Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Miteny Tsy An-kijanona ny Fanahy sy ny Ampakarina hoe: ‘Avia!’”

“Miteny Tsy An-kijanona ny Fanahy sy ny Ampakarina hoe: ‘Avia!’”

“Miteny Tsy An-kijanona ny Fanahy sy ny Ampakarina hoe: ‘Avia!’ ”

“Miteny tsy an-kijanona ny fanahy sy ny ampakarina hoe: ‘Avia!’ ... Aoka ho avy izay mangetaheta. Ary izay maniry, aoka izy hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina.”—APOK. 22:17.

1, 2. Inona no tokony ho zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika, ary nahoana?

INONA no tokony ho zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika? Nampirisika ny mpianany i Jesosy mba ‘hikatsaka foana an’ilay fanjakana aloha’, dia homen’Andriamanitra azy ireo izay ilainy. (Mat. 6:25-33) Nohariny tamin’ny perla tena sarobidy ny Fanjakan’Andriamanitra. Raha vao nahita azy io ny mpivaro-mandeha iray, dia ‘nivarotra an’izay rehetra nananany ka nividy’ an’ilay izy. (Mat. 13:45, 46) Ny fitoriana sy fampianarana àry no tokony ho zava-dehibe indrindra amintsika.

2 Hitantsika tao amin’ireo lahatsoratra teo aloha fa tarihin’ny fanahy masin’Andriamanitra isika matoa sahy mitory sy mahay mampiasa ny Baiboly. Manampy antsika hitory tsy tapaka koa io fanahy io. Ahoana izany?

Fanasana ho an’ny rehetra

3. Karazana rano inona ilay asaina hosotroin’ny olon-drehetra?

3 Misy fanasana avy amin’ny fanahy masina ho an’ny olon-drehetra. (Vakio ny Apokalypsy 22:17.) Asaina ‘ho avy’ izay mangetaheta mba hisotro rano hafakely. Tsy rano ara-bakiteny izy io. Marina fa tena ilaina eo amin’ny fiainana ny rano. Karazana rano hafa anefa no tao an-tsain’i Jesosy, rehefa nilaza tamin’ilay vehivavy samaritanina izy hoe: ‘Izay rehetra misotro ny rano homeko azy, tsy hangetaheta intsony mihitsy. Fa ilay rano homeko azy dia ho loharano ao anatiny, izay hiboiboika mba hanome fiainana mandrakizay.’ (Jaona 4:14) Manome fiainana mandrakizay io rano hafakely asaina hosotroin’ny olona io.

4. Nahoana no nanjary nilaina ny ranon’aina, ary inona izy io?

4 Nilaina io ranon’aina io raha vao nikomy tamin’i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona azy, i Adama sy Eva. (Gen. 2:16, 17; 3:1-6) Noroahina avy tao amin’ny zaridainan’i Edena izy ireo, ‘sao hanatsotra ny tanany ka haka amin’ny voan’ny hazon’aina, dia hihinana izany ka ho velona mandritra ny fotoana tsy voafetra.’ (Gen. 3:22) Namindra fahafatesana tamin’ny olona rehetra i Adama, satria taranany avokoa izy ireo. (Rom. 5:12) Ny ranon’aina dia ny fandaharana rehetra ataon’Andriamanitra mba hanafahana ny olona amin’ny ota sy fahafatesana, ary hanomezana azy ireo fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany. Amin’ny alalan’ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy no anatanterahan’Andriamanitra izany.—Mat. 20:28; Jaona 3:16; 1 Jaona 4:9, 10.

5. Iza no manasa ny olona “hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina”? Hazavao.

5 Iza no manasa ny olona “hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina”? Mariho fa ho lasa ‘reniranon’ny ranon’aina mangalahala toy ny vato kristaly’ ilay rano amin’ny Fanjakana Arivo Taona. Amin’izay mantsy vao ho feno tsara ireo fandaharana natao hamonjena antsika amin’ny alalan’i Jesosy. ‘Mikoriana avy eo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry’ ilay renirano. (Apok. 22:1) I Jehovah, ilay Mpanome aina, àry no loharanon’izy io. (Sal. 36:9) Izy no manome azy io amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, ilay ‘Zanak’ondry.’ (Jaona 1:29) Io renirano io no ampiasainy hanafoanana ny zava-dratsy rehetra vokatry ny fikomian’i Adama. I Jehovah Andriamanitra àry no manasa hoe: “Avia!”

6. Oviana no nanomboka nikoriana ny “reniranon’ny ranon’aina”?

6 Marina fa amin’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy vao hikoriana tanteraka ilay “reniranon’ny ranon’aina.” Efa nanomboka nikoriana anefa izy io tamin’ny “andron’ny Tompo”, izany hoe nanomboka tamin’ny 1914, rehefa lasa mpanjaka “ny Zanak’ondry.” (Apok. 1:10) Efa afaka nisotro kely tamin’ilay rano àry ny olona taorian’io. Anisan’ilay rano ny hafatra ao amin’ny Baiboly. Oharina amin’ny “rano” mantsy izany. (Efes. 5:26) Ny olon-drehetra no asaina hisotro an’ilay izy, izany hoe hihaino sy hankatò ny vaovao tsara. Iza anefa no irahin’i Jehovah hanasa ny olona ankehitriny?

Miteny “ny ampakarina” hoe: “Avia!”

7. Iza no voalohany manasa hoe: “Avia!”, ary iza no asainy?

7 Ny ampakarina, izany hoe ny Kristianina voahosotra, no voalohany manasa hoe: “Avia!” Iza no asainy? Mazava ho azy fa tsy ny tenany, fa ireo manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany, aorian’ny “adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.”—Vakio ny Apokalypsy 16:14, 16.

8. Inona no porofo fa efa tamin’ny 1918 ny voahosotra no nanasa ny olona?

8 Efa tamin’ny 1918 ny voahosotra no nanasa ny olona. Nohazavaina tamin’ny lahateny iray tamin’io taona io, fa hisy olona maro hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany, aorian’ny Hara-magedona. Izao no lohatenin’ilay lahateny: “Olona An-tapitrisany Velona Ankehitriny no Mety Tsy ho Faty Mihitsy.” Nampirisihina ‘hanambara an’ilay Mpanjaka sy ny fanjakany’ ny Mpianatra ny Baiboly, tamin’ilay fivoriambe tany Cedar Point, Etazonia, tamin’ny 1922. Nandrisika ny sisa voahosotra hanasa olona maro kokoa izany. Nisy lahatsoratra hoe “Fanasana Feno Hatsaram-panahy” tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 1929, ary ny Apokalypsy 22:17 no andinin-teny fototra. Izao no voalaza tao: ‘Miara-miasa amin’ny Avo Indrindra ny sisa voahosotra tsy mivadika, ka manasa ny olona hoe: “Avia!” Tsy maintsy ambara amin’ireo tia fahamarinana sy rariny io fanasana feno hatsaram-panahy io, ary izao no fotoana anaovana izany.’ Mbola manao io fanasana io foana ny ampakarina hatramin’izao.

“Aoka izay mandre hilaza hoe: ‘Avia!’ ”

9, 10. Ahoana no nampirisihana an’ireo nandre ilay fanasana mba hanao koa hoe: “Avia!”?

9 Ahoana ny amin’ireo mandre an’ilay fanasana hoe: “Avia!”? Asaina milaza koa izy ireo hoe: “Avia!” Hoy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 1932: ‘Enga anie ireo voahosotra ka hampirisika an’izay maniry, mba handray anjara amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay fanjakana. Tsy voatery ho voahosotra vao afaka manambara ny hafatry ny Tompo. Tena faly izao ny Vavolombelon’i Jehovah fa afaka mitondra ny ranon’aina any amin’ny olona. Mety ho tafavoaka velona amin’ny Hara-magedona izy ireny, ka hiaina mandrakizay eto an-tany.’

10 Nampirisika an’ireo mandre an’ilay fanasana koa Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 1934, pejy 249, hoe: ‘Tsy maintsy miaraka amin’ireo Jeho, na ny voahosotra, ireo Jonadaba mba hitory ny hafatr’ilay fanjakana, na dia tsy voahosotra aza.’ Tamin’ny 1935, dia nohazavaina hoe iza ilay “vahoaka be” ao amin’ny Apokalypsy 7:9-17. Vao mainka àry nandroso be ilay asa fanasana. Nihamaro hatrany ny vahoaka be nanaiky azy io, ary efa fito tapitrisa mahery izy ireo izao. Faly izy ireo nandre ilay hafatra, ka nanokan-tena sy natao batisa, ary mazoto manampy ny ampakarina amin’ny fanasana ny olona “hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina.”

Miteny “ny fanahy” hoe: “Avia!”

11. Inona no porofo fa nanampy tamin’ny fitoriana ny fanahy masina, tamin’ny taonjato voalohany?

11 Nanokatra ny horonam-bokin’i Isaia i Jesosy, tamin’izy nitory tao amin’ny synagogan’i Nazareta, ka namaky hoe: “Ny fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra ahy hilaza vaovao tsara amin’ny mahantra izy, ary naniraka ahy hitory fanafahana amin’ny babo sy fampahiratana amin’ny jamba, hanafaka sy handefa ny ory, hitory taona fanehoan’i Jehovah fankasitrahana.” Nampiharin’i Jesosy tamin’ny tenany izany, ka hoy izy: “Androany no tanteraka izany andinin-teny vao renareo izany.” (Lioka 4:17-21) Hoy izy tamin’ny mpianany, talohan’ny niakarany tany an-danitra: ‘Hahazo hery ianareo rehefa tonga aminareo ny fanahy masina, ka ho vavolombeloko any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.’ (Asa. 1:8) Tena nanampy teo amin’ny fitoriana tamin’ny taonjato voalohany ny fanahy masina.

12. Mbola manampy antsika amin’ilay asa fanasana ve ny fanahy masina ankehitriny? Hazavao.

12 Mbola manampy antsika amin’ilay asa fanasana ve ny fanahy masina ankehitriny? Eny. Avy amin’i Jehovah io fanahy io. Mampiasa azy io izy mba hanampiana ny ampakarina hahatakatra ny Teniny. Mandrisika ny ampakarina koa ny fanahy masina, mba hanasa ny hafa sy hanazava ny fahamarinana amin’ireo manantena hiaina mandrakizay eto an-tany. Ahoana indray ny amin’ireo manaiky ilay fanasana, ka lasa mpianatr’i Jesosy Kristy, ary manasa ny hafa? Manampy azy ireo koa ny fanahy masina. Natao batisa ‘tamin’ny anaran’ny fanahy masina’ izy ireo, ka miantehitra amin’izy io sy manaiky hotarihiny. (Mat. 28:19) Etsy an-danin’izany, dia avy ao amin’ny Baiboly ny hafatra torin’ny voahosotra sy ny vahoaka be. Boky avy amin’ny fanahy masina izy io. Midika izany fa avy amin’ny fanahy masina ilay fanasana. Tarihin’io fanahy io isika rehefa manasa ny olona. Toy inona àry ny habetsahan’ny fotoana tokony hatokantsika amin’izany?

“Miteny tsy an-kijanona” izy ireo hoe: “Avia!”

13. Inona no dikan’ilay hoe “miteny tsy an-kijanona ny fanahy sy ny ampakarina hoe: ‘Avia!’ ”?

13 “Miteny tsy an-kijanona ny fanahy sy ny ampakarina hoe: ‘Avia!’ ” Tsy indray mandeha monja àry izy ireo no manasa ny olona. Ary ahoana ny amin’ireo manaiky ilay fanasana? Miteny koa izy ireo hoe: “Avia!” Milaza ny Baiboly fa ‘manao fanompoana masina andro aman’alina ao amin’ny tempolin’i Jehovah’ ny vahoaka be. (Apok. 7:9, 15) Inona no dikan’izany? (Vakio ny Lioka 2:36, 37; Asan’ny Apostoly 20:31; 2 Tesalonianina 3:8.) Hita avy amin’ny tantaran’i Ana mpaminanivavy sy ny apostoly Paoly, fa ny hoe ‘manompo andro aman’alina’ dia midika hoe miezaka mafy manompo tsy tapaka.

14, 15. Ahoana no nampisehoan’i Daniela fa zava-dehibe ny manompo tsy tapaka?

14 Nasehon’i Daniela mpaminany koa fa zava-dehibe ny manompo tsy tapaka. (Vakio ny Daniela 6:4-10, 16.) Mbola nivavaka tamin’Andriamanitra “intelo isan’andro, araka ny efa fanaony” izy, na dia iray volana monja aza no notakina taminy mba tsy hanaovany izany, ary na dia norahonana hatsipy tao an-davaky ny liona aza izy. Hitan’ny olona nanodidina azy fa tsy nisy zava-dehibe taminy noho ny fanompoana an’i Jehovah tsy tapaka.—Mat. 5:16.

15 Natsipy tao an-davaky ny liona i Daniela. Nankany ny mpanjaka ny ampitson’iny ary niantso hoe: “Ry Daniela mpanompon’ilay Andriamanitra velona ô! Nahavonjy anao tamin’ny liona ve ilay Andriamanitra tompoinao mandrakariva?” Namaly avy hatrany i Daniela hoe: “Ho ela velona anie ianao, ry mpanjaka ô! Naniraka ny anjeliny ny Andriamanitro ka nanakombona ny vavan’ny liona tsy hamiravira ahy, satria hitany fa tsy nanan-tsiny aho. Ary tsy nanao ratsy teo anatrehanao koa aho, ry mpanjaka ô!” Narovan’i Jehovah i Daniela satria nanompo azy “mandrakariva.”—Dan. 6:19-22.

16. Inona no fanontaniana tokony hapetratsika, rehefa mandinika ny ohatr’i Daniela isika?

16 Naleon’i Daniela maty toy izay hanao an-tsirambina ny fanompoany an’i Jehovah. Ary isika? Vonona hamoy na hampandefitra zavatra sasany ve isika mba hitoriana tsy tapaka ny vaovao tsara? Aza avela hisy volana iray tsy hiresahanao momba an’i Jehovah! Tsy tokony hiezaka mafy ve isika hanompo isan-kerinandro, raha mbola azo atao koa? Na dia tsy salama aza isika, na efa be taona, ka tsy afaka mitory afa-tsy 15 minitra ao anatin’ny volana, dia mbola azo averina amin’ny tatitra ihany izany. Nahoana? Satria tiantsika ny hiteny tsy an-kijanona hoe: “Avia!”, miaraka amin’ny fanahy sy ny ampakarina. Hanao izay azo atao àry isika mba tsy ho mpitory tapatapaka.

17. Amin’ny fotoana inona avy isika no tokony hampita ny fanasan’i Jehovah?

17 Tsy amin’ny fotoana efa natokantsika hitoriana ihany isika no tokony hilaza ny fanasan’i Jehovah. Faly isika manasa an’ireo mangetaheta mba “hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina”, rehefa miantsena, na manao dia, manao vakansy, miasa, na mandeha mianatra. Na mandrara ny asantsika aza ny manam-pahefana, dia mbola hitory foana isika, ka hiezaka kokoa hitory tsy ara-potoana, na tsy hampifanesy ny trano itoriantsika.

Mitenena tsy an-kijanona hoe: “Avia!”

18, 19. Ahoana no hampisehoanao fa sarobidy aminao ny miara-miasa amin’Andriamanitra?

18 Efa 90 taona mahery izao ny fanahy sy ny ampakarina no nanasa an’izay mangetaheta mba ho avy hisotro amin’ny ranon’aina. Efa nandre an’io fanasana mahafaly io ve ianao? Mba asao koa àry ny hafa.

19 Tsy fantatsika hoe rahoviana no hifarana ilay fanasana feno fitiavana avy amin’i Jehovah. Miara-miasa aminy anefa isika rehefa milaza koa hoe: “Avia!” (1 Kor. 3:6, 9) Voninahitra lehibe izany! Raha mankasitraka izany ianao dia ‘hanao sorona fiderana ho an’Andriamanitra foana’, ka hitory tsy tapaka. (Heb. 13:15) Aoka àry izay manantena hiaina mandrakizay eto an-tany, hiteny tsy an-kijanona hoe: “Avia!”, miaraka amin’ny ampakarina. Enga anie ka hihamaro hatrany ireo ‘misotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina’!

Inona no Nianaranao?

• Iza no ilazana ilay fanasana hoe: “Avia!”?

• Nahoana isika no afaka milaza fa avy amin’i Jehovah ilay fanasana hoe: “Avia!”?

• Inona no anjara asan’ny fanahy masina amin’ilay fanasana hoe: “Avia!”?

• Nahoana isika no tokony hiezaka hitory tsy tapaka?

[Fanontaniana]

[Tabilao/Sary, pejy 16]

(Jereo ny gazety)

Mitenena tsy an-kijanona hoe: “Avia!”

1914

5 100 ny mpitory

1918

Maro no hiaina mandrakizay eto an-tany

1922

“Ambarao, ambarao, ambarao ilay Mpanjaka sy ny fanjakany”

1929

Miteny hoe: “Avia!” ireo sisa voahosotra

1932

Nasaina nilaza hoe: “Avia!” koa ireo tsy voahosotra

1934

Nasaina hitory ireo Jonadaba

1935

Fantatra hoe iza ny “vahoaka be”

2009

7 313 173 ny mpitory