Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mihevitra An’i Jehovah ho toy ny Rainao ve Ianao?

Mihevitra An’i Jehovah ho toy ny Rainao ve Ianao?

Mihevitra An’i Jehovah ho toy ny Rainao ve Ianao?

“TOMPO Ô, mba ampianaro mivavaka izahay”, hoy ny iray tamin’ny mpianatr’i Jesosy. Namaly i Jesosy hoe: “Izao àry lazaina rehefa mivavaka ianareo: ‘Ray ô, hohamasinina anie ny anaranao!’ ” (Lioka 11:1, 2) Azon’i Jesosy natao ny niantso an’i Jehovah tamin’ireto anaram-boninahitra miavaka ireto: “Mahery Indrindra”, “Mpampianatra Be Voninahitra”, “Mpamorona”, “Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be”, ary “Mpanjakan’ny mandrakizay.” (Gen. 49:25; Isaia 30:20; 40:28; Dan. 7:9; 1 Tim. 1:17) “Ray” anefa no niantsoany azy. Nahoana? Angamba isika tiany hanatona an’ilay Avo Indrindra eo amin’izao rehetra izao, toy ny anatonan’ny ankizy kely ny rainy be fitiavana.

Sarotra amin’ny olona sasany anefa ny mihevitra an’Andriamanitra ho toy ny Rainy. Hoy ny Kristianina iray atao hoe Kanto: * “Mbola sarotra tamiko ny nanatona an’i Jehovah sy nihevitra azy ho toy ny Ray, rehefa nivavaka aho, na dia taona maro taorian’ny batisako aza.” Nilaza antony iray nahatonga izany izy. Hoy izy: “Tsy tsaroako mihitsy hoe mba niraiki-po tamiko ny raiko niteraka ahy.”

Maro tokoa ny ray ‘tsy tia ny mpianakaviny’, amin’izao andro farany efa sarotra izao. (2 Tim. 3:1, 3) Fahita àry ny olona manana fihetseham-po toy ny an’i Kanto. Mahereza anefa satria manana antony tsara hiheverana an’i Jehovah ho toy ny Ray be fitiavana isika.

Tia sy manome izay ilaina i Jehovah

Mila mahafantatra tsara an’i Jehovah isika, raha te hihevitra azy ho toy ny Ray. Hoy i Jesosy: “Tsy misy tena mahafantatra ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na tena mahafantatra ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hampiharihariana azy.” (Mat. 11:27) Ny fisaintsainana izay nolazain’i Jesosy momba an’ilay tena Andriamanitra no fomba tsara indrindra hahalalana hoe nahoana i Jehovah no azo lazaina ho toy ny Ray. Inona àry no nolazainy?

Nanaiky i Jesosy fa i Jehovah no Loharanon’ny fiainany, ka hoy izy: “Velona aho noho ny Ray.” (Jaona 6:57) Tsy ho nisy koa isika raha tsy teo ny Ray. (Sal. 36:9; Asa. 17:28) Inona no nahatonga an’i Jehovah hanome fiainana ho an’ny hafa? Tsy noho ny fitiavany ve? Tena tokony hamaly fitia an’ilay Raintsika any an-danitra àry isika noho izany fanomezana izany.

Ny nanomezan’Andriamanitra ny vidim-panavotana no fomba lehibe indrindra nanehoany ny fitiavany ny olombelona. Noho izy io, dia afaka mifandray akaiky amin’i Jehovah ny olombelona mpanota, amin’ny alalan’ny Zanany malala. (Rom. 5:12; 1 Jaona 4:9, 10) Mpanatanteraka ny fampanantenany koa ilay Raintsika any an-danitra, ka azontsika antoka fa hahazo “ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra” ireo rehetra tia sy mankatò azy.—Rom. 8:21.

“Mampiposaka ny masoandrony” isan’andro koa ilay Raintsika any an-danitra. (Mat. 5:45) Tsy hieritreritra ny hivavaka mba hiposahan’ny masoandro angamba isika. Tena ilaintsika anefa ny hafanan’izy io sady tiantsika. Mpanome izay ilaina koa ilay Raintsika, ary tsy manan-tsahala izy amin’izany. Fantany izay ilaintsika na dia mbola tsy mangataka aminy aza isika. Tsy tokony hanokana fotoana handinihana sy hisaintsainana ny fomba ikarakarany ny zavatra noforoniny àry ve isika, ka hankasitraka azy?—Mat. 6:8, 26.

Miaro antsika ilay Raintsika tsara fanahy

Nahazo toky ireo mpanompon’Andriamanitra fahiny, noho ity faminanian’i Isaia ity: “ ‘Fa na hesorina aza ny tendrombohitra, ary na hihozongozona aza ny havoana, dia tsy hesorina aminao kosa ny hatsaram-panahiko feno fitiavana, ary tsy hihozongozona ny fifanekem-pihavanana ataoko’, hoy i Jehovah, [ilay tsara fanahy mpiaro anao, Fandikan-tenin’i Byington].” (Isaia 54:10) Manamafy izany ilay vavaka nataon’i Jesosy, ny alina talohan’ny nahafatesany. Nasehony fa tsara fanahy sy miaro tokoa i Jehovah. Hoy izy momba ny mpianany: ‘Izy ireo no eto amin’izao tontolo izao ary izaho ho any aminao. Ray Masina ô, arovy izy ireo noho ny amin’ny anaranao.’ (Jaona 17:11, 14) Narovan’i Jehovah ny mpanara-dia an’i Jesosy.

Anisan’ny fomba iarovan’Andriamanitra antsika amin’ny tetik’i Satana ny sakafo ara-panahy omeny amin’ny fotoana mety, amin’ny alalan’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” (Mat. 24:45) Tena ilaina ny mandray an’izany sakafo ara-panahy mampahery izany, raha te ‘hitafy ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra’ isika. ‘Hahafahana mamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra alefan’ilay ratsy’, ohatra, “ny ampinga lehibe, dia ny finoana.” (Efes. 6:11, 16) Miaro antsika amin’ny loza ara-panahy izy io, sady fomba ampisehoana fa matoky ny hery fiarovan’ilay Raintsika isika.

Vao mainka isika hahatakatra ny hatsaram-panahin’ilay Raintsika any an-danitra rehefa mandinika tsara ny toetran’ny Zanany tamin’izy tetỳ an-tany. Mariho ilay fitantarana ao amin’ny Marka 10:13-16. Niteny tamin’ny mpianany i Jesosy ao hoe: “Avelao ny zaza hanatona ahy.” Tsara fanahy i Jesosy ka namihina sy nitso-drano an’ireo ankizy kely nankeo aminy. Azo inoana fa nitsikitsiky erỳ izy ireo! Tian’ilay tena Andriamanitra hanatona azy àry isika, matoa i Jesosy niteny hoe: “Izay nahita ahy dia nahita ny Ray.”—Jaona 14:9.

Tsy manam-petra ny fitiavana avy amin’i Jehovah Andriamanitra. Miaro sy manome izay ilaintsika koa izy, ary tsy manan-tsahala izy amin’izany. Iriny hanatona azy isika. (Jak. 4:8) Izy àry no Ray tsara indrindra!

Mandray soa tokoa isika!

Handray soa tokoa isika raha matoky an’i Jehovah ary mihevitra azy ho Ray be fitiavana sy tsara fanahy. (Ohab. 3:5, 6) Nandray soa i Jesosy satria nitoky tanteraka tamin’ny Rainy. Hoy i Kristy tamin’ny mpianany: “Tsy irery aho, fa miaraka amiko ny Ray izay naniraka ahy.” (Jaona 8:16) Natoky foana i Jesosy hoe nanohana azy i Jehovah. Nomen-dRainy toky, ohatra, izy tamin’ny batisany hoe: “Io no Zanako malalako, izay sitrako.” (Mat. 3:15-17) Hoy koa i Jesosy taloha kelin’ny nahafatesany: “Ray ô, apetrako eo am-pelatananao ny aiko.” (Lioka 23:46) Tsy lefy mihitsy ny fatokisan’i Jesosy an-dRainy!

Afaka ny ho toa an’i Jesosy koa isika. Momba antsika i Jehovah, ka tsy misy tokony hatahorantsika. (Sal. 118:6) Zatra nandamina irery ny olana nahazo azy i Kanto, ilay voaresaka terỳ aloha. Nianatra momba an’i Jesosy sy ny fanompoany anefa izy, ka ny fifandraisan’i Jesosy tamin’ilay Rainy tany an-danitra no tena nodinihiny. Inona no vokany? Hoy i Kanto: “Lasa tsapako hoe ahoana izany manana Ray izany, ary nianatra niantehitra taminy aho. Tena niadan-tsaina sy sambatra aho. Tsy misy tokony hampanahy antsika mihitsy!”

Inona koa no soa horaisintsika raha mihevitra an’i Jehovah ho toy ny Ray isika? Mazàna ny ankizy no tia ny ray aman-dreniny ary te hampifaly azy. Tia ny Rainy koa ilay Zanak’Andriamanitra ka ‘nanao izay sitrany foana.’ (Jaona 8:29) Hanao zavatra amim-pahendrena sy ‘hidera ampahibemaso’ an’ilay Raintsika any an-danitra koa isika raha tia azy.—Mat. 11:25; Jaona 5:19.

‘Mitantana antsika amin’ny tanantsika ankavanana’ ilay Raintsika

Nomen’ilay Raintsika any an-danitra “mpanampy” koa isika, dia ny fanahiny masina. “Hitari-dalana anareo ho amin’ny fahamarinana rehetra” izy io, hoy i Jesosy. (Jaona 14:15-17; 16:12, 13) Hanampy antsika hahalala bebe kokoa an’ilay Raintsika ny fanahiny masina. Hanampy antsika izy io mba handrava “zavatra efa mafy orina”, izany hoe fitsarana an-tendrony, hevi-diso, na hevitra naolana. ‘Babo hankatò an’i Kristy [àry] ny hevitra rehetra.’ (2 Kor. 10:4, 5) Noho izany, dia mivavaha amin’ilay Raintsika any an-danitra mba hanomezany antsika an’ilay “mpanampy” nampanantenainy, ary matokia fa “hanome ny fanahy masina ho an’izay mangataka aminy tokoa izy.” (Lioka 11:13) Mety koa ny mangataka azy io mba hanampy antsika hanatona akaiky kokoa an’i Jehovah.

Tsy manana ahiahy ny ankizy kely tantanan’ny rainy ary milamin-tsaina sy tsy matahotra. Hatoky an’ireto teny mampahery ireto ianao raha tena mihevitra an’i Jehovah ho toy ny Rainao: “Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana anao amin’ny tananao ankavanana, eny, izaho Ilay milaza aminao hoe: ‘Aza matahotra fa hanampy anao aho.’ ” (Isaia 41:13) Afaka ny ‘hiara-mandeha’ amin’Andriamanitra mandrakizay ianao. (Mika 6:8) Voninahitra tokoa izany! Ataovy foana ny sitrapony, dia ho tsapanao ny fitiavana sy ny fifaliana ary ny filaminan-tsaina avy amin’i Jehovah Rainao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana.