Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tianao ve ny namaky an’ireo Tilikambo Fiambenana faramparany? Jereo àry raha hainao ny mamaly ireto fanontaniana ireto:

• Inona ny harena omen’Andriamanitra anao?

Nisy olona notahin’Andriamanitra tamin’ny lasa, ka nanan-karena. Anisan’izany i Abrahama sy Solomona. Ny finoana, fiadanan-tsaina, fifaliana ary fahasambarana anefa no harena ilain’ny Kristianina indrindra. Afaka manampy azy hahazo an’ireo Andriamanitra.—1/9, pejy 3-7.

• Namonjy an’i Petera i Jesosy, rehefa saika hilentika tao anaty ranomasina izy. Inona no ianarantsika avy amin’izany? (Mat. 14:28-31)

Raha misy rahalahintsika tsy ampy finoana, dia hanatsotra ny tanantsika isika, izany hoe hanampy azy hampitombo ny finoany.—15/9, pejy 8.

• Inona no nafoin’i Jehovah sy niaretany mba hamonjena antsika?

Tena ory i Jehovah rehefa nampijalina ilay Zanany, ary natao tsinontsinona sy novonoina toy ny mpanao heloka bevava. Mifanitsy amin’izay tsapan’i Abrahama tamin’izy nanolotra ny zanany ho sorona izany.—15/9, pejy 28-29.

• Nahoana no sarobidy ny Kôdeksan’i Vatikana?

Sora-tanana grika izy io, ary vita 300 taona latsaka taorian’ny nahavitana ny Baiboly manontolo. Saika ny Soratra Hebreo sy ny Soratra Grika Kristianina manontolo no voarakitra ao. Anisan’ny nampiasain’ny manam-pahaizana izy io, mba hamantarana izay voarakitra tao amin’ny soratra tany am-boalohany.—1/10, pejy 18-20.

• Inona no tian’ny Ohabolana 24:27 holazaina amin’ny hoe ‘karakarao izay ilain’ny ankohonanao’?

Tokony ho vonona tsara amin’io andraikitra io izay lehilahy te hanambady. Tafiditra amin’izany ny hoe vonona hamelom-bady aman-janaka sy hampirisika azy ireo hanompo an’Andriamanitra.—15/10, pejy 12.

• Nahoana no tsy mety ny hiantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah hoe anisan’ny fiangonana protestanta?

Tany Eoropa no niandohan’ny Fivavahana Protestanta, tamin’ny taonjato faha-16, vokatry ny ezaka natao mba hanavaozana ny Fivavahana Katolika. Ny teny hoe “Protestanta” dia iantsoana an’izay rehetra manaiky ny tanjon’ny Fanavaozana Protestanta. Lavin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fahefana feno ananan’ny papa, ary tena inoan’izy ireo fa marina ny Baiboly. Lavin’izy ireo koa anefa ireo fampianarana sy fombafomba tsy araka ny Soratra Masina arahin’ny fiangonana protestanta.—1/11, pejy 19.

• Ilaina ve ny mianatra teny hebreo sy grika mba hahatakarana izay lazain’ny Baiboly?

Tsia. Tsy ho liana ho azy amin’ny hafatra raketin’ny Baiboly ny olona iray mahay an’ireo fiteny ireo. Mbola mila mijery rakibolana sy boky momba ny fitsipi-pitenenana ny olona nianatra azy ireo. Navelan’Andriamanitra hadika ny tenin’ilay Mpanompony lehibe indrindra. Asehon’izany fa azo atao ny mampiasa Baiboly nadika amin’ny fiteny ampiasaina ankehitriny sy mianatra ny fahamarinana amin’ny alalan’izy io.—1/11, pejy 20-23.

• Nahoana no modely amin’ny fahalalam-pomba i Jehovah sy Jesosy?

Tsara fanahy sy manaja ny olombelona i Jehovah, na dia manana toerana ambony aza. Nampiasa teny hebreo midika hoe “azafady” izy, rehefa niresaka tamin’i Abrahama sy Mosesy. (Gen. 13:14; Eks. 4:6) Mihaino ny olona koa izy. (Gen. 18:23-32) Nanao toy izany koa i Jesosy, sady vonona hanampy an’ireo nila fanampiana. Matetika izy no niantso azy ireo tamin’ny anarany.—15/11, pejy 25.

• Nahoana ny tena Kristianina no tsy mankalaza Taom-baovao Sinoa?

Fety lehibe any Azia io taom-baovao io. Te ho tsara vintana ny olona amin’io fety io, sady te hirary izany ho an’ny hafa. Te hanome voninahitra an’ireo fanahy koa izy ireo. Manaja ray aman-dreny ny Kristianina, kanefa tsy mandray anjara amin’ny sakafo be natao hifandraisana amin’ny razana, mba hahazoana fiarovana. Natao hahazoana ny fankasitrahan’ireo andriamanitra koa io sakafo io.—1/12, pejy 20-23.