Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Batisa Amin’ny Anaran’ny Ray, Zanaka, ary Fanahy Masina

Batisa Amin’ny Anaran’ny Ray, Zanaka, ary Fanahy Masina

Batisa Amin’ny Anaran’ny Ray, Zanaka, ary Fanahy Masina

“Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona ... ka ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina.”—MAT. 28:19.

1, 2. a) Inona no nitranga tao Jerosalema tamin’ny Pentekosta taona 33? b) Nahoana no nisy olona maro naniry hatao batisa?

PENTEKOSTA taona 33 tamin’izay. Feno olona avy any amin’ny tany maro tao Jerosalema, mba hankalaza an’io fety lehibe io. Nisy zavatra hafakely nitranga anefa, ary nanao lahateny nampientam-po ny apostoly Petera taorian’izay. Nahagaga ny vokatr’ilay lahateny. Nanohina ny fon’ireo Jiosy sy olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy ilay izy, ka 3 000 teo ho eo no nibebaka sy natao batisa anaty rano. Nitombo isa àry ireo anisan’ilay fiangonana kristianina vao niforona. (Asa. 2:41) Natao batisa tany amin’ireo dobo sy farihy tao Jerosalema sy teny amin’ny manodidina izy ireo, ary tsy maintsy ho nampisahotaka be izany!

2 Nahoana no nisy olona maro be natao batisa? Tamin’io andro io ihany saingy taloha kokoa, dia ‘nisy feo mafy tonga avy tany an-danitra toy ny rivotra mahery nifofofofo.’ Feno fanahy masina ny mpianatr’i Jesosy 120 teo ho eo, izay nivory tao amin’ny efitrano ambony rihana. “Niteny tamin’ny fiteny maro samihafa” izy ireo avy eo, ka nitangorona ireo lehilahy sy vehivavy natahotra an’Andriamanitra satria te handre azy ireo. Nanao lahateny i Petera ary anisan’ny noresahiny mivantana ny momba ny nahafatesan’i Jesosy, ka ‘voatsindrona ny fon’ny’ maro. Inona no tokony hataon’izy ireo? Hoy i Petera: ‘Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy ianareo tsirairay. Ary hahazo ilay fanomezana maimaim-poana ianareo, dia ny fanahy masina.’—Asa. 2:1-4, 36-38.

3. Tamin’ny Pentekosta taona 33, nila nanao inona ireo olona nibebaka?

3 Eritrereto ange e! Efa nanaiky an’i Jehovah ho Andriamaniny ireo Jiosy sy olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy, izay nihaino an’i Petera. Fantany avy tao amin’ny Soratra Hebreo koa ny momba ny fanahy masina, izay hery nampiasain’Andriamanitra tamin’izy namorona sy taorian’izay. (Gen. 1:2; Mpits. 14:5, 6; 1 Sam. 10:6; Sal. 33:6) Tena tokony ho takatr’izy ireo sy hekeny koa anefa fa i Jesosy, ilay Mesia, no nampiasain’Andriamanitra mba hamonjena ny olombelona. Nasongadin’i Petera àry fa nila ‘natao batisa tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy’ izy ireo. Andro vitsivitsy talohan’io, rehefa tafatsangana tamin’ny maty i Jesosy, dia nandidy an’i Petera sy ny hafa mba hanao batisa “amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina.” (Mat. 28:19, 20) Manana heviny lalina ireo teny ireo, na tamin’ny taonjato voalohany na ankehitriny.

Amin’ny anaran’ny Ray

4. Inona no zavatra niova mahakasika an’ireo efa nifandray tamin’i Jehovah?

4 Efa voalaza teo fa mpanompon’i Jehovah efa nifandray taminy ireo olona nihaino tsara ny lahatenin’i Petera. Efa niezaka nankatò ny Lalàna izy ireo matoa tonga tao Jerosalema, hatramin’ireo avy any an-tany hafa. (Asa. 2:5-11) Vao avy nanova ny fomba ifandraisany amin’ny olona anefa Andriamanitra. Nolaviny tsy ho fireneny manokana ny Jiosy, ary tsy ny fitandremana ny Lalàna intsony no hahazoana sitraka aminy. (Mat. 21:43; Kol. 2:14) Nisy zavatra hafa tokony hataon’ireo nihaino an’i Petera àry, raha mbola te hifandray amin’i Jehovah izy ireo.

5, 6. Tamin’ny taonjato voalohany, inona no nataon’ireo Jiosy sy olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy mba hifandraisany amin’Andriamanitra?

5 Tsy hoe tokony hiala amin’i Jehovah, ilay Mpanome aina, ireo nihaino ny fanazavan’i Petera. (Asa. 4:24) Tamin’izay aza izy ireo vao tena nahatsapa fa Ray malala-tanana i Jehovah. Nirahiny hamonjy azy ireo mantsy ny Mesia. Vonona hamela heloka koa izy, na dia ny helok’ireo niantefan’ity tenin’i Petera ity aza: “Aoka ho fantatry ny taranak’Israely rehetra marimarina fa nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy iny Jesosy nofantsihanareo tamin’ny hazo fijaliana iny.” Vao mainka nanana antony hankasitrahana an’izay nataon’ny Ray ho an’ireo te hifandray aminy, ny olona niantefan’ny tenin’i Petera.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 2:30-36.

6 Hitan’ireo Jiosy sy olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy tokoa fa raha te hifandray amin’i Jehovah izy, dia nila nanaiky fa nampiasa an’i Jesosy i Jehovah mba hamonjena azy ireo. Izany no nahatonga azy ireo hibebaka noho ny fahotany. Anisan’izany ny nandraisany anjara tamin’ny famonoana an’i Jesosy, na fantany izany na tsia. Tsy mahagaga koa raha “nifantoka tamin’ny fampianaran’ny apostoly izy ireo”, nandritra ny andro maromaro taorian’izay. (Asa. 2:42) Afaka ‘nanatona ny seza fiandrianan’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa izy ireo ary ho sahy hiteny rehefa manao izany.’ Izany indrindra no tian’izy ireo hatao.—Heb. 4:16.

7. Inona no nahatonga ny olona maro hanova ny fiheverany an’Andriamanitra ka hatao batisa amin’ny anaran’ny Ray?

7 An-tapitrisany koa ankehitriny no mianatra ny marina momba an’i Jehovah. (Isaia 2:2, 3) Ao ireo tsy nino an’Andriamanitra, ary ao koa ireo nino ny fisiany, saingy nihevitra fa tsy miraharaha ny zavaboariny izy. Lasa niaiky anefa izy ireny fa misy Mpamorona iray azony ifandraisana tsara. Ny hafa indray nivavaka tamin’ny Andriamanitra telo izay iray na nanompo sampy. Nianaran’izy ireo anefa fa i Jehovah ihany no Andriamanitra Mahery Indrindra, ary antsoin’izy ireo amin’ny anarany izy. Izany dia mifanaraka amin’ilay tenin’i Jesosy hoe tokony hatao batisa amin’ny anaran’ny Ray izy ireo.

8. Inona no tokony ho takatr’ireo mbola tsy nahalala momba ny fahotan’i Adama?

8 Nianaran’izy ireo koa fa nandova ota avy tamin’i Adama izy ireo. (Rom. 5:12) Vaovao taminy izany fahamarinana izany ary tsy maintsy nekeny. Azo oharina amin’ny lehilahy marary izy ireo. Tsy fantatr’ilay lehilahy anefa hoe marary izy. Tsy nanao fitiliana ny aretiny izy, ka mety hihevitra hoe salama ihany, na dia manaintaina tsindraindray aza. Marary anefa izy, raha ny marina. (Ampitahao amin’ny 1 Korintianina 4:4.) Ahoana kosa raha nanao fitiliana izy ka fantany ny aretiny? Tsy tokony hitady fitsaboana azo antoka sy mandaitra ve izy ary hanaiky hanaraka an’izany? Toy ny hoe manao “fitiliana” koa ireo olona maro mianatra Baiboly ka mahalala ny marina momba ny ota. Lasa takatr’izy ireo fa Andriamanitra no “mitsabo” azy. Tena mila manatona ny Ray mba “hotsaboiny” àry izay rehetra mbola lavitra azy.—Efes. 4:17-19.

9. Inona no nataon’i Jehovah mba hahafahantsika hifandray aminy?

9 Tsapanao ny hasarobidin’ny hoe mifandray amin’i Jehovah Andriamanitra, raha efa nanokana ny fiainanao ho azy ianao ary natao batisa. Takatrao fa tena be fitiavana io Rainao io. (Vakio ny Romanina 5:8.) Nanota i Adama sy Eva, nefa nanao zavatra Andriamanitra mba ho afaka hifandray tsara aminy ny taranak’izy ireo, anisan’izany isika. Tsy mora taminy izany, satria tsy maintsy ho nalahelo izy nahita ny Zanany malala nijaly sy maty. Moa ve izany tsy mandrisika antsika ho tia an’Andriamanitra, ka hanaiky ny fahefany sy hankatò ny didiny? Izany kosa no tokony handrisika anao hanokan-tena ho azy sy hatao batisa, raha mbola tsy nanao izany ianao.

Amin’ny anaran’ny Zanaka

10, 11. a) Inona no nataon’i Jesosy ho anao? b) Inona no tsapanao noho i Jesosy maty mba hanomezana ny vidim-panavotana?

10 Eritrereto indray ilay tenin’i Petera. Nasongadiny ny fanekena an’i Jesosy. Mifandray mivantana amin’ny hoe atao batisa “amin’ny anaran’ny Zanaka” izany. Nahoana izany no tena ilaina, na tamin’izany na ankehitriny? Ny hoe manaiky an’i Jesosy sy atao batisa amin’ny anarany, dia midika hoe manaiky ny anjara asany eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny Mpamorona. Tsy maintsy nahantona teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy mba hanesorana ny ozon’ny Lalàna teo amin’ny Jiosy. Lehibe noho izany anefa ny soa entin’ny fahafatesany. (Gal. 3:13) Nanome an’ilay sorom-panavotana izay ilain’ny olombelona rehetra izy. (Efes. 2:15, 16; Kol. 1:20; 1 Jaona 2:1, 2) Niaritra tsy rariny, fanevatevana, fampijaliana, ary fahafatesana izy mba hanatanterahana izany. Tena mankasitraka ny sorona nataony ve ianao? Eritrereto hoe ankizilahy kely 12 taona ianao ary tao amin’ilay sambo Titanic, izay nidona tamin’ny vongan-dranomandry tamin’ny 1912 ary rendrika. Niezaka nankao amin’ny lakan’aina iray ianao, nefa efa feno ilay izy. Nanao veloma ny vadiny anefa ny lehilahy iray tao amin’ilay lakan’aina, ary niverina tao an-tsambo ka nanome ny toerany ho anao. Inona no ho tsapanao? Azo inoana fa tena hankasitraka azy ianao. Azonao an-tsaina angamba ny tsapan’ny ankizilahy iray tena nitrangan’izany. * Mihoatra lavitra noho izany anefa no nataon’i Jesosy ho anao. Maty izy mba hiainanao mandrakizay.

11 Inona no tsapanao rehefa fantatrao izay nataon’ny Zanak’Andriamanitra ho anao? (Vakio ny 2 Korintianina 5:14, 15.) Azo inoana fa tena hankasitraka azy ianao. Handrisika anao hanokana ny fiainanao ho an’Andriamanitra izany, ary ‘tsy ho velona ho an’ny tenanao intsony’ ianao ‘fa ho an’ilay efa maty ho anao.’ Manaiky izay nataon’i Jesosy ho azy ny olona atao batisa amin’ny anaran’ny Zanaka, ary manaiky ny fahefany ho “Mpitarika Lehibe Indrindra izay manome fiainana.” (Asa. 3:15; 5:31) Tsy nifandray tamin’ny Mpamorona ianao taloha, ary tsy tena azo antoka ny fanantenanao. Naneho finoana ny ra nalatsak’i Jesosy Kristy anefa ianao ary natao batisa, ka lasa mifandray amin’ny Ray. (Efes. 2:12, 13) Hoy ny apostoly Paoly: ‘Lavitra an’Andriamanitra ianareo taloha sady fahavalony, satria nifantoka tamin’ny asa ratsy ny sainareo. Nampihavanin’Andriamanitra taminy indray anefa ianareo izao, tamin’ny alalan’ny vatana ara-nofo [nananan’i Jesosy], tamin’ny nahafatesany. Amin’izay dia mba ho masina sy tsy misy tsiny ianareo.’—Kol. 1:21, 22.

12, 13. Natao batisa tamin’ny anaran’ny Zanaka ianao. a) Inona àry no tokony hataonao raha misy manafintohina? b) Inona koa no tokony hirinao hatao?

12 Fantatrao tsara fa mirona hanota ianao, na dia efa vita batisa amin’ny anaran’ny Zanaka aza. Mahasoa anao foana ny fahalalana an’izany. Raha misy olona manafintohina anao, ohatra, dia tadidio fa samy mpanota ianareo. Samy mila ny famelan’Andriamanitra ianareo, ary tokony hifamela heloka. (Mar. 11:25) Nanao fanoharana iray i Jesosy mba hanasongadinana an’izany. Nananan’ny tompony talenta iray alina (60 tapitrisa denaria) ny mpanompo iray, nefa nafoiny izany trosa izany. Tsy namelan’io mpanompo io anefa ny mpanompo hafa nananany denaria zato. Izao no tena nasongadin’i Jesosy: Tsy hamela ny helok’izay tsy mamela ny rahalahiny i Jehovah. (Mat. 18:23-35) Ny hoe atao batisa amin’ny anaran’ny Zanaka àry dia midika hoe manaiky ny fahefan’i Jesosy ary miezaka manaraka ny ohatra navelany sy ny fampianarany, anisan’izany ilay hoe tokony ho vonona hamela heloka.—1 Pet. 2:21; 1 Jaona 2:6.

13 Tsy lavorary ianao ka tsy afaka manahaka tanteraka an’i Jesosy. Maniry hanao araka izay fara herinao anefa ianao, satria nanokan-tena ho an’Andriamanitra tamin’ny fonao manontolo. Miezaka hatrany àry ianao mba hanesotra ny toetra taloha sy hitafy ny toetra vaovao. (Vakio ny Efesianina 4:20-24.) Raha misy namanao tianao, ohatra, dia azo inoana fa hiezaka ianao mba hanahaka an’izay ataony sy ny toetra tsarany. Maniry hianatra momba an’i Kristy sy hanahaka azy koa ianao.

14. Efa Mpanjaka any an-danitra i Jesosy. Ahoana àry no ampisehoanao fa manaiky ny fahefany ianao?

14 Ahoana koa no azonao ampisehoana fa takatrao izay tafiditra amin’ny hoe vita batisa amin’ny anaran’ny Zanaka? Nasain’Andriamanitra “nanaiky an’i Kristy ny zava-drehetra, ka nataony eo ambany tongony. Ary nataony ho lohan’ny zavatra rehetra izy, mba hahasoa ny fiangonana.” (Efes. 1:22) Mila manaiky ny fomba itarihan’i Jesosy an’ireo nanokan-tena ho an’i Jehovah àry ianao. Ireo anti-panahy voatendry no tena ampiasain’i Kristy eo anivon’ny fiangonana, ary tsy lavorary izy ireny. ‘Mba hanitsiana ny olona masina sy hanorenana ny vatan’i Kristy’ no nanendrena azy ireny. (Efes. 4:11, 12) Manao fahadisoana ny olona tsy lavorary. Mpanjakan’ilay Fanjakana any an-danitra anefa i Jesosy, ka afaka mandamina izany amin’ny fotoana mety aminy sy araka izay itiavany azy. Matoky an’izany ve ianao?

15. Raha mbola tsy vita batisa ianao, inona no fitahiana antenainao ho azo aorian’ny batisanao?

15 Raha mbola tsy nanokan-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa àry ianao, tsy hitanao ve fa tokony hankasitraka ny Zanaka sy izay nataony ho anao ianao? Hahazo fitahiana lehibe ianao raha vita batisa amin’ny anaran’ny Zanaka.—Vakio ny Jaona 10:9-11.

Amin’ny anaran’ny fanahy masina

16, 17. Midika inona ho anao ny hoe atao batisa amin’ny anaran’ny fanahy masina?

16 Inona no dikan’ny hoe atao batisa amin’ny anaran’ny fanahy masina? Efa hitantsika fa nahalala momba ny fanahy masina ireo olona nihaino an’i Petera tamin’ny Pentekosta. Izy ireo mihitsy no nahita porofo fa mbola nampiasa ny fanahy masina Andriamanitra. Anisan’ireo “niteny tamin’ny fiteny maro samihafa” i Petera, rehefa “feno fanahy masina.” (Asa. 2:4, 8) Tsy voatery ho olona foana no tondroin’ny hoe “amin’ny anaran’ny.” Tsy olona, ohatra, ny fanjakana nefa maro ny zavatra atao “amin’ny anaran’ny fanjakana.” Ny fahefany kosa no anatontosana azy ireny. Eken’ireo atao batisa amin’ny anaran’ny fanahy masina koa hoe tsy olona ny fanahy masina fa hery ampiasain’i Jehovah. Ekeny ny anjara asan’ny fanahy masina eo amin’ny fikasan’Andriamanitra.

17 Lasa nahalala momba ny fanahy masina tokoa ianao rehefa nianatra Baiboly. Fantatrao, ohatra, fa nosoratana teo ambany herin’izy io ny Soratra Masina. (2 Tim. 3:16) Raha efa vita batisa ianao ary manohy mandroso ara-panahy, dia takatrao kokoa ny hevitry ny hoe ‘manome ny fanahy masina ho an’izay mangataka aminy ilay Ray any an-danitra.’ (Lioka 11:13) Omeny ny fanahiny ianao, ary mety ho efa tsapanao ny herin’izy io teo aminao. Raha mbola tsy natao batisa tamin’ny anaran’ny fanahy masina kosa ianao, dia handray fitahiana rehefa hahazo an’io fanahy io. Nanome toky mantsy i Jesosy hoe homen’ny Ray fanahy masina ianao.

18. Inona no fitahiana ho azon’ireo atao batisa amin’ny anaran’ny fanahy masina?

18 Miharihary fa mitari-dalana ny fiangonana kristianina amin’ny alalan’ny fanahiny i Jehovah ankehitriny. Manampy antsika tsirairay amin’izay ataontsika isan’andro koa io fanahy io. Ny hoe atao batisa amin’ny anaran’ny fanahy masina dia midika fa ekentsika ny anjara asan’izy io, ary vonona ny hiara-miasa amin’izy io isika. Mety hisy hieritreritra anefa hoe ahoana no ahafahana miaina mifanaraka amin’ny fanokanan-tena ho an’i Jehovah, ary ahoana no anampian’ny fanahy masina amin’izany? Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Jereo ny Mifohaza! (frantsay) 22 Janoary 1982, pejy 3-8.

Tadidinao Ve?

• Inona no tafiditra amin’ny hoe atao batisa amin’ny anaran’ny Ray?

• Inona no dikan’ny hoe atao batisa amin’ny anaran’ny Zanaka?

• Ahoana no ampisehoanao fa takatrao ny hoe atao batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka?

• Inona no dikan’ny hoe atao batisa amin’ny anaran’ny fanahy masina?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 10]

Nanao ahoana ny fifandraisan’ireo mpianatra vaovao sy ny Ray, taorian’ny Pentekosta taona 33?

[Sary nahazoan-dalana]

By permission of the Israel Museum, Jerusalem