Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ny Zon’ny Ankizy Hotezaina Amin’ny Finoana”

“Ny Zon’ny Ankizy Hotezaina Amin’ny Finoana”

“Ny Zon’ny Ankizy Hotezaina Amin’ny Finoana”

NISY seminera nataon’ny Fikambanana Soedoà Miaro ny Zon’ny Ankizy, ny 9 Desambra 2008. Izao no foto-kevitr’izy io: “Ny Zon’ny Ankizy Hotezaina Amin’ny Finoana.” Maro no naneho ny heviny, anisan’izany ny solontenan’ny Fiangonan’i Soeda, ny Fivavahana Silamo, ny fikambanana mpandala ny maha olona, ary ny antokom-pivavahana hafa milaza azy ho Kristianina.

Nandray fitenenana ny mpitondra fivavahana iray ka hoy izy: “Tsy misy olona tena afaka mamaritra mazava tsara hoe manao ahoana ny hasarobidin’ireo tantara ao amin’ny Baiboly eo amin’ny finoan’ny ankizy.” Nahoana ny Soratra Masina no manampy ny ankizy hanam-pinoana?

Hoy ihany izy: “Misy hosaintsainin’ny ankizy sy hodinihiny ireo andininy sy tantara.” Notanisainy “ny tantaran’i Adama sy Eva, Kaina sy Abela, Davida sy Goliata, ny nahaterahan’i Jesosy, i Zakaiosy mpamory hetra, ary ny fanoharana momba ilay zanaka adala sy ilay Samaritanina tsara fanahy.” Nolazainy fa “modely izy ireny mba hamolavolana ny sain’ny [ankizy] hiatrika ny zava-misy iainan’ny olombelona, toy ny famitahana, famelan-keloka, fankahalana, fahasimban-toetra, onitra, fitiava-namana, ary fitiavana tsy mitady valiny. Mety hamolavola ny fiainan’ny olona ireny tantara ireny, ka hampihariny sy hahasoa azy.”

Marina fa tsara ny mampirisika ny hafa hamaky Baiboly. Tena afaka ‘misaintsaina sy mandinika’ foana an’izay vakiny avy ao amin’ny Soratra Masina ve anefa ny ankizy, sady handray lesona araka ny tokony ho izy?

Ny olon-dehibe aza mbola mila anazavana ny andininy sasany ao amin’ny Soratra Masina. Resahin’ny Baiboly, ohatra, fa nisy manamboninahitra etiopianina iray tsy nahazo tsara ny hevitry ny Soratra Masina na dia efa ‘nisaintsaina sy nandinika’ izany aza. Namaky ny faminanian’i Isaia izy nefa tsy nahazo ny heviny. Te hahazo ny hevitr’izy io izy, ka nanaiky hihaino ny fanazavan’i Filipo mpianatr’i Jesosy. (Asa. 8:26-40) Tsy io Etiopianina io irery no mila fanampiana mba hahazoana ny hevitry ny andininy sasany ao amin’ny Soratra Masina, fa isika rehetra, indrindra fa ny ankizy.

Mampitandrina ny Baiboly hoe: “Latsa-paka ao am-pon’ny zaza ny hadalana.” (Ohab. 22:15) Mila tari-dalana ny ankizy, ary andraikitry ny ray aman-dreniny ny mampianatra azy ireo momba ny fitondran-tena sy ny finoana. Tokony hifototra amin’ny Baiboly sy ny zavatra ampianarina any amin’ny fivoriana kristianina izany. Manan-jo hahazo an’izany fampiofanana izany ny ankizy. Mbola kely izy dia efa mila ampianarina Baiboly mba ho mafy orina ny finoany, ka ho lasa “olona matotra” izy, ary ‘hanana fahaiza-misaina efa nozarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy, satria nampiasaina.’—Heb. 5:14.