Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aoka Ianao ho Faly Foana na dia Misy aza ny Olana

Aoka Ianao ho Faly Foana na dia Misy aza ny Olana

Aoka Ianao ho Faly Foana na dia Misy aza ny Olana

‘Hiravoravo izay rehetra mialoka [amin’i Jehovah], ka hihoby mandritra ny fotoana tsy voafetra.’—SAL. 5:11.

1, 2. a) Inona avy ny zavatra sasany tena mampahory ankehitriny? b) Inona koa no tsy maintsy zakain’ny tena Kristianina?

MIATRIKA olana toy ny olon-drehetra ny Vavolombelon’i Jehovah. Mijaly ny ankamaroan’izy ireo noho ny heloka bevava, ny ady, ary ny tsy rariny. Tena mampahory koa ny loza voajanahary, ny fahantrana, ny aretina, ary ny fahafatesana. Marina tokoa ny voalazan’ny apostoly Paoly hoe: ‘Fantatsika fa mbola miara-mitoloko sy miara-mijaly foana ny zavaboary rehetra mandraka ankehitriny.’ (Rom. 8:22) Tsy lavorary koa isika, ka mety hiteny toa an’i Davida Mpanjaka hoe: “Efa mihoatra ny lohako ny fahadisoako. Toy ny enta-mavesatra ireny, ka mavesatra loatra amiko.”—Sal. 38:4.

2 Ankoatra izany, dia mitondra ‘hazo fijaliana’ ny tena Kristianina. (Lioka 14:27) Halan’ny olona sy enjehiny mantsy izy ireo, toa an’i Jesosy ihany. (Mat. 10:22, 23; Jaona 15:20; 16:2) Mila miezaka mafy sy miaritra àry isika mpanara-dia an’i Kristy, eo am-piandrasana an’ireo fitahiana ao amin’ny tontolo vaovao.—Mat. 7:13, 14; Lioka 13:24.

3. Ahoana no ahafantarantsika fa tsy irin’Andriamanitra halahelo sy ho ory foana isika?

3 Midika ve izany fa tsy mba faly na sambatra mihitsy isika? Halahelo sy ho ory foana ve isika mandra-pahatongan’ny farany? Tsia! Tian’i Jehovah ho faly kosa isika. Imbetsaka mantsy ny Baiboly no milaza fa vahoaka falifaly ny mpanompony. (Vakio ny Isaia 65:13, 14.) Hoy koa ny Salamo 5:11: ‘Hiravoravo izay rehetra mialoka [amin’i Jehovah], ka hihoby mandritra ny fotoana tsy voafetra.’ Afaka ny hifaly sy hilamin-tsaina ary ho afa-po àry isika, na dia miatrika olana aza. Hojerentsika izao ny fomba anampian’ny Baiboly antsika ho faly foana na dia miatrika fitsapana aza.

“Andriamanitra falifaly” i Jehovah

4. Inona no tsapan’Andriamanitra rehefa lavina ny fahefany?

4 Diniho izay nitranga tamin’i Jehovah. Andriamanitra Mahery Indrindra izy, ka eo ambany fahefany izao rehetra izao. Tsy ory na inona na inona izy, ary tsy mila ny fanampian’iza na iza. Azo antoka anefa fa diso fanantenana izy rehefa nikomy ny zanany iray tany an-danitra ka lasa Satana, sy rehefa nikomy ny anjely hafa tatỳ aoriana. Nalahelo mafy koa izy rehefa nanda azy i Adama sy Eva, izay sangan’asany tamin’ireo zavaboary teto an-tany. Hatramin’izay ka hatramin’izao, dia mbola mandà ny fahefany ny ankamaroan’ny taranak’i Adama sy Eva.—Rom. 3:23.

5. Inona no tena mampalahelo an’i Jehovah?

5 Mbola mitohy ilay fikomiana. Efa 6 000 taona teo ho eo izao i Jehovah no nahita fanompoan-tsampy, herisetra, vonoan’olona, ary firaisana mamoafady. (Gen. 6:5, 6, 11, 12) Nandre lainga mahatsiravina sy fanevatevana azy koa izy. Na ny mpanompony aza indraindray nanao izay nampalahelo azy. Hoy ny Baiboly: “Impiry impiry moa izy ireo no nikomy taminy tany an-tany efitra, sy nanao izay nampalahelo azy tany amin’ny tany karakaina? Imbetsaka izy ireo no nitsapa toetra an’Andriamanitra, ka nanao izay nampahory an’Ilay Masin’ny Israely.” (Sal. 78:40, 41) Tena malahelo i Jehovah rehefa mandà azy ny vahoakany. (Jer. 3:1-10) Ory tokoa àry izy rehefa misy zava-dratsy mitranga.—Vakio ny Isaia 63:9, 10.

6. Inona no nataon’Andriamanitra rehefa nisy olana nipoitra?

6 Tsy miraviravy tanana anefa i Jehovah na dia malahelo sy diso fanantenana aza. Rehefa nisy olana lehibe nipoitra, dia nataony avy hatrany izay hampihenana ny voka-dratsin’izany. Nandray fepetra koa izy mba ho tanteraka ihany ny fikasany amin’ny farany. Tsy andriny àry izay hanamarinana ny zony hitondra, ka hanomezana fitahiana ho an’ireo mpanompony tsy mivadika. (Sal. 104:31) “Andriamanitra falifaly” foana tokoa i Jehovah, na dia nalam-baraka imbetsaka aza.—1 Tim. 1:11; Sal. 16:11.

7, 8. Ahoana no anahafantsika an’i Jehovah rehefa misy olana?

7 Marina fa tsy mahavita mamaha olana toa an’i Jehovah isika. Afaka manahaka ny fomba fiatrehany olana anefa isika. Ara-dalàna raha kivy isika rehefa misy tsy mety, kanefa tsy voatery ho kivy foana. Natao araka ny endrik’i Jehovah isika, ka manana fahaiza-misaina sy fahendrena. Afaka mamakafaka an’izay olana mahazo antsika àry isika, ary miezaka mamaha izany raha azo atao.

8 Inona koa anefa no manampy antsika hiatrika olana? Mila miaiky isika fa tsy afa-manoatra amin’ny toe-javatra sasany. Vao mainka mantsy isika ho kivy ka tsy ho faly manompo an’i Jehovah intsony, raha mbola mitebiteby momba ireny toe-javatra ireny. Rehefa avy nanao izay azontsika natao isika mba hamahana olana iray, dia aleo tsy mifantoka amin’iny intsony fa amin-javatra hafa mahasoa kokoa. Misy ohatra mampiseho tsara izany ao amin’ny Baiboly.

Mahaiza mandanjalanja

9. Ahoana no ahitana fa nahay nandanjalanja i Hana?

9 Diniho ny ohatr’i Hana, talohan’ny niterahany an’i Samoela mpaminany. Kivy izy fa tsy mba niteraka. Mbola nesoina koa izy noho izy momba. Nisy fotoana izy kivy be, ka nitomany sy tsy nahahinan-kanina. (1 Sam. 1:2-7) Nankao amin’ny toerana masin’i Jehovah i Hana indray mandeha. “Ory dia ory” izy tamin’izay “ka nivavaka tamin’i Jehovah tamin-dranomaso be.” (1 Sam. 1:10) Namboraka ny tao am-pony tamin’i Jehovah àry izy. Nanatona azy avy eo i Ely mpisoronabe, ka niteny hoe: “Mirary soa ho anao àry aho! Homen’ny Andriamanitry ny Israely anao anie izay nangatahinao taminy!” (1 Sam. 1:17) Fantatr’i Hana tamin’izay fa efa nanao izay rehetra azony natao izy. Tsy afaka nanova ny toe-batany izy. Nahay nandanjalanja àry izy, ka “lasa nandeha tamin’ny nalehany” ary “nihinan-kanina. Ary hita tamin’ny endriny fa tsy niady saina intsony izy.”—1 Sam. 1:18.

10. Inona no nataon’i Paoly rehefa tsy afa-nanoatra izy?

10 Nahay nandanjalanja koa ny apostoly Paoly rehefa niatrika olana ara-pahasalamana tena nampahory azy. Nantsoiny hoe ‘tsilo tao amin’ny nofo’ ilay izy. (2 Kor. 12:7) Nanao izay rehetra azony natao izy, ka nivavaka tamin’i Jehovah mba ho sitrana. Impiry i Paoly no niangavy azy? Intelo. Nolazain’Andriamanitra taminy anefa taorian’izay, fa tsy hesoriny amin’ny fomba mahagaga ilay ‘tsilo tao amin’ny nofony.’ Niaiky àry i Paoly fa tsy afa-nanoatra, ka nifantoka tamin’ny fanompoana an’i Jehovah.—Vakio ny 2 Korintianina 12:8-10.

11. Nahoana isika no tokony hivavaka sy hitalaho rehefa miatrika olana?

11 Midika ve izany fa tsy tokony hivavaka intsony momba izay mampahory antsika isika? Tsia! (Sal. 86:7) Hoy kosa ny Teniny: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana.” Ahoana no hamalian’i Jehovah izany fitalahoana sy fangatahana izany? Hoy ny Baiboly: “Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.” (Fil. 4:6, 7) Mety tsy hesorin’i Jehovah ilay olana, kanefa harovany ny saintsika. Rehefa avy mivavaka àry isika, dia ho tony kokoa ny saintsika ka ho takatsika fa tsy tsara ny manahy be loatra.

Aoka ianao ho finaritra manao ny sitrapon’Andriamanitra

12. Inona no mety hitranga rehefa kivy loatra ny Kristianina iray?

12 Hoy ny Ohabolana 24:10: “Kivy ve ianao amin’ny andro mahory? Raha izany, dia ho kely ny herinao.” Hoy koa ny ohabolana iray: ‘Mahakivy ny fahoriam-po.’ (Ohab. 15:13) Kivy loatra ny Kristianina sasany, ka tsy mamaky Baiboly na misaintsaina momba izay voalaza ao intsony. Lasa fahazarana fotsiny aminy ny mivavaka, ary mety hitokantokana izy fa tsy hiaraka amin’ny Kristianina namany. Loza tokoa no vokatry ny fahakiviana maharitra!—Ohab. 18:1, 14.

13. Inona avy no mampisinda hakiviana sy mahafaly antsika?

13 Tokony hafantotsika amin’izay zavatra mahafinaritra sy mahafaly eo amin’ny fiainantsika kosa ny saintsika. Hoy i Davida: “Ny manao ny sitraponao no mahafinaritra ahy, Andriamanitra ô.” (Sal. 40:8) Tsy ny fanompoana an’i Jehovah mihitsy àry no tokony hajanontsika, rehefa misy olana mahazo antsika. Tena mampisinda alahelo ny fanaovan-javatra mahasambatra. Milaza amintsika i Jehovah fa mahafinaritra sy mahasambatra ny mamaky sy mandinika tsy tapaka ny Teniny. (Sal. 1:1, 2; Jak. 1:25) Ao amin’ny Baiboly sy any amin’ny fivoriana kristianina no misy “teny mahafinaritra”, izay mampahery antsika sy mahafaly ny fontsika.—Ohab. 12:25; 16:24.

14. Inona no toky omen’i Jehovah antsika ka mahafaly antsika dieny izao?

14 Omen’Andriamanitra antony maro ifaliana isika. Tena mahafaly, ohatra, ilay fampanantenany hamonjy antsika. (Sal. 13:5) Fantatsika fa na inona na inona manjo antsika izao, dia hamaly soa an’izay mazoto mitady azy izy amin’ny hoavy. (Vakio ny Mpitoriteny 8:12.) Natoky toy izany koa i Habakoka mpaminany. Hoy izy: “Na tsy mamony aza ny aviavy, ary tsy mamoa ny voaloboka, ary na tsy ahitam-bokatra aza ny oliva, ary tsy mahavokatra zavatra hohanina ny tanimboly mikitohatohatra, ary na tsy misy ondry intsony aza ao am-bala, ary tsy misy omby ao am-pahitra, dia mbola hifaly amin’i Jehovah ihany aho, sy hiravoravo amin’ilay Andriamanitry ny famonjena ahy.”—Hab. 3:17, 18.

“Sambatra ny olona manana an’i   Jehovah ho Andriamaniny!”

15, 16. Inona no zavatra mahafaly omen’Andriamanitra dieny izao?

15 Tian’i Jehovah hankafy ny zava-tsoa omeny antsika isika, eo am-piandrasana an’ilay hoavy tsara nampanantenainy. Hoy ny Baiboly: “Fantatro ankehitriny fa tsy misy mahasoa [ny olona] mihoatra noho ny mifaly sy manao izay tsara mandritra ny androm-piainany. Ary fantatro koa fa tokony hihinana sy hisotro ary hifaly noho ny asa mafy nisasarany ny olona rehetra. Fanomezana avy amin’Andriamanitra izany.” (Mpito. 3:12, 13) “Manao izay tsara” ny olona manao soa amin’ny hafa. Nilaza i Jesosy fa mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray. Tena afa-po izay tsara fanahy amin’ny vady aman-janany, amin’ny ray aman-dreniny ary amin’ny havany. (Ohab. 3:27) Ho faly be koa izay malemy fanahy amin’ny mpiara-manompo aminy, mamela ny helok’izy ireo, ary tia mandray vahiny. Mahafaly an’i Jehovah koa izany. (Gal. 6:10; Kol. 3:12-14; 1 Pet. 4:8, 9) Ary tena afa-po izay mahafoy tena manompo azy.

16 Voalazan’ny Mpitoriteny fa mahafinaritra ny zavatra tsotra toy ny mihinana sy misotro. Afaka mifaly foana amin-javatra omen’i Jehovah antsika àry isika, na dia iharam-pitsapana aza. Tsy andoavam-bola nefa mahatalanjona sy mahafaly koa ny mijery masoandro mody, toerana tsara tarehy, sakakely na alikakely milalao, na zavaboary hafa mahavariana. Mihatia an’i Jehovah isika rehefa mandinika an’ireny, satria izy no Mpanome ny zava-tsoa rehetra.

17. Inona no tokony hataontsika raha tiantsika ny hafahana tanteraka amin’ny fahoriana? Inona anefa no mampahery antsika dieny izao?

17 Hafahana tanteraka amin’ny voka-dratsin’ny tsy fahalavorariana isika ka ho faly mandrakizay, raha tia an’Andriamanitra sy mankatò ny didiny ary mino ny sorom-panavotana. (1 Jaona 5:3) Mampahery antsika anefa dieny izao ny mahalala fa fantatr’i Jehovah tsara izay rehetra manjo antsika. Hoy i Davida: “Hifaly sy hiravoravo aho noho ny hatsaram-panahinao feno fitiavana, satria mahita ny fijaliako ianao. Mahalala ny fahoriana manjo ahy ianao.” (Sal. 31:7) Tia antsika i Jehovah, ka hanafaka antsika amin’ny fahoriana.—Sal. 34:19.

18. Nahoana no faly foana ny vahoakan’Andriamanitra?

18 Enga anie isika hanahaka an’i Jehovah, ilay Andriamanitra falifaly, eo am-piandrasana ny fahatanterahan’ny fampanantenany. Enga anie isika tsy hamela ny fahakiviana hisakana antsika tsy hanompo azy. Aoka kosa isika haneho fahaiza-misaina sy fahendrena rehefa tojo olana. Hanampy antsika hifehy ny fihetseham-pontsika i Jehovah, ka ho haintsika ny hampihena araka izay azo atao ny voka-dratsin’ny olana mahazo antsika. Aoka isika ho finaritra amin’ny zava-tsoa omeny sy amin’ny fanampiany antsika mba hifandray tsara aminy foana. Ho faly isika rehefa akaiky azy foana, satria “sambatra ny olona manana an’i Jehovah ho Andriamaniny”!—Sal. 144:15.

Inona no Nianaranao?

• Ahoana no anahafantsika an’i Jehovah, rehefa miatrika olana?

• Nahoana no manampy antsika hiatrika olana ny fahaiza-mandanjalanja?

• Inona no manampy antsika ho finaritra manao ny sitrapon’Andriamanitra, na dia misy aza ny olana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 16]

Mampalahelo an’i Jehovah ireo zava-dratsy mitranga

[Sary nahazoan-dalana]

© G.M.B. Akash/Panos Pictures

[Sary, pejy 18]

Manampy antsika ho faly foana i Jehovah