Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fananan’i Jehovah Isika Noho ny Hatsaram-panahiny Tsy Manam-paharoa

Fananan’i Jehovah Isika Noho ny Hatsaram-panahiny Tsy Manam-paharoa

Fananan’i Jehovah Isika Noho ny Hatsaram-panahiny Tsy Manam-paharoa

“An’i Jehovah isika.”—ROM. 14:8.

1, 2. a) Inona no voninahitra ananantsika? b) Inona avy no fanontaniana hodinihintsika?

HOY i Jehovah tamin’ny firenen’ny Israely: “Ho fananako manokana fidiko avy amin’ny firenena hafa rehetra tokoa ianareo.” (Eks. 19:5) Tena voninahitra lehibe izany! Voninahitra ho an’ireo anisan’ny fiangonana kristianina ankehitriny koa ny hoe fananan’i Jehovah. (1 Pet. 2:9; Apok. 7:9, 14, 15) Handraisantsika soa mandrakizay izany.

2 Andraikitra koa anefa ny hoe fananan’i Jehovah. Mety hisy hieritreritra hoe: ‘Ho vitako ve izay takin’i Jehovah amiko? Holaviny ve aho raha sanatria manota? Ho voateritery ve ny fiainako raha lasa fananany aho?’ Tokony hodinihina daholo izany. Ity anefa aloha misy fanontaniana mila eritreretina tsara: Inona avy no soa azo rehefa lasa fananan’i Jehovah?

Mahasambatra ny hoe fananan’i Jehovah

3. Inona no soa azon-dRahaba noho izy nifidy ny hanompo an’i Jehovah?

3 Mandray soa ve ny olona rehefa lasa fananan’i Jehovah? Diniho ny fiainan’i Rahaba, ilay mpivaro-tena tao Jeriko fahiny. Azo antoka fa nanaraka fanao maloto nifandray tamin’ny fivavahana tamin’ireo andriamanitr’i Kanana izy, satria izany no nitaizana azy. Fantany anefa fa i Jehovah no tena Andriamanitra, rehefa reny ny fandresena azon’ny Israelita noho ny fanampian’i Jehovah. Nanao vivery ny ainy àry izy mba hiarovana an’ilay vahoaka nofidin’Andriamanitra, ary nankininy tamin’izy ireo ny ainy. Hoy ny Baiboly: “Tsy nambara ho marina ve [i Rahaba mpivaro-tena] noho izay nataony rehefa avy noraisiny tsara ireo iraka, ka nalefany tany amin’ny lalan-kafa?” (Jak. 2:25) Eritrereto ange ny soa azony rehefa lasa anisan’ny vahoakan’Andriamanitra izy e! Vahoaka madio ny Israelita, ary nampianarin’ny Lalàn’Andriamanitra hanam-pitiavana sy hanao ny rariny. Tsy maintsy ho faly be i Rahaba rehefa nanova ny fiainany. Nanambady Israelita izy ary nitaiza an’i Boaza zanany lahy mba ho lasa mpanompon’Andriamanitra niavaka.—Jos. 6:25; Rota 2:4-12; Mat. 1:5, 6.

4. Inona no soa azon’i Rota noho izy nifidy ny hanompo an’i Jehovah?

4 Nifidy ny hanompo an’i Jehovah koa i Rota Moabita. Azo antoka fa nivavaka tamin’i Kemosy sy ireo andriamanitra hafa tany Moaba izy, tamin’izy mbola kely. Lasa nahalala an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra anefa izy, ary nanambady Israelita nila ravinahitra tany amin’ny taniny. (Vakio ny Rota 1:1-6.) Niaraka tamin’i Naomy rafozany hankany Betlehema izy sy Orpa rahavaviny, tatỳ aoriana. Nasain’i Naomy niverina izy ireo satria ho sarotra amin’izy ireo ny hipetraka any Israely. ‘Lasa nody tany amin’ny fireneny sy ny andriamaniny’ i Orpa. Tsy nety nody kosa i Rota. Nandrisika azy hanao izany ny zavatra ninoany, sady fantany hoe te ho fananan’iza izy. Hoy izy tamin’i Naomy: “Aza manery ahy handao anao sy hisaraka aminao, fa izay alehanao no halehako, ary izay atorianao no hatoriako. Ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro.” (Rota 1:15, 16) Niahy manokana ny maty vady sy ny mahantra ary ny tsy manan-tany ny Lalàn’Andriamanitra. Nandray soa àry i Rota satria nifidy ny hanompo an’i Jehovah. Toy ny hoe teo ambany elatr’i Jehovah izy ka sambatra sy voaro ary nilamin-tsaina.

5. Inona no voamarikao amin’ny olona tsy mivadika amin’i Jehovah?

5 Mahafantatra olona nanokan-tena ho an’i Jehovah angamba ianao, ary tsy nivadika mihitsy izy ireo nandritra ny taona maro. Anontanio azy ireo ny soa noraisiny. Marina fa manana olana daholo isika. Porofoin’ny zava-misy anefa fa tena marina ny tenin’ny mpanao salamo hoe: “Sambatra ny olona manana an’i Jehovah ho Andriamaniny!”—Sal. 144:15.

Tsy mitaky be loatra i Jehovah

6. Nahoana isika no tsy tokony hanahy hoe tsy hahavita izay takin’i Jehovah?

6 Rehefa mieritreritra ianao hoe ho lasa mpanompon’i Jehovah sy hanaraka ny lalàny ary hitondra ny anarany, dia mety hanontany tena raha ho vitanao ny hanao izay takiny. Nahatsiaro ho tsy nahay, ohatra, i Mosesy rehefa nasaina niresaka tamin’ny Israelita sy ny mpanjakan’i Ejipta. Tsy nitaky be loatra taminy anefa Andriamanitra, fa ‘natorony azy izay tokony hataony.’ (Vakio ny Eksodosy 3:11; 4:1, 10, 13-15.) Faly nanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra izy, satria nanaiky hampiana. Tsy mitaky be loatra amintsika koa i Jehovah. Fantany fa mpanota isika ary tiany hampiana. (Sal. 103:14) Mamelombelona ny manompo an’Andriamanitra sy manara-dia an’i Jesosy fa tsy mahakivy, satria manao soa ho an’ny hafa sy mampifaly ny fon’i Jehovah isika rehefa manao izany. Hoy i Jesosy: “Mankanesa atỳ amiko ... fa hamelombelona anareo aho. Ento ny ziogako ka mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena aho.”—Mat. 11:28, 29.

7. Nahoana no azo antoka fa hanampy anao hanao izay takiny i Jehovah?

7 Raha miantehitra amin’i Jehovah isika, dia hampahery antsika foana izy rehefa mila izany isika. Tsy olona sahy niteny, ohatra, i Jeremia. Hoy izy rehefa notendren’i Jehovah ho mpaminaniny: “Indrisy, ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô! Tsy mahay mandaha-teny aho fa mbola zaza ihany.” Nilaza mihitsy aza izy tatỳ aoriana fa ‘tsy hiteny’ amin’ny anaran’i Jehovah intsony. (Jer. 1:6; 20:9) Nampaherezin’i Jehovah anefa izy ka afaka nitory hafatra tsy tian’olona, nandritra ny 40 taona. Namerimberina nanome toky azy i Jehovah hoe: “Momba anao aho, mba hamonjy sy hanafaka anao.”—Jer. 1:8, 19; 15:20.

8. Ahoana no ampisehoantsika fa matoky an’i Jehovah isika?

8 Nampahery an’i Mosesy sy Jeremia i Jehovah, ary afaka manampy antsika Kristianina hanao izay takiny koa. Mila miantehitra aminy fotsiny isika. Hoy ny Baiboly: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo, fa aza miantehitra amin’ny fahaizanao. Eritrereto izy amin’izay rehetra ataonao, dia hataony mandeha tsara ny fiainanao.” (Ohab. 3:5, 6) Asehontsika fa matoky azy isika raha manaiky ny fanampiana omeny amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fiangonana. Tsy hisy hahavita hampivadika antsika amin’i Jehovah, raha avelantsika hitarika ny fiainantsika izy.

Mikarakara antsika tsirairay i Jehovah

9, 10. Inona ilay fiarovana resahin’ny Salamo faha-91?

9 Mety hanahy ny olona iray mieritreritra ny hanokan-tena ho an’i Jehovah sao hanota sy ho lasa tsy mendrika ary holavin’i Jehovah. Soa ihany fa manome izay rehetra ilaintsika i Jehovah mba hiarovana ny fifandraisantsika aminy, izay sarobidy amintsika. Andeha hojerentsika ny fomba ilazana izany ao amin’ny Salamo faha-91.

10 Izao no fanombohan’io salamo io: “Izay monina ao amin’ny toerana miafin’ny Avo Indrindra, dia hitoetra ao ambany alok’Ilay Mahery Indrindra. Hilaza amin’i Jehovah aho hoe: ‘Fialofako ianao, ary fiarovana mafy ho ahy, sady Andriamanitro izay hatokisako.’ Fa izy no hanafaka anao amin’ny fandriky ny mpamandri-borona.” (Sal. 91:1-3) Mariho fa mampanantena Andriamanitra hoe hiaro an’ireo tia sy matoky azy. (Vakio ny Salamo 91:9, 14.) Inona no fiarovana tiany horesahina eo? Narovan’i Jehovah tsy ho tratry ny loza ny mpanompony sasany fahiny. Nanao izany izy indraindray mba hitsimbinana ny ain’ireo razamben’ilay Mesia nampanantenaina. Maro tamin’ny mpanompon’i Jehovah tsy nivadika anefa no nogadraina, nampijalina, ary novonoina tamin-kabibiana, mba hivadihan’izy ireo amin’Andriamanitra. (Heb. 11:34-39) Nahazo hery iaretana izy ireo ka tsy nivadika, satria narovan’i Jehovah ny fifandraisany taminy. Azo lazaina hoe fiarovana ara-panahy àry ilay ampanantenain’ny Salamo faha-91.

11. Inona ilay “toerana miafin’ny Avo Indrindra”? Iza no arovan’Andriamanitra ao?

11 Toerana an’ohatra mampiseho fiarovana ara-panahy àry ilay “toerana miafin’ny Avo Indrindra” resahin’ny mpanao salamo. Voaro amin’ny olona na zavatra atahorana hanimba ny finoany sy ny fitiavany an’Andriamanitra izay vahiny mipetraka ao. (Sal. 15:1, 2; 121:5) Miafina ilay izy satria tsy hitan’ny olona tsy manompo azy. Ao no iarovan’i Jehovah an’izay miteny hoe: ‘Andriamanitro izay hatokisako ianao.’ Mety ho voafandrik’i Satana, ilay “mpamandri-borona”, isika ka tsy hahazo sitraka amin’Andriamanitra. Tsy hatahotra an’izany anefa isika raha mijanona ao amin’ilay toeram-piarovana.

12. Inona avy no atahorana hanimba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra?

12 Inona avy no atahorana hanimba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra? Manonona zavatra maromaro ilay mpanao salamo, anisan’izany “ny areti-mandringana miely amin’ny maizina” sy “ny fandringanana mandripaka amin’ny mitataovovonana.” (Sal. 91:5, 6) Maro tokoa no voafandrik’ilay “mpamandri-borona” ka lasa maniry hanao izay tiany fotsiny. (2 Kor. 11:3) Misy koa lasa manana faniriana tsy mety afa-po sy mirehareha ary tia harena loatra. Eo koa ireo voafitaky ny filozofia, toy ny fitiavan-tanindrazana sy ny evolisiona ary ny fivavahan-diso. (Kol. 2:8) Ny hafa voafandriky ny fanaovana firaisana tsy ara-dalàna. An-tapitrisany no lasa tsy tia an’Andriamanitra noho ireo loza ara-panahy ireo.—Vakio ny Salamo 91:7-10; Mat. 24:12.

Arovy ny fitiavanao an’Andriamanitra

13. Ahoana no iarovan’i Jehovah antsika amin’ny loza ara-panahy?

13 Ahoana no iarovan’i Jehovah ny mpanompony amin’ireo loza ara-panahy ireo? “Homeny baiko hitsinjo anao ny anjeliny mba hiaro anao amin’ny lalanao rehetra”, hoy ny salamo. (Sal. 91:11) Mitarika sy miaro antsika ny anjely mba hahafahantsika mitory ny vaovao tsara. (Apok. 14:6) Miaro antsika tsy ho voafitaky ny fiheveran-diso koa ny anti-panahy, satria mitana mafy ny Soratra Masina izy ireo rehefa mampianatra. Afaka manampy an’izay miady mafy amin’ny toe-tsain’izao tontolo izao izy ireo. (Tit. 1:9; 1 Pet. 5:2) Eo koa ny sakafo ara-panahy avy amin’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina”, izay miaro antsika amin’ny fampianarana momba ny evolisiona, ny faniriana haloto fitondran-tena, ny fikatsahana harena sy laza, ary ny faniriana hafa manimba. (Mat. 24:45) Inona no nanampy anao hanohitra ny sasany amin’ireo?

14. Inona no tokony hataontsika raha tiantsika ny harovan’Andriamanitra?

14 Misy zavatra tsy maintsy ataontsika raha te ho voaro foana ao amin’ilay “toerana miafina” isika. Isan’andro, ohatra, isika dia tsy maintsy miaro tena amin’ny loza, toy ny olon-dratsy sy ny aretina ary ny lozam-pifamoivoizana. Toy izany koa fa tsy maintsy manao zavatra foana isika mba hiarovan-tena amin’ny loza ara-panahy. Tokony hohararaotintsika foana àry ny fitarihana omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny boky sy gazety ary ny fivoriana sy fivoriambe. Mangataka torohevitra amin’ny anti-panahy koa isika, ary mandray soa avy amin’ireo toetra tsara ananan’ny rahalahy sy anabavintsika. Manampy antsika ho hendry tokoa ny fiarahana amin’ny fiangonana!—Ohab. 13:20; vakio ny 1 Petera 4:10.

15. Nahoana no azo antoka fa afaka miaro anao amin’izay rehetra mety hahatonga anao tsy hahazo sitraka aminy i Jehovah?

15 Afaka miaro antsika amin’izay rehetra mety hahatonga antsika tsy hahazo sitraka aminy i Jehovah. Tsy misy isalasalana ny amin’izany. (Rom. 8:38, 39) Niaro ny fiangonana tamin’ny mpitondra fivavahana sy mpanao politika matanjaka izy. Ny hampisaraka antsika amin’ilay Andriamanitra masina no tanjon’ireny fahavalo mahery ireny, fa tsy ny hamono antsika. Voaporofo fa marina ilay fampanantenan’i Jehovah hoe: “Tsy hisy hahomby izay fiadiana amboarina hamelezana anao.”—Isaia 54:17.

Iza no manome antsika fahafahana?

16. Nahoana ity tontolo ity no tsy afaka manome antsika fahafahana?

16 Ho voateritery ve ny fiainantsika raha lasa fananan’i Jehovah isika? Ny mifanohitra amin’izany no izy, satria tsy hanana fahafahana isika raha naman’izao tontolo izao. Tafasaraka amin’i Jehovah ity tontolo ity, ary andriamanitra masiaka sy manandevo olona no mitondra azy. (Jaona 14:30) Maneritery ny olona, ohatra, ny rafitr’ity tontolon’i Satana ity, eo amin’ny resaka vola. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 13:16, 17.) Mamitaka ny olona koa ny ota ka manandevo azy. (Jaona 8:34; Heb. 3:13) Toy ny hoe mampanantena fahafahana ireo tsy manompo an’i Jehovah, rehefa manao zavatra mifanohitra amin’izay ampianarin’i Jehovah. Tsy ela anefa dia handevozin’ny fomba fiaina tsy mendrika sy feno ota izay manao toa azy ireo.—Rom. 1:24-32.

17. Hanafaka antsika amin’ny inona i Jehovah?

17 Hanafaka antsika amin’izay mety hampidi-doza antsika kosa i Jehovah raha mitoky aminy isika. Azo oharina amin’ny marary iray mitoky amin’ny mpandidy mahay isika, ary afaka mitsabo an’ilay marary amin’ny aretina mampidi-doza ilay mpandidy. Tandindomin-doza koa ny aintsika rehetra satria nandova ota isika. Tsy ho afaka hanantena ny hafahana amin’ny vokatry ny ota sy hahazo fiainana mandrakizay isika, raha tsy mitoky amin’i Jehovah sy mino ny soron’i Kristy. (Jaona 3:36) Mihamatoky ny mpandidy iray isika rehefa mandre ny lazany. Hihamatoky an’i Jehovah koa isika rehefa mianatra momba azy. Ianarantsika tsara foana àry ny Teniny, mba hahatonga antsika ho tia azy. Tsy hatahotra ny ho fananany isika amin’izay.—1 Jaona 4:18.

18. Inona no ho vokany raha lasa fananan’i Jehovah isika?

18 Omen’i Jehovah fahafahana hisafidy ny olon-drehetra. Hoy ny Teniny: “Mifidiana ny fiainana mba ho velona ianao sy ny taranakao, ka tiavo i Jehovah Andriamanitrao.” (Deot. 30:19, 20) Tiany hasehontsika fa tiantsika izy, ka isika mihitsy no hifidy ny hanompo azy. Tena hahasambatra antsika foana fa tsy haneritery antsika ny hoe ho fananan’ilay Andriamanitra tiantsika.

19. Nahoana no azo lazaina fa ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i Jehovah no nanekeny antsika ho fananany?

19 Mpanota isika ka tsy mendrika ny ho fananan’ilay Andriamanitra tonga lafatra. Nekeny ho fananany anefa isika noho ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa. (2 Tim. 1:9) Hoy àry i Paoly: “Raha velona isika, dia velona ho an’i Jehovah, ary raha maty isika, dia maty ho an’i Jehovah. Koa na velona isika na maty, dia an’i Jehovah.” (Rom. 14:8) Tsy hanenina mihitsy isika raha mifidy ny ho fananan’i Jehovah!

Ahoana no Havalinao?

• Inona avy no soa azo rehefa lasa fananan’i Jehovah?

• Nahoana isika no hahavita hanao izay takin’i Jehovah amintsika?

• Ahoana no iarovan’i Jehovah ny mpanompony?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 8]

Manontania olona hoe inona no soa noraisiny noho izy fananan’i Jehovah

[Sary, pejy 10]

Inona no fomba sasany iarovan’i Jehovah antsika?