Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky Manampy ny Tanora Hahatsiaro ny Mpamorona

Boky Manampy ny Tanora Hahatsiaro ny Mpamorona

Boky Manampy ny Tanora Hahatsiaro ny Mpamorona

HOY ilay olon-kendry atao hoe Solomona, 3 000 taona teo ho eo izay: ‘Tsarovy ilay Mpamorona anao amin’ny andro fahatanoranao.’ (Mpito. 12:1) Manana fitaovana fanampiny izao ny tanora mba hanampiana azy hanao izany. Navoaka tamin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Araho ny Fitarihan’ny Fanahy Masina”, natao eran-tany nanomboka tamin’ny Mey 2008 ka hatramin’ny Janoary 2009, ilay boky hoe Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2.

Misy taratasy avy amin’ny Filan-kevi-pitantanana ho an’ny tanora, ao ambadiky ny fonony anoloana amin’ilay boky. Izao no voalaza ao: “Enga anie ity boky ity ka hanampy anao handresy ny olana sy fakam-panahy mpahazo ny tanora, ary hahay handray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah ianao.”

Te hitaiza ny zanany “araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah” ny ray aman-dreny. (Efes. 6:4) Maro amin’ny tanora no lasa tsy matoky tena rehefa mihalehibe, ka mila tari-dalana. Raha manan-janaka tanora ianao, ahoana no hanampianao ny zanakao handray soa faran’izay betsaka avy amin’io boky io? Ireto misy soso-kevitra vitsivitsy:

Tsara raha manana ny bokinao ianao ary mahafantatra tsara izay raketiny. Aza mamaky azy io fotsiny, fa jereo ny fomba namoahana an’ireo hevitra. Manoro ny tanora ny amin’izay tsara sy ratsy ilay boky, sady miezaka manazatra azy ireo hanana “fahaiza-misaina.” (Heb. 5:14) Misy torohevitra mahasoa koa ao momba ny hoe ahoana no hahafahany manao ny tsara. Mampirisika ny tanora handa tsy haditra, ohatra, ny Toko 15 (“Inona no Hataoko mba Tsy ho Voataona Haditra?”). Misy toro lalan’ny Baiboly koa ao hanampy azy hahita hevitra sy hanan-kolazaina, mba hahafahany mamantatra izay ‘havaly ny olona tsirairay.’—Kol. 4:6.

Soraty eny amin’ireo toerana natao hofenoina ny hevitrao. Marina fa natao ho an’ny tanora izy ireny. Nahoana anefa raha mba manoratra ao amin’ny bokinao koa? * Diniho, ohatra, ireo fanontaniana roa eo amin’ny pejy 16 momba ny fiarahan’olon-droa, ary tadidio izay tsapanao tamin’ianao hoatran’ny zanakao. Ho tianao angamba ny hanoratra izay tsapanao tamin’izany. Mety hieritreritra ianao avy eo hoe: ‘Nanao ahoana ny fihetseham-poko rehefa nandeha ny fotoana? Inona no nianarako rehefa nihalehibe aho, ary ahoana no hahaizako mampita izany amin’ny zanako?’

Aza vakina ny bokiny. Natao hampirisihana ny zanakao hilaza ny heviny sy hanoratra na hieritreritra momba ny hevitra iray ireo faritra natao hofenoina. Ny hahalala izay ao am-pony no tanjonao fa tsy ny hahalala izay nosoratany tao amin’ny bokiny. Manoro hevitra toy izao ilay boky eo amin’ny pejy 3: ‘Aza vakina ny bokiny. Tsy ho menatra hanoratra izay tena ao am-pony izy amin’izay. Mety mbola holazainy aminao ihany ilay izy, rehefa mandeha ny fotoana.’

Azo ampiasaina amin’ny fianaram-pianakaviana

Mety tsara mba hampiasaina amin’ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana ny boky Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2. Tsy misy fanontaniana isaky ny fehintsoratra ao. Ahoana àry no ampiasana azy io? Nahoana raha ampifanarahana amin’izay tena mety amin’ny zanakao ny fomba anaovana ilay fianarana?

Mety ho tian’ny fianakaviana sasany, ohatra, ny hanao fanazaran-tena rehefa mandinika an’ilay hoe “Inona no Hatao Raha Taomin’ny Ankizy Haditra?”, eo amin’ny pejy 132 sy 133. Mety hanampy ny zanakao hamantatra ny fakam-panahy mafy indrindra aminy ilay fanontaniana voalohany. Asehon’ilay faharoa kosa hoe aiza ilay izy no mateti-pitranga. Asaina dinihin’ny ankizy izay vokatry ny ataony, na izy manaiky haditra na izy mandà. Asaina omaniny avy eo izay valin-teniny raha hanaiky fotsiny izy, na handa avy hatrany, na hampisaintsaina ny namany. Ampio hamoron-kevitra sy hanomana valin-teny ny zanakao mba hahaizany hanazava tsara ny heviny sy hananany fatokisan-tena.—Sal. 119:46.

Mampirisika hifampiresaka

Mampirisika ny tanora hiresaka amin’ny ray aman-dreniny ilay boky. Misy soso-kevitra mahasoa momba izay azo atao rehefa hiresaka zavatra mahasadaikatra, ohatra, eo amin’ireo efajoro hoe “Hiresaka Firaisana Amin’i Dada sy Neny Hoe?” (pejy 63-64), sy hoe “Miresaha Amin’ny Ray Aman-dreninao!” (pejy 189). Hoy ny ankizivavy iray 13 taona: “Lasa sahy nilaza tamin’ny ray aman-dreniko an’izay tao an-tsaiko aho, noho io boky io. Nolazaiko aza hatramin’ny zavatra nataoko taloha.”

Misy fomba hafa hampirisihana ny ankizy hiresaka koa ao amin’ilay boky. Misy efajoro hoe “Ahoana ny Hevitrao?”, isaky ny faran’ny toko. Tsy natao hamerenana hevi-dehibe fotsiny izy ireny, fa azonareo iaraha-midinika koa. Misy efajoro hoe “Zavatra Eritreretiko Hatao!” koa isaky ny toko. Azon’ny tanora soratana eo ny fomba hampiharany izay nianarany tao amin’ilay toko. Ahitana an’izao fehezanteny izao eo amin’ny faran’io efajoro io: “Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany...” Hanampy ny tanora hitady torohevitra mahasoa avy amin’ny ray aman-dreniny izany.

Miezaha hanohina ny fo

Ny hanohina ny fon’ny zanany no tanjon’ny ray aman-dreny. Hanampy anao hanao izany ny Manontany ny Tanora, Boky Faha-2. Nanampy raim-pianakaviana iray hifampiresaka amim-pahatsorana tamin’ny zanany vavy, ohatra, io boky io. Diniho izay nolazainy.

“Maro ny toerana mahafinaritra falehanay sy Rebekah. Nandeha an-tongotra teny izahay na nitaingina bisikileta na nandeha fiara. Hitako fa niresaka tsara izy rehefa nandehandeha toy izany izahay.”

“Ilay taratasy avy amin’ny Filan-kevi-pitantanana sy ilay hafatra ho an’ny ray aman-dreny aloha no nodinihinay. Tiako ho fantany fa afaka manoratra izay tiany ao amin’ny bokiny izy, araka ilay resahin’ny pejy 3. Tsy hijerijery an’izay hosoratany aho.”

“Navelako nifidy sy nandahatra an’izay toko tiany hodinihinay i Rebekah. Anisan’ireo toko nofidiny voalohany ilay hoe ‘Tsara sa Ratsy ny Lalao Video?’ Tsy nampoiziko mihitsy! Nisy antony nifidianany an’ilay izy anefa. Hay maro ny namany nanao lalao video iray feno habibiana! Tsy nampoiziko mihitsy hoe feno habibiana sy teny ratsy ilay izy. Lasa noresahinay daholo anefa izany rehefa nodinihinay ilay hoe ‘Zavatra Eritreretiko Hatao!’, eo amin’ny pejy 251. Nanampy an’i Rebekah hahita mialoha ny fomba hamaliany an’izay mampirisika azy hanao an’ilay lalao koa io efajoro io.”

“Tsy afenin’i Rebekah amiko izay nosoratany tao amin’ny bokiny. Tsy mety tapitra ny resakay rehefa mianatra izahay. Mifandimby mamaky izahay, ary tiany horesahina daholo ny zava-drehetra, anisan’izany ireo sary sy efajoro. Lasa afaka miresaka aminy momba ny fiainako tamin’izaho hoatran’azy aho. Mitantara amiko ny zava-misy ankehitriny kosa izy, avy eo. Tiany horesahina daholo ny zavatra rehetra!”

Raha ray aman-dreny ianao, dia azo inoana fa nientanentana erỳ rehefa nivoaka io boky io. Afaka mampiasa tsara azy io ianao izao. Manantena ny Filan-kevi-pitantanana fa hitondra fitahiana ho an’ny fianakavianao ny boky Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2. Enga anie ny rehetra, indrindra fa ireo tanora malalantsika, mba ‘handeha hatrany araka ny fanahy’, noho io boky io.—Gal. 5:16.

[Fanamariahana ambany pejy]

^ feh. 6 Mety hahasoa ny rehetra ny famenoana ireo faritra banga any amin’ny pejy sasany. Mety hahasoa ny zanakao, ohatra, ilay efajoro hoe “Fehezo ny Hatezeranao” (pejy 221), nefa mety hahasoa anao koa. Toy izany koa ireto efajoro ireto: “Inona no Hatao Raha Taomin’ny Ankizy Haditra?” (pejy 132-133), “Vola Miditra sy Mivoaka Isam-bolana” (pejy 163), ary “Ny Tanjoko” (pejy 314).

[Efajoro, pejy 30]

Izay Lazain’ny Tanora Sasany

“Mila mipetraka sy maka pensilihazo ary misaintsaina tsara ianao, rehefa hamaky an’io boky io. Toy ny diarinao manokana ilay boky ka manampy anao hisaintsaina hoe ahoana no hanananao fiainana tena mahasambatra.” —Nicola.

“Mampirisika ahy hampiaraka ny olona maro, na dia tsy ratsy saina aza ny sasany. Ny fizarana voalohany amin’ilay boky no nampiaiky ahy fa na inona na inona lazain’ny olona dia mbola tsy vonona ny hampiaraka aho.”—Katrina.

“Nanampy ahy handinika lalina kokoa momba ny batisako ilay efajoro hoe ‘Mieritreritra ny Hatao Batisa ve Ianao?’ Nandrisika ahy handinika indray ny fahazarako mianatra sy mivavaka izany.”—Ashley.

“Kristianina ny ray aman-dreniko ka mbola kely aho dia efa nampianarin’izy ireo. Ilay boky anefa no nanampy ahy handinika an’ireo zavatra tokony hataoko eo amin’ny fiainana. Lasa miresaka bebe kokoa amin’i Dada sy Neny koa aho.”—Zamira.

[Sary, pejy 31]

Ry ray aman-dreny, fantaro tsara izay raketin’ilay boky

[Sary, pejy 32]

Miezaha hanohina ny fon’ny zanakareo