Arahabaina Ianao Nifidy ny Fomba Fiaina Tsara Indrindra!
Arahabaina Ianao Nifidy ny Fomba Fiaina Tsara Indrindra!
“Na velona isika na maty, dia an’i Jehovah.”—ROM. 14:8.
1. Inona no fomba fiaina tsara indrindra, ary inona no nampianarin’i Jesosy momba izany?
TIAN’I Jehovah hifidy ny fomba fiaina tsara indrindra isika. Maro mantsy ny fomba fiaina azo arahina, saingy tokana ihany no tsara indrindra. Izany dia ny manaraka ny Tenin’Andriamanitra sy manara-dia an’i Jesosy Kristy. Nampianatra ny mpanara-dia azy i Jesosy, mba hivavaka amin’Andriamanitra amin’ny fanahy sy ny fahamarinana, ary hanao mpianatra. (Mat. 28:19, 20; Jaona 4:24) Mampifaly an’i Jehovah isika sady hotahiny, raha manaraka izany.
2. Inona no nataon’ny olona maro tamin’ny taonjato voalohany rehefa nanaiky ny fahamarinana? Inona no dikan’ny hoe manaraka “Ny Lalana”?
2 Rehefa lasa mpino sy atao batisa ny olona ‘manana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay’, dia faly isika milaza hoe: “Arahabaina ianao nifidy ny fomba fiaina tsara indrindra!” (Asa. 13:48) Nisy olona an’arivony samy hafa firenena nanaiky ny fahamarinana, tamin’ny taonjato voalohany. Natao batisa izy ireo, mba hampisehoany ampahibemaso fa mahafoy tena ho an’Andriamanitra izy. (Asa. 2:41) Nanaraka an’ilay antsoina hoe “Ny Lalana” izy ireo. (Asa. 9:2; 19:23) Midika hoe fomba fiaina ilay hoe lalana. Mety tsara izany satria nanana fomba fiaina niorina tamin’ny finoana an’i Jesosy Kristy ireo lasa mpanara-dia azy, ary nanahaka azy.—1 Pet. 2:21.
3. Inona no manosika ny olona hatao batisa, ary firy no naroboka tato anatin’ny folo taona?
3 Mandroso be izao ny asa fampianarana Baiboly, ka efa atao any amin’ny tany maherin’ny 230. Olona 2 700 000 mahery, tato anatin’ny folo taona, no nifidy ny hanompo an’i Jehovah sy hatao batisa ho mariky ny fanokanan-tenany. Maherin’ny 5 000 isan-kerinandro izany amin’ny antsalany! Inona no manosika ny olona hatao batisa? Satria izy tia an’Andriamanitra sy mahalala ny Soratra Masina ary manam-pinoana. Tena zava-dehibe ny batisa, Isaia 30:21.
satria lasa mifandray akaiky amin’i Jehovah isika manomboka eo. Izany koa no manaporofo fa matoky isika hoe hanampy antsika Izy mba tsy hivadika fa hanompo azy foana, toy ny nanampiany ny mpanompony fahiny handeha amin’ny lalany.—Tena mandray soa ireo atao batisa
4, 5. Milazà fitahiana horaisin’ireo vita batisa.
4 Efa nandray fahalalana an’Andriamanitra angamba ianao, ary nanova ny fiainanao ka lasa mpitory. Tena tsara izany fandrosoanao izany! Efa nanokan-tena ho azy ve anefa ianao, ary mikasa hatao batisa? Azo inoana fa nianaranao tao amin’ny Baiboly hoe tokony hampiasainao hiderana an’i Jehovah ny fiainanao. Tsy mety mantsy raha manao izay mahafinaritra anao fotsiny ianao, na variana mikatsaka harena. (Vakio ny Salamo 148:11-13; Lioka 12:15.) Inona avy àry no fitahiana na soa horaisinao raha atao batisa ianao?
5 Lasa tena misy heviny ny fiainanao rehefa avy nanokan-tena ianao. Ho afa-po ianao satria manao ny sitrapon’Andriamanitra. (Rom. 12:1, 2) Hanampy anao hanana toetra tsara toy ny fiadanana sy finoana koa ny fanahy masina. (Gal. 5:22, 23) Hovalian’i Jehovah ny vavakao, hotahiny ny ezaka ataonao hampiharana ny Teniny, ary hahafinaritra anao ny fanompoana. Fantatrao koa fa ankasitrahany ny fomba fiainanao, ka matoky ianao hoe homeny fiainana mandrakizay. Ankoatra izany, rehefa manokan-tena sy atao batisa ianao dia mampiseho fa tena maniry ho anisan’ny Vavolombelon’i Jehovah.—Isaia 43:10-12.
6. Midika ho inona ny batisantsika?
6 Asehontsika fa an’i Jehovah isika, rehefa manokan-tena sy atao batisa. Hoy ny apostoly Paoly: “Tsy misy amintsika tokoa velona ho an’ny tenany fotsiny, ary tsy misy maty ho an’ny tenany fotsiny. Fa raha velona isika, dia velona ho an’i Jehovah, ary raha maty isika, dia maty ho an’i Jehovah. Koa na velona isika na maty, dia an’i Jehovah.” (Rom. 14:7, 8) Manaja antsika Andriamanitra ka manome safidy malalaka. Mampifaly ny fony àry isika raha tia azy ka mifidy ny fomba fiaina atorony. (Ohab. 27:11) Rehefa atao batisa isika dia mampiseho ampahibemaso fa efa nanokan-tena ho azy, ary izy no Mpitondra antsika. Porofointsika amin’izany fa manohana ny zony hitondra an’izao rehetra izao isika. (Asa. 5:29, 32) Izy koa manohana antsika, izany hoe momba antsika. (Vakio ny Salamo 118:6.) Mbola misy fitahiana maro ho azon’ireo atao batisa, na izao na amin’ny hoavy.
Mahazo rahalahy be fitiavana
7-9. a) Inona no toky nomen’i Jesosy an’ireo nahafoy ny zava-drehetra mba hanarahana azy? b) Mbola marina ve ankehitriny ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Marka 10:29, 30? Hazavao.
7 Hoy i Petera tamin’i Jesosy: “Izahay efa Mat. 19:27) Tiany ho fantatra hoe inona no fitahiana ho azon’ny mpianatr’i Jesosy. Nahafoy zavatra maro mantsy izy ireo, noho ny fitoriana ilay Fanjakana. (Mat. 4:18-22) Inona àry no toky nomen’i Jesosy?
nahafoy ny zava-drehetra ary nanaraka anao, koa inona no ho azonay?” (8 Nampanantena izy fa hahazo rahalahy maro be ireo manara-dia azy. Hoy izy, araka ny fitantaran’i Marka: “Tsy misy olona efa nahafoy trano na rahalahy na anabavy na reny na ray na zanaka na saha noho ny amiko sy ny vaovao tsara ka tsy hahazo avo zato heny amin’izao andro izao, eny, hahazo trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy saha mbamin’ny fanenjehana, ary fiainana mandrakizay ao amin’ilay tontolo ho avy.” (Mar. 10:29, 30) Tamin’ny taonjato voalohany, ohatra, dia anisan’ny nanome “trano” ho an’ny hafa ry Lydia, Akoila sy Prisila, ary Gaio, ka azo lazaina hoe “rahalahy sy anabavy sy reny” ho an’ny mpiray finoana taminy.—Asa. 16:14, 15; 18:2-4; 3 Jaona 1, 5-8.
9 Vao mainka hita fa marina ny tenin’i Jesosy, amin’izao andro izao. Maro mantsy no nahafoy “saha”, izany hoe ny fivelomany, mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana. Anisan’izany ireo misionera, Betelita, mpanompo iraisam-pirenena, sy ny hafa. Rahalahy sy anabavy maro koa no nandao ny tranony, ka nanatsotra ny fiainany. Hita amin’ny zavatra niainany anefa fa tena miahy azy i Jehovah, ary sambatra izy ireo eo amin’ny fanompoana. (Asa. 20:35) Mampahery antsika izany! Mahazo fitahiana koa ny mpanompon’i Jehovah vita batisa rehetra. ‘Mikatsaka foana ny [fanjakan’Andriamanitra] sy ny fahamarinany’ mantsy izy ireo, ka lasa anisan’ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany.—Mat. 6:33.
Voaro ao amin’ny ‘toerana miafina’
10, 11. Inona ilay “toerana miafin’ny Avo Indrindra”, ary ahoana no hahafahantsika honina ao?
10 Anisan’ny fitahiana lehibe azon’ny olona nanokan-tena sy vita batisa koa ny hoe Salamo 91:1.) Toerana an’ohatra izy io ary tsy manana ahiahy izay mitoetra ao, satria voaro amin’ny lafiny ara-panahy, izany hoe voaro ny fifandraisany amin’i Jehovah. ‘Miafina’ izy io satria tsy hitan’ny olona tsy mitovy fomba fijery amin’Andriamanitra sy tsy matoky azy. Lasa fonenana sy fiarovana ho antsika i Jehovah, rehefa miaina mifanaraka amin’ny fanokanan-tenantsika isika, ary matoky azy tanteraka. (Sal. 91:9) Toy ny milaza aminy àry isika hoe: “Fialofako ianao, ary fiarovana mafy ho ahy, sady Andriamanitro izay hatokisako.” (Sal. 91:2) Tsy misy tombontsoa lehibe noho izany!
monina ao amin’ny “toerana miafin’ny Avo Indrindra.” (Vakio ny11 Mila manana fifandraisana manokana sy akaiky amin’i Jehovah koa ny olona iray, mba hitoetra ao amin’ilay ‘toerana miafina.’ Vao manomboka mifandray aminy isika rehefa manokan-tena sy atao batisa. Mihamanatona azy kokoa isika rehefa mianatra Baiboly sy mivavaka amin’ny fo ary tena mankatò. (Jak. 4:8) I Jesosy no akaiky indrindra an’i Jehovah, satria natoky azy foana. (Jaona 8:29) Aoka koa àry isika hatoky foana fa te hanampy i Jehovah, sady afaka manampy antsika hanefa ny voady nataontsika rehefa nanokan-tena. (Mpito. 5:4) Maro be mantsy ny fandaharana ataony ho an’ny vahoakany, ka manaporofo fa tena tia antsika izy, ary tiany handeha tsara ny fanompoantsika.
Sarobidy ny paradisa ara-panahy
12, 13. a) Inona no atao hoe paradisa ara-panahy? b) Ahoana no azontsika anampiana ny vaovao?
12 Afaka miaina ao amin’ny paradisa ara-panahy koa ireo manokan-tena sy atao batisa. Izy io dia ny toe-piainana misy antsika sy ireo mpiray finoana, izay samy mihavana amin’i Jehovah Andriamanitra sady mifankatia. (Sal. 29:11; Isaia 54:13) Miharihary kokoa io paradisa ara-panahy io, amin’ireo fivoriambe iraisam-pirenena. Mihavana sy miray saina ary mifankatia erỳ mantsy ireo rahalahy sy anabavintsika, nefa samy hafa foko sy fiteny ary firenena. Tsy misy an’izany mihitsy eto amin’ity tontolo ity!
13 Mifanohitra tanteraka amin’ny toe-piainana ratsy eto amin’ity tontolo ity ilay paradisa ara-panahy misy antsika. (Vakio ny Isaia 65:13, 14.) Manasa ny hafa hiditra ao amin’izy io isika, rehefa mitory momba ilay Fanjakana. Ampiantsika koa ireo vao manomboka miaraka amin’ny fiangonana sy izay mila fampiofanana amin’ny fanompoana. Mety hasain’ny anti-panahy hanampy an’ireo vaovao isika, toy ny nanampian’i Akoila sy Prisila an’i Apolosy. ‘Nohazavain’izy ireo marina kokoa taminy ny lalan’Andriamanitra.’ Tombontsoa foana ny manampy ny vaovao.—Asa. 18:24-26.
Manahafa hatrany an’i Jesosy
14, 15. Nahoana isika no tena tokony hanahaka hatrany an’i Jesosy?
14 Tena tokony hanahaka hatrany an’i Jesosy isika. Efa niara-niasa tamin’ny Rainy nandritra ny an’arivony taona tsy hita isa izy, talohan’ny naha olombelona azy. (Ohab. 8:22, 30) Fantany fa ny manompo an’Andriamanitra sy mitory ny fahamarinana no fomba fiaina tsara indrindra. (Jaona 18:37) Fantany koa fa tia tena sy tsy nitsinjo ny hoavy izy raha nanana fomba fiaina hafa. Marina fa efa nahalala izy hoe handalo fitsapana faran’izay mafy ary hovonoina. (Mat. 20:18, 19; Heb. 4:15) Tsy nivadika mihitsy anefa izy, ka Modely ho antsika.
15 Naka fanahy azy i Satana taoriana kelin’ny batisany, saingy niala maina. (Mat. 4:1-11) Mampianatra antsika izany fa afaka ny tsy hivadika isika, na inona na inona ataon’i Satana. Azo inoana fa mikendry an’ireo miezaka hatao batisa na vao vita batisa izy. (1 Pet. 5:8) Mety hisy havana hanohitra, ohatra, satria tsy mahalala ny marina. Mampianatra antsika haneho toetra tsara anefa ireny fitsapana ireny, toy ny hoe miezaka hanaja sy handanjalanja rehefa mamaly fanontaniana na mitory. (1 Pet. 3:15) Mety hisy vokany tsara amin’ireo mihaino antsika izany.—1 Tim. 4:16.
Aza ialana mihitsy ilay fomba fiaina tsara indrindra!
16, 17. a) Inona avy ireo zavatra telo ilaina hatao mba hahazoana fiainana, araka ny Deoteronomia 30:19, 20? b) Inona ny tenin’i Jesosy sy Jaona ary Paoly, mifanaraka amin’ny nolazain’i Mosesy?
16 Nanoro hevitra an’ireo Israelita i Mosesy, 1 500 taona talohan’ny niainan’i Jesosy teto an-tany. Hoy izy: “Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona hiampanga anareo, fa efa nataoko teo anatrehanareo tokoa ny fiainana sy ny fahafatesana, ary ny fitahiana sy ny ozona. Koa mifidiana ny fiainana mba ho velona ianao sy ny taranakao, ka tiavo i Jehovah Andriamanitrao, henoy ny feony, ary mifikira aminy.” (Deot. 30:19, 20) Izany no fomba fiaina tsara indrindra tamin’izay. Nivadika tamin’Andriamanitra ny Israelita, nefa mbola ireo zavatra telo ireo ihany no ilaintsika hatao mba hahazoana fiainana. Namerina an’ireo teny ireo i Jesosy sy Jaona ary Paoly.
17 Voalohany, tsy maintsy ‘tia an’i Jehovah Andriamanitra’ isika. Asehontsika fa tia azy isika rehefa manaraka ny lalany marina. (Mat. 22:37) Faharoa, tsy maintsy ‘mihaino ny feony’ isika, ka mianatra ny Teniny sy mankatò ny didiny. (1 Jaona 5:3) Ilaina koa ny mivory tsy tapaka, satria mandinika ny Baiboly isika any. (Heb. 10:23-25) Fahatelo, tsy maintsy ‘mifikitra amin’i Jehovah’ isika. Na inona na inona mitranga dia aoka isika hiezaka foana haneho finoana an’Andriamanitra sy hanara-dia ny Zanany.—2 Kor. 4:16-18.
18. a) Ahoana no nilazan’ny Tilikambo ny fahamarinana, tamin’ny 1914? b) Inona no tokony ho tsapantsika momba ny fahamarinana, ankehitriny?
18 Tena mahasambatra ny manaraka ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly! Manasongadina izany ity voalazan’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1914 ity: ‘Moa ve isika tsy vahoaka sambatra sy mahazo fitahiana? Moa ve tsy mendri-pitokisana ilay Andriamanitsika? Raha misy mahita zavatra tsara kokoa [noho ny fahamarinana], aoka izy hanaraka izany. Raha mahita ianareo, dia mba ilazao izahay. Aminay mantsy dia tsy misy tsara noho ny Tenin’Andriamanitra, ary tsy misy mitovitovy amin’izy io akory aza. Tena mahatsapa fiadanana anaty sy fifaliana isika rehefa mahalala tsara an’ilay tena Andriamanitra, ary tsy misy teny mahalaza izany! Maro koa ny fitahiana azontsika eo amin’ny fiainana. Fantatsika ny Fahendren’Andriamanitra, ny Fanaovany ny Rariny, ny Heriny, ary ny Fitiavany, ka afa-po tanteraka isika ary tsy mitady zavatra hafa intsony. Tiantsika ny handalina kokoa ny fahamarinana mahatalanjona ao amin’ny Baiboly, ary tsy misy atakalontsika an’izany.’ (Ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra 1914, pejy 377-378, anglisy) Mbola ankasitrahantsika foana ankehitriny ny fahazavana ara-panahy sy ny fahamarinana. Vao mainka aza isika tokony ho faly fa ‘mandeha amin’ny fahazavan’i Jehovah.’—Isaia 2:5; Sal. 43:3; Ohab. 4:18.
19. Nahoana no tsy tokony hangataka andro ireo mahafeno fepetra hatao batisa?
19 Raha te ‘handeha amin’ny fahazavan’i Jehovah ianao’, nefa mbola tsy nanokan-tena sy tsy vita batisa, dia aza mangataka andro. Fenoy ireo fepetra lazain’ny Baiboly. Ny batisa ihany mantsy no fomba hanehoanao fankasitrahana an’Andriamanitra sy Kristy. Omeo an’i Jehovah ny fiainanao, fa izany no zava-tsarobidy indrindra azonao omena. Asehoy fa maniry hanao ny sitrapony ianao, ka araho ny dian’ny Zanany. (2 Kor. 5:14, 15) Izany no fomba fiaina tsara indrindra!
Ahoana no Havalinao?
• Midika ho inona ny batisantsika?
• Inona avy no fitahiana azon’ireo nanokan-tena sy natao batisa?
• Nahoana no tena ilaina ny manahaka an’i Jesosy?
• Inona no hanampy antsika tsy hiala amin’ilay fomba fiaina tsara indrindra?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 25]
Mifidy ny fomba fiaina tsara indrindra ianao rehefa atao batisa
[Sary, pejy 26]
Voaro ao amin’ilay ‘toerana miafina’ ve ianao?