Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka Hiampita ho any Makedonia ve Ianao?

Afaka Hiampita ho any Makedonia ve Ianao?

Afaka Hiampita ho any Makedonia ve Ianao?

NAHAZO fahitana ny apostoly Paoly tao Troasy, seranan-tsambo iray tany Azia Minora. Nahita lehilahy makedonianina niangavy azy izy hoe: “Miampità mankatỳ Makedonia ka ampio izahay.” Vao nahazo ilay fahitana i Paoly, dia nieritreritra izy sy ireo niara-dia taminy “fa Andriamanitra no nampiantso [azy ireo] mba hitory ny vaovao tsara” tany Makedonia. Inona no vokatry ny fitorian’izy ireo? Lasa mpino i Lydia sy ny ankohonany tao Filipy, tanàn-dehibe tany Makedonia. Nisy hafa tonga mpino koa tao amin’io faritany romanina io, tatỳ aoriana.—Asa. 16:9-15.

Misy Vavolombelon’i Jehovah be zotom-po koa ankehitriny. Maro no vonona hifindra any amin’ny tany ilana mpitory maro kokoa, ary mianto-tena izy ireo mankany. Anisan’ireny i Lisa avy any Kanada. Te hanompo bebe kokoa izy, ka nifindra tany Kenya. I Trevor sy Emily, mpivady kanadianina, indray nankany Malawi. Nifindra nankany Afrika Atsinanana kosa i Paul sy Maggie avy any Angletera. Efa misotro ronono mantsy izy ireo, ka nohararaotiny izany mba hampitomboana ny fanompoany. Vonona hahafoy tena toa azy ireo ve ianao? Efa nieritreritra ny hifindra any an-tany hafa ve ianao? Inona àry ny toro lalan’ny Baiboly sy ny soso-kevitra hanampy anao?

Diniho ny tenanao

Diniho aloha ny antony ifindranao any an-tany hafa. Nilaza i Jesosy fa izao no didy lehibe indrindra: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.” Ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny faniriana hanao mpianatra àry, no tokony ho antony hanompoana any an-tany hafa. Hoy koa i Jesosy: “Ny faharoa, izay toy izany ihany, dia izao: ‘Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.’ ” Te hanampy ny hafa ireo tia ny namany. (Mat. 22:36-39; 28:19, 20) Tsy toy ny manao vakansy ny manompo any an-tany hafa, fa mitaky asa mafy sy fandavan-tena. Ny fitiavana àry no tokony handrisika anao hanao izany. Hoy i Remco sy Suzanne avy any Holandy, izay manompo any Namibia izao: “Ny fitiavana no mahatonga anay hijanona atỳ.”

Hoy i Willie, mpiandraikitra ny faritra any Namibia: “Ireo maharitra amin’ny fanompoana any an-tany hafa, dia ireo tsy manantena ny hokarakarain’ny rahalahy eo an-toerana. Tonga kosa izy ireo mba hiara-manompo amin’ireo rahalahy sy hanampy amin’ny asa fitoriana.”

Mila mandini-tena koa ianao hoe: ‘Inona no traikefa ananako, ka mety hilaina any amin’ilay tany kasaiko haleha? Mpitory mahay ve aho? Inona avy no fiteny haiko? Vonona hianatra fiteny hafa ve aho?’ Iaraho midinika amin’ny vady aman-janakao ny fikasanao. Miresaha koa amin’ireo anti-panahin’ny fiangonana, ary mivavaha amin’i Jehovah momba ilay izy. Amin’izay dia ho hitanao raha tena tapa-kevitra sy tena afaka hanompo any an-tany hafa tokoa ianao.—Jereo ilay efajoro hoe  “Fantaro ny Tenanao.”

Aiza no haleha?

Fahitana no nahatonga an’i Paoly ho any Makedonia. Tsy toy izany intsony anefa no itarihan’i Jehovah antsika. Ny gazety toy ity sy ny boky hafa kosa no manampy antsika hahalala izay tany mbola mila fanampiana. Ataovy lisitra àry aloha ireo tany ireo. Izay tany mampiasa fiteny hainao no fidio, raha tsy vonona hianatra fiteny hafa ianao na tsy mieritreritra hijanona ela any. Hadihadio ny momba an’ireto avy eo: Vizà, fitaterana, vidim-piainana, filaminana, ary toetany. Mety hilainao koa ny miresaka amin’ireo efa nifindra tany an-tany hafa. Mivavaha momba ilay izy. Tadidio fa “tsy navelan’ny fanahy masina hitory ny teny tany amin’ny faritr’i Azia” i Paoly sy ny namany. Niezaka nankany Bitynia izy ireo avy eo, “kanefa tsy navelan’ny fanahin’i Jesosy.” Mety hila fotoana koa àry ianao vao hahita hoe aiza no tena ahafahanao manampy.—Asa. 16:6-10.

Rehefa avy nisafidy izay tany noeritreretinao haleha ianao, dia manorata taratasy ho an’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ireo tany ireo. Lazao ao ny andraikitra nanananao teo anivon’ny fiangonana sy mbola anananao. Azonao anontaniana koa ny momba ny vidim-piainana, ny karazan-trano mety ho azonao ipetrahana, ny fitsaboana misy, ary ny asa fivelomana mety ho azonao atao. Omeo ny Komitin’ny Fanompoana eo anivon’ny fiangonanao izany taratasinao izany avy eo. Hanoratra taratasy milaza ny momba anao koa io komity io, ary handefa izany miaraka amin’ny taratasinao any amin’ireo biraon’ny sampana nofidinao. Hanampy anao hahita izay toerana tena ahafahanao manampy, ny valin’ireo taratasy ireo.

Hoy i Willie, voaresaka tetsy aloha: “Matetika no tamana any amin’ny tany nifindrany, ireo mpitory efa nitsidika an’ilay tany mialoha sy nitady toerana mety aminy. Niaiky, ohatra, ny mpivady iray fa tsy vitan’izy ireo ny hipetraka any ambanivohitra be. Naleony àry nipetraka tao amin’ny tanàna iray nila fanampiana, nefa nahafahany nanana ny fari-piainana nety taminy koa.”

Olana mety ho hita any

Azo antoka fa tsy mora ny mifindra sy ny mipetraka any amin’ny toerana tsy mahazatra. “Mahatsiaro tena ho manirery aho indraindray”, hoy i Lisa, voalaza tetsy aloha. Inona anefa no nanampy azy? Nifandray akaiky tamin’ilay fiangonany vaovao izy, ary niezaka nitadidy ny anaran’ny mpivory rehetra. Tonga aloha kokoa tany am-pivoriana àry izy, ary tsy tonga dia nody rehefa nirava fa niresadresaka tamin’ny Kristianina hafa. Niara-nanompo tamin’izy ireo koa izy ary nanasa azy ireo ho any an-tranony, ka nahazo namana vaovao. Hoy izy: “Tsy nanenina aho nahafoy zavatra maro, satria tena nitahy ahy i Jehovah!”

Rehefa lehibe ny zanak’i Paul sy Maggie, dia niala tao amin’ilay trano efa nipetrahany 30 taona izy ireo. Hoy i Paul: “Nahagaga fa tsy dia sarotra taminay ny nivarotra ny fanananay. Fa ny nandao ny fianakaviana no tena mafy be taminay, tsy araka ny nieritreretanay azy. Nigogogogo nitomany izahay teny ambony fiaramanidina. Nandalo tao an-tsainay ny hoe: ‘Tsy ho vitanay ity!’ Niantehitra tamin’i Jehovah anefa izahay, ary nanampy anay tsy ho kivy ny fahazoana namana vaovao.”

Niala tany Kanada i Greg sy Crystal mba hifindra tany Namibia, satria teny anglisy no fiteny ofisialy any ka hain’izy ireo tsara. Hitan’izy ireo anefa tatỳ aoriana, fa nilainy ny nianatra fiteny teo an-toerana. Hoy izy mivady: “Kivy izahay indraindray. Nianatra ny fiteny teo an-toerana anefa izahay, vao nahazo ny kolontsain’izy ireo. Nanampy anay hizatra tamin’ilay fiainam-baovao koa ny fifaneraserana akaiky tamin’ireo rahalahy.”

Misy vokany tsara eo amin’ireo rahalahy eo an-toerana ny fanetren-tena sy ny toe-tsaina vonon-kanompo toy izany. Tsaroan’i Jenny, ohatra, ireo fianakaviana nifindra tany Irlandy, toerana nahalehibe azy. Hoy izy: “Ry zareo no tena nahay nandray vahiny. Tonga mba hanompo tokoa izy ireo, fa tsy hotompoina. Nazoto be sy falifaly erỳ izy ireo, ka lasa te hanao hoatr’azy koa aho.” Misionera any Gambia izao i Jenny sy ny vadiny.

“Mampanan-karena” ny fitahian’i Jehovah

Tena nahafaly an’i Paoly ny fanompoany tany Makedonia! Hoy izy tamin’ireo rahalahy tany Filipy, folo taona teo ho eo tatỳ aoriana: “Misaotra an’Andriamanitro mandrakariva aho isaky ny mahatsiaro anareo.”—Fil. 1:3.

Izany koa no tsapan’i Trevor sy Emily, izay nanompo tany Malawi talohan’ny nanatrehany ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada. Hoy izy ireo: “Nanontany tena izahay indraindray raha nety ny nataonay. Nahatsiaro ho sambatra anefa izahay. Nifandray am-po kokoa izahay mivady sady notahin’i Jehovah.” Hoy koa i Greg sy Crystal: “Tsy atakalonay na inona na inona mihitsy ny fanompoanay.”

Mazava ho azy fa tsy ny rehetra no afaka hanompo any an-tany hafa. Mety ho tsara kokoa amin’ny sasany ny mankany amin’izay ilana mpitory maro kokoa, fa ao amin’ny taniny ihany. Misy koa afaka miara-manompo amin’ny fiangonana hafa akaikin’ny toerana ipetrahany ihany. Ny zava-dehibe dia hoe miezaka mafy araka izay azo atao isika mba hanompoana an’i Jehovah. (Kol. 3:23) Ho hitantsika fa marina tokoa ilay hoe: “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena ary tsy ampiany fahoriana izany.”—Ohab. 10:22.

[Efajoro/Sary, pejy 5]

 Fantaro ny Tenanao

Diniho amim-bavaka sy amim-pahatsorana ireto fanontaniana ireto, mba hahitanao raha mety aminao ny mandeha manompo any an-tany hafa na tsia. Hanampy anao hanao izany ireto lahatsoratra ao amin’ny Tilikambo Fiambenana ireto:

• Olona araka ny fanahy ve aho?—“Dingana ho Amin’ny Fahasambarana” (15 Oktobra 1997, pejy 6)

• Mpitory mahay ve aho?—“Moa ve Ianao Mpisava Lalana Mahay Mandanjalanja?” (15 Mey 1996, pejy 29)

• Ho vitako ve ny hipetraka lavitra ny havana aman-tsakaizako?—“Afaka Manompo any An-tany Hafa ve Ianao?” (15 Oktobra 1999, pejy 26)

• Mazoto hianatra fiteny hafa ve aho?—“Manompo Miaraka Amin’ny Fiangonana Miteny Vahiny” (15 Martsa 2006, pejy 17)

• Manam-bola hivelomana any ve aho?—“Afaka Manompo any An-tany Hafa ve Ianao?” (15 Oktobra 1999, pejy 23)

[Sary, pejy 6]

Misy vokany tsara eo amin’ireo rahalahy eo an-toerana ny fanetren-tena sy ny toe-tsaina vonon-kanompo

[Sary, pejy 7]

Ireo tonga mba hanompo ny hafa no mahita vokatra