Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manome Amim-pifaliana sy avy Amin’ny Fo

Manome Amim-pifaliana sy avy Amin’ny Fo

Manome Amim-pifaliana sy avy Amin’ny Fo

HOY ny apostoly Paoly momba ny fanomezana: “Aoka ny tsirairay samy hanao araka izay fanapahan-keviny tao am-pony.” Hoy koa izy: “Tsy amin’alahelo na an-tery, fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.” (2 Kor. 9:7) Tsy manery an’iza na iza hanohana ny fivavahana madio i Jehovah. Avelany hanome an-tsitrapo sy amim-pifaliana ny mpanompony mba hampisehoana fa mahafoy tena ho azy. Nazoto nanao izany foana ny vahoakany hatramin’izay. Diniho ireto ohatra telo ireto.

Nasain’i Jehovah nanamboatra ny tranolay ny Israelita, taorian’ny nitondrany azy ireo nivoaka avy tany Ejipta. Betsaka ny fitaovana nilaina ka nasaina nanao fanomezana ny vahoaka. “Izay rehetra natosiky ny fony” àry dia nitondra volamena, volafotsy, firavaka, ary fitaovana hafa. Tena nalala-tanana ny vahoaka ka voatery nilazana mba tsy hanome intsony.—Eks. 35:5, 21; 36:6, 7.

Nanorina ny tempoly ny vahoakan’Andriamanitra, taonjato maro tatỳ aoriana. Afaka nampiseho koa izy ireo hoe nanohana ny fivavahana marina. Nanao fanomezana be dia be avy tamin’ny fananany i Davida Mpanjaka ary nanasa ny hafa hanome koa. Nazoto erỳ izy ireo nanao izany. Ny vidin’ireo volamena sy volafotsy fotsiny, ohatra, dia efa iray hetsy tapitrisa dolara mahery, amin’ny vola ankehitriny! Faly ny olona nanao fanatitra an-tsitrapo ho an’i Jehovah.—1 Tan. 29:3-9; 2 Tan. 5:1.

Nahafaly an’ireo mpanara-dia an’i Jesosy Kristy koa ny nanao fanomezana, tamin’ny taonjato voalohany. Telo arivo teo ho eo no natao batisa tamin’ny Pentekosta taona 33, ary maro tamin’izy ireo no tsy avy ao Jerosalema. Nisy fanangonam-bola natao mba ho afaka hijanona tao ireo tsy dia nanana, satria te handalina bebe kokoa momba ny finoany vaovao. Nivarotra ny fananany ny rahalahy ary nentiny tany amin’ny apostoly ny vola azony, mba hozaraina amin’ireo sahirana. Tsy maintsy ho faly i Jehovah nahita azy ireo naneho finoana sy fitiavana toy izany!—Asa. 2:41-47.

Mbola manohana ny fivavahana madio koa ny Kristianina ankehitriny. Malala-tanana izy ireo ka faly manome ny heriny sy ny fananany ary ny fotoanany. Ho hitanao eo amin’ilay efajoro eto ambany ny fomba sasany azonao anaovana izany.

[Efajoro, pejy 18]

IREO FOMBA FIDIN’NY SASANY ANAOVANA FANOMEZANA

FANOMEZANA HO AN’NY ASA MANERAN-TANY

Maro no manokana vola mba harotsaka ao amin’ny boaty ho an’ny fanomezana misy soratra hoe “Asa Maneran-tany.”

Alefan’ny fiangonana any amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana ireny vola ireny isam-bolana. Azo atao ny mandefa mivantana ny vola fanomezana an-tsitrapo, any amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara (FI.MPI.BA.MA.), BP 116, 105 Ivato. (Azonao alefa any amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny tany misy anao koa ireo karazana fanomezana an-tsitrapo voalaza etsy ambany.) Tokony hatao amin’ny anaran’ny “FI.MPI.BA.MA.” ny seky rehetra. Azo atao koa ny manome firavaka na zava-tsarobidy hafa. Tokony hisy taratasy fohy hampiarahina amin’ireny fanomezana ireny, milaza fa fanomezana tsy misy fepetra izy ireny.

FANOMEZANA MISY FEPETRA

Azo atao ny manome vola ary asiana fifanarahana manokana, izany hoe haverina amin’ilay mpanome ilay vola rehefa mangataka izany izy. Mifandraisa amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, voalaza eo amin’ilay adiresy etsy aloha, mba hahazoana fanazavana fanampiny.

FOMBA FANOMEZANA HAFA

Ankoatra ny fanomezana vola tsy misy fepetra sy misy fepetra, dia misy koa fomba fanomezana hafa mba hanohanana ny asan’ilay Fanjakana maneran-tany. Anisan’izany ny:

Fiantohana: Azo soratana amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA. ny vola avy amin’ny fifanekem-piantohana aina na ny fisotroan-dronono.

Kaonty any Amin’ny Banky: Azo soratana amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA., na aloa aminy, ny kaontin’ny olona iray any amin’ny banky, ny taratasy fanamarinana petra-bola, na ny kaonty misy ny fisotroan-drononony, rehefa maty ilay tompony. Tokony hatao mifanaraka amin’ny zavatra takin’ny banky eo an-toerana izany.

Trano sy Tany: Azo atao fanomezana ho an’ny FI.MPI.BA.MA. ny trano sy tany azo amidy. Azo atao fanomezana tsy misy fepetra izany na misy fepetra, toy ny hoe fananan’ilay mpanome ilay izy ka azony ipetrahana raha mbola velona izy. Mifandraisa amin’ny biraon’ny sampana eo amin’ny tany misy anao, alohan’ny hamindrana trano sy tany ho amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA.

Didim-pananana sy Fanankinam-pananana: Azo ampandovaina fananana na vola ny FI.MPI.BA.MA., amin’ny alalan’ny didim-pananana natao manan-kery ara-dalàna. Azo tondroina ho mpandray ny tombontsoa avy amin’ny fifanarahana momba ny fanankinam-pananana koa izy. Mety tsy hisy hetra haloa amin’ny fanankinam-pananana, rehefa natao hanasoavana fikambanana ara-pivavahana iray ilay izy.

Raha misy mila fanazavana fanampiny, dia iangaviana izy hanoratra na hiantso any amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, araka ny adiresy eto ambany.

Biraon’ny Mpitahiry Vola

Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara (FI.MPI.BA.MA.)

Telefaonina: 22 448 37 na 033 02 448 37

BP 116

105 Ivato