Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Porofoy fa Tena Mpanara-dia An’i Kristy Ianao

Porofoy fa Tena Mpanara-dia An’i Kristy Ianao

Porofoy fa Tena Mpanara-dia An’i Kristy Ianao

“Ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara, ary ny hazo ratsy rehetra kosa mamoa voa ratsy.”—MAT. 7:17.

1, 2. Inona no tsy itovizan’ny tena mpanara-dia an’i Kristy amin’ny Kristianina sandoka?

NILAZA i Jesosy fa ny voa vokarin’ny Kristianina sandoka no tsy itovizan’izy ireo amin’ny tena mpanara-dia azy. Inona avy izany voa izany? Ny fampianarany sy ny fitondran-tenany. (Mat. 7:15-17, 20) Misy vokany amin’ny olona tokoa izay ampidiriny ao an-tsaina sy ao am-po. (Mat. 15:18, 19) Mamoa “voa ratsy” ireo ampianarina hevi-diso, fa mamoa “voa tsara” kosa ireo ampianarina ny fahamarinana.

2 Vao mainka miharihary izany amin’izao andro farany izao. (Vakio ny Daniela 12:3, 10.) Diso ny zavatra inoan’ny Kristianina sandoka momba an’Andriamanitra, nefa matetika izy ireo no miseho ho mpivavaka be. Ireo mahatakatra tsara ny Baiboly kosa mivavaka amin’Andriamanitra “araka ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Jaona 4:24; 2 Tim. 3:1-5) Miezaka hanana ny toetran’i Kristy koa izy ireo. Ary ahoana ny amintsika tsirairay? Tsara ny handinihantsika hoe: ‘Mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly ve ny fitondran-tenako sy ny fampianarako? Mahasarika ny olona ho amin’ny fahamarinana ve ny ataoko?’ Eritrereto izany, eo am-pandinihana ireto lafin-javatra dimy mampiavaka ny tena Kristianina ireto.

Ampiharo izay lazain’ny Baiboly

3. Iza no ankasitrahan’i Jehovah? Ahoana no ahitana fa tena Kristianina ny olona iray?

3 Hoy i Jesosy: “Tsy izay rehetra milaza amiko hoe: ‘Tompo ô, Tompo ô’, no hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra.” (Mat. 7:21) Tsy izay mihambo ho Kristianina àry no ankasitrahan’i Jehovah, fa izay manao ny sitrapony. Hita taratra eo amin’ny fomba fiainany manontolo fa tena mpanara-dia an’i Kristy izy. Hita izany, ohatra, eo amin’ny fiheverany ny vola, ny asa, ny fialam-boly, ny fety sy ny fombafomban’ity tontolo ity, ny fanambadiana, ary ny fifandraisana amin’ny hafa. Ny Kristianina sandoka kosa manahaka ny toe-tsaina sy ny fanaon’ity tontolo miharatsy ity.—Sal. 92:7.

4, 5. Ahoana no ampiharantsika ny Malakia 3:18?

4 Hoy i Malakia mpaminany: “Ho hitanareo indray ny tsy fitovian’ny marina sy ny ratsy fanahy, ary ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo azy.” (Mal. 3:18) Saintsaino izany sy ireto fanontaniana ireto: ‘Miavaka amin’ny olona eto amin’ity tontolo ity ve aho? Ny hitovy amin’ireo mpiara-mianatra na mpiara-miasa amiko ve no iezahako, sa ny hanaraka ny toro lalan’ny Baiboly sy hiaro izany mihitsy?’ (Vakio ny 1 Petera 3:16.) Tsy te hiseho ho masina be isika, kanefa tokony hiavaka amin’ireo tsy tia sy tsy manompo an’i Jehovah.

5 Ahoana àry raha hitanao fa misy lafiny tokony hihatsaranao? Mivavaha momba ilay izy, ary miezaha mianatra tsy tapaka ny Baiboly sy mivavaka ary mivory mba hahazoana hery. Arakaraka ny ampiharanao izay lazain’ny Baiboly no amokaranao “voa tsara”, anisan’izany “ny vokatry ny molotra izay manao fanambarana ampahibemaso” momba ny anaran’Andriamanitra.—Heb. 13:15.

Torio ny Fanjakan’Andriamanitra

6, 7. Inona no maha samy hafa ny tena Kristianina amin’ny Kristianina sandoka?

6 Hoy i Jesosy: “Tsy maintsy mitory ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa aho, fa izany no nanirahana ahy.” (Lioka 4:43) Nahoana no ilay Fanjakan’Andriamanitra no tena notoriny? Satria fantany fa hofongorany ny tena fototry ny fahoriana, dia ny ota sy ny Devoly, rehefa ho lasa Mpanjakan’io Fanjakana io izy sy ireo rahalahiny nateraky ny fanahy. (Rom. 5:12; Apok. 20:10) Nandidy an’ireo mpanara-dia azy àry izy mba hanambara an’io Fanjakana io, mandra-pahatongan’ny farany. (Mat. 24:14) Tsy mba manao an’izany anefa ireo mihambo ho mpanara-dia azy. Tsy vitan’izy ireo izany, raha ny marina. Nahoana? Noho ny antony telo, fara fahakeliny: Voalohany, tsy afaka ny hitory zavatra tsy fantany izy ireo. Faharoa, tsy manana fanetren-tena sy herim-po ny ankamaroany, mba hiatrehana ny esoeso sy ny fanoheran’ny mpiara-monina. (Mat. 24:9; 1 Pet. 2:23) Fahatelo, tsy manana ny fanahin’Andriamanitra ny Kristianina sandoka.—Jaona 14:16, 17.

7 Ny tena mpanara-dia an’i Kristy kosa mahazo tsara ny atao hoe Fanjakan’Andriamanitra sy izay hotanterahin’izy io. Loha laharana eo amin’ny fiainany koa io Fanjakana io, ka toriny eran-tany noho ny fanampian’ny fanahin’i Jehovah. (Zak. 4:6) Mitory azy io tsy tapaka ve ianao? Miezaka manatsara ny fanompoanao ve ianao, ka mampitombo ny ora anompoanao, ohatra, na miezaka ny ho mpitory mahay kokoa? Misy miezaka mampiasa bebe kokoa ny Baiboly rehefa mitory. “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra”, hoy ny apostoly Paoly, izay zatra nampiasa azy io mba handresen-dahatra.—Heb. 4:12; Asa. 17:2, 3.

8, 9. a) Milazà ohatra ahitana fa ilaina ny mampiasa Baiboly eny amin’ny fanompoana. b) Ahoana no atao mba hahaizana mampiasa kokoa ny Tenin’Andriamanitra?

8 Tafaresaka tamin’ny lehilahy iray katolika ny rahalahy iray nitory isan-trano. Novakiny taminy ny Daniela 2:44, ary nohazavainy fa ny Fanjakan’Andriamanitra no hitondra ny tena fiadanana sy filaminana. Hoy ilay rangahy: “Tiako mihitsy ny nampisehoanao ahy an’ilay andininy tao amin’ny Baiboly, fa tsy hoe noresahinao tamiko fotsiny ilay izy.” Nisy rahalahy hafa koa namaky andinin-teny tamin’ny vehivavy grika ortodoksa. Nametraka fanontaniana maro taminy àry izy io. Nampiasa Baiboly ilay rahalahy sy ny vadiny mba hamaliana izany. Hoy ilay vehivavy tatỳ aoriana: “Noho ianareo nampiasa Baiboly ange no nahatonga ahy te hiresaka taminareo e!”

9 Marina fa ilaina ny boky aman-gazetintsika ary tokony hatolotra eny amin’ny fanompoana izy ireny. Ny Baiboly anefa no tena ampiasaintsika. Nahoana àry raha atao tanjona ny hampiasa azy io foana, raha tsy dia zatra nanao izany ianao teo aloha? Azonao atao, ohatra, ny mifidy andininy vitsivitsy manazava ny atao hoe Fanjakan’Andriamanitra, sy ny fomba hamahan’izy io an’ireo olana mampanahy ny mpiara-monina aminao. Ary aoka ianao ho vonona hamaky an’ireo andininy ireo, rehefa mitory isan-trano.

Aoka ho reharehanao ny mitondra ny anaran’Andriamanitra

10, 11. Inona no tsy itovizan’i Jesosy sy ireo mihambo ho mpanara-dia azy?

10 “ ‘Ianareo no vavolombeloko’, hoy i Jehovah, ‘ary izaho no Andriamanitra.’ ” (Isaia 43:12) I Jesosy Kristy no Vavolombelon’i Jehovah niavaka indrindra. Voninahitra lehibe taminy ny nitondra ny anaran’Andriamanitra sy ny nampahafantatra azy io. (Vakio ny Eksodosy 3:15; Jaona 17:6; Hebreo 2:12.) Nantsoina hoe “ilay Vavolombelona Mendri-pitokisana” àry izy.—Apok. 1:5; Mat. 6:9.

11 Tsy manaja ny anaran’Andriamanitra kosa ny olona maro mihambo ho misolo tena Azy sy ny Zanany. Nesoriny tsy ho ao amin’ny Baiboliny mihitsy aza izy io. Vao haingana, ohatra, ny eveka katolika no nomena toromarika hoe “tsy tokony hampiasaina na hotononina ilay anaran’Andriamanitra hoe YHWH” mandritra ny fotoam-pivavahana. * Tena ratsy tokoa izany!

12. Nahoana no vao mainka niharihary ny tena mpanompon’i Jehovah tamin’ny 1931?

12 Reharehan’ny tena Kristianina anefa ny mampiasa ny anaran’Andriamanitra, toy ny nataon’i Kristy sy ny “vavolombelona maro be toy ny rahona.” (Heb. 12:1) Nandray ilay anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah izy ireo tamin’ny 1931, ka vao mainka niharihary fa tena mpanompon’Andriamanitra. (Vakio ny Isaia 43:10-12.) ‘Olona antsoina amin’ny anaran’Andriamanitra’ tokoa ny tena mpanara-dia an’i Kristy.—Asa. 15:14, 17.

13. Ahoana no ampisehoantsika fa mendrika hitondra ny anaran’Andriamanitra isika?

13 Ahoana no ampisehoantsika tsirairay fa mendrika hitondra ny anaran’Andriamanitra isika? Tsy maintsy mitory momba an’Andriamanitra aloha isika. “Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena”, hoy i Paoly. “Hataon’izy ireo ahoana anefa no fiantso izay tsy inoany? Ary hataony ahoana no fino izay olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre raha tsy misy mitory? Ary hataony ahoana no fitory raha tsy nirahina?” (Rom. 10:13-15) Tokony hampahafantarintsika koa hoe inona avy ireo fampianaran-diso manala-baraka ny Mpamorona. Anisan’izany ny momba ny afobe, izay mahatonga ny olona hieritreritra fa lozabe ilay Andriamanitra fitiavana. Ny Devoly anefa no lozabe, raha ny marina.—Jer. 7:31; 1 Jaona 4:8; ampitahao amin’ny Marka 9:17-27.

14. Inona no tsapan’ny olona sasany rehefa fantany ny anaran’Andriamanitra, ary inona no nataony?

14 Reharehanao ve ny mitondra ny anaran’ilay Rainao any an-danitra? Ampahafantarinao amin’ny hafa ve io anarana masina io? Ren’ny vehivavy iray tany Paris, any Frantsa, fa mahalala ny anaran’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah. Nangatahiny àry ny Vavolombelona iray mba hampiseho aminy an’ilay anarana tao amin’ny Baiboliny. Nanohina be ny fony ny namaky ny Salamo 83:18. Nianatra Baiboly izy, ary anabavy be zotom-po manompo any an-tany hafa izao. Ny vehivavy katolika iray tany Aostralia kosa latsa-dranomaso, tamin’izy vao nahita ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny Baiboly. Efa an-taonany maro izy izao no mpisava lalana maharitra. Nisy zava-nitranga toy izany koa tany Jamaika, vao haingana. Faly loatra ny vehivavy iray ka latsa-dranomaso, rehefa nasehon’ny Vavolombelona taminy tao amin’ny Baiboliny ny anaran’Andriamanitra. Aoka àry ho reharehanao ny mitondra ny anaran’Andriamanitra sy ny mampahafantatra azy io amin’ny rehetra, toy ny nataon’i Jesosy!

“Aza tia an’izao tontolo izao”

15, 16. Ahoana no fiheveran’ny tena Kristianina an’ity tontolo ity? Inona avy no fanontaniana tokony hoeritreretintsika?

15 “Aza tia an’izao tontolo izao na ny zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy tia an’izao tontolo izao, dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.” (1 Jaona 2:15) Manohitra an’i Jehovah sy ny fanahiny masina ity tontolo ity sy ny toe-tsainy. Tsy hoe miezaka ny tsy ho anisan’ity tontolo ity fotsiny àry ny tena mpanara-dia an’i Kristy, fa tsy tia azy io koa. Fantany mantsy fa “fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao.”—Jak. 4:4.

16 Mety ho sarotra anefa ny tsy hisakaiza amin’izao tontolo izao, satria be dia be ny fakam-panahy atolony. (2 Tim. 4:10) Nivavaka ho an’ny mpianany àry i Jesosy hoe: “Tsy ny hanalanao azy eto amin’izao tontolo izao no angatahiko, fa ny mba hiarovanao azy amin’ilay ratsy. Tsy anisan’izao tontolo izao izy, tahaka ahy tsy anisan’izao tontolo izao.” (Jaona 17:15, 16) Eritrereto àry ireto fanontaniana ireto: ‘Miezaka mafy tsy ho anisan’ity tontolo ity ve aho? Fantatry ny hafa ve fa misy fety sy fombafomba sasany tsy ataoko, toy ireo mifanohitra amin’ny Baiboly sy ireo mampiseho ny toe-tsain’ity tontolo ity na dia tsy avy amin’ny mpanompo sampy aza?’—2 Kor. 6:17; 1 Pet. 4:3, 4.

17. Inona no mety handrisika ny olona tso-po hiandany amin’i Jehovah?

17 Azo antoka fa tsy hahafaly an’ity tontolo ity ny mahita antsika manaraka ny fitsipiky ny Baiboly. Ny olona tso-po kosa anefa mety hahamarika fa mifototra tsara amin’ny Baiboly ny finoantsika, ary hita taratra eo amin’ny fomba fiainantsika izany. Mety hanaiky ny fahamarinana àry izy ireo, ka toy ny milaza amin’ny voahosotra hoe: “Mba handeha hiaraka aminareo izahay, fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.”—Zak. 8:23.

Manehoa tena fitiavana

18. Ahoana no tokony hitiavana an’i Jehovah sy ny namana?

18 Hoy i Jesosy: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo” ary “tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” (Mat. 22:37, 39) Fitiavana agape no iantsoana an’io fitiavana io. Mifanaraka amin’ny toro lalana sy ny fitsipi-pitondran-tena izy io, sady mandrisika ny olona hanao ny adidiny. Misy fihetseham-po lalina koa anefa tafiditra amin’io fitiavana io matetika, ka afaka mitombo sy mihalalina izy io. (1 Pet. 1:22) Mifanohitra tanteraka amin’ny fitiavan-tena izy io, ary miseho amin’ny teny sy ny atao.—Vakio ny 1 Korintianina 13:4-7.

19, 20. Milazà ohatra mampiseho fa tena misy heriny ny fitiavana kristianina.

19 Vokatry ny fanahy masina ny fitiavana, ka ahafahan’ny tena Kristianina mahavita zavatra tsy vitan’ny hafa. Mifandray tsara izy ireo, ohatra, fa tsy manavakavaka volon-koditra na kolontsaina, ary tsy voazarazaran’ny politika. (Vakio ny Jaona 13:34, 35; Gal. 5:22) Manohina ny fon’ireo olona azo oharina amin’ny ondry izany. Gaga be, ohatra, ny tovolahy jiosy iray, tamin’izy vao nanatrika fivoriana, rehefa nahita Jiosy sy Arabo niara-nanompo an’i Jehovah. Nandrisika azy hivory tsy tapaka sy hianatra Baiboly izany. Tena tianao koa ve ny mpiray finoana aminao? Raisinao tsara ve ireo vaovao tonga ao amin’ny Efitrano Fanjakana, na inona na inona firazanany, volon-kodiny, na sarangany?

20 Miezaka ho tia ny olon-drehetra ny tena Kristianina. Nisy mpitory tanora, ohatra, tany Salvadaoro nampianatra Baiboly vehivavy 87 taona, izay Katolika hiringiriny. Narary mafy ilay ramatoa indray andro, ka naiditra hopitaly. Rehefa nody izy, dia nitsidika azy ilay mpitory sady nitondra sakafo ho azy. Nanao izany foana izy nandritra ny iray volana teo ho eo. Tsy mba nisy nitsidika an’ilay ramatoa kosa ny mpiara-miangona taminy. Inona no vokany? Nariany ireo sary masina nampiasainy, niala tsy ho Katolika izy, ary notohiziny ny fianarany Baiboly. Misy heriny tokoa ny fitiavana kristianina! Manohina ny fo kokoa noho ny teny lazaintsika izy io.

21. Inona no tokony hataontsika mba ho azo antoka ny hoavintsika?

21 Tsy ho ela dia hilaza amin’ireo mihambo ho manompo azy i Jesosy hoe: “Tsy fantatro mihitsy ianareo! Mialà amiko, ianareo mpandika lalàna.” (Mat. 7:23) Aoka àry isika hamoa voa manome voninahitra ny Ray sy ny Zanaka. Hoy i Jesosy: “Izay rehetra mandre izany teniko izany ka mankatò, dia hoharina amin’ny lehilahy malina izay nanorina ny tranony teo ambony vatolampy.” (Mat. 7:24) Raha porofointsika fa tena mpanara-dia an’i Kristy tokoa isika, dia hahazo sitraka amin’Andriamanitra, ary ho azo antoka ny hoavintsika, toy ny hoe mafy orina eo ambony vatolampy!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Mandika an’ilay Litera Hebreo Efatra hoe “Iaveh” ny Baiboly Fandikan-teny Katolika.

Tadidinao Ve?

• Inona no tsy itovizan’ny tena Kristianina amin’ny Kristianina sandoka?

• Inona avy ireo “voa” mampiavaka ny tena Kristianina?

• Inona avy no azon’ny Kristianina atao tanjona?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 13]

Zatra mampiasa Baiboly ve ianao eny amin’ny fanompoana?

[Sary, pejy 15]

Fantatry ny hafa ve fa tsy manao fety mifanohitra amin’ny Baiboly ianao?