Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Ilaina eo Anivon’ny Fiangonana Ianao

Tena Ilaina eo Anivon’ny Fiangonana Ianao

Tena Ilaina eo Anivon’ny Fiangonana Ianao

“Napetrak’Andriamanitra ao amin’ny vatana ny rantsany tsirairay, araka izay tiany.”—1 KOR. 12:18.

1, 2. a) Inona no porofo fa sarobidy ny rehetra eo anivon’ny fiangonana? b) Inona avy no fanontaniana hovaliantsika?

TAMIN’NY alalan’ny fiangonana foana no nanomezan’i Jehovah tari-dalana sy fampianarana ho an’ny vahoakany, nanomboka tamin’ny Israely fahiny. Taorian’ny nandresen’ny Israelita ny tanànan’i Ay, ohatra, dia ‘novakin’i Josoa mafy teo anatrehan’ny fiangonan’Israely manontolo izay rehetra voalazan’ny lalàna, dia ny fitahiana sy ny ozona, araka izay rehetra voasoratra tao amin’ny boky misy ny lalàna.’—Josoa 8:34, 35.

2 Nilaza tamin’i Timoty ny apostoly Paoly, fa ny fiangonana kristianina no “ankohonan’Andriamanitra” sady “andry sy tohana ho an’ny fahamarinana.” (1 Tim. 3:15) Ny tena Kristianina rehetra àry no “ankohonan’Andriamanitra” ankehitriny. Noharin’i Paoly tamin’ny vatan’olombelona ny fiangonana, ao amin’ny 1 Korintianina toko faha-12. Nilaza izy fa ilaina avokoa ny rantsambatana rehetra, na dia samy hafa aza ny asany. Hoy izy: “Napetrak’Andriamanitra ao amin’ny vatana ny rantsany tsirairay, araka izay tiany.” Nilaza mihitsy aza izy fa “izay faritra amin’ny vatana heverintsika ho tsy dia mendri-kaja, dia ireny no omentsika voninahitra bebe kokoa.” (1 Kor. 12:18, 23) Tsy misy ambony sy ambany àry ny Kristianina tsy mivadika rehetra, fa sarobidy avokoa. Inona àry no azontsika atao mba ho tiantsika sy ho sarobidy amintsika foana ny miaraka amin’ny fiangonana? Inona avy no mila dinihintsika? Ary ahoana no ‘hampisehoantsika amin’ny rehetra ny fandrosoantsika’?—1 Tim. 4:15.

Asehoy fa sarobidy aminao ny hoe anisan’ny fiangonana

3. Ahoana no hampisehoantsika fa sarobidy amintsika ny hoe anisan’ny fiangonana?

3 Inona no azontsika atao mba ho tiantsika ny miaraka amin’ny fiangonana, sy hampisehoantsika fa sarobidy amintsika ny hoe anisan’izy io? Mila mankatò tanteraka ny Filan-kevi-pitantanana isika. Izy io no misolo tena ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” (Vakio ny Matio 24:45-47.) Mila mandini-tena isika hoe: ‘Tena mankatò ny toromarika omen’io mpanompo io ve aho?’ Mahazo toromarika mazava momba ny fitafiana sy taovolo, ny fialam-boly, ary ny Internet isika. Mankatò azy ireny ve isika mba hiarovana ny finoantsika? Efa nanokana fotoana tsy tapaka hanaovana fotoam-pivavahan’ny fianakaviana ve isika? Raha mpitovo isika, moa ve efa nanokana fotoana hianarana samirery? Hitahy antsika sy ny ankohonantsika i Jehovah, raha mankatò ny mpanompo mendri-pitokisana isika.

4. Inona no tokony hodinihintsika rehefa manao safidy?

4 Misy mihevitra fa tsy tokony hidiran’iza na iza ny safidiny eo amin’ny fitafiana sy taovolo ary fialam-boly. Tsy tokony hanana izany toe-tsaina izany anefa ny Kristianina, raha tena sarobidy aminy ny hoe anisan’ny fiangonana. Mila mandinika ny fomba fihevitr’i Jehovah kosa izy. Ny Teniny no tokony ho ‘jiro ho an’ny tongotsika sady fahazavana ho an’ny lalantsika.’ (Sal. 119:105) Tsara koa raha dinihintsika ny mety ho vokatry ny safidintsika, eo amin’ny fanompoana sy ny mpiray finoana ary ny olon-kafa.—Vakio ny 2 Korintianina 6:3, 4.

5. Nahoana isika no tokony hitandrina mba tsy hanana ny toe-tsain’ity tontolo ity?

5 Miely toy ny rivotra ankehitriny ‘ny toe-tsaina miasa ao amin’ny zanaky ny tsy fankatoavana.’ (Efes. 2:2) Mety hifindra io toe-tsaina io, ka hahatonga antsika hihevitra fa tsy ilaina ny tari-dalan’ny fandaminan’i Jehovah. Tsy tiantsika ny ho toa an’i Diotrefa, izay ‘tsy nety nandray tamim-panajana na inona na inona avy tamin’ny apostoly Jaona.’ (3 Jaona 9, 10) Mila mitandrina isika mba tsy hanao izay tiantsika fotsiny. Ny mpanompo mendri-pitokisana no ampiasain’i Jehovah hifandraisana amintsika. Enga anie isika tsy hilaza na hanao zavatra mampiseho tsy fanajana azy io. (Nom. 16:1-3) Aoka kosa horaisintsika ho voninahitra ny mankatò an’io mpanompo io. Tena ilaina koa ny mankatò sy manaiky ireo mitarika eo anivon’ny fiangonana.—Vakio ny Hebreo 13:7, 17.

6. Nahoana isika no tokony handinika ny zavatra iainantsika?

6 Ahoana koa no ampisehoantsika fa sarobidy amintsika ny hoe anisan’ny fiangonana? Diniho ny zavatra iainanao ary jereo raha afaka “mankalaza” bebe kokoa ny fanompoana ianao, mba hanomezam-boninahitra an’i Jehovah. (Rom. 11:13) Misy afaka manao mpisava lalana maharitra, na misionera, na mpiandraikitra mpitety faritany, na mpiasan’ny Betela. Maro ny rahalahy sy anabavy manampy amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana. Ao koa ireo miezaka mafy manampy ny fianakaviany hanompo hatrany an’i Jehovah, sady mazoto manompo isan-kerinandro. (Vakio ny Kolosianina 3:23, 24.) Tadidio fa sarobidy eo anivon’ny fiangonana foana isika, raha mbola manompo an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo sy an-tsitrapo.

Inona avy no mila dinihina?

7. Misy azonao atao foana eo anivon’ny fiangonana. Hazavao.

7 Tsara ny handinihantsika ny zava-misy eo amin’ny fiainantsika, satria miankina amin’izany ny zavatra azontsika atao. Afaka manana andraikitra tsy ananan’ny anabavy, ohatra, ny rahalahy. Misy azonao atao foana koa eo anivon’ny fiangonana, na tanora ianao na antitra, na salama na marary, ary na inona na inona toe-javatra iainanao. Hoy ny Ohabolana 20:29: “Ravaky ny tanora ny tanjany, ary voninahitry ny zokiolona ny volofotsiny.” Mety hahavita zavatra ilana herim-batana kokoa ny tanora, satria matanjaka. Ny zokiolona kosa afaka mizara ny fahendreny sy ny traikefany amin’ny fiangonana. Tadidio anefa fa tsy hahavita na inona na inona eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah isika, raha tsy noho ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa.—Asa. 14:26; Rom. 12:6-8.

8. Hazavao amin’ny ohatra fa misy vokany eo amin’ny fanompoantsika ny faniriantsika.

8 Misy lafin-javatra hafa koa tsara hodinihina. Aoka hatao hoe misy mpirahavavy nahavita ny fianarany teny amin’ny lise. Samy nampirisihin’ny ray aman-dreniny izy ireo mba hirotsaka ho mpisava lalana maharitra. Ny iray ihany anefa no nanao izany, fa ilay iray kosa niasa manontolo andro. Fa nahoana? Samy nanana ny faniriany izy ireo. Toy izany koa ny ankamaroantsika. Mila mieritreritra tsara àry isika hoe inona no irintsika hatao eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Afaka mampitombo izany ve isika, na dia mila manova ny fiainantsika aza?—2 Kor. 9:7.

9, 10. Inona no tokony hataontsika raha tsy maniry hampitombo ny fanompoana an’i Jehovah isika?

9 Ahoana raha tsy maniry hampitombo ny fanompoana an’i Jehovah isika, fa mianina fotsiny amin’izay tsy maintsy atao? Hoy i Paoly: ‘Andriamanitra no miasa ao anatinareo, satria izany no mahafinaritra azy. Amin’izay dia sady maniry ianareo no manatanteraka.’ Afaka miasa ao anatintsika tokoa i Jehovah mba hampitombo ny faniriantsika hanompo azy.—Fil. 2:13; 4:13.

10 Mangataha àry amin’i Jehovah mba hanampiany anao hazoto hanao ny sitrapony. Izany no nataon’i Davida, mpanjakan’ny Israely. Nivavaka izy hoe: “Ampahafantaro ahy ny lalanao, Jehovah ô, ampianaro ahy ny lalanao. Ampandehano amin’ny fahamarinanao aho ka ampianaro, fa ianao no Andriamanitra mpamonjy ahy. Ianao foana no antenaiko.” (Sal. 25:4, 5) Afaka mivavaka toy izany isika. Mila tadidintsika koa fa mahafaly an’i Jehovah sy ny Zanany ny fanompoana ataontsika. Hahatonga antsika hankasitraka azy ireo izany. (Mat. 26:6-10; Lioka 21:1-4) Io fankasitrahana io no hanosika antsika hiangavy an’i Jehovah hanampy antsika haniry hanao fandrosoana. Mila manahaka ny toe-tsain’i Isaia mpaminany koa isika. Nanontany toy izao i Jehovah, indray mandeha: “Iza no hirahiko? Iza no hisolo tena anay?” Namaly i Isaia hoe: “Intỳ aho iraho!”—Isaia 6:8.

Inona no fandrosoana azo atao?

11. a) Nahoana no maro ny rahalahy ilaina mba hiantsoroka andraikitra? b) Inona no azo atao mba hahazoana andraikitra eo anivon’ny fiangonana?

11 Nisy 289 678 no natao batisa tamin’ny taom-panompoana 2008. Rahalahy maro àry no ilaina mba hiantsoroka andraikitra. Inona no azon’ny rahalahy atao? Tokony hiezaka izy ireo hameno ireo fepetra takin’ny Soratra Masina ho an’izay te ho mpanampy amin’ny fanompoana sy anti-panahy. (1 Tim. 3:1-10, 12, 13; Tit. 1:5-9) Mila mazoto manompo, ohatra, izy, manao tsara ny andraikiny, miezaka manatsara ny valin-teniny any am-pivoriana, ary miahy ny mpiray finoana. Ho hita amin’izany fa sarobidy aminy ny hoe anisan’ny fiangonana.

12. Inona no azon’ny tanora atao mba hampisehoany fa tiany ny fahamarinana?

12 Inona no azon’ny rahalahy tanora atao mba handrosoana ara-panahy? Afaka mampitombo ny fahalalany ny Soratra Masina izy, mba hananany ‘fahendrena sy hahatakarany’ tsara azy io. (Kol. 1:9) Mila mianatra tsara ny Baiboly sy mazoto mandray anjara amin’ny fivoriana àry izy. Afaka miezaka koa izy mba hahafeno fepetra hidirana amin’ilay “varavarana misokatra” ho amin’ny fanompoana manontolo andro. (1 Kor. 16:9) Tena mahasambatra ny manompo manontolo andro, ary ahazoana fitahiana maro.—Vakio ny Mpitoriteny 12:1.

13, 14. Ahoana no hampisehoan’ny anabavy fa sarobidy aminy ny hoe anisan’ny fiangonana?

13 Manana anjara asa lehibe koa ny anabavy. Afaka mandray anjara amin’ny fanatanterahana ny Salamo 68:11 izy ireo. Izao no voalaza ao: “Avy amin’i Jehovah izay zavatra holazaina, ary tafika lehibe ny vehivavy manambara ny vaovao tsara.” Asehon’ny anabavy fa sarobidy aminy ny hoe anisan’ny fiangonana, rehefa manao mpianatra izy. (Mat. 28:19, 20) Mila mazoto sy mahafoy tena amin’io asa io àry izy.

14 Hoy i Paoly tamin’i Titosy: ‘Aoka ny vehivavy zokiolona hanana fitondran-tena mendrika ny olona masina, ho mpampianatra zavatra tsara, mba hanampiany ny vehivavy tanora hahatsapa tena ka ho tia vady aman-janaka, hisaina tsara, hadio fitondran-tena, hazoto hikarakara tokantrano, hanao izay tsara, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenan-dratsy ny tenin’Andriamanitra.’ (Tit. 2:3-5) Mitondra soa ho an’ny fiangonana tokoa ny anabavy matotra! Ho modely izy ireo, raha mankatò an’ireo mpiandraikitra sy mitandrina tsara eo amin’ny fialam-boly sy ny fitafiana ary ny taovolo. Izany koa no hahitana fa sarobidy aminy ny hoe anisan’ny fiangonana.

15. Inona no azon’ny anabavy mpitovo atao mba tsy hanirery?

15 Mety hahatsapa hoe tsy ilaina indraindray ny anabavy tsy manambady. Hoy ny anabavy mpitovo iray: “Mahatsiaro ho manirery ianao indraindray.” Ahoana no niatrehany izany? Hoy izy: “Mivavaka sy mianatra samirery aho, ka lasa mahatsapa indray fa tena ilaina. Ianarako, ohatra, hoe ahoana no fiheveran’i Jehovah ahy. Miezaka manampy ny hafa eo anivon’ny fiangonana koa aho. Manampy ahy tsy hitsetra tena izany.” Hoy i Jehovah tamin’i Davida, ao amin’ny Salamo 32:8: “Hanoro hevitra anao aho ary hitsinjo anao ny masoko.” Miahy ny mpanompony tsirairay tokoa i Jehovah, anisan’izany ny anabavy mpitovo. Ampiany ny rehetra hahatsapa fa tena sarobidy eo anivon’ny fiangonana.

Aza miala amin’ny fiangonana

16, 17. a) Nahoana no tsy misy fanapahan-kevitra tsara noho ny hoe manaiky ho anisan’ny vahoakan’i Jehovah? b) Inona no hanampy antsika hijanona foana eo anivon’ny fandaminana?

16 Tia ny mpanompony rehetra i Jehovah, ka nitaona azy ireo hifandray aminy. Hoy i Jesosy: “Tsy misy mahay manatona ahy raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka ahy.” (Jaona 6:44) An’arivony tapitrisa ny olona eto an-tany, nefa isika no notaomin’i Jehovah mba ho anisan’ny fiangonany. Nanaiky ny fanasany isika, ary izany no fanapahan-kevitra tsara indrindra noraisintsika. Nanjary nisy dikany ny fiainantsika. Tena faly tokoa isika satria anisan’ny fiangonana!

17 Hoy ny mpanao salamo: ‘Jehovah ô, tiako ny trano fonenanao. Hijoro eo amin’ny toerana tsy mikitoantoana ny tongotro, ary eo anivon’ny vahoaka tafavory no hisaorako an’i Jehovah.’ (Sal. 26:8, 12) Tena ilain’i Jehovah isika rehetra. Ho tafajanona eo anivon’ny fandaminany foana isika, raha mankatò hatrany ny toromariny sy mazoto manompo azy.

Tadidinao Ve?

• Inona no porofo fa sarobidy daholo ny Kristianina eo anivon’ny fiangonana?

• Ahoana no hampisehoantsika fa sarobidy amintsika ny hoe anisan’ny fiangonana?

• Misy zavatra mila dinihintsika, satria misy vokany eo amin’ny fanompoantsika. Inona avy izy ireo?

• Ahoana no hampisehoan’ny tanora sy olon-dehibe fa sarobidy aminy ny hoe anisan’ny fiangonana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 16]

Inona no azon’ny rahalahy atao mba hahazoany andraikitra eo anivon’ny fiangonana?

[Sary, pejy 17]

Ahoana no hampisehoan’ny anabavy fa sarobidy aminy ny hoe anisan’ny fiangonana?