Aoka Ianao ‘Hadio Am-po’ Amin’izao Andro Sarotra Izao
Aoka Ianao ‘Hadio Am-po’ Amin’izao Andro Sarotra Izao
“TSY takona afenina fa betsaka ny olona ratsy fitondran-tena eo anivon’ny Eglizy.” Izany no tenin’i Vittorio Messori, mpanao gazety katolika. Nahitana fanao mamoafady mantsy tato ho ato, teo anivon’ny Eglizy Katolika any Italia. Hoy ihany izy: “Tsy vahaolana anefa ny hoe avela hanambady ny pretra. Lehilahy miray amin’ny lehilahy mantsy ny ankamaroany. Mpametaveta lehilahy sy ankizilahy kely izy ireo.”—Gazety La Stampa.
Miaina amin’ny andro faran’ity tontolo ity tokoa isika, satria manjaka ny faharatsiana. (2 Tim. 3:1-5) Asehon’ny fampahalalam-baovao fa misy vokany ratsy eo amin’ny olon-tsotra sy ireo milaza ho olon’Andriamanitra izany. Mahavita zavatra mahatsiravina izy ireo, satria ratsy sy maloto ny fony. (Efes. 2:2) Tsy mahagaga raha nilaza i Jesosy hoe ‘avy ao am-po no ivoahan’ny eritreri-dratsy, ny vonoan’olona, ny fanitsakitsaham-bady, ny fijangajangana, ny halatra, ny fijoroana ho vavolombelona mandainga, ary ny fanevatevana zava-masina.’ (Mat. 15:19) Irin’i Jehovah Andriamanitra ho tia “fahadiovam-po” anefa ny mpanompony. (Ohab. 22:11) Inona àry no azon’ny Kristianina atao mba hadio am-po hatrany amin’izao andro sarotra izao?
Inona no dikan’ny hoe “madio am-po”?
Tsy ara-bakiteny mazàna ny hoe “fo” ao amin’ny Baiboly. Milaza ny boky iray fa “ny any anatintsika lalina any” no tian’ny Baiboly horesahina. “Io fo io no tena jeren’Andriamanitra. Ao no ahitana raha tena tia fivavahana isika, ary raha tsara fitondran-tena na tsia.” Ny maha izy ny olona iray àry no tiana holazaina amin’ny hoe fo. Io no dinihin’i Jehovah amin’ny mpanompony, ary sarobidy aminy.—1 Pet. 3:4.
Tsy madio ara-batana fotsiny no dikan’ny hoe “madio” ao amin’ny Baiboly. Midika koa izy io hoe tsy misy pentina sy tsy misy tsiny eo amin’ny fitondran-tena sy fivavahana. Hoy i Jesosy tamin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra: “Sambatra ny madio am-po.” (Mat. 5:8) Madio ny zavatra tian’ilay olona sy ny faniriany ary ny antony anaovany zavatra. Tia an’i Jehovah amin’ny fony manontolo izy satria mankasitraka azy. Tsy misy fihatsarambelatsihy ny fitiavany. (Lioka 10:27) Azo inoana fa tianao ny hadio am-po toy izany.
Sarotra ny hoe “madio am-po” foana
Tokony ‘tsy hanan-tsiny eo amin’izay ataon’ny tanany’ ny mpanompon’i Jehovah. Tsy vitan’izay fa tokony ‘hadio fo’ hatrany izy ireo. (Sal. 24:3, 4) Mihasarotra anefa izany ankehitriny. Mitarika antsika hivadika amin’i Jehovah i Satana sy ny tontolony. Tsy lavorary koa isika. Mila miady mafy àry isika mba ho tia “fahadiovam-po” sy hanana izany hatrany. Hiaro antsika izany, ary hahatonga antsika ho naman’Andriamanitra foana. Inona àry no azontsika atao mba hadio am-po hatrany?
Hebreo 3:12: “Tandremo, ry rahalahy, sao misy aminareo koa hanjary hanana fo ratsy sady tsy mino, ka hiala amin’ilay Andriamanitra velona.” Tsy ‘hadio am-po’ intsony isika raha manana fo “tsy mino.” Inona no hevitra aelin’i Satana Devoly mba hahatonga antsika tsy hino an’Andriamanitra? Lazainy, ohatra, fa tsy nisy namorona izao rehetra izao, miankina amin’ny tsirairay ny atao hoe tsara sy ratsy, ary tsy tenin’Andriamanitra ny Baiboly. Mila mitandrina isika mba tsy ho voafitak’izany fampianarana mampidi-doza izany. (Kol. 2:8) Tena ilaina ny mamaky Baiboly isan’andro sy misaintsaina lalina izay vakintsika. Raha mahalala tsara ny Tenin’i Jehovah isika, dia hitombo ny fitiavantsika azy, ary ho azontsika kokoa ny fomba itondrany ny olona. Tsy ho voafitaky ny hevi-diso isika amin’izay, sady hanana finoana matanjaka, ka hadio am-po hatrany.—1 Tim. 1:3-5.
Hoy nyRehefa misy fakam-panahy
Mety hahatonga antsika tsy ‘hadio am-po’ koa ny fanirian’ny nofo sy ny fitiavan-karena. (1 Jaona 2:15, 16) Mety hanimba ny fon’ny Kristianina ny fitiavam-bola sy ny faniriana te hanan-javatra, ka hahatonga azy handika ny lalàn’Andriamanitra. Nisy, ohatra, lasa tsy nanao ny marina tany am-piasana, na nisoloky, na nangala-bola na zavatra hafa.—1 Tim. 6:9, 10.
Asehontsika fa tia “fahadiovam-po” isika, raha miezaka ny hatahotra an’i Jehovah sy ho tia rariny ary hanana feon’ny fieritreretana madio foana. Hahatonga antsika “hanao ny marina amin’ny zava-drehetra” izany. (Heb. 13:18) Misy vokany tsara ny fanaovana ny marina. Mpitondra bisy i Emilio, Vavolombelona italianina. Nahita poketra nisy vola 470 euros (1 363 000 ariary) izy. Nateriny tany amin’ny lehibeny ilay poketra, ary io indray no nanome an’ilay izy ny tompony. Gaga be ny mpiara-miasa tamin’i Emilio rehefa nahita izany, ka lasa nianatra Baiboly ny sasany. Olona fito avy amin’ny fianakaviana roa no lasa Vavolombelon’i Jehovah. Mety hahataona ny olona hidera an’Andriamanitra àry isika, raha manao ny marina amin’ny fo madio.—Tit. 2:10.
Misy zavatra hafa koa mety hahatonga ny Kristianina tsy hadio am-po. Maro ny olona mihevitra fa tsy ratsy ny firaisana alohan’ny fanambadiana sy ny fanitsakitsaham-bady ary ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy. Mety hifindran’izany hevi-diso izany ny Kristianina, ka ho resin’ny fakam-panahy haloto fitondran-tena. Mety hanafina ny fahotany izy avy eo. Tena tsy “madio am-po” ny olona toy izany.
Natao batisa i Gabriele tamin’izy 15 taona, ary nirotsaka ho mpisava lalana avy hatrany. Nanjary niaraka tamin’ny naman-dratsy tany amin’ny alim-pandihizana anefa izy, tatỳ aoriana. (Sal. 26:4) Lasa naloto fitondran-tena izy sady nanafina izany, ka tsy maintsy noroahina tsy ho anisan’ny fiangonana. Nahatonga saina azy izany famaizana avy amin’i Jehovah izany. Hoy izy: “Nataoko daholo indray ny zava-drehetra tsy noraharahaiko taloha. Namaky Baiboly isan’andro, ohatra, aho ary niezaka nahatakatra izay tena tian’i Jehovah holazaina. Nandalina an’ireo boky aman-gazety koa aho. Hay tena mahafinaritra ny mianatra samirery! Tena mampahery ny mamaky Baiboly sy mivavaka avy amin’ny fo.” Nanampy an’i Gabriele hiala tamin’ny fitondran-tena ratsy sy hifandray tsara tamin’i Jehovah indray izany.
Mpisava lalana izao i Gabriele sy ny vadiny. Hita tamin’ny zavatra niainany fa manampy ny olona hadio am-po sy hadio fitondran-tena ny fianarana ny Baiboly sy ny boky aman-gazety avoakan’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.”—Mat. 24:45; Sal. 143:10.
Rehefa iharam-pitsapana
Kivy ny Kristianina sasany satria enjehina na sahirana ara-bola na marary mafy. Misy vokany ratsy eo amin’ny fony izany indraindray. Efa kivy, ohatra, i Davida Mpanjaka, ka niteny hoe: “Rera-tsaina aho, ary ngoly ny foko ato anatiko.” (Sal. 143:4) Inona no nampahery azy? Nisaintsaina ny fomba nanampian’Andriamanitra azy sy ny olon-kafa izy. Noeritreretiny koa ny asan’i Jehovah sy izay nataony mba hanamasinana ny anarany lehibe. (Sal. 143:5) Hahavita hiaritra fitsapana àry isika raha misaintsaina momba ny Mpamorona sy izay rehetra nataony sy mbola hataony ho antsika.
Tezitra isika matetika rehefa mahatsapa hoe nanao ny tsy rariny tamintsika ny rahalahintsika. Mety hitana lolompo aminy isika raha mieritreritra foana momba izay nataony. Mety hitokantokana isika, ary tsy dia hiraharaha ny hafa. ‘Hadio am-po’ ve anefa isika raha manao izany? Ny olona madio am-po dia mahay mifandray amin’ny rahalahiny kristianina, sady mahay mandamina disadisa.
Miavaka ny tena Kristianina eto amin’ity tontolo miharatsy fitondran-tena ity, noho izy ireo tia “fahadiovam-po.” Mahafinaritra ny fiainantsika satria manao ny sitrapon’Andriamanitra isika, ka miadan-tsaina. Ambonin’izany, dia mifandray akaiky amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra tia an’izay “madio fo”, isika. (Sal. 73:1) Ho sambatra koa isika, araka ny nampanantenain’i Jesosy, satria “hahita an’Andriamanitra”, izany hoe hotahiny, noho isika tia “fahadiovam-po.”—Mat. 5:8.