Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahalala Fomba ny Mpanompon’Andriamanitra

Mahalala Fomba ny Mpanompon’Andriamanitra

Mahalala Fomba ny Mpanompon’Andriamanitra

“Aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo.”—EFES. 5:1.

1, 2. a) Nahoana no zava-dehibe ny fahalalam-pomba? b) Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

HOY ny mpanoratra iray atao hoe Sue Fox, momba ny fanajana olona: “Tokony hahalala fomba foana isika. Misy vokany tsara izany na aiza na aiza, na rahoviana na rahoviana.” Tsy dia manana olana amin’ny olon-kafa ny olona mahalala fomba, ary matetika aza mahavita mamaha ny olana efa misy. Miteraka ady sy fahatezerana ary alahelo kosa ny tsy fahalalam-pomba.

2 Mahalala fomba ny ankamaroan’ny olona eo anivon’ny fiangonana kristianina. Fahita anefa ny olona tsy mahalala fomba eto amin’ity tontolo ity, ka mila mitandrina isika mba tsy hanahaka azy ireny. Ho hitantsika ato fa manampy antsika amin’izany ny fampiharana ny toro lalan’ny Baiboly, sady misarika ny olona ho amin’ny fivavahana marina. Hodinihintsika anefa aloha ny modely nomen’i Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany, mba hahalalantsika ny dikan’ny hoe mahalala fomba.

Modely nomen’i Jehovah sy ny Zanany

3. Inona no modely nomen’i Jehovah momba ny fahalalam-pomba?

3 Modely tonga lafatra amin’ny fahalalam-pomba i Jehovah. Tena tsara fanahy sy manaja ny olombelona izy, na dia Mpanjakan’izao rehetra izao aza. Nampiasa teny hebreo midika hoe “azafady” izy, rehefa niresaka tamin’i Abrahama sy Mosesy. (Gen. 13:14; Eks. 4:6) Rehefa manao fahadisoana ny mpanompony, dia “mamindra fo sy tsara fanahy” izy, ‘tsy mora tezitra, be hatsaram-panahy feno fitiavana sady tena tia fahamarinana.’ (Sal. 86:15) Tsy mitovy amin’ny olona mihitsy izy. Ny olona sasany mantsy misafoaka rehefa tsy manao zavatra araka ny noeritreretiny ny hafa.

4. Ahoana no azontsika anahafana an’i Jehovah, rehefa misy miresaka amintsika?

4 Hita koa hoe mahalala fomba Andriamanitra, rehefa jerena ny fomba ihainoany ny olona. Nanam-paharetana izy, ka novaliany ny fanontaniana tsirairay napetrak’i Abrahama momba ny mponina tao Sodoma. (Gen. 18:23-32) Tsy nihevitra izy hoe mandany fotoana ny mihaino an’i Abrahama. Mihaino ny vavaky ny mpanompony koa i Jehovah ary mihaino ny fitarainan’ny mpanota mibebaka. (Vakio ny Salamo 51:11, 17.) Nahoana raha manahaka azy, ka mihaino rehefa misy miresaka amintsika?

5. Inona no vokany rehefa mahalala fomba toa an’i Jesosy isika?

5 Anisan’ireo zavatra nianaran’i Jesosy Kristy tamin’ny Rainy ny fahalalam-pomba. Nanam-paharetana sy tsara fanahy foana i Jesosy, na dia nila herim-batana be aza ny fanompoany indraindray ary nitaky fotoana be. Vonona hanampy an’ireo olona nila fanampiana izy, anisan’izany ny boka sy ireo jamba lasa mpangataka. Tsy nailikilik’i Jesosy izy ireo na dia tsy nifanao fotoana taminy aza. Matetika izy no nanajanona ny zavatra nataony mba hanampiana ny kivy. Tena niahy an’ireo olona nino azy izy. (Mar. 5:30-34; Lioka 18:35-41) Tokony ho tsara fanahy sy vonon-kanampy toa an’i Jesosy isika Kristianina. Ho voamariky ny havantsika sy ny mpiara-monina ary ny olon-kafa izany. Hanome voninahitra an’i Jehovah koa izany sady hahasambatra antsika.

6. Inona no modely navelan’i Jesosy?

6 Tsy nanaja olona ny mpitondra fivavahana jiosy. Nihevitra izy ireo fa “olom-boaozona” ireo vahoaka tsy nahalala Lalàna, ary toy izany mihitsy no fomba nitondrany azy ireo. (Jaona 7:49) Tsy mba toy izany anefa ilay Zanak’Andriamanitra. Nanaja olona izy ka niantso azy ireo tamin’ny anarany. Anisan’izany, ohatra, i Marta, Maria, Zakaiosy, ary ny olona maro hafa. (Lioka 10:41, 42; 19:5) Miankina amin’ny zava-misy sy ny kolontsaina eo an-toerana no ahafahantsika miantso olona amin’ny anarany ankehitriny. Na izany aza, dia miezaka ho sariaka ny mpanompon’i Jehovah. * Manaja ny mpiray finoana sy ny olon-kafa isika, na dia tsy mitovy saranga amintsika aza izy ireny.—Vakio ny Jakoba 2:1-4.

7. Nahoana ny toro lalan’ny Baiboly no manampy antsika hahalala fomba, rehefa mifandray amin’ny olona amin’ny faritra rehetra?

7 Manaja olona Andriamanitra sy ny Zanany, rehefa jerena ny hatsaram-panahy asehony amin’ny olona avy amin’ny foko sy firenena rehetra. Misarika an’ireo olona manana toe-po tsara ho amin’ny fahamarinana izany hatsaram-panahiny izany. Miovaova arakaraka ny toerana ny atao hoe fahalalam-pomba, ka tsy manaraka lalàna hentitra momba izany isika. Manampy antsika hahay handanjalanja anefa ny toro lalan’ny Baiboly, ka afaka manaja ny olona amin’ny faritra rehetra isika. Hodinihintsika izao fa manampy antsika hahita vokatra kokoa amin’ny fanompoana ny fahalalam-pomba.

Arahabao ny olona ary miresaha aminy

8, 9. a) Inona no fahazarana mety hoheverina ho tsy fahalalam-pomba? b) Nahoana isika no tokony hanaraka ny voalazan’i Jesosy ao amin’ny Matio 5:47?

8 Hazakaza-dava ny fiainana any amin’ny toerana maro, ka matetika no tsy mifampiarahaba ny olona rehefa mifanena. Marina fa tsy voatery arahabaina daholo ny olona, rehefa eny amin’ny toerana be olona, kanefa tena ilaina ny miarahaba olona amin’ny toe-javatra maro. Ary ahoana no ataonao? Zatra miarahaba olona ve ianao? Sa andalovanao fotsiny izy ireny, ka tsy mitsiky ianao na milaza zavatra mahafinaritra aminy? Raha zatra an’izany ny olona iray, dia ho lasa tsy mahalala fomba, na dia tsy eritreretiny aza izany.

9 Nampahatsiahy antsika i Jesosy hoe: “Raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no mampiavaka ny ataonareo amin’ny ataon’ny hafa? Tsy mba manao toy izany koa ve ny olona eo amin’izao tontolo izao?” (Mat. 5:47) Hoy ilay mpanolo-tsaina atao hoe Donald Weiss: “Tezitra ny olona rehefa tsy raharahaina, ary tsy misy fialan-tsiny afaka mampitony ny hatezerany. Tsotra ny vahaolana: Arahabao ny olona. Miresaha aminy.” Hahita vokatra tsara isika raha tsy miavonavona fa sariaka.

10. Inona no vokatra tsara azo raha mahalala fomba isika? (Jereo ilay efajoro hoe  “Atombohy Amin’ny Tsikitsiky.”)

10 Diniho izay ataon’i Tom sy Carol, mpivady any amin’ny tanàn-dehibe iray, any Etazonia. Miresadresaka amin’ny mpiara-monina aminy foana izy ireo, rehefa mandeha manompo. Ahoana no ataony amin’izany? Nilaza i Tom fa arahiny izay voalazan’ny Jakoba 3:18. Hoy izy: “Miezaka misariaka sy mihavana amin’ny olona izahay. Manatona an’izay olona hitanay eny an-tokotany izahay, na izay mandeha miasa eny akaiky eny. Mitsiky izahay sady miarahaba azy ireo. Izay zavatra mahaliana azy ireo no resahinay, ohatra hoe ny zanany, ny alikany, ny tranony, na ny asany. Heverin’izy ireo ho toy ny namany izahay, rehefa mandeha ny fotoana.” Hoy koa i Carol: “Lazainay amin’izy ireo ny anaranay rehefa mihaona aminy indray izahay, ary anontanianay ny anarany. Ampahafantarinay azy izay ataonay eo amin’ny manodidina, ary miezaka tsy ho lava resaka izahay. Afaka mitory amin’izy ireo izahay amin’ny farany.” Lasa natokisan’ny ankamaroan’ny mpiara-monina taminy i Tom sy Carol. Maro no nandray boky sy gazety, ary naniry hianatra ny fahamarinana ny sasany.

Rehefa misy manaratsy antsika

11, 12. Nahoana no efa ampoizintsika fa hisy olona ho ratsy fanahy amintsika eny am-pitoriana? Inona no tokony hataontsika rehefa mitranga izany?

11 Mety ho sendra olona tsy mahalala fomba isika rehefa mitory. Efa ampoizintsika izany, satria nampitandrina ny mpianany i Kristy Jesosy hoe: “Raha nanenjika ahy izy dia hanenjika anareo koa.” (Jaona 15:20) Rehefa misy olona manambany antsika anefa, dia tsy tokony hanambany azy koa isika, satria tsy mahasoa izany. Inona kosa no tokony hataontsika? Hoy ny apostoly Petera: ‘Manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo, ka aoka ho vonona foana ianareo hilaza ny fiarovan-tenanareo eo anatrehan’izay manontany ny anton’ny fanantenana ao anatinareo. Ataovy amim-pahalemem-panahy sy amim-panajana lalina anefa izany.’ (1 Pet. 3:15) Mety hiova ilay olona nanao ratsy antsika, raha mahalala fomba isika, ka malemy fanahy sy manaja azy.—Tit. 2:7, 8.

12 Afaka miomana isika mba hahay hiatrika ny fanaratsiana ataon’ny olona, ka hanao izany amin’ny fomba ankasitrahan’Andriamanitra. Nampirisika toy izao i Paoly: “Aoka ho teny mahafinaritra sady mamy sira foana no holazainareo, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona tsirairay.” (Kol. 4:6) Raha mahalala fomba foana isika eo anivon’ny fianakaviana, ny fiangonana, ny fiaraha-monina, ary any am-piasana sy any am-pianarana, dia ho vonona hampiseho toetra kristianina foana rehefa misy maneso na manaratsy.—Vakio ny Romanina 12:17-21.

13. Milazà ohatra mampiseho fa mety hanova ny mpanohitra ny fahalalam-pomba.

13 Mahita vokatra tsara isika, raha mahalala fomba na dia misy manaratsy aza. Izany no nitranga tamin’ny rahalahy iray tany Japon. Naneso azy ny olona iray nitoriany sy ny vahinin’izy io. Niala tamim-pahalalam-pomba anefa izy. Nanohy nitory izy, nefa voamariny fa nitazana azy ilay vahiny. Nanatona an’ilay vahiny àry ilay mpitory, ka hoy izy io: “Miala tsiny aho tamin’ilay teo. Hitako hoe nitsiky foana ianao na dia nasiaka aza izahay. Inona no hataoko mba ho hoatra anao?” Very asa io lehilahy io ary maty vao haingana ny reniny, ka tsy nanantena ny ho sambatra mihitsy izy. Nanasa azy hianatra Baiboly ilay rahalahy, ary nanaiky izy. Lasa nianatra indroa isan-kerinandro izy tatỳ aoriana.

Ny fomba tsara indrindra ianarana fahalalam-pomba

14, 15. Inona no mampiseho fa nampianatra ny zanany hahalala fomba ny mpanompon’i Jehovah fahiny?

14 Nampianatra ny zanany hahalala fomba ny ray aman-dreny matahotra an’Andriamanitra fahiny. Hitantsika ao amin’ny Genesisy 22:7, ohatra, fa nifanaja i Abrahama sy Isaka rehefa nifampiresaka. Nampianarin’ny ray aman-dreniny hahalala fomba koa i Josefa, ka nohajainy na dia ireo voafonja niaraka taminy aza. (Gen. 40:8, 14) Nahay ny fomba firesaka amin’ny olona ambony koa izy, raha jerena izay nolazainy tamin’i Farao.—Gen. 41:16, 33, 34.

15 Anisan’ny Didy Folo nomena ny zanak’Israely ilay didy hoe: “Hajao ny rainao sy ny reninao mba ho lava andro iainana ianao, eo amin’ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao.” (Eks. 20:12) Fomba iray nanajan’ny ankizy ny ray aman-dreniny ny hoe mahalala fomba ao an-tokantrano. Tena nanaja an’i Jefta ny zanany vavy, ka nanaiky nanefa ny voady nataon-drainy, na dia sarotra be taminy aza izany.—Mpits. 11:35-40.

16-18. a) Ahoana no azo ampianarana ny ankizy hahalala fomba? b) Inona no vokany raha ampianarina hahalala fomba ny ankizy?

16 Tena mila ampianarina hahalala fomba ny ankizy. Mila ampianarina miarahaba olona, mamaly antso an-telefaonina, ary miara-misakafo amin’olona izy ireny, mba hahay hifandray amin’olona rehefa lehibe. Tokony hohazavaina aminy hoe nahoana no tokony ho tsara fanahy amin’ny be taona sy ny marary, ary nahoana no manampy olona mitondra entana mavesatra. Tokony ho azon’izy ireo tsara koa hoe tena zava-dehibe ny miteny hoe “azafady”, “misaotra”, “tsisy fisaorana”, “miala tsiny.”

17 Tsy sarotra ny mampianatra ny ankizy hahalala fomba. Tokony ho ohatra tsara fotsiny isika. Izay no fomba tsara indrindra. Nanazava ny fomba nianaran’izy efa-dahy fahalalam-pomba i Kurt, 25 taona. Hoy izy: “Nijery izay nataon’i Dada sy Mama izahay, ary nihaino azy ireo nifampiresaka tamin-katsaram-panahy. Nanam-paharetana tamin’ny hafa izy ireo ary niahy azy ireny. Nentin’i Dada niaraka taminy aho tany amin’ny Efitrano Fanjakana, taloha sy taorian’ny fivoriana, mba hiresaka tamin’ireo rahalahy sy anabavy be taona. Naheno ny fiarahabany azy ireo aho, ary hitako fa nanaja azy ireo izy. Nanjary nanahaka azy aho, ka nandeha ho azy ny hoe manaja olona sy mahalala fomba. Lasa nanao an’izany aho, tsy hoe satria voatery, fa izaho mihitsy no te hanao an’ilay izy.”

18 Inona no mety ho vokany raha ampianarina hahalala fomba ny ankizy? Hana-namana izy ary hihavana amin’ny hafa. Hahay hifandray amin’ny mpampiasa sy ny mpiara-miasa aminy izy rehefa lehibe. Ho faly ny ray aman-dreny rehefa mahalala fomba sy manao ny marina ny zanany.—Vakio ny Ohabolana 23:24, 25.

Mampiavaka antsika ny fahalalam-pomba

19, 20. Nahoana isika no tokony ho tapa-kevitra hanahaka an’Andriamanitra sy ny Zanany?

19 Hoy i Paoly: “Aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo, amin’ny maha zanaka malala anareo.” (Efes. 5:1) Manahaka an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany isika, raha mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly, anisan’izany izay nodinihintsika tato amin’ity lahatsoratra ity. Tena hahalala fomba isika amin’izay fa tsy hihatsaravelatsihy, ka hoe hahalala fomba mba hahazoana sitraka amin’ny olona ambony noho isika, na mba hahazoana tombontsoa.—Joda 16.

20 Manao izay ho afany i Satana amin’izao andro faramparany anjakany izao, mba tsy hisy hanaraka intsony ny fitsipik’i Jehovah momba ny fanajana olona. Tsy ho vitany anefa ny hitaona an’ireo tena Kristianina mba tsy hahalala fomba. Aoka àry isika tsirairay ho tapa-kevitra hanahaka an’ilay Andriamanitra tsara fanahy sy ny Zanany. Amin’izay, dia tsy hitovy amin’ny an’ireo olona mifidy ny tsy hahalala fomba, ny fitenintsika sy ny ataontsika. Hidera ny anaran’i Jehovah, ilay Andriamanitra mahalala fomba isika, ary hisarika ny olona tso-po ho amin’ny fivavahana marina.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Tsy azo antsoina amin’ny fanampin’anarany ny olona be taona kokoa noho ianao, any amin’ny tany sasany. Tsy fahalalam-pomba izany, raha tsy hoe izy no mangataka izany. Tokony hanaja an’ireny fomba ireny ny Kristianina.

Tadidinao Ve?

• Ahoana no azontsika anahafana an’i Jehovah sy ny Zanany amin’ny resaka fahalalam-pomba?

• Nahoana isika no tokony hiarahaba olona?

• Inona no vokatra tsara azo eny amin’ny fanompoana, raha mahalala fomba isika?

• Inona no tokony hataon’ny ray aman-dreny mba hampianarana ny zanany hahalala fomba?

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 27]

 Atombohy Amin’ny Tsikitsiky

Sadaikatra ny olona maro rehefa hanombo-dresaka amin’ny olona tsy fantany. Tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy anefa ny Vavolombelon’i Jehovah, ka miezaka mafy mianatra ny fomba firesaka amin’olona, mba hahafahany hampita ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Inona no hanampy anao hahay hiresaka kokoa amin’olona?

Misy toro lalana mahasoa toy izao ao amin’ny Filipianina 2:4: “Aoka ny tsirairay aminareo hihevitra izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany ihany.” Eritrereto izao: Raha sambany ianao sy ny olona iray vao hihaona, dia tsy fantany ianao. Inona àry no tokony hataonao mba hahatonga azy hahazo aina rehefa hiresaka aminy ianao? Mitsikitsikia ary miezaha ho sariaka rehefa miarahaba azy.

Eritrereto koa izao: Mety hanapaka ny eritreritry ny olona iray ianao, rehefa manomboka miresaka aminy. Mety tsy hiresaka tsara aminao izy, raha tsy miraharaha izay ao an-tsainy ianao, fa tonga dia miresaka izay ao an-tsainao. Raha azonao fantarina àry izay ao an-tsain’ilay olona, dia ampiasao izany mba hanombohan-dresaka. Izany no nataon’i Jesosy rehefa niresaka tamin’ny vehivavy iray teo amin’ny lavadrano, tany Samaria. (Jaona 4:7-26) Ny hantsaka rano no tao an-tsain’ilay vehivavy, ka izay no nanombohan’i Jesosy ny resaka. Novany ho resaka ara-panahy ilay izy avy eo.

[Sary, pejy 26]

Ho afaka hitory isika raha sariaka

[Sary, pejy 28]

Ilaina foana ny mahalala fomba