Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tohero ny Fampielezan-kevitr’i Satana

Tohero ny Fampielezan-kevitr’i Satana

Tohero ny Fampielezan-kevitr’i Satana

‘AZA manaiky ho voafitaka. Tsy hanampy anareo ny Andriamanitrareo. Meteza hitolo-batana raha tsy te hijaly!’ Izany no votoatin’ny tenin’i Rabsake, irak’i Sankeriba mpanjakan’i Asyria, tamin’ny mponin’i Jerosalema. Nanao fahirano an’i Joda ny tafik’i Asyria tamin’izay. Nokendrena hanakiviana sy handrahonana ny mponin’i Jerosalema ireo teny ireo, mba hahatonga azy ireo hilavo lefona.—2 Mpanj. 18:28-35.

Nalaza ho mahery setra sy tsy mifaditrovana ny Asyrianina. Tantarainy amin’ny an-tsipiriany ny habibiana ataony amin’izay babo azony, mba hampitahorana ny fahavalony. Nilaza i Philip Taylor, mpahay tantara, fa “fanaon’izy ireo ny nampitahotra sy nampiasa fampielezan-kevitra, mba hanakiviana ireo babo azony. Nampiasa sary koa izy ireo mba hampitahorana an’izay mety ho fahavalony sy hanakiviana azy ireo.” Fitaovam-piadiana mahery vaika ny fampielezan-kevitra. “Ny saina no asiany”, hoy i Taylor.

“Tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra” ny tena Kristianina fa “amin’ireo fanahy ratsy”, izany hoe amin’ireo anjely nikomy tamin’Andriamanitra. (Efes. 6:12) I Satana Devoly no lehibe indrindra amin’izy ireo. Mampihorohoro sy mampiely hevi-diso koa izy.

Milaza i Satana fa vitany ny mampiala antsika rehetra amin’i Jehovah. Hoy izy tamin’i Jehovah Andriamanitra, tamin’ny andron’i Joba: “Izay rehetra ananan’ny olona dia homeny hiarovana ny ainy.” Te hilaza izy fa raha iharam-pitsapana mafy ny olona dia hivadika amin’Andriamanitra, na ho ela na ho haingana. (Joba 2:4) Marina ve ny teniny? Misy fetrany tokoa ve ny tsy fivadihantsika? Hiala amin’ny fitsipika arahintsika tokoa ve isika mba ho velona? Izany no tian’i Satana hoeritreretintsika. Fetsy izy ka mampiasa fampielezan-kevitra mba handentehana an’izany ao an-tsaintsika. Andeha hojerentsika ny tetika ampiasainy sy ny fomba hanoherantsika azy.

“Miorina eo amin’ny vovoka” izy ireo

Nampiasain’i Satana i Elifaza, anisan’ireo telo lahy naman’i Joba, mba hilaza fa tsy vitan’ny olona ny tsy hivadika. Nilaza izy fa “mipetraka ao amin’ny trano tanimanga” ny olombelona, ary “miorina eo amin’ny vovoka!” Hoy ihany izy tamin’i Joba: “Mora torotoroina kokoa noho ny bibikely ireny. Mbola tsy hariva ny andro dia efa potipotika ireny, maty mandrakizay izy nefa tsy misy malahelo akory.”—Joba 4:19, 20.

Marina fa resahin’ny andininy hafa ao amin’ny Soratra Masina hoe toy ny “vilany tany”, na vilany tanimanga mora vaky, isika. (2 Kor. 4:7) Malemy tokoa isika satria tsy lavorary ary nandova ota. (Rom. 5:12) Mora amin’i Satana ny manafika antsika raha miady irery isika. Ampian’Andriamanitra anefa isika Kristianina na dia malemy aza, satria sarobidy aminy. (Isaia 43:4) Omeny fanahy masina koa izay mangataka izany aminy. (Lioka 11:13) Afaka manome antsika “hery fanampiny” ny fanahiny, mba hahazakantsika an’izay fitsapana avy amin’i Satana. (2 Kor. 4:7; Fil. 4:13) Hanamafy orina sy hampahatanjaka antsika Andriamanitra raha manohitra ny Devoly sy ‘manana finoana matanjaka’ isika. (1 Pet. 5:8-10) Tsy misy antony tokony hatahorantsika an’i Satana Devoly àry.

“Misotro ny tsy fahamarinana”

Hoy i Elifaza: “Inona moa izay olombelona mety maty no hadio, na izay atera-behivavy no ho marina?” Hoy ihany izy: “Fa ny anjeliny masina aza tsy atokisany [Andriamanitra], ary ny lanitra aza tsy madio eo imasony, koa mainka fa izay olona maharikoriko sy manao ny tsy marina, dia olona misotro ny tsy fahamarinana toy ny fisotro rano!” (Joba 15:14-16) Nilaza tamin’i Joba i Elifaza teo fa tsy misy olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra. Ataon’i Satana koa izay hahakivy antsika. Tiany hieritreritra ny fahadisoantsika taloha isika, ka hanamelo-tena loatra sy hihevitra fa tsy azo avotana intsony. Tiany hihevitra koa isika hoe mitaky be loatra amintsika i Jehovah, nefa zara raha mangoraka sy mamela heloka ary manampy.

Marina fa tsy hahavita hankatò tanteraka ny fitsipika marin’i Jehovah isika, satria “samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.” (Rom. 3:23; 7:21-23) Tsy hoe tsy misy vidiny eo anatrehany anefa isika. Fantany fa “ilay menarana tany am-boalohany, ilay antsoina hoe Devoly sy Satana” no manararaotra ny tsy fahalavorariantsika. (Apok. 12:9, 10) Tsy ‘manameloka antsika foana noho ny fahadisoantsika’ izy sady mandefitra amintsika, noho isika “vovoka.”—Sal. 103:8, 9, 14.

“Tena mamela heloka tanteraka” i Jehovah raha miala amin’ny fanao ratsy isika, ary manenina mafy sy mibebaka ka manatona azy. (Isaia 55:7; Sal. 51:17) Milaza ny Baiboly fa na “mena midorehitra” aza ny fahotantsika, dia “hatao fotsy mangatsakatsaka.” (Isaia 1:18) Aza kivy mihitsy àry fa miezaha hanao ny sitrapon’Andriamanitra foana.

Tsy afaka ny ho olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra mihitsy isika satria mpanota. Lasa tsy lavorary intsony i Adama sy Eva ka tsy afaka nanantena ny hiaina mandrakizay, na izy ireo na isika. (Rom. 6:23) Tena tia ny olombelona anefa i Jehovah, ka nataony izay hahazoantsika famelan-keloka. Mila maneho finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy Zanany isika mba hahazoana izany. (Mat. 20:28; Jaona 3:16) Naneho ‘hatsaram-panahy tsy manam-paharoa’ tokoa Andriamanitra! (Tit. 2:11) Tena azo avotana isika! Koa nahoana isika no hamela an’i Satana hahatonga antsika hieritreritra hoe tsy azo avotana?

“Kasiho hatramin’ny taolany sy ny nofony”

Nilaza i Satana fa hivadika i Joba raha marary. Nanao fanamby tamin’i Jehovah ny Devoly, ka nilaza hoe: “Kasiho hatramin’ny taolany sy ny nofony, dia jereo raha tsy hanozona anao eo imasonao izy.” (Joba 2:5) Azo inoana fa ho faly io fahavalon’Andriamanitra io raha vitany ny manao izay hahatsapantsika hoe tsy misy dikany isika rehefa osa.

Tsy hafoin’i Jehovah anefa isika na dia tsy mahavita manompo azy toy ny taloha intsony aza. Ahoana, ohatra, raha misy namantsika iharan-doza sy maratra mafy? Tsy tena tiantsika intsony ve izy satria tsy mahavita zavatra betsaka ho antsika, toy ny taloha? Tsy izany mihitsy! Ho tia sy hikarakara azy foana isika, indrindra raha niharan-doza izy noho ny fitadiavana izay hahasoa antsika. Ary i Jehovah? Tsy hanao mihoatra noho izany ve izy? Hoy ny Baiboly: ‘Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino izay nataonareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho an’ny anarany.’—Heb. 6:10.

Miresaka momba ny “vehivavy mpitondratena mahantra” iray ny Baiboly. Nety ho efa aman-taonany izy no nanohana ara-bola ny fivavahana marina. Nandatsaka “vola madinika roa faran’izay kely vidy” tao amin’ny vata fandatsaham-bolan’ny tempoly izy, ary hitan’i Jesosy izany. Nihevitra azy sy ny fanomezany ho tsy nisy vidiny ve i Jesosy? Tsia. Noderainy kosa izy satria nanao izay vitany mba hanohanana ny fivavahana marina.—Lioka 21:1-4.

Raha tsy mivadika amin’i Jehovah isika, dia afaka matoky fa hifandray tsara aminy foana, na dia mihantitra sy marary aza, noho isika tsy lavorary. Mety ho voafetra ny fanompoana vitan’ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika. Tsy izany mihitsy anefa no hahafoizan’i Jehovah azy ireo.—Sal. 71:9, 17, 18.

Raiso “ny fiarovan-dohan’ny famonjena”

Ahoana no ahafahantsika miaro tena amin’ny fampielezan-kevitr’i Satana? Hoy ny apostoly Paoly: “Aoka ianareo hahazo hery mandrakariva amin’ny alalan’ny Tompo sy amin’ny alalan’ny tanjaky ny heriny. Tafio daholo ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra mba hahafahanareo ho mafy orina ka hahatohitra ny teti-dratsin’ny Devoly.” Anisan’ny fiadiana ara-panahy “ny fiarovan-dohan’ny famonjena.” (Efes. 6:10, 11, 17) Tokony hataontsika azo antoka àry fa mandray an’io fiarovan-doha io isika ary manao azy io foana. Miaro ny lohan’ny miaramila ny fiarovan-doha. Hiaro ny saintsika amin’ny laingan’i Satana kosa ny “fanantenana famonjena”, izany hoe ny fatokisana fa ho tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra tontolo vaovao. (1 Tes. 5:8) Mazotoa àry mianatra samirery ny Soratra Masina, dia tsy hanjavozavo na ho lefy mihitsy ny fanantenanao.

Niaritra fanafihana mahatsiravina sy feno fankahalana avy amin’i Satana i Joba. Tena nino ny fitsanganana amin’ny maty izy ka tsy kivy na dia notandindomin’ny fahafatesana aza. Hoy kosa izy tamin’i Jehovah: “Hiantso ianao, dia hamaly anao aho, satria haniry mafy hahita ny asan’ny tananao ianao.” (Joba 14:15) Na dia tsy maintsy ho faty noho ny tsy fivadihany aza i Joba, dia natoky fa tia ny mpanompony tsy mivadika Andriamanitra ka tsy maintsy hiantso azy ireo any am-pasana.

Enga anie isika ka hatoky an’ilay tena Andriamanitra koa. Vitan’i Jehovah ny manafoana ny vokatry ny zava-dratsy rehetra ataon’i Satana sy ny namany amintsika. Tadidio koa fa nanome toky i Paoly hoe: ‘Tsy mivadika amin’ny teniny Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa rehefa misy fakam-panahy dia hasiany lalan-kivoahana koa, mba hahazakanareo izany.’—1 Kor. 10:13.

[Sary, pejy 20]

Sarobidy amin’i Jehovah ny fanompoana ataonao

[Sary, pejy 21]

Raiso ny fiarovan-dohan’ny famonjena ary anaovy foana