Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hita avy Amin’ny Vavaka Ataonao?

Inona no Hita avy Amin’ny Vavaka Ataonao?

Inona no Hita avy Amin’ny Vavaka Ataonao?

“Ry Mpihaino vavaka ô, ianao no hohatonin’ny karazan’olona rehetra.”—SAL. 65:2.

1, 2. Nahoana isika no tsy tokony hisalasala hivavaka amin’i Jehovah?

HENOIN’I Jehovah foana ny vavaky ny mpanompony tsy mivadika. Afaka matoky an’izany isika. Na mpanompony an-tapitrisany aza no indray miresaka aminy, dia henony tsara daholo.

2 Natoky i Davida mpanao salamo fa nihaino azy Andriamanitra, ka hoy izy: “Ry Mpihaino vavaka ô, ianao no hohatonin’ny karazan’olona rehetra.” (Sal. 65:2) Namaly ny vavak’i Davida i Jehovah satria nanompo azy foana izy. Eritrereto àry izao: ‘Hita amin’ny vavaka ataoko ve fa matoky an’i Jehovah aho, ary ny fanompoana azy no zava-dehibe indrindra amiko? Mampiharihary inona momba ahy ny vavaka ataoko?’

Manetre tena rehefa mivavaka

3, 4. a) Inona no toetra tokony hananantsika rehefa mivavaka? b) Ahoana raha nanao fahotana lehibe isika, ka ‘manahy’?

3 Tokony hanetry tena isika, raha te hahazo valim-bavaka. (Sal. 138:6) Mila miangavy an’i Jehovah isika mba handinika antsika. Nanao izany i Davida. Hoy izy: “Diniho amin’ny an-tsipiriany aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko. Diniho aho, ka fantaro ny zavatra mampanahy ahy. Ary jereo sao misy lalana mampahory ato anatiko, dia tariho ho amin’ny lalan’ny mandrakizay aho.” (Sal. 139:23, 24) Iangavio handinika anao àry i Jehovah, ary araho ny torohevitra ao amin’ny Teniny. Afaka mitarika anao ho amin’ny “lalan’ny mandrakizay” izy, izany hoe hanampy anao hahazo ny fiainana mandrakizay.

4 Ahoana raha ‘manahy’ isika satria nanao fahotana lehibe? (Vakio ny Salamo 32:1-5.) Raha mampangina eritreritra fotsiny isika, dia mety ho lany hery, toy ny hazo mainan’ny hafanana migaingaina. Ory i Davida rehefa nanota, ary angamba narary mihitsy. Maivamaivana anefa izy, rehefa avy niaiky ny fahotany tamin’Andriamanitra! Faly be izy rehefa “voavela ny helony.” Ho maivamaivana àry isika raha miaiky ny fahotantsika amin’Andriamanitra. Ilaina koa ny manatona anti-panahy, satria afaka manampy antsika hihavana indray amin’i Jehovah izy ireo.—Ohab. 28:13; Jak. 5:13-16.

Manaova fitalahoana sy fisaorana

5. Inona no tokony hataontsika rehefa manahy?

5 Betsaka ny zavatra mety hampanahy antsika. Hoy àry ny apostoly Paoly: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana.” (Fil. 4:6) Mila mitalaho fanampiana sy tari-dalana amin’i Jehovah isika, indrindra rehefa misy loza na fanenjehana.

6, 7. Nahoana isika no tokony hisaotra an’i Jehovah rehefa mivavaka?

6 Ahoana anefa raha tsy mivavaka mihitsy isika, raha tsy efa mila zavatra? Mety hidika izany fa tia tena isika. Milaza i Paoly fa tokony hanao “fisaorana” isika, ankoatra ny fangatahana. Tahafo i Davida, izay nivavaka hoe: ‘Anao Jehovah ô, ny fahalehibeazana sy ny hery sy ny hatsarana ary ny haja amam-boninahitra, fa anao ny zava-drehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. Ary anao ny fanjakana, Jehovah ô, dia ianao izay misandratra ambony noho ny zava-drehetra. Misaotra anao izahay, ry Andriamanitray ô, ary derainay ny anaranao kanto dia kanto.’—1 Tan. 29:11-13.

7 Nisaotra an’Andriamanitra i Jesosy noho ny sakafo, sy noho ny mofo sy divay tamin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo. (Mat. 15:36; Mar. 14:22, 23) Tokony hanahaka azy isika. Tsy vitan’izay fa tokony ‘hisaotra an’i Jehovah’ isika noho ny “asa mahatalanjona nataony ho an’ny zanak’olombelona” sy ny ‘didim-pitsarany ara-drariny’ ary ny Teniny.—Sal. 107:15; 119:62, 105.

Mivavaha ho an’ny hafa

8, 9. Nahoana isika no tokony hivavaka ho an’ny Kristianina hafa?

8 Tsy tokony hivavaka ho an’ny tenantsika fotsiny isika, fa ho an’ny Kristianina hafa koa, na dia izay tsy fantatsika aza. Tsy ny Kristianina rehetra tany Kolosia no fantatr’i Paoly. Hoy anefa izy: “Isaoranay mandrakariva Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, rehefa mivavaka ho anareo izahay, satria renay ny amin’ny finoanareo an’i Kristy Jesosy sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra.” (Kol. 1:3, 4) Nivavaka ho an’ny Tesalonianina koa i Paoly. (2 Tes. 1:11, 12) Raha mivavaka ho an’ny mpiray finoana àry isika, dia ho hita hoe tena tia azy ireo. Ho hita koa hoe olona manao ahoana isika.

9 Mivavaha ho an’ny voahosotra sy ny “ondry hafa.” Ho hita amin’izany fa tena tianao ny fandaminan’Andriamanitra. (Jaona 10:16) Nasain’i Paoly nivavaka ho azy ny mpiray finoana taminy mba ‘ho afaka hiteny izy, ka hampahafantatra ny zava-miafina masin’ny vaovao tsara.’ (Efes. 6:17-20) Nahoana raha manao toy izany koa?

10. Inona no mety ho vokany raha mivavaka ho an’ny hafa isika?

10 Mety hiova koa ny fiheverantsika ny hafa, rehefa mivavaka ho azy isika. Aoka hatao hoe misy olona tsy dia azoazontsika, nefa mivavaka ho azy ihany isika. Mbola ho sahintsika ve ny hankahala azy? (1 Jaona 4:20, 21) Mahasoa àry ny vavaka toy izany sady mampiray saina. Maneho fitiavana toy ny an’i Kristy koa isika, raha mivavaka ho an’ny hafa. (Jaona 13:34, 35) Anisan’ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra ny fitiavana. Mivavaha àry mba hahazo fanahy masina, ary mba hanana ny vokatr’izy io, dia ny fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaran-toetra, finoana, fahalemem-panahy, ary fifehezan-tena. (Lioka 11:13; Gal. 5:22, 23) Inona no ho vokany? Ho hita fa manaraka ny fitarihan’ny fanahy isika.—Vakio ny Galatianina 5:16, 25.

11. Nahoana isika no tokony hiangavy ny hafa hivavaka ho antsika?

11 Renao ve fa nangala-tahaka ny zanakao tany am-pianarana? Mila mivavaka ho azy koa ianao, ary manome azy torohevitra ara-baiboly, mba tsy hanaovany an’izany zava-dratsy izany. Hoy i Paoly tamin’ny Korintianina: “Mivavaka amin’Andriamanitra izahay mba tsy hanaovanareo izay ratsy.” (2 Kor. 13:7) Mampifaly an’i Jehovah ny vavaka toy izany, sady manaporofo fa miahy ny hafa isika. (Vakio ny Ohabolana 15:8.) Iangavio hivavaka ho anao koa anefa ny hafa, toy ny nataon’i Paoly. Hoy izy: “Mivavaha foana ho anay. Matoky mantsy izahay fa manana feon’ny fieritreretana tsara, satria te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra.”—Heb. 13:18.

Inona koa no hita amin’ny vavaka ataontsika?

12. Inona no tena tokony hisongadina ao amin’ny vavaka?

12 Hita amin’ny vavaka ataontsika ve fa Kristianina falifaly sy marisika isika? Hita ve fa zava-dehibe amintsika ny sitrapon’Andriamanitra, ny fanamarinana ny zony hitondra, ny fanamasinana ny anarany, ary ny asa fitoriana? Ireo no tena tokony hisongadina, araka ilay vavaka nampianarin’i Jesosy hoe: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao! Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!”—Mat. 6:9, 10.

13, 14. Inona no hita amin’ny vavaka ataontsika?

13 Hitan’i Jehovah amin’ny vavaka ataontsika koa ny tena antony anompoantsika azy, sy ny zavatra tiantsika na irintsika. Hoy ny Ohabolana 17:3: “Natao ho an’ny volafotsy ny vilany fanadiovana metaly, ary ho an’ny volamena ny fatana fandrendrehana, fa i Jehovah kosa no mpandinika ny fo.” Mahita ny ao am-po àry izy. (1 Sam. 16:7) Fantany raha tena tiantsika ny fivoriana sy ny fanompoana ary ny mpiray finoana. Fantany koa hoe ahoana no fiheverantsika ny rahalahin’i Kristy. (Mat. 25:40) Fantany raha tena irintsika izay angatahintsika amin’ny vavaka na manao tsianjery fotsiny isika. Hoy i Jesosy: ‘Rehefa mivavaka ianareo, dia aza mamerimberina zavatra mitovy foana, toy ny ataon’ny olona eo amin’izao tontolo izao. Heveriny mantsy fa ny fampiasany teny maro no hihainoana azy.’—Mat. 6:7.

14 Hita amin’ny vavaka ataontsika koa raha tena matoky an’Andriamanitra isika. Hoy i Davida tamin’i Jehovah: “Ianao no fialofako, sy tilikambo mafy ho ahy, eo anoloan’ny fahavaloko. Hivahiny ao an-tranolainao mandritra ny fotoana tsy voafetra aho. Hialoka sy hiafina ao ambany elatrao aho.” (Sal. 61:3, 4) Voaro sy voakarakara isika, rehefa ‘mamelatra ny tranolainy eo ambonintsika’ Andriamanitra. (Apok. 7:15) Mampahery antsika ny mivavaka aminy rehefa fantatsika fa ‘momba antsika’ izy, na inona na inona fitsapana mahazo antsika!—Vakio ny Salamo 118:5-9.

15, 16. Inona no ho fantatsika raha mivavaka momba ny antony anompoantsika an’i Jehovah isika?

15 Ho fantatsika ny tena antony anompoantsika an’i Jehovah raha milaza aminy izay ao am-pontsika momba izany isika. Aoka hatao hoe te hahazo andraikitra eo anivon’ny fiangonana ianao. Inona no tena antony? Moa ve ianao te hanampy ny hafa sy te hampandroso ny asan’ilay Fanjakana? Sa te ho “voalohany” na ‘hanjakazaka’? Tsy tokony hanana toe-tsaina toy izany ny vahoakan’i Jehovah. (Vakio ny 3 Jaona 9, 10; Lioka 22:24-27.) Tsory aminy àry izay ao am-ponao. Ho fantatrao amin’izay raha antony ratsy no anompoanao azy, ka ho afaka hiova ianao dieny mbola mora ny manao izany.

16 Vehivavy manambady ve ianao? Tena tianao ho lasa mpanampy amin’ny fanompoana na anti-panahy ve ny vadinao, ka mivavaka momba izany ianao? Aza mianina amin’ny vavaka, fa miezaha koa ho modely. Arakaraka ny fomba fiteny sy ny fitondran-tenan’ny ankohonany mantsy no itsaran’ny hafa ny rahalahy iray.

Rehefa mivavaka ampahibemaso

17. Nahoana isika no mila toerana mangina rehefa hivavaka?

17 Matetika i Jesosy no nivavaka nitokana. (Mat. 14:13; Lioka 5:16; 6:12) Mila manao toy izany koa isika. Hahay handray fanapahan-kevitra tsara sy mampifaly an’i Jehovah isika, raha any amin’ny toerana mangina no mivavaka. Nivavaka ampahibemaso koa anefa i Jesosy. Andeha hojerentsika hoe ahoana no tokony hanaovana izany.

18. Inona no tokony hotadidin’ny rahalahy misolo tena ny fiangonana amin’ny vavaka?

18 Rahalahy tsy mivadika no misolo tena antsika amin’ny vavaka, any am-pivoriana. (1 Tim. 2:8) Tokony hiteny hoe “amena” ny rehetra, aorian’ilay vavaka. Ny dikan’izy io dia hoe “ho tanteraka anie izany.” Tsy ho afaka hilaza izany anefa ny mpihaino, raha tsy ekeny izay voalaza tao amin’ilay vavaka. Tsy misy teny mahery na manafintohina ao amin’ilay vavaka nampianarin’i Jesosy. (Lioka 11:2-4) Tsy nitanisa ny olana na zavatra nilain’ny olona tsirairay nihaino azy koa izy, rehefa nivavaka ampahibemaso. Raha fantatrao àry fa misy manana olana eo anivon’ny fiangonana, dia tsara raha amin’ny vavaka samirery ianao no miresaka momba izany, fa tsy amin’ny vavaka ampahibemaso. Tsy mety koa ny milaza tsiambaratelo.

19. Inona no fihetsika tsy mety mandritra ny vavaka ampahibemaso?

19 Tokony hanaja sy hatahotra an’Andriamanitra isika, rehefa misy misolo tena antsika amin’ny vavaka. (1 Pet. 2:17) Misy zavatra tsy azo atao any am-pivoriana, na dia azo atao any an-toeran-kafa aza. (Mpito. 3:1) Misy, ohatra, mampirisika ny rehetra hifampisakambina na hifampitantana, mandritra ny vavaka. Mety hahavarimbariana na hanafintohina olona anefa izany, indrindra raha vaovao izy. Marina fa azon’ny mpivady atao ny mifampitantana, nefa tsy tokony hisarika ny mason’ny hafa izy. Tsy mety ny mifamihina, satria mety ho tafintohina izay sendra mahita izany. Mety hihevitra ny olona hoe ilaozan’izy roa mifaneho fitiavana fotsiny, fa tsy mivavaka. Asehoy àry fa manaja lalina an’i Jehovah ianao, ka ‘ataovy ho voninahiny ny zava-drehetra’, ary aza manao izay hahavarimbariana na hanafintohina olona.—1 Kor. 10:31, 32; 2 Kor. 6:3.

Ahoana raha tsy mahita holazaina?

20. Hazavao ny Romanina 8:26, 27.

20 Tsy mahita holazaina isika indraindray, rehefa mivavaka mitokana. Hoy i Paoly: “Izao mantsy no olana: Tokony hivavaka isika nefa tsy fantatsika akory izay tokony hangatahintsika. Miangavy ho antsika anefa ny fanahy [masina] rehefa mitoloko ao am-po tsy miloaka isika. Fa fantatr’ilay mpandinika ny fo izay lazain’ny fanahy.” (Rom. 8:26, 27) Misy vavaka maro nasain’i Jehovah nosoratana ao amin’ny Baiboly. Rehefa tsy mahita holazaina isika, dia raisiny ho toy ny hoe avy amintsika izy ireny, ary tanterahiny. Fantany mantsy izay ilaintsika, ary fantany koa izay nasainy nampitain’ny fanahy masina tao amin’ny Teniny. Mamaly antsika àry izy, satria efa “miangavy” ho antsika ny fanahy masina. Tsara anefa raha miezaka mamaky bebe kokoa ny Teniny isika, mba ho mora amintsika ny hahita zavatra holazaina.

21. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

21 Mampiharihary zavatra maro momba antsika àry ny vavaka ataontsika. Hita amin’izy io, ohatra, raha tena akaiky an’i Jehovah isika, ary tena mahazo ny Teniny. (Jak. 4:8) Handinika vavaka sy hira fiderana maromaro ao amin’ny Baiboly isika, ao amin’ny lahatsoratra manaraka. Inona no ho vokatr’izany eo amin’ny vavaka ataontsika?

Ahoana no Havalinao?

• Inona no toetra tokony hananantsika rehefa mivavaka?

• Nahoana isika no mila mivavaka ho an’ny mpiara-manompo?

• Inona avy no mety ho hita avy amin’ny vavaka ataontsika?

• Inona no fihetsika tsy mety mandritra ny vavaka ampahibemaso?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 4]

Midera sy misaotra tsy tapaka an’i Jehovah ve ianao?

[Sary, pejy 6]

Tokony hanome voninahitra an’i Jehovah foana ny fihetsitsika mandritra ny vavaka ampahibemaso