Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitafia An’ilay Fitiavana Tsy ho Levona Mandrakizay

Mitafia An’ilay Fitiavana Tsy ho Levona Mandrakizay

Mitafia An’ilay Fitiavana Tsy ho Levona Mandrakizay

‘Ny fitiavana miaritra ny zava-drehetra. Tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana.’—1 KOR. 13:7, 8.

1. a) Inona no lazain’ny olona mahakasika ny fitiavana? b) Inona no tena tian’ny olona maro ankehitriny?

RESAHINA hatraiza hatraiza ny fitiavana. Maro ny hira manasongadina sy manindrahindra azy io. Tena mila fitiavana ny olombelona. Matetika anefa no milaza zavatra tsy marina momba azy io ny boky sy filma, izay miely be ankehitriny. Tsy fahita intsony àry ny tena fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona. Tanteraka ny faminanian’ny Baiboly momba ny andro farany. ‘Tia tena sy tia vola ny olona, ary tia fahafinaretana fa tsy tia an’Andriamanitra.’—2 Tim. 3:1-5.

2. Inona no ampitandreman’ny Baiboly antsika?

2 Afaka maneho fitiavana ny olona, nefa mampitandrina antsika ny Baiboly fa misy zavatra tsy tokony ho tiantsika, satria misy voka-dratsiny. (1 Tim. 6:9, 10) Tadidinao ve ny tenin’ny apostoly Paoly momba an’i Demasy? Lasa tia an’izao tontolo izao i Demasy, na dia efa niara-niasa tamin’i Paoly aza. (2 Tim. 4:10) Nilaza ny apostoly Jaona fa mampidi-doza izany. (Vakio ny 1 Jaona 2:15, 16.) Tsy afaka ny ho tia an’ity tontolo ity sy ny zavatra mihelina eo aminy isika, no sady ho tia an’Andriamanitra sy ny zavatra avy aminy.

3. Inona no ady mafy mila ataontsika, ary inona no fanontaniana mipetraka?

3 Tsy anisan’ity tontolo ity isika, nefa mbola miaina eo anivony. Mila miady mafy isika mba tsy hanaraka ny hevi-disony momba ny fitiavana, na ho tia zava-dratsy. Iza àry no tokony ho tena tiantsika? Ahoana no hananantsika an’ilay fitiavana, izay miaritra ny zava-drehetra sy tsy ho levona mandrakizay? Inona no soa raisintsika ankehitriny sy amin’ny hoavy raha manana izany isika? Andeha hojerentsika izay lazain’Andriamanitra.

Ampitomboy ny fitiavanao an’i Jehovah

4. Ahoana no hampitomboana ny fitiavana an’Andriamanitra?

4 Mila karakaraina tsara foana ny tany, raha tiana haniry sy hitombo ny voa nambolena. (Heb. 6:7) Misy zavatra mila atao koa, raha tiana hitombo ny fitiavana an’Andriamanitra. Tsy maintsy karakaraintsika tsara ny fontsika, izay toy ny tany namafazana ny voan’ny fahamarinana. Mila mazoto mianatra ny Baiboly isika mba hampitomboana ny fahalalantsika an’Andriamanitra. (Kol. 1:10) Mila mivory tsy tapaka koa isika sady mandray anjara. Miezaka foana ve isika mba hahazo fahalalana bebe kokoa?—Ohab. 2:1-7.

5. a) Ahoana no hahalalantsika ireo toetran’i Jehovah miavaka? b) Inona no azonao lazaina momba ny fitiavany ny rariny sy ny fahendreny ary ny heriny?

5 Asehon’i Jehovah ao amin’ny Teniny ny toetrany, toy ny fitiavana ny rariny, hery, fahendrena, ary indrindra fa ny fitiavana. Mila mianatra ny Baiboly sy miezaka hahalala an’i Jehovah bebe kokoa àry isika, mba hankasitraka kokoa an’ireo toetrany ireo. Hita amin’ny zava-drehetra ataony sy ny lalàny tonga lafatra fa tia rariny izy. (Deot. 32:4; Sal. 19:7) Mampitolagaga ny fahendreny rehefa dinihina ny zavaboariny. (Sal. 104:24) Hita eo amin’izao rehetra izao koa fa manana hery lehibe tsy hita fetra izy.—Isaia 40:26.

6. Ahoana no nanaporofoan’Andriamanitra fa tia antsika izy, ary inona no vokatr’izany eo aminao?

6 Inona no azo lazaina momba ny fitiavana, izay toetran’i Jehovah miavaka indrindra? Tena lehibe izy io ary andraisantsika rehetra soa. Nasehony izy io rehefa nanome ny vidim-panavotana hamonjena ny olona izy. (Vakio ny Romanina 5:8.) Nataony ho an’ny olona rehetra ny vidim-panavotana, saingy izay mankasitraka ny fitiavany sy maneho finoana ny Zanany ihany no handray soa amin’izany. (Jaona 3:16, 36) Tokony handrisika antsika ho tia azy, ny nanomezany an’i Jesosy ho sorona noho ny fahotantsika.

7, 8. a) Ahoana no hanaporofoantsika ny fitiavantsika an’Andriamanitra? b) Ahoana no fihetsiky ny olona, rehefa mankatò ny didin’Andriamanitra isika?

7 Ahoana no hampisehoantsika ny fitiavantsika an’Andriamanitra noho izay nataony ho antsika? Hoy ny Teniny: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny. Tsy mavesatra anefa ny didiny.” (1 Jaona 5:3) Mandrisika antsika hitandrina ny didiny tokoa ny fitiavana azy. Izany, ohatra, no mahatonga antsika hitory ny anarany sy ny Fanjakany, mba hahasoa ny olona. Ataontsika amin’ny fo io asa io mba hanaporofoana fa antony tsara no ankatoavantsika azy.—Mat. 12:34.

8 Mankatò ny didin’Andriamanitra foana ny rahalahintsika eran-tany, na dia tsy tian’ny olona aza ny hafatra toriny. Miezaka hatrany izy ireo hanatanteraka tsara ny fanompoany. (2 Tim. 4:5) Miezaka koa àry isika mizara ny fahalalana an’Andriamanitra, sady mankatò ny didiny hafa rehetra.

Tiavo i Jesosy Kristy Tompo

9. Inona no niaretan’i Kristy, ary inona no nanampy azy?

9 Maro koa ny antony tokony hitiavantsika ny Zanak’Andriamanitra. Mbola tsy nahita azy isika, nefa arakaraka ny hianarantsika momba azy no hitomboan’ny fitiavantsika azy. (1 Pet. 1:8) Inona no niaretany teo am-panaovana ny sitrapon’ny Rainy? Nankahalaina tsy amin’antony izy, nenjehina, nendrikendrehina, notevatevaina, ary nambanina. (Vakio ny Jaona 15:25.) Tiany anefa ny Rainy, ka izany no nanampy azy hiaritra. Ny fitiavany koa no nanosika azy hanome ny ainy mba hanavotana ny maro.—Mat. 20:28.

10, 11. Inona no tokony hataontsika, noho izay nataon’i Kristy ho antsika?

10 Mitombo ny fitiavantsika an’i Jesosy, rehefa mieritreritra izay nataony ho antsika isika. Tokony hiezaka haneho fitiavana toa azy foana isika, satria mpanara-dia azy. Ho vitantsika amin’izay ny hiaritra ka hanatanteraka hatrany ny baiko nomeny, dia ny hitory sy hampianatra.—Mat. 28:19, 20.

11 Mankasitraka ny fitiavan’i Kristy isika, ka maniry hamita ny asa nanendrena antsika alohan’ny hahatongavan’ny farany. (Vakio ny 2 Korintianina 5:14, 15.) Tsy ho nahavita nanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olombelona i Kristy, raha tsy nanam-pitiavana. Mila manaraka akaiky ny modely nomeny àry isika, raha te handray anjara amin’ilay asa mifandray amin’io fikasana io. Midika izany fa tokony ho tena tia an’Andriamanitra isika. (Mat. 22:37) Tokony hanaraka ny fampianaran’i Jesosy sy hankatò ny didiny koa isika, satria izany no mampiseho fa tia azy isika sady tapa-kevitra ny hanohana ny zon’Andriamanitra hitondra, na inona na inona mitranga.—Jaona 14:23, 24; 15:10.

Miezaha ho be fitiavana

12. Inona ilay “lalana mbola tsara kokoa” nolazain’i Paoly?

12 Sahy nampirisika ny hafa hanahaka azy ny apostoly Paoly, satria nanaraka akaiky ny dian’i Kristy. (1 Kor. 11:1) Marina fa nampirisihin’i Paoly ny Korintianina mba hiezaka hahazo fanomezana avy amin’ny fanahy, toy ny fahaiza-manasitrana sy miteny amin’ny fiteny samihafa. Nilaza anefa izy fa mbola misy zavatra tsara kokoa noho izany. Hoy izy ao amin’ny 1 Korintianina 12:31: “Lalana mbola tsara kokoa noho ireo anefa no asehoko anareo.” Hita amin’ireo andinin-teny manaraka fa ny fitiavana no tiany holazaina. Nahoana izy io no tsara kokoa? Nanazava i Paoly fa na dia manana fahaizana miavaka sy mahavita zavatra lehibe aza izy, nefa tsy manam-pitiavana, dia tsinontsinona. (Vakio ny 1 Korintianina 13:1-3.) Tena nampiaiky ny fanazavany, satria avy tamin’ny fanahy masina. Misy vokany lehibe ilay izy hatramin’izao!

13. a) Inona no andinin-teny ho an’ny taona 2010? b) Nahoana no tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana?

13 Nanazava an’ireo lafiny mampiavaka ny fitiavana i Paoly, avy eo. (Vakio ny 1 Korintianina 13:4-8.) Diniho izao hoe inona amin’ireo no mbola mila iezahanao. Mifantoha amin’ny tapany farany amin’ny andininy faha-7 sy ny tapany voalohany amin’ny andininy faha-8 hoe: ‘Ny fitiavana miaritra ny zava-drehetra. Tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana.’ Io no andinin-teny ho an’ny taona 2010. Mariho fa nilaza i Paoly eo amin’ny andininy faha-8 fa hofoanana ireo fanomezana avy amin’ny fanahy, toy ny fahaizana maminany sy miteny amin’ny fiteny samihafa. Tamin’ny fiangonana kristianina vao niforona no nilana an’ireny. Ny fitiavana kosa ho eo foana. Toetra lehibe indrindra mampiavaka an’i Jehovah mantsy izy io, ary velona mandrakizay izy. Haharitra mandrakizay àry ny fitiavana.—1 Jaona 4:8.

Miaritra ny zava-drehetra ny fitiavana

14, 15. a) Hazavao fa manampy antsika hiaritra ny fitiavana. b) Nahoana ny rahalahy tanora iray no tsy nivadika mihitsy?

14 Inona no manampy ny Kristianina hiaritra, na inona na inona fitsapana na zava-tsarotra mahazo azy? Ny tena fitiavana. Tsy hoe malala-tanana fotsiny ny olona manana an’io fitiavana io, fa vonona ny tsy hivadika, ary hamoy ny ainy mihitsy aza noho ny amin’i Kristy. (Lioka 9:24, 25) Diniho ny tantaran’ireo Vavolombelona tsy nivadika, izay nampijalina tany amin’ny toby fitanana sy toby fiasana an-terivozona ary tany am-ponja, tamin’ny Ady Lehibe II sy taorian’izay.

15 Anisan’izany ny tovolahy alemà iray atao hoe Wilhelm. Tsy nivadika mihitsy izy, na dia efa hotifirin’ny miaramila nazia aza. Izao no nosoratany farany ho an’ny fianakaviany: “Andriamanitra no tsy maintsy tiavintsika alohan’ny zava-drehetra, araka ny didin’i Jesosy Kristy Mpitarika antsika. Hamaly soa antsika izy, raha tsy mivadika aminy isika.” Izao no nosoratan’ny havany tao amin’ny Tilikambo Fiambenana, tatỳ aoriana: “Tao anatin’ny fotoan-tsarotra, dia niezaka foana izahay mianakavy mba ho tia an’Andriamanitra alohan’ny zava-drehetra.” Izany koa no toe-tsain’ireo rahalahy migadra any Armenia, Érythrée, Korea Atsimo, ary any an-tany hafa. Tsy miova mihitsy ny fitiavan’izy ireo an’i Jehovah.

16. Inona no niaretan’ireo rahalahy tany Malawi?

16 Miaritra fitsapam-pinoana koa ny rahalahintsika, any an-tany hafa. Noraran’ny fanjakana nandritra ny 26 taona, ohatra, ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Malawi. Nizaka fanoherana mafy sy habibiana maro izy ireo. Nisy vokany tsara anefa ny fiaretany. Tokotokony ho 18 000 ny Vavolombelona tany, rehefa nanomboka ny fanenjehana. Lasa avo roa heny mahery anefa izy ireo, 30 taona tatỳ aoriana, satria lasa 38 393. Izany koa no zava-misy any an-tany hafa.

17. Inona no manjo ny Kristianina sasany, ary nahoana izy ireo no mahavita miaritra?

17 Mafy amin’ny vahoakan’Andriamanitra ny fanenjehana. Mafy kokoa anefa izany, rehefa avy amin’ny olona ao an-trano na havana akaiky. Efa nilaza i Jesosy fa hitranga izany, ary maro no efa niharany. (Mat. 10:35, 36) Misy tanora, ohatra, toherin’ny ray aman-dreniny na roahiny tsy ho ao an-trano na ariany tsy ho zanany intsony. Nandray tsara azy ireny anefa ny mpiara-manompo. Inona no nanampy an’ireny tanora ireny hiaritra? Tsy hoe tia an’ireo rahalahy fotsiny izy ireo, fa tena tia an’i Jehovah sy Jesosy koa.—1 Pet. 1:22; 1 Jaona 4:21.

18. Nahoana no manampy ny mpivady kristianina ilay fitiavana miaritra ny zava-drehetra?

18 Mbola maro ny toe-javatra ilana ilay fitiavana izay miaritra ny zava-drehetra. Io fitiavana io no manampy ny mpivady hankatò ilay tenin’i Jesosy hoe: ‘Aoka izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.’ (Mat. 19:6) Rehefa ‘manam-pahoriana amin’ny nofony’ ny mpivady kristianina, dia tokony hotadidiny fa i Jehovah no mitana toerana lehibe indrindra ao amin’ny fanambadiany. (1 Kor. 7:28) Milaza ny Teniny fa ‘ny fitiavana miaritra ny zava-drehetra.’ Raha mampihatra izany ny mpivady, dia ho vonona hiaraka foana ary handeha tsara ny tokantranony.—Kol. 3:14.

19. Inona no nataon’ny vahoakan’Andriamanitra, rehefa nisy hetraketraky ny natiora?

19 Manampy antsika hiaritra koa ny fitiavana, rehefa misy hetraketraky ny natiora. Nisy horohoron-tany, ohatra, tany amin’ny faritra atsimon’i Peroa. Namely faritra maromaro tany Etazonia koa ny Rivo-doza Katrina. Nahavita niaritra anefa ireo rahalahy, na dia namoy ny tranony sy ny fananany aza. Natosiky ny fitiavana ny fiangonana eran-tany, ka nanome fanampiana vonjy rano vaky. Nisy koa nirotsaka an-tsitrapo nanamboatra ireo trano sy Efitrano Fanjakana simba. Mifankatia sy mifampiahy foana tokoa ny vahoakan’i Jehovah, na inona na inona mitranga.—Jaona 13:34, 35; 1 Pet. 2:17.

Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay

20, 21. a) Nahoana no tsy manan-tsahala ny fitiavana? b) Nahoana ianao no tapa-kevitra ny haneho fitiavana foana?

20 Hitan’ny vahoakan’i Jehovah fa fahendrena ny maneho fitiavana. Io foana no lalana tsara indrindra. Nanamafy izany ny apostoly Paoly. Nilaza aloha izy fa hofoanana ireo fanomezana avy amin’ny fanahy, satria tamin’ny fiangonana kristianina vao niforona no nilana azy ireny. Hoy izy avy eo: “Fa mitoetra ireto telo ireto ankehitriny: Finoana sy fanantenana ary fitiavana. Ny fitiavana anefa no lehibe indrindra amin’ireo.”—1 Kor. 13:13.

21 Ho tanteraka ireo zavatra inoantsika, ka tsy hila haneho finoana azy ireny intsony isika amin’ny hoavy. Tsy hila fanantenana intsony koa isika, rehefa ho tanteraka ilay faminaniana hoe hatao vaovao ny zava-drehetra. Fa ahoana kosa ny fitiavana? Tsy ho levona mandrakizay izy io. Azo antoka fa hianatra foana momba ny fitiavan’Andriamanitra isika mandrakizay. Ataovy àry ny sitrapony, ka manehoa hatrany an’ilay fitiavana tsy mety levona, dia haharitra mandrakizay ianao.—1 Jaona 2:17.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana no misy zavatra tsy tokony ho tiantsika?

• Manampy antsika hiaritra inona ny fitiavana?

• Nahoana ny fitiavana no tsy ho levona mandrakizay?

[Fanontaniana]

[Teny notsongaina, pejy 27]

Izao no andinin-teny ho an’ny taona 2010: ‘Ny fitiavana miaritra ny zava-drehetra. Tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana.’—1 Kor. 13:7, 8.

[Sary, pejy 25]

Mandrisika antsika hitory ny fitiavana an’Andriamanitra

[Sary, pejy 26]

Nanana ilay fitiavana tsy mety levona ny Vavolombelona tany Malawi, ka nahavita niaritra