’ny rahalahy eo anivon’ny fiangonana. Mifanaraka amin’izao toro lalana nolazain’ny apostoly Paoly izao izany: ‘Izay vehivavy rehetra mivavaka na maminany ka tsy misaron-doha, dia mampahamenatra ny lohany’ satria “ny lehilahy no lohan’ny vehivavy.” (1 Kor. 11:3-10) Manao saron-doha tsotra sy mety tsara àry ny anabavy, amin’ny toe-javatra toy ireo voalaza etsy ambony ireo, mba hampisehoany fa manaiky ny rafitra napetrak’Andriamanitra eo anivon’ny fiangonana izy.—1 Tim. 2:11, 12. *

Ahoana anefa raha mandika lahatenin’ny rahalahy iray ho amin’ny tenin’ny tanana ny anabavy? Marina fa mpampita hevitra fotsiny izy amin’izay, izany hoe tsy izy no mampianatra fa ilay rahalahy. Samy hafa anefa ny mandika teny ho amin’ny tenin’ny tanana sy ny mandika teny vahiny. Afaka mifantoka amin’ilay mpandahateny mantsy ny mpanatrika sady mihaino an’ilay mpandika teny, raha teny vahiny no adika. Tsy ilay anabavy mandika teny koa matetika no tena ifantohan’ny olona, satria mety hifidy ny hipetraka izy. Raha mitsangana kosa izy dia mety hitodika any amin’ilay mpandahateny fa tsy any amin’ny mpanatrika. Raha mandika teny vahiny àry ny anabavy, dia tsy voatery hanao saron-doha.

Misongadina kosa ilay anabavy raha hadika ho amin’ny tenin’ny tanana ilay lahateny, indrindra moa raha aseho amin’ny efijery lehibe eny aloha ny sariny. Ilay mpandahateny anefa mety tsy ho hitan’ny mpanatrika akory. Mety àry amin’izay raha misaron-doha ilay anabavy mandika teny ho amin’ny tenin’ny tanana. Asehony amin’izany fa miaiky izy hoe tsy avy aminy ilay fampianarana, fa mandika teny fotsiny izy.

Inona no vokatr’ity fanazavana nohavaozina ity, eo amin’ny fandikana an’ireo anjara hafa ho amin’ny tenin’ny tanana, izany hoe ny anjara amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, ny fampisehoana, ary koa ny valin-teny mandritra ny Fianarana Baiboly Ataon’ny Fiangonana sy ny Fivoriana Momba ny Fanompoana ary ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana? Tokony hisaron-doha koa ve ny anabavy rehefa mandika an’ireo anjara ireo ho amin’ny tenin’ny tanana? Tsy voatery ho izany amin’ny toe-javatra sasany, satria tokony ho efa takatry ny mpanatrika rehetra fa tsy ilay anabavy no tena mitarika an’ilay fivoriana. Tsy voatery hisaron-doha izy, ohatra, rehefa mandika ny valin-tenin’ny mpanatrika, na anjara ataon’ny anabavy, na fampisehoana. Tokony hisaron-doha kosa izy raha anjara tarihin’ny rahalahy mandritra ny Sekolin’ny Fanompoana sy Fivoriana Momba ny Fanompoana no adikany, na Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, na Fianarana Baiboly Ataon’ny Fiangonana, na rehefa mandika hira ho amin’ny tenin’ny tanana izy. Mety handika anjara ataon’ny rahalahy, anabavy, ankizy, ary anti-panahy ny anabavy iray mandritra ny fivoriana. Raha izany no izy, dia mety kokoa angamba raha tonga dia manao saron-doha izy mandritra ilay fivoriana manontolo.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Misy fanazavana fanampiny ao amin’ny boky “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”, pejy 209-212.