Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Inona no toe-javatra mety hahatonga ny olona iray hatao batisa indray?

Mety hisy olona vita batisa hanontany tena raha nanan-kery ny batisany na tsia, ka mieritreritra ny hatao batisa indray. Nanao zavatra mety hahavoaroaka ny olona vita batisa, ohatra, izy tamin’izy natao batisa, nefa nanafina. Ho nanan-kery ve ny fanokanan-tenan’ny olona toy izany? Tsy ho nanan-kery ny fanokanan-tenany ho an’i Jehovah, raha mbola tsy nialany ilay fanao tsy araka ny Soratra Masina, tamin’izy natao batisa. Mety hieritreritra àry ny olona mbola nanao zava-dratsy tamin’izy natao batisa, fa mila hatao batisa indray izy. Tsy diso izy raha mieritreritra an’izany.

Ahoana kosa ny amin’ny olona tsy nanao zava-dratsy tamin’izy natao batisa, saingy nila nananganana komitim-pitsarana noho ny fahotana nataony tatỳ aoriana? Aoka hatao hoe milaza izy fa tsy tena takany izay takina amin’ny olona atao batisa, tamin’izy natao batisa, ka tsy tena nanan-kery, hono, ny batisany. Rehefa miresaka amin’ilay nanao ratsy ny anti-panahy, dia tsy tokony hiresaka momba ny batisany, na hanontany azy raha tsapany hoe nanan-kery na tsia ny fanokanan-tenany sy ny batisany. Nandre lahateny ara-baiboly momba ny hevitry ny batisa izy, raha ny marina, tamin’izy natao batisa. Novaliany hoe “eny” koa ireo fanontaniana momba ny fanokanan-tena sy batisa. Nisolo akanjo izy avy eo, ary naroboka tao anaty rano. Ara-dalàna àry ny inoana fa takany tsara hoe zava-dehibe ny zavatra nataony. Noho izany, dia hihevitra azy ho toy ny olona vita batisa ny anti-panahy.

Raha misy misalasala hoe manan-kery sa tsia ny batisany, dia mety hampirisika azy ny anti-panahy mba hijery an’ireo lahatsoratra momba ny batisa, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana taloha, ary hiara-midinika an’izany aminy. Anjaran’ny tsirairay ny manapa-kevitra raha mila hatao batisa indray izy na tsia noho ny antony sasany, ohatra hoe tsy ampy ny fahalalany ny Baiboly tamin’izy natao batisa.

Inona avy no tokony hoeritreretin’ny Kristianina raha miara-mipetraka amin’olon-kafa izy?

Mila fonenana isika rehetra. Maro anefa no tsy manan-trano ankehitriny. Mety ho voatery hiara-mipetraka ny mpihavana noho ny olana ara-bola, aretina, na noho ny antony hafa. Efitra iray no itambaran’izy ireny any amin’ny tany sasany, ka tsy dia misy ahafahana manao zavatra mitokana.

Tsy anjaran’ny fandaminan’i Jehovah ny manome fitsipika lava be ho an’ny fiangonana eran-tany, momba ny fonenana mety sy tsy mety ho azy ireo. Ampirisihina handinika ny toro lalan’ny Soratra Masina ny Kristianina mba hahitany raha ankasitrahan’Andriamanitra na tsia ny fomba fiainany ao an-trano. Inona ny sasany amin’izany toro lalana izany?

Izay vokatr’izany eo amintsika sy eo amin’ny fifandraisantsika amin’i Jehovah no tokony hahintsika voalohany indrindra. Diniho, ohatra, hoe iza no miara-mipetraka aminao, mpanompon’i Jehovah ve izy ireo, mankatò ny fitsipiky ny Baiboly ve izy ireo. Hoy ny apostoly Paoly: “Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.”—1 Kor. 15:33.

Lazain’ny Baiboly fa melohin’Andriamanitra ny fijangajangana sy ny fanitsakitsaham-bady. (Heb. 13:4) Mazava àry fa tsy eken’Andriamanitra raha miara-matory ny lehilahy sy vehivavy tsy mpivady, na efa mpivady aza izy ireo taloha. Tsy ho tian’ny Kristianina ny hipetraka ao amin’ny toerana misy olona milefitra amin’ny fitondran-tena maloto.

Ampirisihin’ny Baiboly koa ireo te hahazo sitraka amin’i Jehovah mba ‘handositra ny fijangajangana.’ (1 Kor. 6:18) Hendry àry ny Kristianina raha manalavitra ny toe-javatra mety hahatonga azy halaim-panahy haloto fitondran-tena. Eritrereto, ohatra, hoe samy matory ao amin’ny trano iray ny Kristianina maromaro. Mety hatahorana hampisy fakam-panahy ve izany? Ahoana raha irery tampoka ny olon-droa tsy mpivady satria tsy teo vetivety ny hafa? Tena hampidi-doza koa raha miara-mipetraka ao amin’ny trano iray ny olon-droa mifankatia. Fahendrena àry ny manalavitra ny toe-javatra toy ireo.

Tsy mety koa raha mbola samy mipetraka ao amin’ny trano iray ny olon-droa nisara-panambadiana. Mety ho mora haloto fitondran-tena izy ireo, satria efa nifankatia taloha.—Ohab. 22:3.

Zava-dehibe tokony hoeritreretina koa ny fahitan’ny manodidina an’ilay zavatra ataonao. Tokony hanao zavatra ny Kristianina raha ataon’ny olona resaka ny fomba fiainany ao an-trano, na dia heveriny hoe mety aza izany. Tsy irintsika hanala baraka ny anaran’i Jehovah mihitsy ny fitondran-tenantsika. Hoy i Paoly momba izany: “Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny Grika na ny fiangonan’Andriamanitra, dia tahaka ahy koa izay miezaka hahafaly ny rehetra amin’ny zava-drehetra, ka tsy mitady izay hahasoa ahy fa izay hahasoa ny maro, mba ho voavonjy izy ireny.”—1 Kor. 10:32, 33.

Mety ho sarotra be amin’ireo te hankatò ny fitsipika marin’i Jehovah ny hahita fonenana mety amin’ny Kristianina. Tsy maintsy ‘mamantatra tsara foana izay ankasitrahan’ny Tompo’ anefa ny Kristianina. Tokony hataony azo antoka fa tsy hisy zavatra mamoafady mitranga ao an-tranony. (Efes. 5:5, 10) Mila mivavaka àry ny Kristianina mba hahazoany ny tari-dalan’Andriamanitra. Mila manao izay fara heriny koa izy ireo, mba hiheverana izay hahasoa ny hafa sy hiarovana azy tsy haloto fitondran-tena ary hiarovana ny anaran’i Jehovah.