Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahaiza Mampiasa “ny Sabatry ny Fanahy”

Mahaiza Mampiasa “ny Sabatry ny Fanahy”

Mahaiza Mampiasa “ny Sabatry ny Fanahy”

‘Raiso ny sabatry ny fanahy, izany hoe ny tenin’Andriamanitra.’—EFES. 6:17.

1, 2. Inona no tokony hataontsika, satria mila mpitory betsaka isika?

HOY i Jesosy tamin’ny mpianany, rehefa hitany fa te hahalala ny fahamarinana ny vahoaka: “Be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy. Koa iangavio ny Tompon’ny vokatra haniraka mpiasa hijinja ny vokatra.” Tsy nianina tamin’izay anefa i Jesosy. “Nasainy nankeo aminy ny mpianany roa ambin’ny folo lahy”, ka nirahiny “hijinja” na hitory. (Mat. 9:35-38; 10:1, 5) Mbola “nanendry fitopolo lahy” izy taorian’izay, ka “naniraka azy tsiroaroa.”—Lioka 10:1, 2.

2 Mbola betsaka koa ny mpitory ilay Fanjakana ilaina ankehitriny. Nahatratra 18 168 323 ny mpanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 2009. Mihoatra 10 tapitrisa mahery amin’ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah izany. Efa masaka hojinjaina tokoa ny vokatra. (Jaona 4:34, 35) Mila mivavaka àry isika mba ho maro kokoa ny mpijinja. Izay fotsiny ve no tokony hataontsika? Mila miezaka isika mba ho mpitory sy mpampianatra mahay kokoa, sady ho be zotom-po.—Mat. 28:19, 20; Mar. 13:10.

3. Nahoana isika no afaka milaza fa manampy antsika ho mpitory mahay kokoa ny fanahy masina?

3 Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha fa manampy antsika ‘hitory amim-pahasahiana’ ny fanahy masina. (Asa. 4:31) Manampy antsika hahay hitory sy hampianatra koa anefa io fanahy io. Tamin’ny alalan’izy io mantsy no nanomezan’i Jehovah Andriamanitra antsika fitaovana tena sarobidy, dia ny Baiboly. (2 Tim. 3:16) Azo lazaina àry fa tarihin’ny fanahy masina isika, rehefa mampiasa tsara ny Soratra Masina. Mila miezaka hahay hampiasa azy io isika, raha te hanatsara ny fanompoantsika. Inona àry no azontsika atao? Andeha aloha hojerentsika hoe manao ahoana ny herin’ny Tenin’Andriamanitra.

“Mahery ny tenin’Andriamanitra”

4. Manao ahoana ny herin’ny Tenin’Andriamanitra?

4 Tena mahery ny tenin’Andriamanitra! (Heb. 4:12) Maranitra noho ny sabatra ny hafatra ao, ka mahavita mampisaraka ny tonon-taolana sy ny tsoka. Inona no dikan’izany? Tafalentika any am-po sy any an-tsaintsika lalina any ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, ka mampiharihary ny tena toetrantsika, ary afaka manova tanteraka antsika. (Vakio ny Kolosianina 3:10.) Tena mahery tokoa ny Tenin’Andriamanitra, ka afaka manova olona!

5. Inona avy no tari-dalana omen’ny Baiboly, ary inona no vokany raha arahina izany?

5 Mirakitra fahendrena tsy manan-tsahala koa ny Baiboly. Mahasoa antsika amin’izao fiainana sarotra izao ny torohevitra ao. Jiro ho an’ny tongotsika ny Tenin’Andriamanitra, satria manampy antsika isan’andro. (Sal. 119:105) Misy torohevitra mahasoa ao, rehefa manana olana isika, na rehefa mifidy namana, fialam-boly, asa, akanjo, sy ny sisa. (Sal. 37:25; Ohab. 13:20; Jaona 15:14; 1 Tim. 2:9) Hahay hifandray amin’ny hafa koa isika raha mampihatra ny toro lalana ao. (Mat. 7:12; Fil. 2:3, 4) Manazava ny lalantsika koa izy io, satria manampy antsika hiatrika ny hoavy. Mazava tsara ny lalana izorantsika, ka haintsika ny mamantatra ny ho vokatry ny fanapahan-kevitsika. (1 Tim. 6:9) Resahin’ny Baiboly koa fa mampanantena hoavy tsara Andriamanitra, ary atorony antsika izay tokony hatao mba hahazoana izany. (Mat. 6:33; 1 Jaona 2:17, 18) Tena ho tsara ny fiainan’ny olona iray raha mankatò ny toro lalan’Andriamanitra izy!

6. Nahoana ny Baiboly no fitaovam-piadiana mahery?

6 Tena fitaovam-piadiana mahery koa ny Baiboly eo amin’ny ady ara-panahy ataontsika. Nantsoin’i Paoly hoe “sabatry ny fanahy” izy io. (Vakio ny Efesianina 6:12, 17.) Manafaka ny olona amin’ny fahefan’i Satana ny hafatra ao anatiny, raha haintsika ny mampita azy. Tsy mamono olona io sabatra io, fa mamonjy aina kosa. Tsy tokony hiezaka hahay hampiasa azy io ve isika?

Hazavao amin’ny fomba marina tsara

7. Nahoana isika no mila mianatra mampiasa tsara “ny sabatry ny fanahy”?

7 Tsy hahay hampiasa ny fitaovam-piadiany ny miaramila, raha tsy efa nianatra nampiasa an’ilay izy sy nanao fanazaran-tena. Toy izany koa no tokony hataontsika amin’ny “sabatry ny fanahy.” Hoy i Paoly: “Ataovy izay rehetra azonao atao mba hisehoanao eo anatrehan’Andriamanitra ho olona ankasitrahana, dia mpiasa tsy mitsanga-menatra na amin’inona na amin’inona, ary manazava ny tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara.”—2 Tim. 2:15.

8, 9. Inona no hanampy antsika hahazo tsara izay lazain’ny Baiboly? Manomeza ohatra.

8 Inona no hanampy antsika ‘hanazava ny tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara’? Mila azontsika tsara aloha izay lazain’ny Baiboly. Mila jerentsika, ohatra, ny teny manodidina ny andinin-teny iray, izany hoe izay teny na fehezanteny na andinin-teny eo aloha na ao aoriany. Hanampy antsika hahazo tsara ny hevitr’ilay izy izany.

9 Andeha isika haka ohatra. Hoy i Paoly ao amin’ny Galatianina 5:13: “Efa voantso ho amin’ny fahafahana ianareo, ry rahalahy. Aoka anefa tsy hampiasainareo handrisihana ho amin’ny fanirian’ny nofo izany fahafahana izany, fa mifanompoa kosa noho ny fitiavana.” Inona io fahafahana io? Fahafahana amin’ny ota sy ny fahafatesana ve, sa amin’ny fampianaran-diso sa zavatra hafa? Hita avy amin’ny teny manodidina fa fahafahana “tamin’ny ozon’ny Lalàna” no tian’i Paoly holazaina, izany hoe fahafahana azon’ny olona iray noho izy manara-dia an’i Kristy. (Gal. 3:13, 19-24; 4:1-5) Manompo ny hafa noho ny fitiavana ireo mankasitraka an’io fahafahana io. Tsy miady na mifanaratsy izy ireo.—Gal. 5:15.

10. Inona koa no mila fantarintsika, mba ho marina tsara ny fahazoantsika ny Soratra Masina? Inona no hanampy antsika amin’izany?

10 Mila jerentsika koa hoe iza no nanoratra ilay boky ao amin’ny Baiboly, inona no zavatra niainany, ary oviana ilay boky no nosoratany. Ankoatra izany, dia tsara hofantarina ny antony nanoratana azy, ny fomba amam-panao sy ny fitondran-tenan’ny olona tamin’izany, ary ny fivavahany. *

11. Inona no tokony hotandremantsika rehefa manazava ny Soratra Masina?

11 Tsy ampy anefa ny manazava ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara. Tsy tokony hampiasaintsika hampitahorana olona ny Baiboly. Tsy natao hamelezana olona izy io, na dia azontsika ampiasaina hiarovana ny fahamarinana aza, toy ny nataon’i Jesosy tamin’izy nalain’ny Devoly fanahy. (Deot. 6:16; 8:3; 10:20; Mat. 4:4, 7, 10) Tokony harahintsika ity tenin’ny apostoly Petera ity: ‘Manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo, ka aoka ho vonona foana ianareo hilaza ny fiarovan-tenanareo eo anatrehan’izay manontany ny anton’ny fanantenana ao anatinareo. Ataovy amim-pahalemem-panahy sy amim-panajana lalina anefa izany.’—1 Pet. 3:15.

12, 13. Inona avy no “zavatra efa mafy orina” ravan’ny Tenin’Andriamanitra? Manomeza ohatra.

12 Inona no vokany rehefa ampiasaina tsara ny Tenin’Andriamanitra? (Vakio ny 2 Korintianina 10:4, 5.) Afaka mandrava “zavatra efa mafy orina” izy io, izany hoe mampiharihary fampianaran-diso sy fanao ratsy, ary filozofia ahitana taratry ny fahendren’olombelona. Azontsika ampiasaina ny Baiboly mba hanampiana ny olona tsy hino intsony izay hevitra “atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra”, fa hanaiky ny fahamarinana kosa.

13 Jereo, ohatra, ny tantaran’ny vehivavy iray 93 taona, any Inde. Nampianarina azy hatramin’ny mbola kely fa teraka indray ao amin’ny vatana hafa ny olona, rehefa maty. Nianatra Baiboly an-taratasy tamin’ny zanany lahy mipetraka any an-tany hafa anefa izy. Nekeny daholo izay nianarany momba an’i Jehovah sy ny fampanantenany. Niraikitra be tao an-tsainy anefa ilay hoe teraka indray ao amin’ny vatana hafa ny olona, ka tsy nekeny ny fampianaran’ny Baiboly momba ny maty. Hoy izy: “Tsy azoko mihitsy ny fampianaranareo. Ny fivavahana rehetra mampianatra hoe misy zavatra tsy mety maty ao anatintsika. Nampianarina ahy hatramin’izay fa mandao ny vatana izy io rehefa maty ny olona, ary mifindra amin’ny vatana hafa in-8 400 000 eo ho eo. Dia tsy marina ve izany? Diso daholo ve izany ny fivavahana hafa?” Afaka mandrava an’izany zavatra efa mafy orina izany ve “ny sabatry ny fanahy”? Nanome fanazavana ara-baiboly misimisy kokoa àry ilay zanany. Hoy ilay vehivavy, herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana: “Azoko izao hoe manao ahoana marina ny maty. Faly be aho satria mbola hihaona indray amin’ny havantsika efa maty isika, rehefa hatsangana izy ireo. Enga anie ho tonga haingana ny Fanjakan’Andriamanitra!”

Mahaiza mandresy lahatra

14. Inona no tokony hatao raha tiantsika ny handresy lahatra?

14 Tsy hoe mamaky andinin-teny fotsiny ny olona mahay mampiasa Baiboly. Tokony ‘handresy lahatra’ ny olona izy, toy ny nataon’i Paoly. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 19:8, 9; 28:23.) Ny olona resy lahatra dia miaiky fa marina ny zavatra iray, ka matoky izany. Rehefa mandresy lahatra olona hanaiky ny fampianaran’ny Baiboly àry isika, dia tokony hataontsika izay hampiaiky azy fa marina ilay izy, mba hatokisany izany. Ahoana no hanaovantsika izany?

15. Inona no tokony hataonao mba hanajan’ny olona ny Baiboly?

15 Ataovy izay hanajany ny Tenin’Andriamanitra. Alohan’ny hamakianao andinin-teny amin’ny olona, dia lazao fa te hampiseho aminy ny hevitr’Andriamanitra ianao. Afaka miteny toy izao, ohatra, ianao, rehefa avy milaza ny heviny izy: ‘Andeha hojerentsika ny hevitr’Andriamanitra momba izany’, na: ‘Inona no lazain’Andriamanitra momba izany?’ Ho hitan’ilay olona amin’izay fa avy amin’Andriamanitra ny Baiboly, ka tena hanaja azy io izy. Tena ilaina ny manao izany, indrindra rehefa mitory amin’ny olona mino an’Andriamanitra nefa tsy tena mahalala Baiboly.—Sal. 19:7-10.

16. Ahoana no hatao rehefa manazava andinin-teny?

16 Aza vakina fotsiny ny andinin-teny fa hazavao. ‘Nohazavain’i Paoly sy noporofoiny tamin’ny alalan’izay voasoratra’ foana ny fampianarany. (Asa. 17:3) Misy hevitra maromaro mazàna ao amin’ny andinin-teny iray, ka izay mifandray amin’ny resakareo ihany no tokony hasongadinao. Avereno vakina ireo teny ahitana ilay hevitra, na mametraha fanontaniana hahatonga an’ilay olona hahita azy io. Hazavao ilay izy avy eo. Ampio izy amin’ny farany handray lesona.

17. Inona no azonao atao mba hampiaiky ny olona ny fanazavanao?

17 Ataovy mampiaiky ny fanazavanao. Nahavita ‘nandresy lahatra niorina tamin’ny Soratra Masina’ i Paoly, satria nalemy fanahy sy nampiasa hevitra mirindra. (Asa. 17:2, 4) Manahafa azy ka miezaha hanohina ny fo. Asehoy fa miahy an’ilay olona ianao, ka mametraha fanontaniana hahalalana ny ao am-pony. (Ohab. 20:5) Aza mivantambantam-piteny anefa. Ataovy mazava sy mirindra tsara ny fanazavanao. Tokony hanome porofo ampy tsara ianao. Aza mivaona amin’ny Tenin’Andriamanitra mihitsy. Tsara kokoa ny mamaky andinin-teny iray sy manazava tsara izany, toy izay mamaky andinin-teny maromaro misesy nefa zara raha manazava. ‘Haharesy lahatra olona’ amin’izay ny zavatra lazainao. (Ohab. 16:23) Ilaina koa indraindray ny manao fikarohana sy manome fanazavana fanampiny. Nila nohazavaina tamin’ilay vehivavy 93 taona, ohatra, hoe nahoana no maro be no mino fa manana fanahy tsy mety maty ny olona. Nila nampahafantarina azy hoe avy aiza io fampianarana io ary ahoana no nielezany. Nahatonga azy hanaiky ny fampianaran’ny Baiboly izany. *

Mahaiza foana mampiasa Baiboly

18, 19. Nahoana isika no tokony hahay hampiasa hatrany “ny sabatry ny fanahy”?

18 Milaza ny Baiboly fa “miovaova ny sehatr’ity tontolo ity.” Vao mainka miharatsy ny ratsy fanahy. (1 Kor. 7:31; 2 Tim. 3:13) Miezaha hatrany àry handrava “zavatra efa mafy orina” ka ampiasao “ny sabatry ny fanahy, izany hoe ny tenin’Andriamanitra.”

19 Tena faly isika manana ny Baiboly, sy mampiasa ny hafatra mahery raketiny mba handresena fampianaran-diso sy hanampiana ny olona tso-po! Ravan’izy io avokoa rehefa zavatra mafy orina. Aoka àry isika hiezaka mafy hahay hampiasa “ny sabatry ny fanahy”, rehefa manao ny asa fitoriana nankinin’Andriamanitra tamintsika.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Hanampy anao hahalala an’ireo rehetra ireo ny boky “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa” sy ny lahatsoratra hoe “Velona ny Tenin’i Jehovah”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana.

Inona no Nianaranao?

• Manao ahoana ny herin’ny Tenin’Andriamanitra?

• Ahoana no ‘hanazavana ny tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara’?

• Misy “zavatra efa mafy orina” tsy ravan’ny Baiboly ve? Hazavao.

• Inona no azonao atao mba hahaizanao mandresy lahatra kokoa?

[Fanontaniana]

[Efajoro/Sary, pejy 12]

Ahoana no Handresen-dahatra Amin’ny Alalan’ny Baiboly?

▪ Ataovy izay hanajan’ny olona azy io

▪ Hazavao ny andinin-teny

▪ Ataovy mampiaiky ny fanazavanao mba hanohinana ny fo

[Sary, pejy 11]

Tsy maintsy mianatra mampiasa tsara “ny sabatry ny fanahy” ianao