Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampio Hiatrika Olana ny Zanakao

Ampio Hiatrika Olana ny Zanakao

Ampio Hiatrika Olana ny Zanakao

MAFY be ny fanerena mihatra amin’ny tanorantsika. Voatery miady foana amin’ny toe-tsain’ny tontolo ratsin’i Satana sy “ny faniriana mpitranga eo amin’ny tanora” izy ireo. (2 Tim. 2:22; 1 Jaona 5:19) Esoin’ny ankizy na iadiany koa izy ireo, noho izy miezaka ‘hahatsiaro ilay Mpamorona Be Voninahitra.’ (Mpito. 12:1) Toy izany no nanjo an’i Velo tamin’izy tanora. Hoy izy: “Nisy ankizy nihetraketraka na nila ady tamiko foana, noho izaho Vavolombelona. Matetika no nila tsy ho tantiko intsony ilay izy, ka tsy te handeha hianatra aho.” *

Mety haniry mafy hitovy amin’ireo mpiara-mianatra aminy koa ny zanatsika. Hoy i Kanto, 16 taona: “Mafy izany hoe tsy mitovy amin’ny ankizy rehetra izany.” Hoy koa i Arijaona, rahalahy tanora iray: “Matetika aho no nasain’ny mpiara-mianatra amiko hiaraka aminy rehefa faran’ny herinandro, ary te handeha mafy aho.” Misy koa tanora te handray anjara amin’ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena. Mety hahazo naman-dratsy anefa izy raha manao izany. Hoy i Tanya, anabavy tanora iray: “Tia spaoro aho, ka nasain’ny mpanazatra hiditra tamin’ny ekipany foana. Mafy tamiko ny nanda izany!”

Ahoana àry no anampianao ny zanakao hiatrika izany rehetra izany? Adidin’ny ray aman-dreny ny manome tari-dalana ho an’ny zanany. (Ohab. 22:6; Efes. 6:4) Ny hanampy ny zanany hankatò an’i Jehovah avy amin’ny fo no tanjon’izy ireo. (Ohab. 6:20-23) Ho vonona hanohitra ny faneren’ity tontolo ity ny tanora amin’izay, na dia tsy eo imason’ny ray aman-dreniny aza.

Mavesatra ny andraikitry ny ray aman-dreny: Mamelona sy mikarakara ankohonana, ary miara-miasa amin’ny fiangonana. Misy koa ray na reny tokan-tena, na toherin’ny vadiny tsy Vavolombelona. Didian’i Jehovah anefa ny ray aman-dreny hampianatra sy hanampy ny zanany. Ahoana àry no anampianao ny zanakao hiatrika olana isan’andro, mba tsy ho voatariky ny namany, na ho resin’ny fakam-panahy, na hatahotra an’ireo mila ady aminy?

Ilainy ny mifandray tsara amin’i Jehovah

Voalohany, ilain’ny tanorantsika ny mahafantatra fa tena misy i Jehovah. Tokony hampiana ‘hahita an’Ilay tsy hita’ izy ireo. (Heb. 11:27) Nilaza i Velo fa nanampy azy hifandray tsara tamin’i Jehovah ny ray aman-dreniny. Hoy izy: “Nampianarin’izy ireo ahy fa zava-dehibe ny vavaka. Tsaroako fa nivavaka tamin’i Jehovah foana aho isaky ny hatory, hatramin’izaho mbola kely. Tamiko dia tena nisy i Jehovah.” Miara-mivavaka amin’ny zanakao ve ianao? Maninona raha henoina ny vavaka ataony? Manao tsianjery fotsiny ve izy, sa milaza izay tena tsapany momba an’i Jehovah? Ho hitanao raha miezaka hifandray tsara amin’i Jehovah izy na tsia.

Faharoa, hanatona an’i Jehovah ny tanora raha mamaky tsy tapaka ny Teniny. Hoy i Kanto: “Nahavaky ny Baiboly manontolo aho, tamin’izaho mbola kely. Nanjary natoky aho fa hanampy ahy i Jehovah, na dia tsy tia ahy aza ny olona.” Zatra mamaky Baiboly samirery koa ve ny zanakao?—Sal. 1:1-3; 77:12.

Marina fa tsy mitovy ny ankizy: Misy tonga dia manaraka ny tari-dalan’ny ray aman-dreniny. Mety ho arakaraka ny taonany koa ny fandrosoany ara-panahy. Tsy ho tena misy amin’izy ireo anefa i Jehovah raha tsy ampiana izy ireo. Adidin’ny ray aman-dreny àry ny mandentika tsikelikely ao an-tsain’ny zanany ny tenin’i Jehovah, mba ho toy ny hoe mandre Azy miteny izy ireo, na aiza na aiza misy azy. (Deot. 6:6-9) Tokony hino ny zanakao fa tena miahy azy i Jehovah.

Ilainareo ny mifampiresaka tsara

Mila mifampiresaka tsara amin’ny zanakao koa ianao. Tsy ampy fotsiny ny miresaka aminy, fa ilaina koa ny manontany azy sy mihaino tsara izay lazainy, na dia mety tsy hampoizinao aza ny valin-teniny. Hoy i Andrisoa, izay manan-janaka roa lahy: “Manontany foana aho mandra-pahazoko tsara hoe inona no ao an-tsainy, ary inona no olana atrehiny.” Tsapan’ny zanakao koa ve fa tena mihaino azy ianao? Hoy i Tanya: “Tena nihaino ahy i Dada sy Neny, ary tadidiny ny resakay. Fantany ny anaran’ny mpiara-mianatra tamiko, ka nanontaniany aho hoe nanao ahoana izy ireny. Nanontaniany ahy koa ny momba izay zavatra efa nifampiresahanay.” Mila mihaino tsara sy mitadidy an’izay resaka nifanaovanao tamin’ny zanakao àry ianao.

Fianakaviana maro no manararaotra mifampiresaka tsara mandritra ny sakafo. Hoy i Velo: “Zava-dehibe tamin’ny fianakavianay ny fiaraha-misakafo. Tokony ho tonga hisakafo foana izahay. Tsy nahazo nijery tele, na nihaino radio, na namaky boky izahay nandritra ny sakafo. Nahafinaritra ny resakay, ka nanampy ahy izany isan’andro mba hilamin-tsaina. Afaka niatrika ny olana sy ny zavatra nampikorontan-tsaina tany am-pianarana àry aho.” Hoy koa izy: “Tsy natahotahotra koa aho niresaka tamin’i Dada sy Neny momba izay nanahirana ahy, satria efa zatra nifampiresaka tamin’izy ireo aho nandritra ny sakafo.”

Eritrereto àry izao: Impiry isan-kerinandro ianareo mianakavy no miara-misakafo? Inona no azonao atao mba hahafahanao hifampiresaka tsara kokoa sy bebe kokoa amin’ny zanakao?

Tena ilaina ny fanazaran-tena

Afaka mifampiresaka tsara ny mpianakavy amin’ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana isan-kerinandro. Manampy ny tanora hiatrika olana koa izy io. Hoy i Arijaona: “Nanontany ny hevitray i Dada sy Neny, nandritra ny fianaram-pianakaviana. Izay foto-kevitra nahakasika anay ankizy no nodinihinay mianakavy.” Hoy ny renin’i Arijaona: “Nanao fanazaran-tena koa izahay. Nanjary nahay niaro ny finoany àry ireo zanakay, sady afaka nanaporofo fa marina ny zavatra inoany. Lasa natoky tena izy ireo ka afaka niatrika an’izay olana nipoitra.”

Tsy tokony hanaiky hotaomin’ny namany ny tanora. Ilainy koa anefa ny mahay manazava ny anton’izany, sy ny mahafantatra tsara izay tokony hataony rehefa esoina noho ny finoany. Ho sarotra aminy mantsy ny hifikitra amin’ny fivavahana marina, raha tsy hainy ny miaro ny finoany. Manampy azy ireo hatoky tena àry ny fanazaran-tena.

Jereo eo amin’ny  efajoro pejy 18, izay fanazaran-tena tianareo hatao mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Ataovy toy ny tena izy ilay izy, ka mody tohero ny valin-tenin’ny zanakao. Diniho koa ireo tantara ao amin’ny Baiboly azonareo akana lesona. Azo antoka fa ho afaka hiatrika olana any am-pianarana sy any an-toeran-kafa ny zanakao, rehefa ampiofaninao toy izany.

Mahatsapa ho tsy manana ahiahy ve ny zanakao rehefa ao an-trano?

Tsy andrin’ny zanakao ve ny hodiana ao an-trano isaky ny avy mianatra? Mahatsapa ho tsy manana ahiahy ve izy rehefa ao an-trano? Hanampy azy hiatrika olana isan’andro izany. Hoy ny anabavy iray Betelita: “Anisan’ny tena zava-dehibe tamiko tamin’izaho mbola zatovo, ny nahatsapa ho tsy nanana ahiahy rehefa tao an-trano. Na mafy toy inona aza ny zavatra natrehiko tany am-pianarana, dia fantatro fa hilamina ny zava-drehetra rehefa tonga any an-trano aho.” Inona àry no manjaka ao an-tokantranonao? “Fipoahan’ny fahatezerana, fifandirana, [ary] fisaratsarahana”, sa “fitiavana, fifaliana, [ary] fiadanana”? (Gal. 5:19-23) Raha tsy dia ahitana fiadanana ao, moa ve ianao miezaka mafy hamantatra an’izay tokony hatao mba hahatsapan’ny zanakao ho tsy manana ahiahy?

Ilainao koa ny mitady namana afaka mampahery ny zanakao. Afaka manasa mpiara-manompo matotra ve ianao, ohatra, mba hiara-miala voly aminareo mianakavy? Sa afaka manomana sakafo tsotsotra, ka manasa mpiandraikitra mpitety faritany na mpanompo manontolo andro hafa hiara-misakafo aminareo? Sa misy misionera na Betelita fantatrao, izay tianao ho naman’ny zanakao sy hifanoratra aminy na hifandray aminy an-telefaonina na amin’ny alalan’ny e-mail? Hanampy ny zanakao handeha amin’ny lala-mahitsy sy hanana tanjona eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah ireny namana ireny. Tadidio fa nisy vokany tsara teo amin’i Timoty ny fiarahany tamin’ny apostoly Paoly. (2 Tim. 1:13; 3:10) Nanjary nifantoka tamin’ny fanompoana an’i Jehovah izy.—1 Kor. 4:17.

Derao ny zanakao

Faly i Jehovah mahita tanora mifikitra amin’izay tsara, na eo aza ny faneren’ny tontolon’i Satana. (Sal. 147:11; Ohab. 27:11) Azo antoka fa faly koa ianao mahita fa hendry ny zanakao. (Ohab. 10:1) Resaho aminy ny fihetseham-ponao momba azy, ary aza mitsitsy teny fiderana. Ohatra tsara amin’izany i Jehovah. Hoy izy rehefa natao batisa i Jesosy: “Ianao no Zanako malalako, ianao no sitrako.” (Mar. 1:11) Azo antoka fa nanome hery an’i Jesosy hiatrehana olana maro izany toky nomen-dRainy izany! Lazao amin’ny zanakao koa fa tia azy ianao, ary ankasitraho izay zavatra tsara vitany.

Marina fa tsy vitanao ny hiaro ny zanakao tsy hahita olana mihitsy. Afaka manampy azy hiatrika azy ireny anefa ianao. Amin’ny fomba ahoana? Ampio izy ireo hifandray tsara amin’i Jehovah. Ataovy fahazaranareo mianakavy ny mifampiresaka tsara. Izay tena mahakasika ny zanakao dinihina amin’ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, ary ataovy izay hahatsapany ho tsy manana ahiahy rehefa ao an-trano. Amin’izay dia tena ho afaka hiatrika olana ny zanakao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Novana ny anarana sasany ato amin’ity lahatsoratra ity.

[Efajoro/Sary, pejy 18]

 FANAZARAN-TENA

Mety hiatrika an’ireto olana ireto ny zanatsika. Nahoana raha anaovana fanazaran-tena ny sasany amin’izy ireto mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana?

▸ Asain’ny mpanazatra hiditra amin’ny ekipan’ny sekoly ny zanakao vavy.

▸ Asain’ny namany hifoka sigara ny zanakao lahy rehefa mirava avy mianatra.

▸ Ampitahorin’ny ankizilahy ny zanakao lahy hoe hovonoiny raha mbola hitany mitory.

▸ Sendra mpiara-mianatra aminy ny zanakao vavy rehefa mitory isan-trano.

▸ Asaina manazava eo anatrehan’ny iray kilasy aminy ny zanakao vavy hoe nahoana izy no tsy manangan-tsaina.

▸ Esoin’ny ankizilahy iray foana ny zanakao lahy noho izy Vavolombelona.

[Sary, pejy 17]

Zatra mamaky Baiboly samirery ve ny zanakao?

[Sary, pejy 19]

Manasa Kristianina matotra ve ianao mba hiara-miala voly aminareo mianakavy?